Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Nanohana azy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Nameno ny fana-hiny ny fiadanan’ ny lanitra nandritra ireo herinandro nijaliany talohan’ ny didim-pitsarana farany. «Ato antranomaizina no anoratako ity taratasy ity, hoy izy tamin’ ny sakaizany. Mifatotra ny tanako ary miandry ny didim-pitsarana manameloka ahy ho faty rahampitso aho . . . Rehefa hihaona indray isika. noho ny fanampian’ i Jesosy, ao amin’ ny fiadanana kanton’ ny fiainana mandrakizay ho avy, dia ho fantatrao ny famindrampo nasehon’ Andriamanitra tamiko, ny tena nanohanany ahy marina teo anivon’ ny fakampanahy sy ny fitsapana nihatra tamiko» 9. Tao amin’ ny tranomaizina maloka nisy azy no nahitany mialoha ny fandresen’ ny finoana marina. Niverina tamin’ ny nofy tao amin’ ny fiangonan’ i Prague izy, izay toerana nitoriany ny filazantsara, ary nahita ny papa sy ireo evekany nikosoka ireo sarin’ i Kristy nataony hosodoko teny amin’ ny rindrina. «Nampahory ahy io fahitana io, hoy izy ; «nefa ny ampitson’ iny dia nahita mpanao hosodoko maro izy izay niasa namerina indray ireo sary ireo sady nataony betsaka no mazava kokoa ny lokony. Raha vao vita ny asany, dia niteny ireo mpanao hosodoko izay nohodidinin’ ny vahoaka be hoe : Avelao ho avy amin’ izay ireo papa sy eveka, tsy ho voakosony intsony ireo !» Hoy ilay Mpanavao fivavahana raha nitantara ny nofiny : «Tazoniko ho azo antoka, fa tsy ho voakosoka na oviana na oviana ny sarin’ i Kristy. Nirin’ izy ireo ny hanimba izany, nefa ho voahosodoko vaovao ao amin’ ny fo rehetra amin’ ny alalan’ ny mpitory teny tsara lavitra noho ny tenako izany» 10. Nentina farany teo anoloan’ ny fivoriam-be i Hus. Olona marobe sy mamiratra avokoa no tafavory tao ny amperora, ireo andriandahy ao amin’ ny fanjakana, ireo solombavan’ ny mpanjaka, ny kardinaly, ny eveka sy ny pretra, ary vahoaka marobe izay tonga nanatrika ilay zava-dehibe indrindra tamin’ io andro io. Tonga avy tany amin’ ny faritany kristiana rehetra ny olona mba ho vavolombelon’ ilay sorona lehibe voalohany teo amin’ ny ady maharitra natao mba ahazoana antoka ny fandresen’ ny fahafahana manaja ny feon’ ny fieritreretana. Rehefa nasaina nilaza ny fanapahan-keviny farany i Hus, dia nambarany fa laviny ny hanatsoaka ny teny nataony, ary nampifantohany tamin’ ny mpanjaka ny fijeriny maranitra, dia ilay mpanjaka izay nanao tsinontsinona tamin’ ny fomba mahamenatra ny teny nomeny, ka hoy izy hoe : «Nanapa-kevitra aho, araka ny sitrapoko malalaka, ny hiseho eto anatrehan’ ity fivoriambe ity, eo ambanin’ ny fiarovana ampahibemaso sy ny teny nomen’ ny amperora manatrika etoana» 11. Boramena i Sigismond raha nitodika nankany aminy ny fijerin’ ny olona rehetra tao amin’ ny fivoriana. Rehefa avy notononina ny didim-pitsarana, dia nanomboka ny fomba fanalamboninahitra. Nampiakanjoin’ ny eveka tamin’ ny akanjo maha-pretra azy ilay gadra, ary raha nandray akanjo i Hus dia hoy izy : «Akanjo fotsy no natafy an’ i Jesosy Kristy Tompo ho fanevatevana Azy, raha nentin’ i Heroda teo anatrehan’ i Pilato lzy» 11. Raha namporisihina hanatsoaka ny teniny indray izy, dia nitodika nankany amin’ ny vahoaka ka namaly hoe : «Endrika manao ahoana ary no hibanjinako ny lanitra ? Ataoko ahoana no fijery ireo 74

vahoaka izay nitoriako ny filazantsara madio ? Tsia ; ny famonjena dia sarobidy amiko mihoatra noho ity tena mahantra ity, izay voatendry ho amin’ ny fahafatesana ankehitriny». Nalaina tsirairay ireo fitafiany, ary samy nanozona avokoa ny eveka rehefa nanao ny anjarany avy teo amin’ izany fomba izany. Tamin’ ny farany «dia nasiany karazan-tsatroka ny lohany, irony satroka matsilo loha fanaon’ ny eveka, saingy taratasy, ary nisy sarin’ ny demonia nampahatahotra teo aminy sy soratra hoe : «Heretika raindahiny». Amim-pifaliana lehibe indrindra, hoy Hus, no hitondrako ny satroboninahitry ny henatra ho Anao, Jesosy ò. izay nitondra stroboninahitra tsilo ho ahy». Rehefa nampihaingoina toy izany izy, dia hoy ireo pretra ambony hoc : «Atolory ho an’ ny devoly amin’ izay ny fanahinao». Izaho kosa, hoy i John Hus, sady nanandratra ny masony ho eny amin’ ny lanitra izy, dia mametraka ny fanahiko ho eo am-pelatananao, ry Tompo Jesosy ò, satria efa nanavotra ahy Ianao» 12. Natolotra ireo manam-pahefana ara-nofo amin’ izay izy ka nentina ho eny amin’ ny toerana famonoana. Vahoaka marobe no nilahatra nanaraka azy, olona nitam-piadiana anjatony, pretra sy eveka nanao ny akanjony sarobidy, ary ireo mponina tao Constance. Rehefa voafatotra teo amin’ ny antontan-kitay izy, ka efa vonona ny zavatra rehetra handrehetana ny afo, dia namporisihina indray ilay maritiora mba hamonjy ny tenany ka hiala amin’ ny hevi-disony. «Hevi-diso inona, hoy i Hus, no hialako ? Fantatro fa tsy misy mahadiso ahy ireny na dia iray aza. Miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona aho, fa izay rehetra nosoratako sy notoriako dia nataoko mba hitsinjovana ny famonjena ny fanahy ho afaka amin’ ny fahotana, ka tsy ho very ; ary noho izany, dia fifaliana lehibe indrindra ho ahy ny manamafy amin’ ny rako ny fahamarinana izay efa nosoratako sy notoriako»12. Rehefa nirehitra nanodidina azy ny afo, dia nanomboka nihira izy hoe : «Jesosy Zanak’ i Davida, mamindra fo amiko», ary notohizany izany mandra-panginan’ ny feony mandrakizay. Na dia ny fahavalony aza dia zendana tamin’ ny fihetsiny feno nerim-po. Nisy papista mafana fo iray, izay nitantara ny nahafatesan’ i Hus maritiora, sy ny nahafatesan’ i Jéróme, izay maty tatý aoriana kely ary nilaza hoe : «Samy nanana saina tony izy mirahalahy rehefa nanakaiky ny ora farany. Niomana ny hodorana toy ny olona ho any amin’ ny fanasana fampakaram-bady izy. Tsy namoaka feo mitory fitarainana izy. Rehefa niakatra ny lelafo, dia nanomboka nihira izy ; ary mahalana no nampihato ny hirany ny fidedadedan’ ny afo»12. Rehefa levona tanteraka ny tenan’ i Hus, dia nangonina niaraka tamin’ ny tany nisy azy teo ny lavenona, ary natsipy tao amin’ ny renirano Rhin izay nitondra azy any amin’ ny ranomasimbe. Sasapoana ireo mpanenjika azy nihevitra fa voaongany ny fahamarinana notoriny. Tsy nosaintsaininy kely akory fa ny lavenona izay navalan’ ny andro nifandimby ho any amin’ ny ranomasina dia toy ny voa niparitaka eny amin’ ny faritry ny tany rehetra, ka hitondra vokatra betsaka ho vavolombelon’ ny fahamarinana any amin’ ny tany tsy mbola fantatra akory. Ilay feo izay niteny tao amin’ ny efitra lehibe nisy ny fivoriambe fandinihan-draharaha tany Constance, dia nampita ako izay ho re mandritra ny andro ho avy 75

Nanohana azy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Nameno ny fana-hiny ny fiadanan’ ny

lanitra nandritra ireo herinandro nijaliany talohan’ ny didim-pitsarana farany. «Ato antranomaizina

no anoratako ity taratasy ity, hoy izy tamin’ ny sakaizany. Mifatotra ny tanako

ary miandry ny didim-pitsarana manameloka ahy ho faty rahampitso aho . . . Rehefa

hihaona indray isika. noho ny fanampian’ i Jesosy, ao amin’ ny fiadanana kanton’ ny

fiainana mandrakizay ho avy, dia ho fantatrao ny famindrampo nasehon’ Andriamanitra

tamiko, ny tena nanohanany ahy marina teo anivon’ ny fakampanahy sy ny fitsapana nihatra

tamiko» 9.

Tao amin’ ny tranomaizina maloka nisy azy no nahitany mialoha ny fandresen’ ny

finoana marina. Niverina tamin’ ny nofy tao amin’ ny fiangonan’ i Prague izy, izay toerana

nitoriany ny filazantsara, ary nahita ny papa sy ireo evekany nikosoka ireo sarin’ i Kristy

nataony hosodoko teny amin’ ny rindrina. «Nampahory ahy io fahitana io, hoy izy ; «nefa

ny ampitson’ iny dia nahita mpanao hosodoko maro izy izay niasa namerina indray ireo sary

ireo sady nataony betsaka no mazava kokoa ny lokony. Raha vao vita ny asany, dia niteny

ireo mpanao hosodoko izay nohodidinin’ ny vahoaka be hoe : Avelao ho avy amin’ izay ireo

papa sy eveka, tsy ho voakosony intsony ireo !» Hoy ilay Mpanavao fivavahana raha

nitantara ny nofiny : «Tazoniko ho azo antoka, fa tsy ho voakosoka na oviana na oviana ny

sarin’ i Kristy. Nirin’ izy ireo ny hanimba izany, nefa ho voahosodoko vaovao ao amin’ ny

fo rehetra amin’ ny alalan’ ny mpitory teny tsara lavitra noho ny tenako izany» 10.

Nentina farany teo anoloan’ ny fivoriam-be i Hus. Olona marobe sy mamiratra avokoa

no tafavory tao ny amperora, ireo andriandahy ao amin’ ny fanjakana, ireo solombavan’ ny

mpanjaka, ny kardinaly, ny eveka sy ny pretra, ary vahoaka marobe izay tonga nanatrika

ilay zava-dehibe indrindra tamin’ io andro io. Tonga avy tany amin’ ny faritany kristiana

rehetra ny olona mba ho vavolombelon’ ilay sorona lehibe voalohany teo amin’ ny ady

maharitra natao mba ahazoana antoka ny fandresen’ ny fahafahana manaja ny feon’ ny

fieritreretana.

Rehefa nasaina nilaza ny fanapahan-keviny farany i Hus, dia nambarany fa laviny ny

hanatsoaka ny teny nataony, ary nampifantohany tamin’ ny mpanjaka ny fijeriny maranitra,

dia ilay mpanjaka izay nanao tsinontsinona tamin’ ny fomba mahamenatra ny teny nomeny,

ka hoy izy hoe : «Nanapa-kevitra aho, araka ny sitrapoko malalaka, ny hiseho eto anatrehan’

ity fivoriambe ity, eo ambanin’ ny fiarovana ampahibemaso sy ny teny nomen’ ny amperora

manatrika etoana» 11. Boramena i Sigismond raha nitodika nankany aminy ny fijerin’ ny

olona rehetra tao amin’ ny fivoriana.

Rehefa avy notononina ny didim-pitsarana, dia nanomboka ny fomba fanalamboninahitra.

Nampiakanjoin’ ny eveka tamin’ ny akanjo maha-pretra azy ilay gadra, ary raha

nandray akanjo i Hus dia hoy izy : «Akanjo fotsy no natafy an’ i Jesosy Kristy Tompo ho

fanevatevana Azy, raha nentin’ i Heroda teo anatrehan’ i Pilato lzy» 11. Raha namporisihina

hanatsoaka ny teniny indray izy, dia nitodika nankany amin’ ny vahoaka ka namaly hoe :

«Endrika manao ahoana ary no hibanjinako ny lanitra ? Ataoko ahoana no fijery ireo

74

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!