Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
Wiclef; romotra anefa ireo mpitarika teo amin’ ny fahefana papaly rehefa tsinjony fa lehibe noho ny azy ireo ny hery miasa mangina avy amin’ ity mpanavao fivavahana ity. Fony izy nitondra fivavahana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka, dia sahy nijoro nanohitra ny fandoavana ny hetra notakian’ ny papa tamin’ ny mpanjaka anglisy, ary nasehony fa ny fandraisan’ ny papa ny fahefana ho azy amin’ ny mpitondra fanjakana dia mifanohitra amin’ ny fahamarinana sy ny zavatra voambaran’ Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly. Nanetsiketsika izaitsizy ny manampanahy ny filazana marina nataon’ i Wiclef ka nampirehitra ny fahatezeran’ ny olona tamin’ ny vola nampandoavin’ ny papa. Niray hina ny mpanjaka sy ny andriana mba handà ny fitakian’ ny papa hanana fahefana amin’ ny aranofo sy ny fitakiana hetra. Kapoka mafy namelezana ny fahefana fara-tampon’ ny papa tany Angletera izany. Nisy fomba ratsy iray koa izay nataon’ ilay Mpanavao fivavahana anton-draharaha ela ny hamongorana azy sady nanaovany ady tsy mihambahamba, dia ny nanorenana ny antokon’ ny relijiozy mpangataka. Nanao andiany tany Angletera ireny mpangataka irony ka nanala-baraka ny fahalehibeazan’ ny firenena sy ny fandrosoany. Ny orin’ asa, ny fanabeazana, ny fiainana ara-pitondrantena, dia samy nahatsapa ny voka-dratsy mahamenatra avy amin’ izany. Tsy fantsona nikorianan’ ny fandaniam-bola navesatra tamin’ ny harembahoaka fotsiny ny fiainam-pangataka nidonanam-poana nasehon’ ny relijiozy, fa nahatonga ny asa mahasoa ho fanebaka koa izany. Simba sy voaloto ny fitondrantenan’ ny tanora. Noho ny hery miasa mangina avy amin’ ireo relijiozy ireo, dia betsaka ny zatovo no voatarika hiditra monastera ka nanokan-tena ho amin’ ny fiainandrelijiozy, ary nataony izany na dia tsy nankasitrahan’ ny ray amandreniny aza, eny, na dia tsy fantatr’ izy ireo aza izany sy nifanohitra tamin’ ny baikony. Hoy ny nosoratan’ ny anankiray anisan’ ny tranainy tamin’ ireo rain’ ny Fiangonana Romana, raha nanantitrantitra ny fitakian’ ny fiainan-drelijiozy ho ambony noho ny adidy sy ny fitiavan’ ny zanaka ny ray aman-dreniny izy : «Na dia mitsilany eo am-baravaranao aza ny rainao mitomany sy mitaraina, ary na dia hasehon-dreninao aza ny kibo nitoeranao sy ny nono nampinonoiny anao, dia aza misalasala ny hanosihosy azy amin’ ny tongotrao ka mandehana mivantana ho eny amin’ i Kristy». «Io toetram-biby tsy mendrika ny maha-olombelona io», araka ny filazan’ i Lotera azy tatý aoriana, «izay misy fofon’ amboadia sy olon-doza be mihoatra noho ny fofon’ ny kristiana sy ny olombelona», no nanamafy ny fon’ ny ankizy hanohitra ny ray amandreniny.1 Toy izany no nanafoanan’ ireo mpitarika teo amin’ ny fahefana papaly ny didin’ Andriamanitra tamin’ ny lovan-tsofiny, tahaka ny nataon’ ireo fariseo fahiny. Toy izany no nahalao ny tokahurano sy nahatonga ny ray aman-dreny tsy afaka hifaly amin’ ny fiaraha-monina amin’ ny zananilahy sy ny zananivavy. Na dia ireo mpianatra tany amin’ ny Oniversite aza dia voafitaky ny endrika sandoka nasehon’ ireo relijiozy ka voatarika hiditra ao amin’ ny fikambanany. Betsaka no nibebaka tatý aoriana, nahita fa nanimba ny fiainany izy ka nampitondrá fahoriana ny ray amandreniny ; nefa rehefa voafatotra ao amin’ ny fandrika dia tsy azony intsony ny fahafahany. Marobe ireo ray aman-dreny, izay natahotra ny hery miasa mangina avy amin’ ny relijiozy, 54
no nandà tsy handefa ny zanany tany amin’ ny Oniversite. Nihena be dia be ny isan’ ny mpianatra tao amin’ ireo foibem-pianarana lehibe. Nihareraka ny sekoly, ka nanjaka ny habadoana. Nomen’ ny papa fahefana ireo relijiozy ireo hihaino konfesy sy hamela heioka. Nanjary loharano nipoiran’ ny faharatsiana lehibe izany. Nilofo ny hampitombo ny tombontsoany ireo relijiozy, vonona indrindra izy hanao famotsorana ka dia nitadiavana famonjena teo aminy izao heioka bevava isan-karazany izao, ary vokatr’ izany dia nitombo haingana dia haingana ny faharatsiana ambany indrindra. Navela hijaly ny marary sy ny mahantra; ny fanomezana izay nety nanamaivana ny fahantrany anefa dia lasan’ ny relijiozy, izay nanao fandrahonana rehefa nangataka tamin’ ny olona, ka nanameloka ny tsy fitiavam-bavak’ ireo izay tsy nanao fanomezana ny fikambanany. Na dia nilaza ho mahantra aza ireo relijiozy dia tsy nitsaha-nitombo ny haren’ izy ireo, ary ny trano beny mirentirenty sy ny latabany feno hanim-py dia vao mainka nampivandravandra ny fahantrana nitombo hatrany teo amin’ ny firenena. Nandany ny androny tamin’ ny fanaranam-po sy ny fahafinaretana izy, ary tamin’ izany ny nalefany hisolo azy dia olona tsy manana fahaialana, olona tsy mahay afa-tsy ny milaza tantara mahavariana, ny manao angano sy hatsikana mahafinaritra ny vahoaka ka mahatonga azy ho tena voafitaky ny relijiozy tanteraka mihitsy. Mbola nitohy nanjaka tamin’ ny vahoaka marobe minomino foana ihany ny relijiozy ary notarihiny hino izy ireo fa voafaoka ao amin’ izao ny adidy ara-pivavahana rehetra : dia ny manaiky ny fahefana faratampon’ ny papa, ny fivavahana amin’ ny olona masina sy ny fanaovana fanomezana ho an’ ny relijiozy ary ampy hono izany ahazoany toerana tsara antoka any an-danitra. Nisy olona manam-pahaizana sady tenà mpivavaka niasa mafy mba hanao fanavaozana tao amin’ ireo antokon’ ny relijiozy ireo, nefa niala maina ; Wiclef kosa, izay nanana fahiratan-tsaina bebe kokoa, dia namely ny ratsy tao amin’ ny fakany mihitsy, ary nolazainy fa ny rafitra mihitsy no diso ka tokony hofongorana. Velona ny adihevitra sy ny fanadihadiana. Raha nitety ny tanàna nívarotra ny famelan-keloka avy amin’ ny papa ny relijiozy dia betsaka ny olona no voatarika hisalasala ny amin’ ny ahazoana mividy famelankeloka amin’ ny vola, ary nanontany raha tokony hangataka famelan-keloka amin’ Andriamanitra izy fa tsy amin’ ny papa any Roma 2 Tsy vitsy ny olona no velom-panahiana nahita ny fanaovana mamba noana teo amin’ ny relijiozy izay toa tsy hisy na oviana na oviana hahafa-po ny hatendan-kaniny. «Mikiky antsika toy ny homamiadana ny relijiozy sy ny pretran’ i Roma, hoy izy. Tsy maintsy manafaka antsika Andriamanitra, raha tsy izany dia ho levona ny vahoaka» 3. Mba hanafenany ny fahihirany dia nilaza ireo relijiozy mpangataka fa manaraka ny ohatra nomen’ ny Mpamonjy, ary nambarany fa ny fiantrana nomen’ ny olona no niveloman’ i Jesosy sy ny mpianany. Io filazana io no nampidi-kizo azy ireo, satria nitarika ny olona maro ho eo amin’ ny Baiboly izany mba hianatra ny fahamarinana voalaza ao anatiny — io vokany io, mihoatra noho ny hafa rehetra, no tena tsy nirin’ i Roma indrindra. Voatarika ho amin’ ny Loharanon’ ny fahamarinana izay nokendreny hafenina ny sain’ ny olona. 55
- Page 11 and 12: Toko 29—Ny Niavian’ ny Ratsy ..
- Page 13 and 14: Toko 1—Anjaran' izao Tontolo Izao
- Page 15 and 16: lanitra tsara indrindra; eny, ny la
- Page 17 and 18: afaka hampiverina ny fisamontan’
- Page 19 and 20: izany no anisan’ ny nandrafetana-
- Page 21 and 22: ny hazo tsy mamoa. Efa lasa ny baik
- Page 23 and 24: ary tsy hita izay anton’ izany na
- Page 25 and 26: tafiny ary ny legionany, ka nibaiko
- Page 27 and 28: antsom-pitiavana feno famindrampon
- Page 29 and 30: Toko 2—Ny Afon' ny Fanenjehana Fo
- Page 31 and 32: kokoa ho resy lahatra izany. Arakar
- Page 33 and 34: Tsy afaka nampitohy intsony ny fifa
- Page 35 and 36: marina sy mamindra fo sady manan-ke
- Page 37 and 38: Toko 3—Vanim- Potoana Maizina Nam
- Page 39 and 40: dia nekena hatraiza hatraiza fa ny
- Page 41 and 42: andron’ i Paoly aza. Taiza ary ov
- Page 43 and 44: mpianany tamin’ ny voalohany mana
- Page 45 and 46: ny pretra koa aza tsy nahalala izan
- Page 47 and 48: avy ao ny fahamarinana no niampita
- Page 49 and 50: ny Sabatan’ ny olona, no nijanona
- Page 51 and 52: hahavoka-javatra. Ny fahaizana mits
- Page 53 and 54: finoana marina tao amin’ ireo toe
- Page 55 and 56: ny fahamendrehan’ olombelona dia
- Page 57 and 58: novaliany fa tsy maintsy mamangy ny
- Page 59 and 60: andro noho ireo vonona koa hiaritra
- Page 61: fahaizana. Ny herin’ ny fahaizany
- Page 65 and 66: nahatongavan’ ireo taratasy anefa
- Page 67 and 68: inona na inona nihatra. Tao amin’
- Page 69 and 70: tany Roma i Wiclef hotsaraina teo a
- Page 71 and 72: Andriamanitra avy amin’ ity tsind
- Page 73 and 74: Tamin’ ny alalan’ ireo asa sora
- Page 75 and 76: tontolo izao hatolotra an-janany, n
- Page 77 and 78: tany an-tsaha, tsy nombam-panompoam
- Page 79 and 80: fivavahana; koa dia nampangain’ n
- Page 81 and 82: Nandritra ny diany, dia hitan’ i
- Page 83 and 84: vahoaka izay nitoriako ny filazants
- Page 85 and 86: ilay Tompo Andriamanitra izay nanok
- Page 87 and 88: Vaky nifofofofo indray ny haromotan
- Page 89 and 90: Taona vitsy taorian’ izany, tamin
- Page 91 and 92: nanohitra ireo fanompoam-tsampy sy
- Page 93 and 94: tao an-tranony ho any an-tsekoly ta
- Page 95 and 96: taloha. Ibid, boky 2, toko 4. Toy i
- Page 97 and 98: nandefa ny tarany hatrany amin’ n
- Page 99 and 100: ihany no afaka mamonjy ny mpanota.
- Page 101 and 102: niditra teo amin’ ny laharan’ n
- Page 103 and 104: masina, ilay hany fahefana fara-tam
- Page 105 and 106: momba anao, sy izay rehetra naneho
- Page 107 and 108: an’ i Ziona fahiny, ary avy ao no
- Page 109 and 110: . . . Fa Kristy mihitsy no melohina
- Page 111 and 112: fanoherana ny fahamarinana, mety ho
no nandà tsy handefa ny zanany tany amin’ ny Oniversite. Nihena be dia be ny isan’ ny

mpianatra tao amin’ ireo foibem-pianarana lehibe. Nihareraka ny sekoly, ka nanjaka ny

habadoana.

Nomen’ ny papa fahefana ireo relijiozy ireo hihaino konfesy sy hamela heioka. Nanjary

loharano nipoiran’ ny faharatsiana lehibe izany. Nilofo ny hampitombo ny tombontsoany

ireo relijiozy, vonona indrindra izy hanao famotsorana ka dia nitadiavana famonjena teo

aminy izao heioka bevava isan-karazany izao, ary vokatr’ izany dia nitombo haingana dia

haingana ny faharatsiana ambany indrindra. Navela hijaly ny marary sy ny mahantra; ny

fanomezana izay nety nanamaivana ny fahantrany anefa dia lasan’ ny relijiozy, izay nanao

fandrahonana rehefa nangataka tamin’ ny olona, ka nanameloka ny tsy fitiavam-bavak’ ireo

izay tsy nanao fanomezana ny fikambanany. Na dia nilaza ho mahantra aza ireo relijiozy dia

tsy nitsaha-nitombo ny haren’ izy ireo, ary ny trano beny mirentirenty sy ny latabany feno

hanim-py dia vao mainka nampivandravandra ny fahantrana nitombo hatrany teo amin’ ny

firenena. Nandany ny androny tamin’ ny fanaranam-po sy ny fahafinaretana izy, ary tamin’

izany ny nalefany hisolo azy dia olona tsy manana fahaialana, olona tsy mahay afa-tsy ny

milaza tantara mahavariana, ny manao angano sy hatsikana mahafinaritra ny vahoaka ka

mahatonga azy ho tena voafitaky ny relijiozy tanteraka mihitsy. Mbola nitohy nanjaka

tamin’ ny vahoaka marobe minomino foana ihany ny relijiozy ary notarihiny hino izy ireo fa

voafaoka ao amin’ izao ny adidy ara-pivavahana rehetra : dia ny manaiky ny fahefana faratampon’

ny papa, ny fivavahana amin’ ny olona masina sy ny fanaovana fanomezana ho an’

ny relijiozy ary ampy hono izany ahazoany toerana tsara antoka any an-danitra.

Nisy olona manam-pahaizana sady tenà mpivavaka niasa mafy mba hanao fanavaozana

tao amin’ ireo antokon’ ny relijiozy ireo, nefa niala maina ; Wiclef kosa, izay nanana

fahiratan-tsaina bebe kokoa, dia namely ny ratsy tao amin’ ny fakany mihitsy, ary nolazainy

fa ny rafitra mihitsy no diso ka tokony hofongorana. Velona ny adihevitra sy ny

fanadihadiana. Raha nitety ny tanàna nívarotra ny famelan-keloka avy amin’ ny papa ny

relijiozy dia betsaka ny olona no voatarika hisalasala ny amin’ ny ahazoana mividy famelankeloka

amin’ ny vola, ary nanontany raha tokony hangataka famelan-keloka amin’

Andriamanitra izy fa tsy amin’ ny papa any Roma 2 Tsy vitsy ny olona no velom-panahiana

nahita ny fanaovana mamba noana teo amin’ ny relijiozy izay toa tsy hisy na oviana na

oviana hahafa-po ny hatendan-kaniny. «Mikiky antsika toy ny homamiadana ny relijiozy sy

ny pretran’ i Roma, hoy izy. Tsy maintsy manafaka antsika Andriamanitra, raha tsy izany

dia ho levona ny vahoaka» 3. Mba hanafenany ny fahihirany dia nilaza ireo relijiozy

mpangataka fa manaraka ny ohatra nomen’ ny Mpamonjy, ary nambarany fa ny fiantrana

nomen’ ny olona no niveloman’ i Jesosy sy ny mpianany. Io filazana io no nampidi-kizo azy

ireo, satria nitarika ny olona maro ho eo amin’ ny Baiboly izany mba hianatra ny

fahamarinana voalaza ao anatiny — io vokany io, mihoatra noho ny hafa rehetra, no tena tsy

nirin’ i Roma indrindra. Voatarika ho amin’ ny Loharanon’ ny fahamarinana izay

nokendreny hafenina ny sain’ ny olona.

55