Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

nampanaovany fanisana ny vahoaka, anjely iray monja dia ampy hahatonga fandringanana mahatsiravina ho fitsarana ny fahotany. Izany hery fandringanana izany izay ampiasain’ ny anjely tsara rehefa mibaiko Andriamanitra, no hampiasain’ ny anjely ratsy rehefa avelan’ Andriamanitra izany. Efa vonona ankehitriny ireo hery hamafy fahoriana hatraiza hatraiza, ka ny alalana avy amin’ Andriamanitra no sisa andrasany. Endrikendrehina ho mahatonga loza amin’ izao tontolo izao ireo izay manaja ny lalàn’ Andriamanitra, ary izy ireo no heverina ho antony mahatonga izao fikorontanana mahatsiravina eo amin’ ny zava-boahary izao sy ny ady mbamin’ ny ra mandriaka eo amin’ ny olona izay mahafeno fahoriana ny tany. Mampisafoaka ny ratsy fanahy ny hery izay nanampy ny hafatra fampitandremana farany; mirehitra amin’ izay rehetra mandray ny hafatra ny fahatezerany, ary mainka hampirisihin’ i Satana hihamafy hatrany ny fanahin’ ny fankahalana sy ny fanenjehana. Rehefa niala tamin’ ny firenena Jiosy ny fanatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny farany, dia tsy fantatry ny mpisorona sy ny vahoaka izany. Na dia efa teo ambany fahefan’ i Satana tanteraka aza izy, ka voafatotry ny fironana mahatsiravina sy maharikoriko indrindra, dia mbola nihevitra ny tenany ho olom-boafidin’ Andria-manitra ihany. Mbola nitohy ireo asa fanompoana tao amin’ ny tempoly; mbola naterina ihany teo ambony alitara voaloto ireo fanatitra, ary isan’ andro dia nantsoiny ny fitahian’ Andriamanitra hidina amin’ ity vahoaka meloka ity noho ny ran’ ny Zanaka malalan’ Andriamanitra sady nitady hamono ireo mpanompony sy apostoliny. Dia toy izany koa : tsy ho fantatry ny mponina ambonin’ ny tany rehefa tafavoaka ny didim-pitsarana tsy azo ovana intsony avy ao amin’ ny fitoerana masina ka efa tapaka ho mandrakizay ny ho anjaran’ izao tontolo izao. Mbola hotohizan’ ny olona izay efa nialan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny endriky ny fivavahana; ary hitovy endrika amin’ ny hafanam-po ho an’ Andriamanitra ny hafanam-po avy amin’ i Satana izay hanaingan’ ilay andrianan’ ny ratsy azy ireo hanatanteraka ny fikasany mahatsiravina. Satria ny Sabata no manjary antony manokana ifanolanana manerana ny vakoaka Kristiana, ary mifandray tendro ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana mba hanamafy ny fitandremana ny Alahady, dia hahatonga ireo vitsy an’ isa ho fankahala eran’ izao tontolo izao ny fikirizany handà tsy hilefitra amin’ izay takin’ ny besinimaro. Holazaina fa ireo olom-bitsy izay mijoro hanohitra izay natsangan’ ny fiangonana sy ny lalam-panjakana dia tsy azo andeferana, fa aleo lavitra ireo no mijaly toy izay ny firenena manontolo no hikorontana sy tsy ho tan-dalàna. Io fonjan-kevitra io no nampiasain’ ireo «mpitarika ny firenena» hamelezana an’ i Kristy, taonjato valo ambinifolo lasa izay! «Fa tsara ho antsika», hoy ilay Kaiafa fangoloka, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity» 3. Manana endrika ho marina izany fonjan-kevitra izany; ary amin’ ny farany dia hisy didy hivoaka hanamelohana ireo izay manamasina ny Sabatan’ ny didy fahefatra, hiampangana azy ho mendrika hampiharana ny famaizana henjana indrindra ka hanomezana alalana ny vahoaka hamono azy ho faty rehefa afaka fotoana kely. Ny fivavahana mpanaraka an’ i Roma any Eoropa sy ny, fivavahana protestanta mihemotra any Amerika dia hitovy fihetsika amin’ ireo izay mankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra. 478

Amin’ izany andro izany, ny vahoakan’ Andriamanitra dia ho latsaka ao amin’ ny tebitebintsaina sy fahoriam-panahy ambaran’ ny mpaminany ho «andro fahorian’ i Jakoba». «Izao no lazain’ i Jehovah : Feo mampangovitra no renay; misy tahotra fa tsy fiadanana. . . Ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa! Indrisy! fa lehibe izany andro izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy» 4. Ilay alina nitebiteben’ i Jakoba, fony izy nitolona tamim-bavaka mba ho afaka tamin’ ny tanan’ i Esao (Genesisy 32 : 24-30). dia mampiseho ny fanandramana hataon’ ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny andro fahoriana. Noho ny fitaka nataony mba ahazoany ny tsodranon-draihy, izay nokendrena ho an’ i Esao, dia nandositra hamonjy ny ainy i Jakoba, raha natahotra ny fandrahonan’ ny rahalahiny hamono azy ho faty izy. Rehefa nijanona taona maro tany am-pivahiniana toy ny sesitany izy, dia nanapakevitra, araka ny baikon’ Andriamanitra, hiverina ho any amin’ ny tanindrazany, miaraka amin’ ireo vady amanjanany, sy ny andian’ omby aman’ osiny. Rehefa tonga teo amin’ ny sisin-tany izy dia raikitahotra raha nandre fa avy nanatona Esao nitarika antokon’ olona mpiady. ary tsy isalasalana fa vonona hamaly faty. Tsy nanam-piadiana i Jakoba sy ireo olona niaraka taminy na fiarovantena, ka toa haza tsy nanan-kery teo anatrehan’ ny herisetra sy ny vonoan’ olona. Nanampy ny enta-mavesatry ny tebiteby sy ny tahotra dia ny kaikitry ny nenina teo ampieritreretana fa noho ny nataon’ ny tenany sy noho ny fahotany ihany mantsy no nampitatao izao loza izao. Ny hany fanantenana ho azy dia ny famindrampon’ Andriamanitra, ny hany fiarovana ho azy dia tsy maintsy ho ny fivavahana. Na dia izany aza dia tsy nataony an-tsirambina izay rehetra tokony ho nataony hanonerany ny ratsy vitany tamin’ ny rahalahiny sy hisakanany ny loza nananontanona. Toy izany koa no tokony hataon’ ireo mpanaraka an’ i Kristy raha manatona ny andro fahoriana izy, tokony hataony ny fiezahana rehetra mba hisehoany araka ny toetra tokony ho izy eo anatrehan’ ny olona, mba hanafoana ny herin’ ny hevitra raikitra ambony ihany tsy misy fanadihadiana ao antsaina sy mba hisakanana ny loza mananontanona ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretana. Rehefa avy nandefa ny ankohonany i Jakoba, mba tsy hanatrehany maso ny fahoriany, dia nijanona nanirery izy hitalaho tamin’ Andriamanitra. Niaiky ny fahotany izy ary nekeny sy nankasitrahany ny famindrampon’ Andriamanitra taminy raha nitaky tamim-panetrentena lalina ny fanekena natao tamin’ ny razany sy tamin’ ny tenany izy tamin’ ilay alina nahitany fahitana tao Betela sy tany amin’ ny tany nivahiniany. Mby tamin’ ny fotoantsarotra indrindra teo amin’ ny fiainany izy; notandindomin-doza ny zavatra rehetra. Nanohy nivavaka sy nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra tao amin’ ny haizina sy ny fahanginana izy. Tsitapitapitr’ izay dia nisy tanana nitehina teo amin’ ny sorony. Noheveriny fa fahavalo nitady handatsaka ny ainy izany ka niezaka araka izay tratry ny ainy izy nitolona tamin’ ilay fahavalo. Rehefa nangirandratsy ny andro dia nasehon’ ilay olon-tsy fantatra ny heriny mihoatra noho ny an’ ny olombelona; notendreny ity lehilahy matanjaka ka toa nalemy ary toa tsy nanan-kery, nitalaho tamindranomaso teo am-bozon’ ity fahavalo tsy fantatra velively. Fantatr’ i Jakoba izao fa Ilay Anjelin’ ny fanekena no niady taminy. Na 479

Amin’ izany andro izany, ny vahoakan’ Andriamanitra dia ho latsaka ao amin’ ny tebitebintsaina

sy fahoriam-panahy ambaran’ ny mpaminany ho «andro fahorian’ i Jakoba». «Izao no

lazain’ i Jehovah : Feo mampangovitra no renay; misy tahotra fa tsy fiadanana. . . Ary ny

tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa! Indrisy! fa lehibe izany andro izany, nefa ho

voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy» 4.

Ilay alina nitebiteben’ i Jakoba, fony izy nitolona tamim-bavaka mba ho afaka tamin’ ny

tanan’ i Esao (Genesisy 32 : 24-30). dia mampiseho ny fanandramana hataon’ ny vahoakan’

Andriamanitra amin’ ny andro fahoriana. Noho ny fitaka nataony mba ahazoany ny

tsodranon-draihy, izay nokendrena ho an’ i Esao, dia nandositra hamonjy ny ainy i Jakoba,

raha natahotra ny fandrahonan’ ny rahalahiny hamono azy ho faty izy. Rehefa nijanona

taona maro tany am-pivahiniana toy ny sesitany izy, dia nanapakevitra, araka ny baikon’

Andriamanitra, hiverina ho any amin’ ny tanindrazany, miaraka amin’ ireo vady amanjanany,

sy ny andian’ omby aman’ osiny. Rehefa tonga teo amin’ ny sisin-tany izy dia raikitahotra

raha nandre fa avy nanatona Esao nitarika antokon’ olona mpiady. ary tsy isalasalana

fa vonona hamaly faty. Tsy nanam-piadiana i Jakoba sy ireo olona niaraka taminy na

fiarovantena, ka toa haza tsy nanan-kery teo anatrehan’ ny herisetra sy ny vonoan’ olona.

Nanampy ny enta-mavesatry ny tebiteby sy ny tahotra dia ny kaikitry ny nenina teo ampieritreretana

fa noho ny nataon’ ny tenany sy noho ny fahotany ihany mantsy no

nampitatao izao loza izao. Ny hany fanantenana ho azy dia ny famindrampon’

Andriamanitra, ny hany fiarovana ho azy dia tsy maintsy ho ny fivavahana. Na dia izany aza

dia tsy nataony an-tsirambina izay rehetra tokony ho nataony hanonerany ny ratsy vitany

tamin’ ny rahalahiny sy hisakanany ny loza nananontanona. Toy izany koa no tokony

hataon’ ireo mpanaraka an’ i Kristy raha manatona ny andro fahoriana izy, tokony hataony

ny fiezahana rehetra mba hisehoany araka ny toetra tokony ho izy eo anatrehan’ ny olona,

mba hanafoana ny herin’ ny hevitra raikitra ambony ihany tsy misy fanadihadiana ao antsaina

sy mba hisakanana ny loza mananontanona ny fahafahana hanaraka ny feon’ ny

fieritreretana.

Rehefa avy nandefa ny ankohonany i Jakoba, mba tsy hanatrehany maso ny fahoriany,

dia nijanona nanirery izy hitalaho tamin’ Andriamanitra. Niaiky ny fahotany izy ary nekeny

sy nankasitrahany ny famindrampon’ Andriamanitra taminy raha nitaky tamim-panetrentena

lalina ny fanekena natao tamin’ ny razany sy tamin’ ny tenany izy tamin’ ilay alina

nahitany fahitana tao Betela sy tany amin’ ny tany nivahiniany. Mby tamin’ ny fotoantsarotra

indrindra teo amin’ ny fiainany izy; notandindomin-doza ny zavatra rehetra. Nanohy

nivavaka sy nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra tao amin’ ny haizina sy ny

fahanginana izy. Tsitapitapitr’ izay dia nisy tanana nitehina teo amin’ ny sorony.

Noheveriny fa fahavalo nitady handatsaka ny ainy izany ka niezaka araka izay tratry ny ainy

izy nitolona tamin’ ilay fahavalo. Rehefa nangirandratsy ny andro dia nasehon’ ilay olon-tsy

fantatra ny heriny mihoatra noho ny an’ ny olombelona; notendreny ity lehilahy matanjaka

ka toa nalemy ary toa tsy nanan-kery, nitalaho tamindranomaso teo am-bozon’ ity fahavalo

tsy fantatra velively. Fantatr’ i Jakoba izao fa Ilay Anjelin’ ny fanekena no niady taminy. Na

479

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!