Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

hangataka ny hampianarany ny vahoaka marina tokoa, mba hahazoany koa manaraka azy ireo amin’ izany lalana izany ihany » 8. Toy izany no nanehoan’ i Wiclef tamin’ ny papa sy ireo Kardinaly ny fahalemempanahy sy ny fanetren-tenan’ i Kristy, ka tsy tamin’ ireo ihany fa tamin’ ny kristiana rehetra no naharihariny ny fahasamihafana nisy tamin’ izy ireo sy tamin’ Ilay Mpampianatra izay nolazainy fa naha-solontena azy. Nampoizin’ i Wiclef tokoa fa ny ainy no ho takalom-bidin’ ny fahatokiany. Niray hina ny mpanjaka sy ny papa ary ny eveka mba hahatanteraka ny famonoana azy, ary toa azo antoka fa volana vitsy sisa dia hoentina eny amin’ ny atontan-kitay hodorana velona izy. Tsy azo nohozongozonina anefa ny herim-pony : «Nahoana ianareo no milaza fa any antany lavitra no itadiavana ny satroboninahitry ny maritiora ? Torio amin’ ireo mpitondra fivavahana ambony mirehareha ny filazantsaran’ i Kristy, dia tsy ho diso anjara amin’ ny maritiora ianao. Nahoana no velona aho ka hangina ? . . . Sanatria ! Aoka ho avy izay famelezana, miandry aho» 11. Mbola niaro ny mpanompony anefa Andriamanitra teo amin’ ny fitondrany. Ilay olona izay nijoro an-kasahiana nandritra ny fiainany manontolo hiaro ny fahamarinana, notandindomin-doza tamin’ ny androm-piainany rehetra, io olona io dia. tsy ho voarain’ ireo fahavalony nankahala azy. Tsy nitady na oviana na oviana izay hiarovany tena i Wiclef fa Jehovah no mpiaro azy; ary ankehitriny, rehefa azon’ ireo fahavalony antoka fa ho azony an-tanana izy, dia nanala azy Andriamanitra tsy ho tratrany. Nianjera izy tao am-piangonany tany Lutterworth, raha nandeha hampandray, fihetsehan’ ny paralysisa izay nahafaty azy fotoana fohy taorian’ izay, no namarana ny fiainany. Efa notendren’ Andriamanitra ny asa ataon’ i Wiclef. Efa napetrany tao am-bavany ny tenin’ ny fahamarinana, ary nasiana mpiambina nanodidina azy mba ho tonga any amin’ ny vahoaka io teny io. Voaaro ny ainy, ary nitohy ny asany mandra-pijoron’ ny fototra ho amin’ ny asa lehibe Fanavaozana ara-pivavahana. Nivoaka avy any amin’ ny alin’ ny Andro Antenantenany i Wiclef. Tsy nisy teo alohany izay nanao asa nahazoany nandrafitra izay ho fanavaozana nataony. Natsangana tahaka an’ i Jaona Mpanao Batisa izy hanatanteraka asa manokana, ho mpialoha lalana ny andro vaovao. Na dia izany aza, ny rafitry ny fahamarinana izay najorony dia sady tokana no feno ; ary tsy nisy Mpanavao fivavahana nanarakaraka azy afaka nihoatra azy ; nisy sasany tsy nahatratra izany na dia zato taona tatý aoriana aza; mafy sy tsara indrindra ny rafi-trano ka tsy nilaina ny namerenanan’ ireo izay nandimby azy ny fanorenana an’ izany. Ilay fihetsiketsehana lehibe izay natombok’ i Wiclef hanafaka ny feon ny fieritreretana sy ny saina, sy hamotsotra ireo firenena voafatotra ela nanaraka ny kalesim-pandresen’ i Roma, dia nitsiry avy tao amin ny Baiboly. Tao ny lohan’ ilay reniranom-pitahiana izay nikoriana toy ny ranon’ aina teto un-tany hatramin’ ny taonjato fahefatra ambinifolo. Neken’ i Wiclef tamin’ ny finoana tsy nisy fisalasalana fa fanambarana ny sitrapon’ 62

Andriamanitra avy amin’ ity tsindrimandry ny Soratra Masina. toro-marika ampy ho amin’ ny finoana sy ny fiainana. Nobeazina mba hihevitra ny Fiangonan’ i Roma ho fahefana avy amin’ Andriamanitra tsy mety diso izy, sy hanaiky ireo fampianarana sy ireo fombany naorina efa an’ arivo taonany tamin’ ny fanajana tsy misy ady hevitra; nefa nialany avokoa ireo rehetra ireo mba hihainoany ny teny masin’ Andriamanitra. Io fahefana io no namporisihany ny vahoaka hoekeny. Tsy ny feon’ ny fiangonana niteny tamin’ ny alalan’ ny papa no nolazainy fa hany fahefana marina, fa ny feon’ Andriamanitra miteny amin’ ny alalan’ ny teniny. Tsy nampianariny fotsiny fa ny Baiboly dia fanambarana tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, fa ny Fanahy Masina no hany mpanazava izany, ary tokony hahalala izay adidiny ny olona tsirairay amin’ ny fandinihana ny fampianarany. Toy izany no nanodinany ny sain’ ny olona hiala amin’ ny papa sy ny Fiangonan’ i Roma ka hitodika amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Anisan’ ny ngezalahy indrindra tamin’ ireo mpanavao fivavahana i Wiclef Vitsy ireo mpandimby azy no nitovy taminy tamin’ ny fitaran’ ny fahalalany, ny fahazavan-tsainy, ny fijoroany hitana ny fahamarinana, sy ny fahasahiany hiaro izany. Ny fahadiovam-piainana, ny zotom-po tsy mety sasatra teo amin’ ny fianarana sy ny asa, ny toetra marina tsy azo nahodinkodina, ary ny fitiavana sy ny fahatokiana teo amin’ ny asa toy ny an’ i Kristy, ireo no nampiavaka ilay Mpanavao fivavahana voalohany. Ary izany na dia teo aza ny aizina ara-tsaina sy ny fahalotoana ara-pitondrantena nisy teo amin’ ny taonjato niainany. Ny toetra amam-panahin’ i Wiclef dia vavolombelon’ ny herin’ ny Soratra Masina manabe sy manova. Ny Baiboly no nahatonga azy araka izay maha-izy azy. Ny fiezahany hamikitra ireo fahamarinana lehibe tao amin’ ny fanambarana dia nanome hery vaovao sy tanjaka ny fahaizany rehetra. Nanitatra ny sainy izany, nampaharanitra azy, ary nahamatotra ny fahaizany mandanjalanja. Ny fianarana ny Baiboly dia hanandratra ny eritreritra rehetra, ny faniriana rehetra sy ny fihetseham-po rehetra mihoatra noho ny fianarana hafa atao. Mampitoetra tsara ny fikasana izany, manome faharetana. herim-po sy Fihafiana; manamboatra ny toetra izany ary manamasina ny fanahy. Ny fianarana ny Soratra Masina amimpahazotoana sy amim-panajana dia hitondra ny sain’ ny mpianatra hifandray mivantana amin’ ilay saina tsy voafetra, ka hanome olona, ho an’ izao tontolo izao, manana sairia mihamatanjaka sy miasa bebe kokoa hatrany, sy foto-kevitra ambony kokoa hatrany, mihoatra izay tsy mbola hita ho vokatry ny fitaizana havanana indrindra natolotry ny hevitsain’ ny olombelona : «Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao, hoy ny mpanao salamo, ka manome fahaialana» 12. Ireo foto-pinoana nampianarin’ i Wiclef dia mbola niparitaka ihany fotoana fohy; ireo mpanaraka azy izay fantatra tamin’ ny anarana hoe : «Wicléfites» sy «Lollards», dia tsy nitety an’ i Angletera fotsiny, fa niparitaka tany amin’ ny tany hafa, nitondra ny fahaialana ny filazantsara. Lasa ny mpitarika azy ankehitriny. Niasa tamin-kafanam-po mihoatra noho ny teo aloha ny mpitoriteny áry vahoaka marobe no nihaino ny fampianarany. Nisy andriana teo amin’ ireo niova fo ary anisan’ izany ny vadin’ ny mpanjaka. Tamin’ ny toerana maro 63

hangataka ny hampianarany ny vahoaka marina tokoa, mba hahazoany koa manaraka azy

ireo amin’ izany lalana izany ihany » 8.

Toy izany no nanehoan’ i Wiclef tamin’ ny papa sy ireo Kardinaly ny fahalemempanahy

sy ny fanetren-tenan’ i Kristy, ka tsy tamin’ ireo ihany fa tamin’ ny kristiana rehetra

no naharihariny ny fahasamihafana nisy tamin’ izy ireo sy tamin’ Ilay Mpampianatra izay

nolazainy fa naha-solontena azy.

Nampoizin’ i Wiclef tokoa fa ny ainy no ho takalom-bidin’ ny fahatokiany. Niray hina

ny mpanjaka sy ny papa ary ny eveka mba hahatanteraka ny famonoana azy, ary toa azo

antoka fa volana vitsy sisa dia hoentina eny amin’ ny atontan-kitay hodorana velona izy.

Tsy azo nohozongozonina anefa ny herim-pony : «Nahoana ianareo no milaza fa any antany

lavitra no itadiavana ny satroboninahitry ny maritiora ? Torio amin’ ireo mpitondra

fivavahana ambony mirehareha ny filazantsaran’ i Kristy, dia tsy ho diso anjara amin’ ny

maritiora ianao. Nahoana no velona aho ka hangina ? . . . Sanatria ! Aoka ho avy izay

famelezana, miandry aho» 11.

Mbola niaro ny mpanompony anefa Andriamanitra teo amin’ ny fitondrany. Ilay olona

izay nijoro an-kasahiana nandritra ny fiainany manontolo hiaro ny fahamarinana,

notandindomin-doza tamin’ ny androm-piainany rehetra, io olona io dia. tsy ho voarain’ ireo

fahavalony nankahala azy. Tsy nitady na oviana na oviana izay hiarovany tena i Wiclef fa

Jehovah no mpiaro azy; ary ankehitriny, rehefa azon’ ireo fahavalony antoka fa ho azony

an-tanana izy, dia nanala azy Andriamanitra tsy ho tratrany. Nianjera izy tao am-piangonany

tany Lutterworth, raha nandeha hampandray, fihetsehan’ ny paralysisa izay nahafaty azy

fotoana fohy taorian’ izay, no namarana ny fiainany.

Efa notendren’ Andriamanitra ny asa ataon’ i Wiclef. Efa napetrany tao am-bavany ny

tenin’ ny fahamarinana, ary nasiana mpiambina nanodidina azy mba ho tonga any amin’ ny

vahoaka io teny io. Voaaro ny ainy, ary nitohy ny asany mandra-pijoron’ ny fototra ho

amin’ ny asa lehibe Fanavaozana ara-pivavahana.

Nivoaka avy any amin’ ny alin’ ny Andro Antenantenany i Wiclef. Tsy nisy teo alohany

izay nanao asa nahazoany nandrafitra izay ho fanavaozana nataony. Natsangana tahaka an’ i

Jaona Mpanao Batisa izy hanatanteraka asa manokana, ho mpialoha lalana ny andro vaovao.

Na dia izany aza, ny rafitry ny fahamarinana izay najorony dia sady tokana no feno ; ary tsy

nisy Mpanavao fivavahana nanarakaraka azy afaka nihoatra azy ; nisy sasany tsy nahatratra

izany na dia zato taona tatý aoriana aza; mafy sy tsara indrindra ny rafi-trano ka tsy nilaina

ny namerenanan’ ireo izay nandimby azy ny fanorenana an’ izany.

Ilay fihetsiketsehana lehibe izay natombok’ i Wiclef hanafaka ny feon ny fieritreretana

sy ny saina, sy hamotsotra ireo firenena voafatotra ela nanaraka ny kalesim-pandresen’ i

Roma, dia nitsiry avy tao amin ny Baiboly. Tao ny lohan’ ilay reniranom-pitahiana izay

nikoriana toy ny ranon’ aina teto un-tany hatramin’ ny taonjato fahefatra ambinifolo.

Neken’ i Wiclef tamin’ ny finoana tsy nisy fisalasalana fa fanambarana ny sitrapon’

62

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!