Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

manokana aho» Ibid, boky 2, toko 2. Teo anilany ny anjelin’ ny lanitra, ary ny tarapahazavana avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra dia nampiseho ireo haren’ ny fahamamarinana tamin’ ny sainy. Natahorany mandrakariva ny hampalahelo an’ Andriamanitra, nefa izao dia tsapany lalina ny maha-mpanota azy, ary nanindry mafy azy mihoatra noho ny teo aloha izany. Naniry koa raha naniry ny ho afaka amin’ ny fahotana izy sy ny ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra ka dia nanapa-kevitra hiditra ho relijiozy izy nony farany ary hanolotena ho mpitoka-monina. Nasaina nanao ny asa mafy ambany indrindra izy tao sy nangataka isan-trano.Teo amin’ ny taona izay hikatsahana fatratra ny haja sy ny fankasitrahana izy tamin’ izay ka nampangirifiry ny fony ny fanaovana ireo asan’ ny mpanompo ireo; nefa nozakainy tamimpaharetana satria ninoany fa nilaina noho ny fahotany izany. Ny fotoana rehetra izay azony nanombinana tamin’ ny fanaovany ireo adidiny andavanandro dia nampiasainy hianarana, nangalarany tamin’ ny ora tokony hatoriana ary na dia ny fotoana kely lany tao amin’ ilay sakafo ambilom-bazana aza dia nakany koa. Ambonin’ ny zavatra hafa rehetra dia ny fianarana ny tenin’ Andriamanitra no nahitany fahafinaretana. Nahita Baiboly voagadra tamin’ ny rindrin’ ny tranon-drelijiozy izy, ka nankeo matetika. Arakaraka ny nahatsapany lalindalina kokoa ny maha-mpanota azy no itadiavany ny ahazoana famelan-keloka sy fiadanana tamin’ ny alalan’ ny asany. Nivelona tamin’ ny fiainana mafy indrindra izy, niezaka ny hampilefitra ireo fironana ratsy tao aminy tamin’ ny alalan’ ny fifadiankanina, ny fiaretan-tory sy ny fampijalian-tena tamin’ ny kapoka, nefa. tsy nahitany fahafahana izany nandritra ny fiainany tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy. Tsy nihemotra mihitsy izy teo anatrehan’ izay fihafiana mafy indrindra niheverany fa hahatrarany ilay fahadiovam-po izay ahazoany mijoro sy ankasitrahana eo anatrehan’ Andria-manitra. Relijiozy vontom-pivavahana aho, hoy izy taty aoriana, «nanaraka ny fepetra tao amin’ ny antoko nisy ahy tamin’ ny fomba hentitra mihoatra noho izay azoko hambara. Raha misy relijiozy mety mahazo ny lanitra amin’ ny asan’ ny maha-relijiozy azy, dia ho nahazo izany marina aho. . . Raha notohizako kely izany dia ho nitarika ahy hatramin’ ny fahafatesana ny fampijaliako tena.» — Ibid, boky 2, toko 3. Vokatr’ io fifehezan-tena mampijaly io dia very ny tanjany ka nifanintontsintona sy safotra izy, ary tsy sitrana tanteraka mihitsy tamin’ ny aretina vokatr’ izany. Nefa na dia teo aza ny ezaka rehetra nataony dia tsy nahita anamaivanana ny fanahiny nitambesaran-keloka. Farany dia efa nanamorona ny hantsan’ ny famoizam-po izy. Tamin’ ny fotoana niheveran’ i Lotera fa tsy misy azony antenaina intsony no nananganan’ Andriamanitra sakaiza sy mpanampy ho azy. Nanokatra ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny sain’ i Lotera i Staupitz, lehilahy tia vavaka ka nobaikoiny tsy hijery ny tenany izy, hijanona tsy hibanjina intsony ny famaizana mandrakizay izay mandika ny lalàn’ Andriamanitra, fa hijery an’ i Jesosy, Ilay Mpamonjiny mpamela heioka. «Aza mampahory ny tenanao noho ny fahotanao, fa miantoraha eo amin’ ny sandrin’ ny Mpanavotra. Matokia Azy, matokia ny fahamarinan’ ny fiainany, ny fanavotana avy amin’ ny fahafatesany. . . Henoy ny Zanak’ Andriamanitra, tonga olona Izy mba hanomezany anao ny antoky ny fankasitrahan’ Andriamanitra.» Tiavo Ilay efa tia anao 86

taloha. Ibid, boky 2, toko 4. Toy izany no teny nataon’ io mpitondra hafatry ny famindrampo io. Latsaka lalina tao an-tsain’ i Lotera ny teniny. Rehefa avy niady imbetsaka tamin’ ireo hevi-diso nankamamiany ela izy, dia afaka namikitra ny fahamarinana, ary niditra tao amin’ ny fanahiny niahanahana teo ny fiadanana. Nohosorana ho pretra i Lotera ary voantso hivoaka ny tranon’ ny relijiozy hampianatra tao amin’ ny Oniversiten’ ny Wittenberg. Tao izy no nilofo nianatra ny Soratra Masina tamin’ ny teny nanoratana azy. Nanomboka famelabelarana momba ny Baiboly izy; ary nosokafana ho azon’ ny vahoaka marobe nihaino tamim-pifaliana ny bokin’ ny Salamo, ny Filazantsara sy ny Epistily. Nampirisihin’ i Staupitz, izay sakaizany sady lehibeny izy, hiakatra polipitra ka hitory ny tenin’ Andriamanitra. Nisalasala i Lotera, satria tsapany fa tsy mendrika hisolo an’ i Kristy izy hiteny amin’ ny vahoaka. Rehefa niady ela izy vao nanaiky ny fangatahan’ ireo sakaizany. Efa nahay Soratra Masina izy ary ny fahasoavan’ Andriamanitra nitoetra teo aminy. Namabo ny mpihaino azy ny fahaizany mandahatra, naharesy lahatra ny saina ny teny mazava sy mahery nentiny naneho ny fahamarinana, ary nanetsika ny fony ny firehetany. Mbola tena zanaky ny fiangonana papaly marina i Lotera ary tsy nihevitra zavatra hafa noho izany mihitsy na oviana na oviana. Noho ny fitondran’ Andriamanitra dia voatarika hitsidika an’ i Roma izy. Nandeha tongotra izy, niantrano tany amin’ ny relijiozy teny andalana. Tany amin’ ny tranon’ ny relijiozy iray tany Italia dia gaga izy nahita maso ny harena, ny hatsaran-tarehy mihoapampana sy ny fanaranam-po tafahoatra. Ny vola niditra tamin’ ny relijiozy dia nitovy tamin’ izay raisin’ ny andriandahy, ka nipetraka tao amin’ ny trano kanto indrindra izy ireny sady nitafy akanjo sarobidy sy lafo indrindra. Ory dia ory sady nisalasala i Lotera raha nampitaha izany tamin’ ny fahafoizan-tena sy ny hamafin’ ny fiainany. Very hevitra izy. Nony farany dia tazany lavitra ilay tanàna misy havoana fito. Safo-morona ny fihetseham-pony ka niankohoka tamin’ ny tany izy, niteny mafy hoe; «Miarahaba anao aho, Roma masina.» Ibid,boky 2, toko 6. Niditra ny tanàna izy, nitsidika ireo fiangonana, nihaino ireo tantara mahavariana naverin’ ireo pretra sy relijiozy ary nanatanteraka ny fanompoampivavahana rehetra nasaina natao. Hatraiza hatraiza dia nahitany toe-javatra izay nampitolagaga sy nampihoronkoditra azy. Hitany fa nisy ny faharatsian-toetra teo amin’ ireo antoko relijiozy rehetra. Reny ny vazivazy tsy mendrika nataon’ ireo pretra ambony, ka tsiravina izy nahita ny fanazimbazimbany nahamenatra, na dia nandritra ny lamesa aza. Raha nifangaro tamin’ ny relijiozy sy ny olon-tsotra izy dia filibana sy fitondrantena ratsy no hitany. Na taiza na taiza dia tsy fahamasinana no hitany fa fanevatevana ny zava-masina. Tsy azo heverina, hoy ny nosoratany, ny fahotana sy ny zava-mahamenatra atao ao Roma: tsy nampino mihitsy raha tsy hitan’ ny maso sy ren’ ny sofina. Lasa fitenenana ny hoe: «Raha misy ny helo, dia eo amboniny no miorina Roma, lavaka tsy hita noanoa izay ivoahan’ ny karazam-pahotana rehetra.» Ibid, boky 2, toko 6. 87

manokana aho» Ibid, boky 2, toko 2. Teo anilany ny anjelin’ ny lanitra, ary ny tarapahazavana

avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra dia nampiseho ireo haren’ ny

fahamamarinana tamin’ ny sainy. Natahorany mandrakariva ny hampalahelo an’

Andriamanitra, nefa izao dia tsapany lalina ny maha-mpanota azy, ary nanindry mafy azy

mihoatra noho ny teo aloha izany.

Naniry koa raha naniry ny ho afaka amin’ ny fahotana izy sy ny ho vita fihavanana

amin’ Andriamanitra ka dia nanapa-kevitra hiditra ho relijiozy izy nony farany ary hanolotena

ho mpitoka-monina. Nasaina nanao ny asa mafy ambany indrindra izy tao sy nangataka

isan-trano.Teo amin’ ny taona izay hikatsahana fatratra ny haja sy ny fankasitrahana izy

tamin’ izay ka nampangirifiry ny fony ny fanaovana ireo asan’ ny mpanompo ireo; nefa

nozakainy tamimpaharetana satria ninoany fa nilaina noho ny fahotany izany.

Ny fotoana rehetra izay azony nanombinana tamin’ ny fanaovany ireo adidiny

andavanandro dia nampiasainy hianarana, nangalarany tamin’ ny ora tokony hatoriana ary

na dia ny fotoana kely lany tao amin’ ilay sakafo ambilom-bazana aza dia nakany koa.

Ambonin’ ny zavatra hafa rehetra dia ny fianarana ny tenin’ Andriamanitra no nahitany

fahafinaretana. Nahita Baiboly voagadra tamin’ ny rindrin’ ny tranon-drelijiozy izy, ka

nankeo matetika. Arakaraka ny nahatsapany lalindalina kokoa ny maha-mpanota azy no

itadiavany ny ahazoana famelan-keloka sy fiadanana tamin’ ny alalan’ ny asany. Nivelona

tamin’ ny fiainana mafy indrindra izy, niezaka ny hampilefitra ireo fironana ratsy tao aminy

tamin’ ny alalan’ ny fifadiankanina, ny fiaretan-tory sy ny fampijalian-tena tamin’ ny

kapoka, nefa. tsy nahitany fahafahana izany nandritra ny fiainany tao amin’ ny tranon’ ny

relijiozy. Tsy nihemotra mihitsy izy teo anatrehan’ izay fihafiana mafy indrindra niheverany

fa hahatrarany ilay fahadiovam-po izay ahazoany mijoro sy ankasitrahana eo anatrehan’

Andria-manitra. Relijiozy vontom-pivavahana aho, hoy izy taty aoriana, «nanaraka ny

fepetra tao amin’ ny antoko nisy ahy tamin’ ny fomba hentitra mihoatra noho izay azoko

hambara. Raha misy relijiozy mety mahazo ny lanitra amin’ ny asan’ ny maha-relijiozy azy,

dia ho nahazo izany marina aho. . . Raha notohizako kely izany dia ho nitarika ahy

hatramin’ ny fahafatesana ny fampijaliako tena.» — Ibid, boky 2, toko 3. Vokatr’ io

fifehezan-tena mampijaly io dia very ny tanjany ka nifanintontsintona sy safotra izy, ary tsy

sitrana tanteraka mihitsy tamin’ ny aretina vokatr’ izany. Nefa na dia teo aza ny ezaka

rehetra nataony dia tsy nahita anamaivanana ny fanahiny nitambesaran-keloka. Farany dia

efa nanamorona ny hantsan’ ny famoizam-po izy. Tamin’ ny fotoana niheveran’ i Lotera fa

tsy misy azony antenaina intsony no nananganan’ Andriamanitra sakaiza sy mpanampy ho

azy. Nanokatra ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny sain’ i Lotera i Staupitz, lehilahy tia

vavaka ka nobaikoiny tsy hijery ny tenany izy, hijanona tsy hibanjina intsony ny famaizana

mandrakizay izay mandika ny lalàn’ Andriamanitra, fa hijery an’ i Jesosy, Ilay Mpamonjiny

mpamela heioka. «Aza mampahory ny tenanao noho ny fahotanao, fa miantoraha eo amin’

ny sandrin’ ny Mpanavotra. Matokia Azy, matokia ny fahamarinan’ ny fiainany, ny

fanavotana avy amin’ ny fahafatesany. . . Henoy ny Zanak’ Andriamanitra, tonga olona Izy

mba hanomezany anao ny antoky ny fankasitrahan’ Andriamanitra.» Tiavo Ilay efa tia anao

86

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!