Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 6—Roa Mahery Fo Tamin’ ny taonjato fahasivy dia efa tafajoro tany Bohemia ny filazantsara. Voadika tamin’ ny fiteny Bohemiana ny Baiboly ary natao tamin’ ny fiteny mahazatra ny olona ny fanompoampivavahana. Nefa arakaraka ny nitomboan’ ny fahefan’ ny papa no nampahamaizina ny tenin’ Andriamanitra. Grégoire faha VII, ilay nandray andraikitra tamin’ ny fampietrena ny avonavon’ ny mpanjaka, dia narisika, tsy latsaka noho izany koa, hanandevo ny vahoaka, ary araka ny taratasy nalefany dia norarany ny fanompoampivavahana ampahibemaso atao amin’ ny teny Bohemiana. Nambaran’ ny papa fa «sitraky ny Tsitoha ny fivavahana atao Aminy amin’ ny teny tsy be mahafantatra, fa betsaka ny ratsy sy ny hevi-diso nipoitra noho ny tsy fankatoavana io fitsipika io»1. Navoakan’ i Roma ho didy ny hamonoana ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny hitazonana ny vahoaka ao amin’ ny haizina. Nefa efa nanome fiasana hafa ny Lanitra mba hiarovana ny fiangonana. Betsaka ireo Vaudois sy ireo Albigeois izay voaroakan’ ny fanenjehana ka nandositra ny tokantranony avy any Frantsa sy tany Italia, no nankany Bohemia. Na dia tsy sahy nampianatra an-karihary aza izy dia niasa mafy sy tamin-kafanam-po kosa tamin’ ny fomba miafina. Toy izany no nahavoatahiry ny finoana marina nandritra ny taonjato maro nifandimby. Talohan’ ny andron’ i Hus dia nisy olona tany Bohemia izay nitsangana nanameloka ampahibemaso ny fahalotoana nisy tao amin’ ny fiangonana sy ny faharatsiampitondrantena teo amin’ ny vahoaka. Nanaitra sy nanintona ny sain’ ny olona hatraiza hatraiza ny asany. Nisarangotra ireo ambaratongam-pahefana, ary nanapoaka fanenjehana an’ ireo mpanaraka ny filazantsara. Voatery nanao fanompoam-pivavahana tany anaty ala sy tany an-tendrombohitra izy ireo, ka nohazain’ ny miaramila ary betsaka no novonoina. Rehefa afaka kelikely dia nivoaka ny lalàna nilaza fa izay rehetra miala amin’ ny finoana Romana dia hodorana. Nefa raha namoy ny ainy toy izany ireo kristiana ireo, dia nibanjina kosa ny fandresen’ ny asany izy. Ny anankiray izay «nampianatra fa ny finoana ny Mpamonjy voahombo ihany no hany hahitana famonjena», dia nanambara raha teo ampialana aina hoe : «Mandresy anay ankehitriny ny haromotan’ ireo fahavalon’ ny fahamarinana, nefa tsy handresy anay mandrakizay izy; hisy anankiray hitsangana avy eo amin’ ny sarambabem-bahoaka, tsy hanana sabatra na fahefana, nefa tsy hisy afaka handresy azy»1. Mbola lavitra ny andron’ i Lotera ; nefa nisy anankiray sahady nitsangana, izay nampihetsika ny firenena ny vavolombelona nataony hanohitra an’ i Roma. Ambany firazanana i John Hus, ary kamboty mbola kely noho ny nahafatesan’ ny rainy izy. Mpivavaka reniny, ary nihevitra fa ny fanabeazana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra no sarobidy indrindra amin’ ny fananana, koa nokatsahiny izay hahazoana antoka izany fananana izany ho an-janany. Nianatra tany amin’ ny sekolim-paritany i Hus, ary avy teo dia nankany amin’ ny Oniversite taný Prague, ka voaray maimaim-poana tao noho ny mahampianatra nahantra azy. Ny reniny no niaraka taminy tamin’ ny diany ho any Prague, sady mpitondratena izy no mahantra ka tsy nanana fanomezana araka ny haren’ izao 66

tontolo izao hatolotra an-janany, nefa kosa raha nanakaiky ilay tanàn-dehibe izy ireo, dia nandohalika teo anilan’ ity tovolahy kamboty izy ka niantso ny fitahian’ ny Ray any andanitra ho azy. Tsy nampoizin’ ity reny ity firy hoe hatraiza ny ho valin’ izany fivavahana izany. Vetivety dia niavaka tao amin’ ny Oniversite i Hus noho ny fiezahany tsy nety sasatra sy ny fandrosoana faingana nataony, ny fiainany tsy nisy pentina ary ny fihetsiny malemy paika sady nahasarika ka nahatonga ny rehetra hankasitraka azy. Tamin’ ny fony tokoa no nifikirany tamin’ ny Fiangonana Romana ; nazoto nikatsaka ireo fitahiana ara-panahy izay lazainy fa azony omena izy. Indray andro jobily dia lasa nikonfesy izy, narotsany ny vola sisa farany avy tao amin’ ny tahiry keliny, dia lasa nanaraka ny filaharana masina izy, mba handray anjara amin’ ny famotsorankeloka nampanantenaina. Rehefa vita ny fianarany, dia niditra ho pretra izy, ary vetivety dia tonga teo amin’ ny toeram-boninahitra, ka nanjary niasa tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka. Mpampianatra izy ary tatý aoriana dia rektoran’ ny Oniversite iz.ay nanabe azy. Taona vitsy fotsiny dia nanjary reharehan’ ny fireneny ilay mpianatra mahantra feno fanetren-tcna, ary fanta-daza eran’ i Eoropa ny anarany. Tao amin’ ny saha hafa anefa no nanombohan’ i Hus ny asa fanavaozana arapivavahana. Taona maro taorian’ ny nanombohany ho pretra dia notendrena ho mpitoriteny tao amin’ ny fiangonana antsoina hoe Betlehema izy. Efa nolazain’ ilay nanorina an’ io fiangonana io ny maha-zava-dehibe sy ny mahamety ny fitoriana ny Soratra Masina amin’ ny fiteny mahazatra ny olona. Na dia teo aza ny fanoheran’ i Roma an’ io fomba io, dia mbola tsy foana tanteraka tany Bohemia akory izany. Fa betsaka ny tsy fahalalana ny Soratra Masina, ary nanjaka teo amin’ ny sarangan’ olona rehetra ny toetra ratsy indrindra. Tsy notsitsin’ i Hus ny fanamelohana ireny ratsy ireny ary ny tenin’ Andriamanitra no nampiasainy hanamafisana ireo foto-kevitry ny fahamarinana sy ny fahadiovana izay nampidiriny. Nisy tera-tany iray tao Prague, atao hoe Jéròme izay nanjary mpiara-miasa akaiky tamin’ i Hus tatý aoriana, nitondra ny asa soratr’ i Wiclef rehefa niverina avy tany Angletera. Ny mpanjakavavin’ i Angletera, izay efa voaova fo ka nanaraka ny fampianaran’ i Wiclef, dia andriam-bavy bohemiana, ary noho izy io koa dia niely fatratra tao amin’ ny tanindrazany ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana. Liana tokoa i Hus raha namaky ireo boky ireo; nino izy fa kristiana madio fo ny mpanoratra izany ary nirona hankasitraka ny fanavaozana lazainy fa mety izy. Na dia tsy fantany aza izany dia efa niditra sahady teo amin’ ny lalana hitarika azy hanalavitra an’ i Roma i Hus. Tokony ho tamin’ io fotoana io dia nisy vahiny roa lahy avy any Angletera tonga tao Prague, olona nahita fianarana, izay efa nandray ny fahamarinana, ka tonga hanaparitaka izany tany amin’ io tany lavitra io. Nanomboka namely mivantana ny fahefana faratampony ananan’ ny papa ry zareo ka vetivety dia nampanginin’ ny manam-pahefana; nefa satria tsy tiany ny handao ny fikasany, dia fomba hafa indray no nampiasainy. Sady mpiangaly zavakanto izy ireo no mpitoriteny, ka ny talentany no nampiasainy aloha. Teo amin’ ny toerana 67

tontolo izao hatolotra an-janany, nefa kosa raha nanakaiky ilay tanàn-dehibe izy ireo, dia

nandohalika teo anilan’ ity tovolahy kamboty izy ka niantso ny fitahian’ ny Ray any andanitra

ho azy. Tsy nampoizin’ ity reny ity firy hoe hatraiza ny ho valin’ izany fivavahana

izany.

Vetivety dia niavaka tao amin’ ny Oniversite i Hus noho ny fiezahany tsy nety sasatra sy

ny fandrosoana faingana nataony, ny fiainany tsy nisy pentina ary ny fihetsiny malemy

paika sady nahasarika ka nahatonga ny rehetra hankasitraka azy. Tamin’ ny fony tokoa no

nifikirany tamin’ ny Fiangonana Romana ; nazoto nikatsaka ireo fitahiana ara-panahy izay

lazainy fa azony omena izy. Indray andro jobily dia lasa nikonfesy izy, narotsany ny vola

sisa farany avy tao amin’ ny tahiry keliny, dia lasa nanaraka ny filaharana masina izy, mba

handray anjara amin’ ny famotsorankeloka nampanantenaina. Rehefa vita ny fianarany, dia

niditra ho pretra izy, ary vetivety dia tonga teo amin’ ny toeram-boninahitra, ka nanjary

niasa tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka. Mpampianatra izy ary tatý aoriana dia rektoran’ ny

Oniversite iz.ay nanabe azy. Taona vitsy fotsiny dia nanjary reharehan’ ny fireneny ilay

mpianatra mahantra feno fanetren-tcna, ary fanta-daza eran’ i Eoropa ny anarany.

Tao amin’ ny saha hafa anefa no nanombohan’ i Hus ny asa fanavaozana arapivavahana.

Taona maro taorian’ ny nanombohany ho pretra dia notendrena ho mpitoriteny

tao amin’ ny fiangonana antsoina hoe Betlehema izy. Efa nolazain’ ilay nanorina an’ io

fiangonana io ny maha-zava-dehibe sy ny mahamety ny fitoriana ny Soratra Masina amin’

ny fiteny mahazatra ny olona. Na dia teo aza ny fanoheran’ i Roma an’ io fomba io, dia

mbola tsy foana tanteraka tany Bohemia akory izany. Fa betsaka ny tsy fahalalana ny

Soratra Masina, ary nanjaka teo amin’ ny sarangan’ olona rehetra ny toetra ratsy indrindra.

Tsy notsitsin’ i Hus ny fanamelohana ireny ratsy ireny ary ny tenin’ Andriamanitra no

nampiasainy hanamafisana ireo foto-kevitry ny fahamarinana sy ny fahadiovana izay

nampidiriny.

Nisy tera-tany iray tao Prague, atao hoe Jéròme izay nanjary mpiara-miasa akaiky tamin’

i Hus tatý aoriana, nitondra ny asa soratr’ i Wiclef rehefa niverina avy tany Angletera. Ny

mpanjakavavin’ i Angletera, izay efa voaova fo ka nanaraka ny fampianaran’ i Wiclef, dia

andriam-bavy bohemiana, ary noho izy io koa dia niely fatratra tao amin’ ny tanindrazany

ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana. Liana tokoa i Hus raha namaky ireo boky ireo; nino izy

fa kristiana madio fo ny mpanoratra izany ary nirona hankasitraka ny fanavaozana lazainy fa

mety izy. Na dia tsy fantany aza izany dia efa niditra sahady teo amin’ ny lalana hitarika azy

hanalavitra an’ i Roma i Hus.

Tokony ho tamin’ io fotoana io dia nisy vahiny roa lahy avy any Angletera tonga tao

Prague, olona nahita fianarana, izay efa nandray ny fahamarinana, ka tonga hanaparitaka

izany tany amin’ io tany lavitra io. Nanomboka namely mivantana ny fahefana faratampony

ananan’ ny papa ry zareo ka vetivety dia nampanginin’ ny manam-pahefana; nefa satria tsy

tiany ny handao ny fikasany, dia fomba hafa indray no nampiasainy. Sady mpiangaly zavakanto

izy ireo no mpitoriteny, ka ny talentany no nampiasainy aloha. Teo amin’ ny toerana

67

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!