Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Tokony ho mafy tahaka ireo havoana tsy mihetsika ireo ny mpanompon’ Andriamanitra, eo amin’ ny toetrany mahatoky amin’ ny lalàny. Ireo tendrombohitra izay manodidina ny lohasahany eo ambany dia vavolombelona maharitra ny herin’ Andriamanitra mpamorona, sy antoka tsy miova na oviana na oviana ny fiarovany sy ny fiahiany. Nianatra ny ho tia ireo tandindona manginan’ ny fanatrehan’ i Jehovah ireny mpivahiny ireny. Tsy nitaraina kely akory noho ny hamafin’ ny anjarany izy ireo, ary tsy mba irery na oviana na oviana teo amin’ ireo tendrombohitra mangina. Nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny nanomanany ho azy fialofana amin’ ny fahatezerana sy ny fahasiahan’ ny olona. Niravoravo izy noho ny fahazoany mivavaka malalaka eo anatrehan’ Andriamanitra. Matetika rehefa enjehin’ ireo fahavalony izy, dia fiarovana azo antoka ho azy ny fahamafisan’ ny havoana. Avy any an-tampon-kavoana avo any no hanaovany hira fiderana an’ Andriamanitra, ary tsy afaka mampangina ny hira fisaorany ireo tafik’ i Roma. Nadio, tsotra sy nafana ny fitiavam-bavaka hita teo amin’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ireo. Ambony vidy taminy mihoatra noho ny trano, ny tany. ny havana aman-tsakaiza, eny, na dia ny ainy aza ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Nokatsahiny fatratra izay handatsahana ireo foto-kevitra ireo tao am-pon’ ny tanora. Hatramin’ ny fahazazany indrindra, dia notezaina araka ny Soratra Masina ny tanora ary nampianarina hihevitra ireo fitakian’ ny ialàn’ Andriamanitra ho masina. Vitsy ny Baiboly ; noho izany dia nianarana tsianjery ny teny sarobidy. Maro izy ireo no afaka namerina ankandrina ampahany betsaka tamin’ ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Nampiraisiny tamin’ ireo toejavatra kanto eo amin’ ny zavaboary manodidina azy toy ny tamin’ ireo fitahiana tsotsotra eo amin’ ny fiainana andavandro ireo fisainana avy amin’ Andriamanitra. Ireo ankizy madinika dia nianatra ny hibanjina an’ Andriamanitra amim-pankasitrahana, Ilay nanome tombon-tsoa sy ny fampiononana rehetra. Na dia malemy fanahy sy be fitiavana aza ny ray aman-dreny, dia feno fahendrena indrindra tamin’ ny fitiavany ny zanany, ka tsy nanazatra azy tamin’ ny fampanaranam-po ny tena. Fiainana feno fitsapana sy zava-tsarotra, ary angamba fahafatesan’ ny maritiora no teo anoloan’ izy ireo. Nobeazina hatrany amin’ ny fahazazany izy hiaritra ny mafy, hilefitra amin’ ny fifehezan’ ny ray amandreny, nefa na izany aza dia ho tompon’ andraikitra amin’ ny fisainany sy ny asany. Mbola kely tokoa izy ireo dia efa nampianarina handray andraikitra, hiambina ny vavany, ary hahalala ny fahendrena eo amin’ ny fahanginana. Ny teny tsy voambina iray latsaka ao an-tsofin’ ny fahavalony dia mety hampidi-doza tsy ny ain’ ilay niteny ihany, fa ny ain’ ny an-jatony amin’ ny rahalahiny, fa tahaka ny ambodia mitady ny hazany ireo fahavalon’ ny fahamarinana, manenjika ireo izay sahy mitaky ny fahafahany eo amin’ ny fivavahana sy ny finoana. Efa nataon’ ireo Vaudois sorona ho an’ ny fahamarinana ny fanambinana azy araka izao tontolo izao, ary niasa mafy tamimpikirizana sy tamim-paharetana izy hahazoany haninkohanina. Ny toerana rehetra azo nambolena tany an-tendrombohitra dia nokolokoloina fatratra; ireo lohasaha sy ireo tehezan-kavoana tsy mahavokatra loatra dia namboarina 42

hahavoka-javatra. Ny fahaizana mitsitsy sy ny fahafoizan-tena lehibe no anisan’ ny fanabeazana noraisin’ ny ankizy ho hany lova ho azy. Nampianarina azy fa nokasain’ Andriamanitra hó feno fifehezan-tena ny fiainana ary ny asa mafy ataon’ ny tenany ihany no ahazoany ny zavatra ilainy, ny fahaizana mitsinjo ny ho avy, ny fikarakarana ary ny finoana. Mafy sy mandreraka izany fitondrana izany nefa nahasoa, ary sahaza ny olona efa lavo ; io no sekoly nomanin’ Andriamanitra mba hitaizana ny olona sy hitomboany. Nozarina hiasa mafy sy hisetra zava-tsarotra ny tanora, nefa tsy natao an-tsirambina ny fanolokoloana ny sainy. Nampianarina azy fa an’ Andriamanitra ny hery rehetra, ary izy rehetra dia amboarina sy volavolaina hanompo Azy. Nitovy tamin’ ny fiangonana tamin’ ny andron’ ny apostoly ireo fiangonana Vaudois teo amin’ ny fahadiovana sy ny fahatsorany. Notsipahany ny fahefan’ ny papa sy ny an’ ireo filohan’ ny fiangonana ary ny Baiboly no noraisiny ho hany fahefana ambony indrindra tsy mety diso. Ireo mpitandrina teo aminy dia tsy nanao toy ireo mpisorona miavonavona tao Roma, fa nanahaka ny ohatra navelan’ ny Tompony, Ilay tonga «tsy hotompoina fa mba hanompo». Namahana ny andian’ ondrin’ Andriamanitra , nitarika azy ho eo amin’ ny ahimaitso sy ny loharano velon’ ny teniny masina izy. Lavitry ny tsangambaton’ ny rentirentin’ ny olombelona sy ny avonavony no nivorian’ ny vahoaka, tsy tao amin’ ny fiangonana mirenty na tao amin’ ny katedraly miezinezina, fa tao ambanin’ ny aloky ny tendrombohitra, tany amin’ ny lohasahan’ ny Alpes, na rehefa misy loza, tany amin’ ny fiarovana mafin’ ny vatolampy ; tany no nihainoany ny tenin’ ny fahamarinana avy amin’ ireo mpanompon’ i Kristy. Tsy nitory ny filazantsara fotsiny ny mpitandrina, fa namangy ny marary koa izy, nampianatra finoana ny ankizy, nananatra ny mania, ary niasa mafy hampitony ny adi hevitra, hampitombo ny firindrana sy ny fitiavan’ ny mpirahalahy. Rehefa mandry ny tany dia ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ ny vahoaka no nanohanana azy ireo ; nefa, tahaka an’ i Paoly mpanao lay, dia samy nianatra asan-tanana izay ahazoany mizaka tena avy izy raha ilaina izany. Ny mpitandrina no nitaiza ny tanora. Nomena anjara toerana ireo taranjam-pianarana ankapobeny, nefa ny Baiboly no matoampianarana. Nianarana tsianjery ny filazantsaran’ i Matio sy Jaona, sy ny Epistily maro. Nampiasaina koa izy ireo handika ny Soratra Masina. Nisy boky sora-tanana nahitana ny Baiboly manontolo, ny sasany kosa ampahany fohifohy nofantenana izay nampianarin’ ireo afaka nanadihady ny Soratra Masina fanazavana tsotra ny lahateny. Tamin’ izany fomba izany no nanehoana ireo haren’ ny fahamarinana izay nafenin’ ireo nitady hanandratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra nandritra ny fotoana ela tokoa. Asa nitaky faharetana tsy nety sasatra, matetika tany amin’ ny zohin’ ny tany lalina sy maizina, tamin’ ny fahazavan’ ny fanilo, no nanoratana ny Soratra Masina isan’ andininy, isaky ny toko. Nandroso toy izany ny asa, namirapiratra tahaka ny volamena madio ny sitrapon’ Andriamanitra voambara; namirapiratra bebe kokoa manao ahoana, nazava bebe kokoa, sy nanan-kery bebe kokoa izany noho ireo fitsapana niaraka taminy. Ireo izay niditra 43

Tokony ho mafy tahaka ireo havoana tsy mihetsika ireo ny mpanompon’ Andriamanitra, eo

amin’ ny toetrany mahatoky amin’ ny lalàny.

Ireo tendrombohitra izay manodidina ny lohasahany eo ambany dia vavolombelona

maharitra ny herin’ Andriamanitra mpamorona, sy antoka tsy miova na oviana na oviana ny

fiarovany sy ny fiahiany. Nianatra ny ho tia ireo tandindona manginan’ ny fanatrehan’ i

Jehovah ireny mpivahiny ireny. Tsy nitaraina kely akory noho ny hamafin’ ny anjarany izy

ireo, ary tsy mba irery na oviana na oviana teo amin’ ireo tendrombohitra mangina. Nisaotra

an’ Andriamanitra izy noho ny nanomanany ho azy fialofana amin’ ny fahatezerana sy ny

fahasiahan’ ny olona. Niravoravo izy noho ny fahazoany mivavaka malalaka eo anatrehan’

Andriamanitra. Matetika rehefa enjehin’ ireo fahavalony izy, dia fiarovana azo antoka ho

azy ny fahamafisan’ ny havoana. Avy any an-tampon-kavoana avo any no hanaovany hira

fiderana an’ Andriamanitra, ary tsy afaka mampangina ny hira fisaorany ireo tafik’ i Roma.

Nadio, tsotra sy nafana ny fitiavam-bavaka hita teo amin’ ireo mpanaraka an’ i Kristy

ireo. Ambony vidy taminy mihoatra noho ny trano, ny tany. ny havana aman-tsakaiza, eny,

na dia ny ainy aza ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Nokatsahiny fatratra izay

handatsahana ireo foto-kevitra ireo tao am-pon’ ny tanora. Hatramin’ ny fahazazany

indrindra, dia notezaina araka ny Soratra Masina ny tanora ary nampianarina hihevitra ireo

fitakian’ ny ialàn’ Andriamanitra ho masina. Vitsy ny Baiboly ; noho izany dia nianarana

tsianjery ny teny sarobidy. Maro izy ireo no afaka namerina ankandrina ampahany betsaka

tamin’ ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Nampiraisiny tamin’ ireo toejavatra

kanto eo amin’ ny zavaboary manodidina azy toy ny tamin’ ireo fitahiana tsotsotra

eo amin’ ny fiainana andavandro ireo fisainana avy amin’ Andriamanitra. Ireo ankizy

madinika dia nianatra ny hibanjina an’ Andriamanitra amim-pankasitrahana, Ilay nanome

tombon-tsoa sy ny fampiononana rehetra.

Na dia malemy fanahy sy be fitiavana aza ny ray aman-dreny, dia feno fahendrena

indrindra tamin’ ny fitiavany ny zanany, ka tsy nanazatra azy tamin’ ny fampanaranam-po

ny tena. Fiainana feno fitsapana sy zava-tsarotra, ary angamba fahafatesan’ ny maritiora no

teo anoloan’ izy ireo. Nobeazina hatrany amin’ ny fahazazany izy hiaritra ny mafy, hilefitra

amin’ ny fifehezan’ ny ray amandreny, nefa na izany aza dia ho tompon’ andraikitra amin’

ny fisainany sy ny asany. Mbola kely tokoa izy ireo dia efa nampianarina handray

andraikitra, hiambina ny vavany, ary hahalala ny fahendrena eo amin’ ny fahanginana. Ny

teny tsy voambina iray latsaka ao an-tsofin’ ny fahavalony dia mety hampidi-doza tsy ny

ain’ ilay niteny ihany, fa ny ain’ ny an-jatony amin’ ny rahalahiny, fa tahaka ny ambodia

mitady ny hazany ireo fahavalon’ ny fahamarinana, manenjika ireo izay sahy mitaky ny

fahafahany eo amin’ ny fivavahana sy ny finoana.

Efa nataon’ ireo Vaudois sorona ho an’ ny fahamarinana ny fanambinana azy araka izao

tontolo izao, ary niasa mafy tamimpikirizana sy tamim-paharetana izy hahazoany haninkohanina.

Ny toerana rehetra azo nambolena tany an-tendrombohitra dia nokolokoloina

fatratra; ireo lohasaha sy ireo tehezan-kavoana tsy mahavokatra loatra dia namboarina

42

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!