Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

amin’ ny mpanjaka nanao am-ponja izay rehetra manaiky ireo foto-pinoana voaheloky ny fitsaran’ ny papa ireo. Avy eo amin’ ny synoda dia nampiakarina nankany amin’ ny antenimieram-pirenena i Wiclef; tsy nampahatahotra azy ny nanakiana ireo ambaratongam-pahefana teo anatrehan’ ny fivoriana fandinihan-draharaham-pirenena, ka nangatahiny ny fanavaozana eo amin’ ireo fanaovana an-kery mihoapampana neken’ ny fiangonana. Nampiaiky sy nanan-kery tokoa ny fomba nitantarany ny fitsabatsabahana sy ny haratsian-toetra hita ao amin’ ny faritanimpiangonana entin’ ny fahefana papaly. Menatra ireo fahavalony. Noterena hilefitra ireo sakaizan’ i Wiclef sy ireo mpanohana azy ary efa nantenaina sy azo antoka fa na dia ilay Mpanavao fivavahana koa aza, izay efa zokiolona, irery sady tsy nana-namana, dia hilefitra eo anatrehan’ ny fahefan’ ny mpanjaka sy ny papa mikambana. Nefa tsy izany no hitan’ ireo mpiandany amin’ ny papa fa izy tenany indray no resy. Nifoha ny antenimierampirenena voahetsiketsiky ny antso manaitra nataon’ i Wiclef, ka nofoanany ilay lalàna manenjika ary nahazo fahafahana indray ilay Mpanavao fivavahana. Notsaraina fanintelony izy, ary tamin’ ity dia teo anatrehan’ ny fitsarana ara-pivavahana ambony indrindra tao amin’ ny fanjakana. Tsy hisy indra-fo sy fankasitrahana «herezia» mihitsy ao. Handresy i Roma ao, ary ho voasakana ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana. Toy izany no fihevitr’ ireo mpiandany tamin’ ny papa. Raha tanteraka fotsiny ny fikasany, dia ho voatery handà ampahimemaso ny fampianarany i Wiclef, ary tsy hivoaka ny fitsarana izy raha tsy ho eny amin’ ny lelafo. Tsy niaiky ho diso anefa i Wiclef. Tsy niafinafina izy. Nohazoniny tsy amin-tahotra ny fampianarany, ary notsipahiny ny fiampangana nataon’ ireo mpanenjika azy. Tsy nojereny ny tenany, ny toerana nisy azy, ny toe-javatra nisy, fa nantsoiny ho eo anatrehan’ ny fitsaran’ Andriamanitra ireo mpihaino azy, ary napetrany teo amin’ ny lela-mizanan’ ny fahamarinana ireo fampianaran-diso sy ireo fitaka nataony. Tsapa tao amin’ ilay efitra fandinihan-draharaha ny herin’ ny Fanahy Masina. Nisy hery mahagaga avy amin’ Andriamanitra niasa tamin’ ireo mpihaino ka toa tsy afaka niala tamin’ ny toerany izy ireo. Tahaka ny zana-tsipika avy amin’ ny tranon-janatsipikan’ ny Tompo izay nanindrona ny fony ny tenin’ ilay Mpanavao fivavahana. Ny fiampangana momba ny «herezia» izay nentina namelezana azy, no naveriny tamin’ izy ireo tamin’ ny hery mampiaiky fatratra. Nahoana, hoy ny fanontaniany, no sahy manaparitaka ny hevi-disony izy ireo ? Nahoana no manao ny fahasoavan’ Andriamanitra ho entam-barotra izy noho ny fitiavany vola ? «Araka ny fihevitrareo, hoy izy tamin’ ny farany, iza no iadianareo ? lahiantitra efa eo ambaravaram-pasana ve ? Tsia ! fa ny Fahamarinana, ny Fahamarinana izay mahery noho ianareo, ka haharesy anareo !» 9 Rehefa niteny izany izy, dia lasa nivoaka, ary tsy nisy na dia olona iray aza tamin’ ireo fahavalony sahy nanakana azy. Efa ho vita ny asan’ i Wiclef; mila ho latsaka ilay fanevan’ ny fahamarinana ; nefa mbola nijoro ho vavolombelon’ ny filazantsara indray mandeha indray izy. Eny amin’ ny toerana ifaharan’ ny fanjakan’ ny hevi-diso mihitsy no hotorina ny fahamarinana. Nantsoina 60

tany Roma i Wiclef hotsaraina teo amin’ ny fitsarana papaly, dia ilay fitsarana efa nandatsaka matetika loatra ny ran’ ny olona masina. Tsy niafina taminy ny loza nananontanona azy, ary. ho nanaiky ny fiantsoana azy izy raha tsy tratry ny paralysisa tampoka ka tsy afaka nanao ny dia. Na dia tsy afaka namoaka feo tany Roma aza izy, dia afaka nanoratra kosa, ary izany no nataony. Avy ao amin’ ny trano fiasany naha rektora azy no nanoratra taratasy ho an’ ny papa ilay Mpanavao fivavahana, taratasy feno fanajana sy toe-tsaina kristiana, nefa niriadriatra namely ny rendrarendra sy ny fireharehana teo amin’ ny foiben-toerana nisy ny papa. «Faly tokoa aho, hoy izy, mampibaribary sy manambara amin’ ny olona rehetra ny finoana izay tazoniko, ary indrindra manao izany amin’ ny evekan’ i Roma izay heveriko fa hendry sy marina, ka ho vonona indrindra hanamafy izany finoako izany, na hanitsy azy raha diso. »Voalohany, heveriko fa ny filazantsaran’ i Kristy no mirakitra ny lalàn’ Andriamanitra manontolo . . . Ekeko sy tanako marina tokoa fa ny evekan’ i Roma, amin’ ny mahasolontenan’ i Kristy azy eto an-tany, no voafatotra mafy indrindra amin’ ny lalàna sy ny filazantsara mihoatra noho ny olona hafa rehetra. Satria ny tahalehibeazana eo amin’ ireo mpianatr’ i Kristy dia tsy voninahitra sy haja araka an’ izao tontolo izao, fa eo amin’ ny fanarahana akaiky an’ i Kristy araka izay tena nataony teo amin’ ny fiainany sy teo amin’ ny fombany . . . Kristy izay olona nahantra indrindra fony Izy nivahiny teto, dia nanivaiva sy nan’ifakifaka ny fahefana sy ny voninahitra rehetra araka izao tontolo izao. . . »Tsy misy kristiana mahatoky tokony hanaraka, na ny papa na ny olona masina, raha tsy araka izay nanarahany an’ i Jesosy Kristy Tompo ihany. Petera sy ireo zanak’ i Zebedio, izay naniry ny voninahitr’ izao tontolo izao mifanohitra amin’ ny fanarahana ny dian’ i Kristy, dia nanafintohina Azy, noho izany dia tsy tokony harahina amin’ izay naha-diso azy ireo. . . »Tokony havelan’ ny papa amin’ ny fanjakana ny fahefana sy ny fanapahana ara-nofo rehetra, ary manaraka izany dia tokony hanetsika sy hamporisika marina ny mpitondra fiangonana rehetra ao aminy izy ; toy izany mantsy no nataon’ i Kristy, ary tamin’ ny alalan’ ny apostoliny indrindra. Noho izany, raha diso tamin’ ny iray amin’ ireo zavatra ireo aho, dia hilefitra amim-panetren-tena tanteraka ary hofaizina na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, raha ilaina izany. »Raha afaka niasa araka ny sitrapoko sy ny fanirian’ ny tenako manokana aho, dia azo antoka fa ho niseho tokoa teo anatrehan’ ny evekan’ i Roma ; nefa ny mifanohitra amin’ izany no namangian’ ny Tompo ahy, ary nampianariny ahy fa Andriamanitra no tokony ho ekena mihoatra noho ny olona». Ho famaranana dia hoy izy : «Aoka isika hangataka an’ Andria-manitra mba hamoha ny papantsika Urbain VI, ka araka izay efa natombony, dia hanaraka an’ i Jesosy Kristy Tompo eo amin’ ny fiainany sy ny fombany izy sy ireo mpitondra fiangonana ao aminy. Aoka isika 61

amin’ ny mpanjaka nanao am-ponja izay rehetra manaiky ireo foto-pinoana voaheloky ny

fitsaran’ ny papa ireo.

Avy eo amin’ ny synoda dia nampiakarina nankany amin’ ny antenimieram-pirenena i

Wiclef; tsy nampahatahotra azy ny nanakiana ireo ambaratongam-pahefana teo anatrehan’

ny fivoriana fandinihan-draharaham-pirenena, ka nangatahiny ny fanavaozana eo amin’ ireo

fanaovana an-kery mihoapampana neken’ ny fiangonana. Nampiaiky sy nanan-kery tokoa

ny fomba nitantarany ny fitsabatsabahana sy ny haratsian-toetra hita ao amin’ ny

faritanimpiangonana entin’ ny fahefana papaly. Menatra ireo fahavalony. Noterena hilefitra

ireo sakaizan’ i Wiclef sy ireo mpanohana azy ary efa nantenaina sy azo antoka fa na dia

ilay Mpanavao fivavahana koa aza, izay efa zokiolona, irery sady tsy nana-namana, dia

hilefitra eo anatrehan’ ny fahefan’ ny mpanjaka sy ny papa mikambana. Nefa tsy izany no

hitan’ ireo mpiandany amin’ ny papa fa izy tenany indray no resy. Nifoha ny antenimierampirenena

voahetsiketsiky ny antso manaitra nataon’ i Wiclef, ka nofoanany ilay lalàna

manenjika ary nahazo fahafahana indray ilay Mpanavao fivavahana.

Notsaraina fanintelony izy, ary tamin’ ity dia teo anatrehan’ ny fitsarana ara-pivavahana

ambony indrindra tao amin’ ny fanjakana. Tsy hisy indra-fo sy fankasitrahana «herezia»

mihitsy ao. Handresy i Roma ao, ary ho voasakana ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana. Toy

izany no fihevitr’ ireo mpiandany tamin’ ny papa. Raha tanteraka fotsiny ny fikasany, dia ho

voatery handà ampahimemaso ny fampianarany i Wiclef, ary tsy hivoaka ny fitsarana izy

raha tsy ho eny amin’ ny lelafo.

Tsy niaiky ho diso anefa i Wiclef. Tsy niafinafina izy. Nohazoniny tsy amin-tahotra ny

fampianarany, ary notsipahiny ny fiampangana nataon’ ireo mpanenjika azy. Tsy nojereny

ny tenany, ny toerana nisy azy, ny toe-javatra nisy, fa nantsoiny ho eo anatrehan’ ny

fitsaran’ Andriamanitra ireo mpihaino azy, ary napetrany teo amin’ ny lela-mizanan’ ny

fahamarinana ireo fampianaran-diso sy ireo fitaka nataony. Tsapa tao amin’ ilay efitra

fandinihan-draharaha ny herin’ ny Fanahy Masina. Nisy hery mahagaga avy amin’

Andriamanitra niasa tamin’ ireo mpihaino ka toa tsy afaka niala tamin’ ny toerany izy ireo.

Tahaka ny zana-tsipika avy amin’ ny tranon-janatsipikan’ ny Tompo izay nanindrona ny

fony ny tenin’ ilay Mpanavao fivavahana. Ny fiampangana momba ny «herezia» izay

nentina namelezana azy, no naveriny tamin’ izy ireo tamin’ ny hery mampiaiky fatratra.

Nahoana, hoy ny fanontaniany, no sahy manaparitaka ny hevi-disony izy ireo ? Nahoana no

manao ny fahasoavan’ Andriamanitra ho entam-barotra izy noho ny fitiavany vola ?

«Araka ny fihevitrareo, hoy izy tamin’ ny farany, iza no iadianareo ? lahiantitra efa eo

ambaravaram-pasana ve ? Tsia ! fa ny Fahamarinana, ny Fahamarinana izay mahery noho

ianareo, ka haharesy anareo !» 9 Rehefa niteny izany izy, dia lasa nivoaka, ary tsy nisy na

dia olona iray aza tamin’ ireo fahavalony sahy nanakana azy.

Efa ho vita ny asan’ i Wiclef; mila ho latsaka ilay fanevan’ ny fahamarinana ; nefa

mbola nijoro ho vavolombelon’ ny filazantsara indray mandeha indray izy. Eny amin’ ny

toerana ifaharan’ ny fanjakan’ ny hevi-diso mihitsy no hotorina ny fahamarinana. Nantsoina

60

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!