Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Nitory ny filazantsara tamin’ ny mahantra tahaka ny nataon’ ny Tompony i Wiclef. Tsy nahafa-po azy ny nanaparitaka ny fahazavana ho amin’ ireo tokantrano tsotsotra tao amin’ ny faritra nisy ny fiangonany tany Lutterworth, ka nanapa-kevitra izy fa hoentiny amin’ ny Angletera manontolo izany. Mba hanatanterahana an’ izany dia nanangana fikambanan’ ny mpitoriteny nisy olon-tsotra sy mpivavaka marina izy, izay tia ny fahamarinana ary tsy nanampaniriana afa-tsy ny hanitatra izany. Nandeha hatraiza hatraiza ireo olona ireo, nampianatra teny an-tsena, teny an-dalambe, tao amin’ ny tanàn-dehibe sy teny amin’ ny lalankely teny ambanivohitra. Nitsidika ny antitra, ny marary sy ny mahantra izy ireo ka namelabelatra taminy ny vaovao mahafalin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra. Amin’ ny maha-mpampianatra teolojia azy tany Oxford, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra tao amin’ ny efitrano malalaky ny Oniversite i Wiclef. Tamin’ ny fomba mahatoky indrindra no nanehoany ny fahamarinana tamin’ ireo mpianatra niadidiany ka nomena azy ny anaram-boninahitra hoe «Mpampianatra ambony momba ny filazantsara». Nefa ny asa lehibe indrindra teo amin’ ny fiainany dia ny nandikany ny Soratra Masina ho amin’ ny teny anglisy. Nolazainy tao amin’ ny boky navoakany hoe : «Ny fahamarinana sy ny hevitry ny Soratra Masina», ny fikasany handika ny Baiboly mba ahazoan’ ny olona tsirairay any Angletera mamaky tamin’ ny tenin-drazany avy ireo asa mahagaga nataon’ Andriamanitra. Tapaka tampoka anefa ny asany. Na dia tsy mbola teo amin’ ny fahenimpolo taonany aza izy, dia nitambesatra tamin’ ny heriny ka nahatonga azy ho vetivety dia antitra, ny asa mafy tsy mijanona nataony, ny fianarana sy ny fanafihan’ ny fahavalony. Voan’ ny aretina mafy izy. Nahadibo-kafaliana ny pretra izany vaovao izany. Ankehitriny, hoy ny fihevitr’ izy ireo, dia hanenina mafy ny ratsy nataony tamin’ ny fiangonana izy, ka niolomay izy ireo nankao amin’ ny efitranony hihaino ny fiaiken-kelony. Nisy solontenan’ ireo fikambanana ara-pivavahana efatra, niaraka tamin’ ny manamboninahitra efatra, nitangorona nanodidina ilay olona noheverina fa miala aina : «Efa eo am-bavahaona ianao, hoy izy ireo ; aoka hanenina ny fahadisoana vitanao ianao ary tsoahy eto anatrehanay rehetra izay ratsy nolazainao momba anay». Nihaino tamimpanginana ilay Mpanavao fivavahana ; dia nobaikoiny ny mpiandry azy hampitsangana azy avy eo am-pandriana; nobanjininy tsara ireo olona ireo izay niandry ny fiaikeny ho diso, dia hoy izy, tamin’ ilay feo matotra sy mafy izay nampangovitra azy ireo matetika : «Tsy ho faty aho fa ho velona ; ary mbola hanambara ny asa ratsin’ ny pretra» 7 Gaga sady sina ireo pretra, ka nivoaka haingana ny efitrano. Tanteraka ny tenin’ i Wiclef. Velona izy mba hametraka eo am-pelatanan’ ireo mpiray tanindrazana aininy ny mahery indrindra amin’ ny fiadiana hoenti-manohitra an’ i Roma, dia ny hanome azy ireo ny Baiboly, ilay fiasana nokendren’ ny Lanitra hanafahana, hanazavana ny vahoaka sy hitoriana ny filazantsara aminy. Betsaka sy goavana ny zavamisakana nosetraina mba hahavitana io asa io. Nitambesatra tamin’ i Wiclef ny fahosana ; fantany fa taona vitsy sisa no azony hiasana; hitany ny fanoherana tsy maintsy hatrehiny, nefa nampaherezin’ ireo teny fikasan’ Andriamanitra izy, ka nandroso hatrany tsy kivy, na 58

inona na inona nihatra. Tao amin’ ny fahafenoan’ ný heriny ara-tsaina, nanan-karena tamin’ ny fanandramana maro ary notehirizin’ Andriamanitra sy nomanin’ ny fitondrany manokana ho amin’ izany izy, ary afaka namita ilay asa lehibe, dia ny goavana indrindra amin’ ny asany tamin’ ny fiainany. Raha nisavoritaka ny kristiana rehetra. ilay Mpanavao fivavahana kosa, tao Lutterworth izay naha-rcktora azy, dia tsy niraika tamin’ ny tafio-drivotra nifofofofo, fa nilofo kosa tamin’ ny asa niandraiketany. Farany dia vita ny asa, dia ny Baiboly voalohany indrindra voadika tamin’ ny teny anglisy. Nisokatra ho an’ i Angletera ny tenin’ Andriamanitra. Tsy natahotra ny tranomaizina na ny antontan-kitay fandorana velona intsony izao ilay Mpanavao fivavahana. Efa napetrany teo am-pelatanan’ ny vahoaka Anglisy ny fahazavana izay tsy ho faty intsony na oviana na oviana. Ny fanomezany ny Baiboly ho an’ ny mpiray tanindrazana taminy no nahavitany asa be lavitra, mba hanapahana ny fatoran’ ny tsy fahaialana sy ny haratsiana, mba hanafahana sy hanandratana ny tanindrazana mihoatra noho izay vita tamin’ ny fandresena niezinezina indrindra teny amin’ ny sahan’ ady. Satria tsy mbola hita ny fanontam-printy, dia fomba miadana sy manasatra ihany no nahazoana nampitombo ny isan’ ny Baiboly. Liana indrindra anefa ny olona ta-hanana io boky io, ka maro no nanolo-tena hanora-tanana izany ; nefa dia mbola sarotra tamin’ ireo mpanoratra ny nanome fahafaham-po ny olona. Ireo nanan-karena indrindra dia naniry hanana ny Baiboly manontolo. Nisy nividy ampahany fotsiny. Mazàna nitambatra ny fianakaviana maro mba hividy anankiray. Toy izany no nahatafidiran’ ny Baibolin’ i Wiclef vetivety foana tao amin’ ny tokantranon’ ny vahoaka. Ny antso natao tamin’ ny olona mba handanjalanja dia nanainga azy tsy hilefitra tsy ampandinihana tamin’ ireo fampianaran’ ny papa. Izao i Wiclef dia nampianatra ireo fotopinoana mampiavaka ny finoana Protestanta — dia ny famonjena amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Kristy, sy ny fanekena fa ny Baiboly irery ihany no tsy mety diso. Ireo mpitoriteny nalefany dia nampiely ny Baiboly niaraka tamin’ ny asa soratr’ ilay Mpanavao fivavahana, ary nahomby indrindra ireo ka saiky ny antsasaky ny vahoakan’ i Angletera no nanaiky ny finoana vaovao. Nahaketraka ireo manam-pahefana tao amin’ ny fiangonana ny fisehoan’ ny Soratra Masina. Fiasana mahery noho i Wiclef izao no tsy maintsy hatrehiny, fiasana izay tsy ahazoan’ ny fiadiany manao firy. Tamin’ izany fotoana izany dia tsy nisy lalàna tany Angletera nanakana ny fisian’ ny Baiboly, satria tsy mbola naely tamin’ ny fitenin’ ny vahoaka mihitsy izany. Tatý aoriana dia novolavolaina sy natao henjana tokoa izany. Teo am-piandrasana, na dia teo aza ny ezaka nataon’ ireo pretra, dia nisy fotoana nahazoana nampiely ny tenin’ Andriamanitra. Nioko indray ireo filoha papaly hampangina ny feon’ ilay Mpanavao fivavahana. Fitsarana telo no nifandimby niantso azy, nefa tsy nisy vokany izany. Voalohany aloha nisy synoda nivorian’ ny eveka izay nilaza fa «heretika» ny zavatra nosoratany, nahazo ny fon’ ilay mpanjaka tanora Richard II hiandany tamin’ izy ireo izany, ary nandray lalàna avy 59

inona na inona nihatra. Tao amin’ ny fahafenoan’ ný heriny ara-tsaina, nanan-karena tamin’

ny fanandramana maro ary notehirizin’ Andriamanitra sy nomanin’ ny fitondrany manokana

ho amin’ izany izy, ary afaka namita ilay asa lehibe, dia ny goavana indrindra amin’ ny

asany tamin’ ny fiainany. Raha nisavoritaka ny kristiana rehetra. ilay Mpanavao fivavahana

kosa, tao Lutterworth izay naha-rcktora azy, dia tsy niraika tamin’ ny tafio-drivotra

nifofofofo, fa nilofo kosa tamin’ ny asa niandraiketany.

Farany dia vita ny asa, dia ny Baiboly voalohany indrindra voadika tamin’ ny teny

anglisy. Nisokatra ho an’ i Angletera ny tenin’ Andriamanitra. Tsy natahotra ny

tranomaizina na ny antontan-kitay fandorana velona intsony izao ilay Mpanavao fivavahana.

Efa napetrany teo am-pelatanan’ ny vahoaka Anglisy ny fahazavana izay tsy ho faty intsony

na oviana na oviana. Ny fanomezany ny Baiboly ho an’ ny mpiray tanindrazana taminy no

nahavitany asa be lavitra, mba hanapahana ny fatoran’ ny tsy fahaialana sy ny haratsiana,

mba hanafahana sy hanandratana ny tanindrazana mihoatra noho izay vita tamin’ ny

fandresena niezinezina indrindra teny amin’ ny sahan’ ady.

Satria tsy mbola hita ny fanontam-printy, dia fomba miadana sy manasatra ihany no

nahazoana nampitombo ny isan’ ny Baiboly. Liana indrindra anefa ny olona ta-hanana io

boky io, ka maro no nanolo-tena hanora-tanana izany ; nefa dia mbola sarotra tamin’ ireo

mpanoratra ny nanome fahafaham-po ny olona. Ireo nanan-karena indrindra dia naniry

hanana ny Baiboly manontolo. Nisy nividy ampahany fotsiny. Mazàna nitambatra ny

fianakaviana maro mba hividy anankiray. Toy izany no nahatafidiran’ ny Baibolin’ i Wiclef

vetivety foana tao amin’ ny tokantranon’ ny vahoaka.

Ny antso natao tamin’ ny olona mba handanjalanja dia nanainga azy tsy hilefitra tsy ampandinihana

tamin’ ireo fampianaran’ ny papa. Izao i Wiclef dia nampianatra ireo fotopinoana

mampiavaka ny finoana Protestanta — dia ny famonjena amin’ ny alalan’ ny

finoana an’ i Kristy, sy ny fanekena fa ny Baiboly irery ihany no tsy mety diso. Ireo

mpitoriteny nalefany dia nampiely ny Baiboly niaraka tamin’ ny asa soratr’ ilay Mpanavao

fivavahana, ary nahomby indrindra ireo ka saiky ny antsasaky ny vahoakan’ i Angletera no

nanaiky ny finoana vaovao.

Nahaketraka ireo manam-pahefana tao amin’ ny fiangonana ny fisehoan’ ny Soratra

Masina. Fiasana mahery noho i Wiclef izao no tsy maintsy hatrehiny, fiasana izay tsy

ahazoan’ ny fiadiany manao firy. Tamin’ izany fotoana izany dia tsy nisy lalàna tany

Angletera nanakana ny fisian’ ny Baiboly, satria tsy mbola naely tamin’ ny fitenin’ ny

vahoaka mihitsy izany. Tatý aoriana dia novolavolaina sy natao henjana tokoa izany. Teo

am-piandrasana, na dia teo aza ny ezaka nataon’ ireo pretra, dia nisy fotoana nahazoana

nampiely ny tenin’ Andriamanitra.

Nioko indray ireo filoha papaly hampangina ny feon’ ilay Mpanavao fivavahana.

Fitsarana telo no nifandimby niantso azy, nefa tsy nisy vokany izany. Voalohany aloha nisy

synoda nivorian’ ny eveka izay nilaza fa «heretika» ny zavatra nosoratany, nahazo ny fon’

ilay mpanjaka tanora Richard II hiandany tamin’ izy ireo izany, ary nandray lalàna avy

59

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!