Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

dia nisy fanavaozana niharihary teo amin’ ny fomban’ ny olona, ka nesorina tsy ho ao amin’ ny fiangonana ireo tandindon’ ny fanompoan-tsampin’ ny fivavahana romana. Vetivety anefa dia nifofofofo tamin’ ireo izay sahy nanaiky ny Baiboly ho mpitaridalana azy ny rivo-doza tsy misy indrafon’ ny fanenjehana. Ireo mpanjaka tany Angletera izay maika ny hanamafy ny fahefany tamin’ ny fahazoana antoka ny fanohanan’ i Roma, dia tsy nisalasala nanao sorona ireo Mpanavao fivavahana voalohany tao amin’ ny tantaran’ i Angletera, ka dia nivoaka ny lalàna hampandoro velona ireo mpianatry ny filazantsara. Nifanesisesy ny maritiora. Tany an-tsofin’ ny Tompon’ ny maro ihany no nahazoan’ ireo mpiaro ny fahamarinana noroahina sy nampijaliana nampakatra ny fitarainany. Nohazaina sahala amin’ ny fahavalon’ ny fiangonana sy mpamadika ny fanjakana izy ireo, nefa dia nitory tany amin’ ny toerana mangina, nahita fialofana araka izay azony natao teny amin’ ny tokantrano tsotran’ ny mahantra, ary matetika dia niafina na dia tany anaty zohy sy lavaka aza. Na dia teo aza ny tifofofofon’ ny fanenjehana dia nisy olona nanohitra ny fahalotoan’ ny finoana sy ny fivavahana nanjaka tamin’ izay tamin’ ny fomba mangina nefa mafana, feno zotom-po sy faharctana izay nitohy niteny nandritra ny taonjato maro. Ny kristiana tamin’ ireo andro voalohany ireo dia tsy nanana afa-tsy fahaialana tapatapany ny fahamarinana, nefa nianatra ny ho tia sy hankatò ny tenin’ Andriamanitra, ka nijaly tamim-paharetana ho an’ izany. Tahaka ireo mpianatra tamin’ ny andron’ ny apostoly, dia betsaka no nanao sorona ny fananany teo amin’ izao tontolo izao ho an’ i Kristy. Ireo izay navela hipetraka tao an-tokantranony dia nandray tamim-pifaliana ireo rahalahiny noroahina, ary rehefa nalefa koa izy dia nekény tamim-pifaliana ny anjaran’ ny olona lavin’ ny tany ama-monina. Marina fa an’ arivony ireo izay torakovitra noho ny haromotan’ ny mpanenjika azy, ka nividy ny fahafahany tamin’ ny fanaovana sorona ny finoany, ary nivoaka ny fonja nisy azy, nanao ny akanjon’ ny mpiaiky heioka, mba hanambara ampahibemaso ny fandavany. Nefa tsy vitsy koa — ary anisan’ izany dia nisy olona ambony firazanana sy olona tsotra sy ambany — ireo izay tsy natahotra ny ho vavolombelon’ ny fahamarinana tao amin’ ny efitra terin’ ny tranomaizina, tao amin’ ny tilikambon’ i Lollards, sy teo anivon’ ny fampijaliana sy ny lelafo, no niravoravo fa natao ho mendrika ny hahalala «ny fiombonana amin’ ny fijalian’ ny Tompony». Tsy nahatanteraka ny sitrapony tamin’ i Wiclef fahavelony ireo mpiandany amin’ ny papa, ary tsy nety afa-po ny fankahalany raha mbola nandry tamim-piadanana tao ampasana ny taolambalony. Araka ny didy navoakan’ ny fiheveran-draharaha tany Constance, efapolo taona maliery tatý aorian’ ny nahafatesany, dia nofongarina ny taolany ka nodorana ampahibemaso, ary ny lavenona dia natsipy tao amin’ ny renirano kely teo akaiky teo. «Io renirano kely io, hoy ny mpanoratra taloha iray, dia nitondra ireo lavenona ireo tao amin’ ny Avon, ny Avon nitondra azy tao amin’ ny Severn, ny Severn tao amin’ ny ranomasina kely, ary avy eo tao amin’ ny ranomasina midadasika. Toy izany no nahatonga ny lavenon’ ny tenan’ i Wiclef ho tandindon’ ny fampianarany izay niparitaka eran’ izao tontolo izao ankehitriny»13. Tsy tsapan’ ireo fahavalony firy ny dikan’ ny asa ratsy nataony. 64

Tamin’ ny alalan’ ireo asa soratr’ i Wiclef no nahatonga an’ i John Huss niala tamin’ ny fahadisoana maro tao amin’ ny fivavahan’ i Roma ka niditra tao amin’ ny asa Fanavaozana ara-pivavahana tany Bohémia. Toy izany no namafazana ny voan’ ny Fahamarinana tao amin’ ireo tany roa ireo, izay nifanalavitra indrindra. Avy ao Bohémia dia nitatra ho amin’ ny tany hafa ny asa. Voatarika ho amin’ ny tenin’ Andriamanitra hadino elabe ny sain’ ny olona. Nisy tanan’ Andriamanitra nanomana ny lalana ho amin’ ny Fanavaozana arapivavahana lehibe. 65

Tamin’ ny alalan’ ireo asa soratr’ i Wiclef no nahatonga an’ i John Huss niala tamin’ ny

fahadisoana maro tao amin’ ny fivavahan’ i Roma ka niditra tao amin’ ny asa Fanavaozana

ara-pivavahana tany Bohémia. Toy izany no namafazana ny voan’ ny Fahamarinana tao

amin’ ireo tany roa ireo, izay nifanalavitra indrindra. Avy ao Bohémia dia nitatra ho amin’

ny tany hafa ny asa. Voatarika ho amin’ ny tenin’ Andriamanitra hadino elabe ny sain’ ny

olona. Nisy tanan’ Andriamanitra nanomana ny lalana ho amin’ ny Fanavaozana arapivavahana

lehibe.

65

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!