Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

sahinay ny manova ny tenin’ Andriamanitra, ka hampisaraka ny lalàny masina ; koa ny sasany hambaranay ho tena ilaina, fa ny sasany kosa tsy dia ilaina loatra, mba hankasitrahan’ izao tontolo izaoanay. Afaka hamonjy anay Andriamanitra izay tompoinay. Efa resin’ i Kristy izao tontolo izao ; ka moa ve izahay hatahotra an’ izao tontolo izao izay efa resy?» Ny fanenjehana amin’ ny endriny samihafa dia fivelaran’ ny loto-kevitra anankiray izay tsy ho foana mihitsy raha mbola misy koa i Satana ary raha mbola manan-kery koa ny fivavahana Kristiana. Tsy misy olona hanompo an’ Andriamanitra ka tsy hihantsy ireo tafiky ny haizina hirotsaka hanohitra azy. Hanafika azy ny anjelin’ ny ratsy, noho ny fahatahorany andrao votsotra eny am-pelatanany ny rembiny noho ny fiasany mangina. Hisy ratsy fanahy, izay hahatsiaro fa meloka noho ny oha-piainana omeny ka hiray amin’ ireo anjely ratsy amin’ ny fitadiavana izay hampisaraka azy amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fakam-panahy maharenoka. Rehefa tsy mahomby izany, dia hampiasaina ny fahefana hamoretana ny feon’ ny fieritreretany. Nefa raha mbola manalalana ho an’ ny olombelona ao amin’ ny fitoerana masina any ambony koa i Jesosy, dia mbola hanan-kery amin’ ny mpifehy sy ny vahoaka ny herin’ ny Fanahy Masina Izay miasa hamepetra ny fihetsika. Mbola mifehy ireo lalàna eo amin’ ny tany amin’ ny lafiny sasany Izy. Raha tsy misy ireo lalàna ireo dia ho ratsy lavitra noho izao ny toetran’ izao tontolo izao. Na dia maro amin’ ireo mpanapaka antsika aza no mpiasa mazoton’ i Satana, Andriamanitra koa dia mbola manana ny mpanompony eo anivon’ ny olona mpitarika ny firenena. Mibitsika amin’ ireo mpanompony ny fahavalo mba hanao lalàna izay hiteraka fisakanana makadiry amin’ ny asan’ Andriamanitra ; nefa misy mpitondra fanjakana matahotra an’ i Jehovah hiasan’ ny anjely mangina mba hanohitra ireo sosokevitra ireo amin’ ny alalan’ ny fonjan-kevitra tsy azo ialana. Hisy olom-bitsy izay hisakana ny riana maherin’ ny ratsy. Hanam-petra ny fanoherana ataon’ ireo fahavalon’ ny fahamarinana mba ahazoan’ ny hafatry ny anjely fahatelo manao ny asany. Rehefa alefa ny hafatra fampitandremana farany, dia hitana ny sain’ ireo olona ambony izay iasan’ i Jehovah ankehitriny izany, ka hisy amin’ izy ireo hanaiky ary hiara-mijoro amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra mandritra ny androm-pahoriana. Ny anjely izay manampy amin’ ny fitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo dia hanazava ny tany manontolo amin’ ny voninahiny. Asa hitatra manerana izao tontolo izao sy manankery tsy hay tohaina no voalaza mialoha eto. Fanehoana be voninahitra ny herin’ Andriamanitra ny fihetsehana momba ny fiverenan’ ny Tompo tamin’ ny 1840-1844 ; tafapaka hatrany amin’ ny foibe fitoriana filazantsara rehetra eran’ izao tontolo izao ny hafatry ny anjely voalohany. ary teo amin’ ny tany sasany dia mbola tsy nisy fahalianana tamin’ ny fivavahana toy izany na taiza na taiza hatramin’ ny Reformasiona tamin’ ny taonjato fahenina ambin’ ny folo : nefa hanoatra lavitra noho izany ny fihetsehana miezinezina mandritra ny fanairana farany hataon’ ny anjely fahatelo. 474

Hitovy amin’ izay niseho tamin’ ny andro Pentekosta ny asa. Tahaka ny nanomezana ny «ranonorana aloha», tamin’ ny nirotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny nisokafan’ ny fitoriana ny filazantsara, mba hampitsimoka ny voa sarobidy. dia toy izany koa no hanomezana ny «ranonorana aoriana» amin’ ny famaranana ny fitoriana ny filazantsara mba hanamasaka ny voa hojinjaina. «Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika ; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany. fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara-orana izay mahavonto ny tany» 5. «Ary ianao, ry zanak’ i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ; fa manome anareo lohaorana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha»6.« Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra». «Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena» 7. Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin’ ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin’ ny fiantombohany. Ireo faminaniana izay tanteraka tamin’ ny nirotsahan’ ny ranonorana voalohany tamin’ ny fiandohan’ ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin’ ny fiafaran’ izany amin’ ny ranonorana farany. Ireo no «andro famelombelomana» izay notazanin’ i Petera raha niteny izy hoe : «Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo. dia Jesosy» 8. Hidodododo hatraiza hatraiza ny mpanompon’ Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra, ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanokanan-tena masina. An’ arivony ny feo manerana ny tany, izay hitondra ny hafatra fampitandremana. Hisy fahagagana hatao, hositranina ny marary, ary hisy famantarana sy zava-mahazendana hanaraka ny mpino. Hanao fahagagana mamitaka koa i Satana, ary hampidina afo avy any an-danitra mihitsy eo imason’ ny olona izy (Apokalypsy 13 : 13). Amin’ izany dia hisafidy izay hombany ny mponina ety an-tany. Tsy fonjan-kevitra loatra fa fandresen-dahatra avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no hitoriana ny hafatra. Efa naseho ny fonjan-kevitra. Efa nafafy ny voa, ary hitsiry izy izao ka hahavokatra. Ireo lahatsoratra nozarain’ ny mpanao asa misionera dia efa nanao ny asany mangina, nefa betsaka ireo izay nandatsaka izany tao am-pony no voasakana tsy hahazo ny fahamarinana tamin’ ny fomba feno na voasakana tsy hankatò. Ankehitriny kosa dia tafiditra hatraiza hatraiza ny tara-pahazavana, hita mibaribary ny fahamarinana, ka manapaka ny fatorana nihazona azy ny zanak’ Andriamanitra tso-po. Ny rohimpianakaviana, ny fifandraisana eo amin’ ny fiangonana, dia tsy manan-kery hitana azy izao, Sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra ny fahamarinana. Na dia eo aza ireo fiasana miaramioko hanohitra ny fahamarinana, dia maro no hiandany amin’ i Jehovah. 475

sahinay ny manova ny tenin’ Andriamanitra, ka hampisaraka ny lalàny masina ; koa ny

sasany hambaranay ho tena ilaina, fa ny sasany kosa tsy dia ilaina loatra, mba

hankasitrahan’ izao tontolo izaoanay. Afaka hamonjy anay Andriamanitra izay tompoinay.

Efa resin’ i Kristy izao tontolo izao ; ka moa ve izahay hatahotra an’ izao tontolo izao izay

efa resy?»

Ny fanenjehana amin’ ny endriny samihafa dia fivelaran’ ny loto-kevitra anankiray izay

tsy ho foana mihitsy raha mbola misy koa i Satana ary raha mbola manan-kery koa ny

fivavahana Kristiana. Tsy misy olona hanompo an’ Andriamanitra ka tsy hihantsy ireo

tafiky ny haizina hirotsaka hanohitra azy. Hanafika azy ny anjelin’ ny ratsy, noho ny

fahatahorany andrao votsotra eny am-pelatanany ny rembiny noho ny fiasany mangina. Hisy

ratsy fanahy, izay hahatsiaro fa meloka noho ny oha-piainana omeny ka hiray amin’ ireo

anjely ratsy amin’ ny fitadiavana izay hampisaraka azy amin’ Andriamanitra amin’ ny

alalan’ ny fakam-panahy maharenoka. Rehefa tsy mahomby izany, dia hampiasaina ny

fahefana hamoretana ny feon’ ny fieritreretany.

Nefa raha mbola manalalana ho an’ ny olombelona ao amin’ ny fitoerana masina any

ambony koa i Jesosy, dia mbola hanan-kery amin’ ny mpifehy sy ny vahoaka ny herin’ ny

Fanahy Masina Izay miasa hamepetra ny fihetsika. Mbola mifehy ireo lalàna eo amin’ ny

tany amin’ ny lafiny sasany Izy. Raha tsy misy ireo lalàna ireo dia ho ratsy lavitra noho izao

ny toetran’ izao tontolo izao. Na dia maro amin’ ireo mpanapaka antsika aza no mpiasa

mazoton’ i Satana, Andriamanitra koa dia mbola manana ny mpanompony eo anivon’ ny

olona mpitarika ny firenena. Mibitsika amin’ ireo mpanompony ny fahavalo mba hanao

lalàna izay hiteraka fisakanana makadiry amin’ ny asan’ Andriamanitra ; nefa misy

mpitondra fanjakana matahotra an’ i Jehovah hiasan’ ny anjely mangina mba hanohitra ireo

sosokevitra ireo amin’ ny alalan’ ny fonjan-kevitra tsy azo ialana. Hisy olom-bitsy izay

hisakana ny riana maherin’ ny ratsy. Hanam-petra ny fanoherana ataon’ ireo fahavalon’ ny

fahamarinana mba ahazoan’ ny hafatry ny anjely fahatelo manao ny asany. Rehefa alefa ny

hafatra fampitandremana farany, dia hitana ny sain’ ireo olona ambony izay iasan’ i Jehovah

ankehitriny izany, ka hisy amin’ izy ireo hanaiky ary hiara-mijoro amin’ ny vahoakan’

Andriamanitra mandritra ny androm-pahoriana.

Ny anjely izay manampy amin’ ny fitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo dia hanazava

ny tany manontolo amin’ ny voninahiny. Asa hitatra manerana izao tontolo izao sy manankery

tsy hay tohaina no voalaza mialoha eto. Fanehoana be voninahitra ny herin’

Andriamanitra ny fihetsehana momba ny fiverenan’ ny Tompo tamin’ ny 1840-1844 ;

tafapaka hatrany amin’ ny foibe fitoriana filazantsara rehetra eran’ izao tontolo izao ny

hafatry ny anjely voalohany. ary teo amin’ ny tany sasany dia mbola tsy nisy fahalianana

tamin’ ny fivavahana toy izany na taiza na taiza hatramin’ ny Reformasiona tamin’ ny

taonjato fahenina ambin’ ny folo : nefa hanoatra lavitra noho izany ny fihetsehana

miezinezina mandritra ny fanairana farany hataon’ ny anjely fahatelo.

474

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!