Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
476
Toko 39—Ny Andro Fahoriana «Ary amin’ izany andro izany dia hitsangana Mikaela andriandehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana izay tsy hisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena ka hatramin’ izany andro izany; ary amin’ izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky»1 . Rehefa hifarana ny hafatry ny anjely fahatelo, dia hitsahatra tsy hanao fifonana ho an’ ny olo-meloka ety an-tany intsony ny famindrampon’ Andriamanitra. Efa vitan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny asany. Efa nandray ny «ranonorana farany» izy, dia ny «andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo», ka vonona hiatrika ny andro fizahan-toetra manoloana azy izy. Hivezivezy haingana mampitohy ny lanitra sy ny tany ny anjely. Hisy anjely avy ety an-tany hilaza fa vita ny asany ; efa nampiharina tamin’ izao tontolo izao ny fisedrana farany, ary izay rehetra hita fa nahatoky tamin’ ny didin’ Andriamanitra dia efa nandray ny «tombokasen’ Andriamanitra velona». Amin’ izany dia hajanon’ i Jesosy ny fanelanelanana ataony ao amin’ ny fitoerana masina any ambony. Hanandratra ny tanany izy sady hiteny amin’ ny feo mahery hoe : «Vita», ary raha manala ny satroboninahiny mba hitsaoka ireo tafiky ny anjely rehetra any an-danitra dia hanao izao fanambarana manetriketrika izao Izy hoe : «Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto. aoka mbola hihamaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy»2. Efa voafetra ny ho anjaran’ ny tsirairay, na ho fiainana, na ho fahafatesana. Efa nanao fanavotana ho an’ ny vahoakany Kristy ary nikosoka ny fahotany. Feno ny isan’ ny mpanompony; «ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana rehetra eto ambanin’ ny lanitra» dia efa madiva hatolotra ireo izay handova famonjena, ka hanjaka ho Mpanjakan’ ny mpanjaka sy ho Tompon’ ny tompo i Jesosy. Rehefa mivoaka avy ao amin’ ny fitoerana masina Izy, dia hisy haizina hanarona ny mponina eto an-tany. Mandritra io fotoana mampangorohoro io, dia tsy maintsy hivelona eo imason’ Andriamanitra masina tsy misy mpanelanelana ny marina. Efa nesorina ny fefy nisakanana ny ratsy fanahy. ary hanampatra ny fahefany amin’ ny olona nikomy tsy nety hibebaka hatramin’ ny farany i Satana. Mifarana ny faharipon’ Andriamanitra. Nitsipaka ny famindrampony izao tontolo izao, nanamavo ny fitiavany sy nanitsakitsaka ny lalàny. Nihoatra ny fetran’ ny fahasoavana ny ratsy fanahy ; efa niala ny Fanahin’ Andriamanitra, izay nikirizana hotoherina. Tsy manana ny fahasoavan’ Andriamanitra ho fialofana izy ireo, ka tsy misy miaro azy intsony amin’ ilay ratsy. Amin’ izay i Satana dia handentika ny mponina eto an-tany ao amin’ ny fahoriana lehibe farany. Rehefa hitsahatra tsy hihazona ireo rivotra masiakan’ ny filana ambany eo amin’ ny olombelona ny anjelin’ Andriamanitra, dia hovahana izay rehetra mahatonga ny ady. Ho tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin’ i Jerosalema fahiny ny tany manontolo. Anjely anankiray ihany dia naharipaka ny lahimatoan’ i Egypta rehetra ka nahenipitarainana ny tany manontolo. Rehefa nanota tamin’ Andriamanitra i Davida tamin’ ny 477
- Page 433 and 434: toetry ny olombelona sy ny maty ny
- Page 435 and 436: Hoy Jehovah Tompo : «Ny fitsarana
- Page 437 and 438: olo-marina sy ny ratsy fanahy. Indr
- Page 439 and 440: tarigetra ambony indrindra hotratra
- Page 441 and 442: Marina fa ankehitriny dia miova end
- Page 443 and 444: Asehon’ ny mpaminany Isaia eo ima
- Page 445 and 446: Toko 35—Ny Fahalalahana ny Feon'
- Page 447 and 448: mikitroka manodidina azy ireo Izy.
- Page 449 and 450: Misy fitoviana manaitra amin’ ny
- Page 451 and 452: pahoriana. Mihambo ho solon-tenan
- Page 453 and 454: olombelona ny masony, «izay atao h
- Page 455 and 456: Rehefa hita fa tsy ampy ny didy nav
- Page 457 and 458: tamin’ izany fihemorana izany ane
- Page 459 and 460: firy ny ataony rehefa manaiky ny fa
- Page 461 and 462: Mora ny manao sampy amin’ ny hazo
- Page 463 and 464: haratsiam-panahiny maharikoriko, ar
- Page 465 and 466: Sarotra ankehitriny ny manavaka iza
- Page 467 and 468: fitondrampanjakan’ Andriamanitra,
- Page 469 and 470: Toko 37—Fiarovana azo Antoka «Ho
- Page 471 and 472: fitondrana nataon’ ireo mpanohitr
- Page 473 and 474: Masina ho an’ ny tenany ny tsirai
- Page 475 and 476: ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon
- Page 477 and 478: Toko 38—Ny Fampitandremana Farany
- Page 479 and 480: fihetsiketsehana mafy mikasika ny f
- Page 481 and 482: indrindra mba hanosorampotaka sy hi
- Page 483: Hitovy amin’ izay niseho tamin’
- Page 487 and 488: Amin’ izany andro izany, ny vahoa
- Page 489 and 490: aha mamela ny fahotan’ izy ireo n
- Page 491 and 492: Ny andro feno fahoriana sy tebiteby
- Page 493 and 494: mba hanamafy orina ny famitahana az
- Page 495 and 496: ny kibony? Eny mety manadino ihany
- Page 497 and 498: malahelo mitady rano, fa tsy mahita
- Page 499 and 500: tafahoatra taminy. Tao amin’ ny e
- Page 501 and 502: Toko 40—Fanafahana ny Vahoakan’
- Page 503: ireo mpampianatra sandoka. Ireo iza
476