Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
ny famantarana sy ny fahagagana. Raiki-tahotra sy zendana ny ratsy fanahy mijery, fa ny tsara fanahy kosa mibanjina ny antoka nomena hanafahana azy amin’ ny fifaliana feno fanajana. Toa miala amin’ ny fizotra mahazatra azy avokoa ny zava-boahary rehetra. Mijanona tsy mikoriana ny rano. Misy rahona maizina sy mavesatra mifandona. Eo anivon’ ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay lazaina, ary re avy ao ny feon’ Andriamanitra, tahaka ny feon’ ny ranobe, manao hoe : «Vita» 3. Mihovitrovitra ny lanitra sy ny tany eo am-pandrenesana io feo io. Misy horohorontany mafy sy lehibe «izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ ny olona tetý ambonin’ ny tany. eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany» 4. Toa misokatra sy mikantona ny lanitra. Toa manelatrelatra avy ao ny voninahitra avy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tahaka ny volotara hozongozonin’ ny rivotra ny tendrombohitra, ary mipariaka ombieniombieny ny silatsilaky ny vatolampy. Misy feo mirohondrohona toy izay mialoha ny tafio-drivotra. Misafoaka ny ranomasina. Re ny fimamamaman’ ny tafio-drivotra mova tsy feon’ ny demonia handeha hamafy fandravana. Mivoitra sy mietry, misamboaravoara tahaka ny onjan-dranomasina, ny tany manontolo. Triatriatra ny vohon’ ny tany. Toa mikoro hatramin’ ny fanorenany. Milentika ny tendrombohitra mitomandavana. Voatelina ny nosy misy mponina. Ny seranan-tsambo izay nanjary tahaka an’ i Sodoma noho ny haratsiantoetrany dia voasaron’ ny rano misafoaka. Tsaroana eo anatrehan’ Andriamanitra i Babylona lehibe «mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany». «Nisy havandra vaventy, tokony ho milanja talenta iray avy», manao ny asa fandravany (Andininy 19, 21). Voaravona amin’ ny tany ireo tanàna feno rehareha indrindra eto an-tany. Ireo lapa mamirapiratra izay tsy nandalan’ ny olo-malaza teto amin’ izao tontolo izao ny hareny ho voninahitry ny tenany, dia rava ka mirodana eo imasony. Mivava ny rindrin’ ny tranomaizina, ary ny vahoakan’ Andriamanitra izay nogadrana noho ny finoany dia afaka. Misokatra ny fasana, ary «maro amin’ ireo izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay» 5. Ireo rehetra izay maty tao amin’ ny finoana ny hafatry ny anjely fahatelo dia mivoaka avy ao am-pasana, mitafy voninahitra. mba handre ny fanekempihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ ireo izay nitandrina ny didiny. Ireo «izay nandefona Azy» kosa (Apokalypsy 1 :7), ireo izay nanaraby an’ i Kristy teo am-pialana aina sy nanao Azy ho fihomehezana, mbamin’ ireo mpanohitra nahery vaika indrindra ny fahamarinana sy ny vahoakan’ Andriamanitra, dia hatsangana hibanjina Azy eo amin’ ny voninahiny sy hahita ny voninahitra hatafy izay nahatoky sy nankatò. Mbola voasaron-drahona matevina ny lanitra; nefa indraindray dia managorobaka izany ny masoandro, toy ny maso famalian’ i Jehovah no fijery azy. Misy helatry ny fahatezerana mihelatra avy amin’ ny lanitra ka manarona ny tany amin’ ny lelafo. Mafy lavitra noho ny kotro-baratra mirefodrefotra no injay feo re, mifono zavamiafina sy mampihorohoro, milaza ny hanjo ny ratsy fanahy. Tsy azon’ ny rehetra ny teny voalaza; nefa mazava tsara amin’ 494
ireo mpampianatra sandoka. Ireo izay vao haingana teo no nanao vava mihoapampana, feno fireharehana sy fihantsiana sahisahy, ary nibitaka ery tamin’ ny halozany tamin’ ny vahoakan’ Andriamanitra mitandrina ny didiny, ankehitriny kosa dia very hevitra ary mipararetry ny tahotra. Re mafy noho ny feon’ ny zava-boahary ny fidradradradrany. Manaiky ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy ny demonia ka mangovitra eo anatrehan’ ny heriny, ary ny olona kosa mitalaho famindrampo ka mandadilady noho ny tahotra mahatsiravina. Hoy ny mpaminany fahiny raha nibanjina ny andron’ Andriamanitra tamin’ ny fahitana : «Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fiaviny» 6. Midira ao amin’ ny vatolampy, ary miere ao amin’ ny vovoka noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany. Ny fìandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, ary ny fiavonavon’ ny olona hatao mitanondrika; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany. Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra, ary izay misandratra rehetra, ka dia haetry ireny». «Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona ho an’ ny voalavo sy ny manavy ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa hitsangana mampihorohoro ny tany Izy» 7. Misy misinda kely eo amin’ ny rahona ka ahitana kintana iray mamiratra avy efatra heny raha mitaha amin’ ny haizina. Milaza fanantenana sy fifaliana ho an’ ny olona mahatoky izany. fa mitory fahatezerana sy fahavinirana kosa amin’ ny mpandika ny lalàn’ Andriamanitra. Ireo izay nahafoy ny zavatra rehetra noho i Kristy dia eo amin’ ny toerana azo antoka ankehitriny, voafina ao amin’ ny fieren’ i Jehovah izy. Efa nosedraina izy, ary teo anatrehan’ izao tontolo izao sy teo anatrehan’ ireo mpanamavo ny fahamarinana dia nampiharihary ny fijoroany ho an’ Ilay efa maty nisolo aza. Misy fiovana mahagaga tonga amin’ ireo izay nijoro ho mahatoky na dia teo anoloan’ ny fahafatesana aza. Afaka tampoka tamin’ ny fanjakazakana jamba sy mahatsiravina nafitsoky ny olon-doza toa demonia izy. Ny endriny izay hatsatra. nitory tebiteby sy harerahana vao vetivety teo. ankehitriny dia mamirapiratry ny fahagagana. ny finoana sy ny fitiavana. Manandratra ny feony hanao hiram-pandresena izy hoe : «Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany. na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra. na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany. ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany» 8. Raha miakatra ho any amin’ Andriamanitra ireo teny milaza fahatokiana masina ireo. dia misinda ny rahona ary miseho ny lanitra feno kintana, heni-boninahitra tsy hay lazaina raha ampitahaina amin’ ny habakabaka mainty sy mitory havinirana eo andaniny roa. Mitosaka avy eo amin’ ny vavahady midanadana ny voninahitr’ ilay tanànan’ ny lanitra. Amin’ izay dia misy tanana miseho eny amin’ ny lanitra mitana vato fisaka roa voakombona. Hoy ny 495
- Page 451 and 452: pahoriana. Mihambo ho solon-tenan
- Page 453 and 454: olombelona ny masony, «izay atao h
- Page 455 and 456: Rehefa hita fa tsy ampy ny didy nav
- Page 457 and 458: tamin’ izany fihemorana izany ane
- Page 459 and 460: firy ny ataony rehefa manaiky ny fa
- Page 461 and 462: Mora ny manao sampy amin’ ny hazo
- Page 463 and 464: haratsiam-panahiny maharikoriko, ar
- Page 465 and 466: Sarotra ankehitriny ny manavaka iza
- Page 467 and 468: fitondrampanjakan’ Andriamanitra,
- Page 469 and 470: Toko 37—Fiarovana azo Antoka «Ho
- Page 471 and 472: fitondrana nataon’ ireo mpanohitr
- Page 473 and 474: Masina ho an’ ny tenany ny tsirai
- Page 475 and 476: ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon
- Page 477 and 478: Toko 38—Ny Fampitandremana Farany
- Page 479 and 480: fihetsiketsehana mafy mikasika ny f
- Page 481 and 482: indrindra mba hanosorampotaka sy hi
- Page 483 and 484: Hitovy amin’ izay niseho tamin’
- Page 485 and 486: Toko 39—Ny Andro Fahoriana «Ary
- Page 487 and 488: Amin’ izany andro izany, ny vahoa
- Page 489 and 490: aha mamela ny fahotan’ izy ireo n
- Page 491 and 492: Ny andro feno fahoriana sy tebiteby
- Page 493 and 494: mba hanamafy orina ny famitahana az
- Page 495 and 496: ny kibony? Eny mety manadino ihany
- Page 497 and 498: malahelo mitady rano, fa tsy mahita
- Page 499 and 500: tafahoatra taminy. Tao amin’ ny e
- Page 501: Toko 40—Fanafahana ny Vahoakan’
ny famantarana sy ny fahagagana. Raiki-tahotra sy zendana ny ratsy fanahy mijery, fa ny

tsara fanahy kosa mibanjina ny antoka nomena hanafahana azy amin’ ny fifaliana feno

fanajana. Toa miala amin’ ny fizotra mahazatra azy avokoa ny zava-boahary rehetra.

Mijanona tsy mikoriana ny rano. Misy rahona maizina sy mavesatra mifandona. Eo anivon’

ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay

lazaina, ary re avy ao ny feon’ Andriamanitra, tahaka ny feon’ ny ranobe, manao hoe :

«Vita» 3.

Mihovitrovitra ny lanitra sy ny tany eo am-pandrenesana io feo io. Misy horohorontany

mafy sy lehibe «izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ ny olona tetý ambonin’ ny

tany. eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany» 4. Toa misokatra sy

mikantona ny lanitra. Toa manelatrelatra avy ao ny voninahitra avy amin’ ny seza

fiandrianan’ Andriamanitra. Tahaka ny volotara hozongozonin’ ny rivotra ny

tendrombohitra, ary mipariaka ombieniombieny ny silatsilaky ny vatolampy. Misy feo

mirohondrohona toy izay mialoha ny tafio-drivotra. Misafoaka ny ranomasina. Re ny

fimamamaman’ ny tafio-drivotra mova tsy feon’ ny demonia handeha hamafy fandravana.

Mivoitra sy mietry, misamboaravoara tahaka ny onjan-dranomasina, ny tany manontolo.

Triatriatra ny vohon’ ny tany. Toa mikoro hatramin’ ny fanorenany. Milentika ny

tendrombohitra mitomandavana. Voatelina ny nosy misy mponina. Ny seranan-tsambo izay

nanjary tahaka an’ i Sodoma noho ny haratsiantoetrany dia voasaron’ ny rano misafoaka.

Tsaroana eo anatrehan’ Andriamanitra i Babylona lehibe «mba homena azy ny kapoaky ny

divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany». «Nisy havandra vaventy, tokony ho milanja talenta

iray avy», manao ny asa fandravany (Andininy 19, 21). Voaravona amin’ ny tany ireo

tanàna feno rehareha indrindra eto an-tany. Ireo lapa mamirapiratra izay tsy nandalan’ ny

olo-malaza teto amin’ izao tontolo izao ny hareny ho voninahitry ny tenany, dia rava ka

mirodana eo imasony. Mivava ny rindrin’ ny tranomaizina, ary ny vahoakan’ Andriamanitra

izay nogadrana noho ny finoany dia afaka.

Misokatra ny fasana, ary «maro amin’ ireo izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no

hifoha, ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy

ny latsa mandrakizay» 5. Ireo rehetra izay maty tao amin’ ny finoana ny hafatry ny anjely

fahatelo dia mivoaka avy ao am-pasana, mitafy voninahitra. mba handre ny fanekempihavanana

ataon’ Andriamanitra amin’ ireo izay nitandrina ny didiny. Ireo «izay nandefona

Azy» kosa (Apokalypsy 1 :7), ireo izay nanaraby an’ i Kristy teo am-pialana aina sy nanao

Azy ho fihomehezana, mbamin’ ireo mpanohitra nahery vaika indrindra ny fahamarinana sy

ny vahoakan’ Andriamanitra, dia hatsangana hibanjina Azy eo amin’ ny voninahiny sy

hahita ny voninahitra hatafy izay nahatoky sy nankatò.

Mbola voasaron-drahona matevina ny lanitra; nefa indraindray dia managorobaka izany

ny masoandro, toy ny maso famalian’ i Jehovah no fijery azy. Misy helatry ny fahatezerana

mihelatra avy amin’ ny lanitra ka manarona ny tany amin’ ny lelafo. Mafy lavitra noho ny

kotro-baratra mirefodrefotra no injay feo re, mifono zavamiafina sy mampihorohoro, milaza

ny hanjo ny ratsy fanahy. Tsy azon’ ny rehetra ny teny voalaza; nefa mazava tsara amin’

494