Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
sazy ahatran’ ny fanjakana, ary amin’ ny farany dia holazaina fa mendrika ny ho faty izy ireo. Etsy andaniny anefa, ny lalàn’ Andriamanitra dia mandidy ny hitandremana ny andro fitsaharan’ ny Mpamorona ka mampitandrina izay rehetra mandika ny fitsipika ny amin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. Koa satria mazava tsara toy izany ny ho vokatr’ izay hatao, na iza na iza minia hanitsakitsaka ny lalàn’ Andriamanitra mba hankatoavana ny didin’ olombelona dia handray ny manky ny bibidia ; manaiky ny famantarana ny fanekeny ny fahefana nofidiny hankatoavina ho solon’ Andriamanitra izy Toy izao ny fampitandremana avy any an-danitra : «Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na eo amin’ ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidiny tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra» 3. Nefa tsy nisy olona na dia iray aza natao hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra raha tsy efa nabaribary tsara tamin’ ny saina amampieritreretany ny fahamarinana, kanefa notsipahiny. Betsaka ny tsy mbola nanam-potoana mihitsy handrenesany ireo fahamarinana manokana ho amin’ izao andro izao. Tsy mbola naseho teo anatrehany mihitsy araka ny tena toetrany ny maha-tsy maintsy hankatoavana ny didy fahefatra. Ilay mamaky ny ao am-po tsy miloaka ao amin’ ny tsirairay sy misedra ny toe-tsaina manetsika antsika dia tsy hamela na olona iray aza maniry hahalala ny fahamarinana, ho voafitaka ny amin’ ny hiafaran’ ny ady. Tsy hampiharina an-jamba amin’ ny olona tsy akory ny didy. Tsy maintsy samy hahazo fahazavana ampy ny tsirairay mba hanapahany hevitra amin’ ny saina mahiratra. Ny Sabata no ho fisedrana lehibe momba ny fahatokiana, satria io no fahamarinana anankiray isehoan’ ny fifanolanana amin’ ny fomba manokana. Rehefa hampiarina amin’ ny olona ny fisedrana farany, dia hisy tsipika mazava hampisaraka izay manompo an’ Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy. Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalàm-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin’ ny fahefana manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny Sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ ny toetra mahatoky amin’ ny Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana amin’ ny fileferana amin’ ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny bibidia, ny anankiray kosa, izay mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ ny fahefan’ Andriamanitra, dia nandray ny tombon-kasen’ Andriamanitra. Teo aloha dia matetika no noheverina ho mpilaza loza fotsiny ireo izay nitory ny fahamarinana raketin’ ny hafatry ny anjely fahatelo. Ny fanambarana mialoha nataony fa hahazo vahana any Etazonia ny tsy fandeferana eo amin’ ny ara-pivavahana, fa hiray hina ny fiangonana sy ny fanjakana hanenjika izay mitandrina ny didin Andriamanitra, dia nolazaina fa tsy marim-pototra sady rediredy foana. Nohizingizinina tamim-pahatokisana fa tsy hiova fenitra na oviana na oviana amin’ izay efa toetrany hatrizay io tany io, dia ny maha-mpiaro ny fahafahana ara-pivavahana azy. Nefa kosa rehefa mitatra ny 470
fihetsiketsehana mafy mikasika ny fanamafisana ny fitandremana ny Alahady, dia hita fa manakaiky ny toe-javatra izay nampisalasala tsy ninoana hatry ny ela, ka hisy vokatra tsy araka izay nisy teo aloha ny hafatry ny anjely fahatelo. Isan-taranaka nifandimby dia naniraka ny mpanompony Andriamanitra hanameloka ny fahotana, na teo amin’ izao tontolo izao na tao amin’ ny fiangonana. Nefa zavatra malefadefaka no irin’ ny olona holazaina aminy, ka tsy azony ekena ny fahamarinana madio, tsy misy hosokosoka. Betsaka ireo mpanavao fivavahana no nanapa-kevitra, raha nanomboka ny asany, fa hitandrina fatratra amin’ ny famelezana ireo fahotan’ ny fiangonana sy ny firenena. Nanantena izy ireo, fa, amin’ ny alalan’ ny ohatry ny fiainana Kristiana madio asehony no hampiverina ny vahoaka ho amin’ ny fampianaran’ ny Baiboly. Nanindry azy ireny anefa ny Fanahin’ Andriamanitra, tahaka ny tamin’ i Elia, izay nanetsika azy hanameloka ny fahotan’ ilay mpanjaka ratsy fanahy sy ny vahoaka nivadika ; koa tsy azony natao ny tsy hitory ireo teny mazava ao amin’ ny Baiboly dia ireo foto-pinoana izay nampisalasala azy ny haneho azy. Voatery izy hanambara tamin-kafanam-po ny fahamarinana sy ny loza izay nananontanona ny fanahy. Ny teny izay nolazain’ ny Tompo no nambarany, ka tsy natahorany izay ho vokatr’ izany, ary dia voatery nihaino ny fampitandremana ny vahoaka. Toy izany koa no hitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany amin-kery lehibe indrindra, dia hiasa amin’ ny alalan’ ny fitaovana feno fanetren-tena ny Tompo, ka hitarika ny sain’ ireo izay manolo-tena ho amin’ ny fanompoana Azy. Ny hosotry ny fanahiny no hahamendrika ny mpiasa mihoatra noho ny fianarana noratoviny tany amin’ ny sekoly ambony. Hisy olona manam-pinoana sy tia vavaka ho voasesy hiroso amin’ ny hafanam-po masina, ka hanambara ny teny omen’ Andriamanitra azy. Haharihary ny fahotan’ i Babylona. Haseho masoandro avokoa ny vokatra mahatahotra avy amin’ ny fanamafisan’ ny fanjakana ny lalàm-piangonana, ny fitsofohan’ ny filalaovana angatra, ny fandrosoan’ ny fahefana papaly mangina nefa haingana. Hifoha amin’ ny alalan’ ireo fampitandremana miezinezina ireo vahoaka. An’ arivoarivony ny olona hihaino ny teny izay tsy mbola reny na oviana na oviana. Gaga izy raha mandre ny fanambarana fa i Babylona dia ny fiangonana izay lavo noho ny hevi-disony sy ny fahotany, noho ny fandavany ny fahamarinana nalefa ho azy avy tany andanitra. Rehefa mankany amin’ ireo mpampianatra azy teo aloha ny olona ka manontany mafy hoe : marina tokoa ve izay voalaza? dia angano no hasetrin’ ny mpitandrina, haminany zavatra mamy izy, mba hampitony ny tahotra sy hampangina ny feon’ ny fieritre-retana efa nifoha. Nefa satria maro ny olona no handà tsy ho afapo amin’ ny fahefan’ olombelona fotsiny fa mitaky ny «Izao no lazain’ i Jehovah» mazava, toy ireo Fariseo fahiny, dia ho feno hatezerana ireo mpitandrina mamim-bahoaka rehefa isalasalana ny amin’ ny fahefany, ka holazainy fa avy amin’ i Satana ny hafatra ary hanentana ny vahoaka marobe fatra-mpankamamy fahotana izy ireo mba hanaratsy sy hanenjika izay mitory izany. Taitra i Satana rehefa mitatra ho amin’ ny saha vaovao ny ady ka voasarika ho amin’ ny lalàn’ Andriamanitra voahitsakitsaka ny sain’ ny vahoaka. Mainka haharomotra ireo izay 471
- Page 427 and 428: filozofian’ ny mpanompo sampy, ar
- Page 429 and 430: olona tahaka ny anjelin’ ny mazav
- Page 431 and 432: antitra ninoana tamin’ ny fotoan
- Page 433 and 434: toetry ny olombelona sy ny maty ny
- Page 435 and 436: Hoy Jehovah Tompo : «Ny fitsarana
- Page 437 and 438: olo-marina sy ny ratsy fanahy. Indr
- Page 439 and 440: tarigetra ambony indrindra hotratra
- Page 441 and 442: Marina fa ankehitriny dia miova end
- Page 443 and 444: Asehon’ ny mpaminany Isaia eo ima
- Page 445 and 446: Toko 35—Ny Fahalalahana ny Feon'
- Page 447 and 448: mikitroka manodidina azy ireo Izy.
- Page 449 and 450: Misy fitoviana manaitra amin’ ny
- Page 451 and 452: pahoriana. Mihambo ho solon-tenan
- Page 453 and 454: olombelona ny masony, «izay atao h
- Page 455 and 456: Rehefa hita fa tsy ampy ny didy nav
- Page 457 and 458: tamin’ izany fihemorana izany ane
- Page 459 and 460: firy ny ataony rehefa manaiky ny fa
- Page 461 and 462: Mora ny manao sampy amin’ ny hazo
- Page 463 and 464: haratsiam-panahiny maharikoriko, ar
- Page 465 and 466: Sarotra ankehitriny ny manavaka iza
- Page 467 and 468: fitondrampanjakan’ Andriamanitra,
- Page 469 and 470: Toko 37—Fiarovana azo Antoka «Ho
- Page 471 and 472: fitondrana nataon’ ireo mpanohitr
- Page 473 and 474: Masina ho an’ ny tenany ny tsirai
- Page 475 and 476: ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon
- Page 477: Toko 38—Ny Fampitandremana Farany
- Page 481 and 482: indrindra mba hanosorampotaka sy hi
- Page 483 and 484: Hitovy amin’ izay niseho tamin’
- Page 485 and 486: Toko 39—Ny Andro Fahoriana «Ary
- Page 487 and 488: Amin’ izany andro izany, ny vahoa
- Page 489 and 490: aha mamela ny fahotan’ izy ireo n
- Page 491 and 492: Ny andro feno fahoriana sy tebiteby
- Page 493 and 494: mba hanamafy orina ny famitahana az
- Page 495 and 496: ny kibony? Eny mety manadino ihany
- Page 497 and 498: malahelo mitady rano, fa tsy mahita
- Page 499 and 500: tafahoatra taminy. Tao amin’ ny e
- Page 501 and 502: Toko 40—Fanafahana ny Vahoakan’
- Page 503: ireo mpampianatra sandoka. Ireo iza
sazy ahatran’ ny fanjakana, ary amin’ ny farany dia holazaina fa mendrika ny ho faty izy

ireo. Etsy andaniny anefa, ny lalàn’ Andriamanitra dia mandidy ny hitandremana ny andro

fitsaharan’ ny Mpamorona ka mampitandrina izay rehetra mandika ny fitsipika ny amin’ ny

fahatezeran’ Andriamanitra.

Koa satria mazava tsara toy izany ny ho vokatr’ izay hatao, na iza na iza minia

hanitsakitsaka ny lalàn’ Andriamanitra mba hankatoavana ny didin’ olombelona dia handray

ny manky ny bibidia ; manaiky ny famantarana ny fanekeny ny fahefana nofidiny

hankatoavina ho solon’ Andriamanitra izy Toy izao ny fampitandremana avy any an-danitra

: «Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo

amin’ ny handriny na eo amin’ ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’

Andriamanitra, izay naidiny tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo

zavatra» 3.

Nefa tsy nisy olona na dia iray aza natao hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra raha tsy

efa nabaribary tsara tamin’ ny saina amampieritreretany ny fahamarinana, kanefa

notsipahiny. Betsaka ny tsy mbola nanam-potoana mihitsy handrenesany ireo fahamarinana

manokana ho amin’ izao andro izao. Tsy mbola naseho teo anatrehany mihitsy araka ny tena

toetrany ny maha-tsy maintsy hankatoavana ny didy fahefatra. Ilay mamaky ny ao am-po tsy

miloaka ao amin’ ny tsirairay sy misedra ny toe-tsaina manetsika antsika dia tsy hamela na

olona iray aza maniry hahalala ny fahamarinana, ho voafitaka ny amin’ ny hiafaran’ ny ady.

Tsy hampiharina an-jamba amin’ ny olona tsy akory ny didy. Tsy maintsy samy hahazo

fahazavana ampy ny tsirairay mba hanapahany hevitra amin’ ny saina mahiratra.

Ny Sabata no ho fisedrana lehibe momba ny fahatokiana, satria io no fahamarinana

anankiray isehoan’ ny fifanolanana amin’ ny fomba manokana. Rehefa hampiarina amin’ ny

olona ny fisedrana farany, dia hisy tsipika mazava hampisaraka izay manompo an’

Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy. Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no

fanekena ny lalàm-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana

amin’ ny fahefana manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny Sabata marina kosa dia

fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ ny toetra mahatoky amin’ ny

Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana amin’ ny fileferana

amin’ ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny bibidia, ny anankiray kosa, izay

mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ ny fahefan’ Andriamanitra, dia nandray ny

tombon-kasen’ Andriamanitra.

Teo aloha dia matetika no noheverina ho mpilaza loza fotsiny ireo izay nitory ny

fahamarinana raketin’ ny hafatry ny anjely fahatelo. Ny fanambarana mialoha nataony fa

hahazo vahana any Etazonia ny tsy fandeferana eo amin’ ny ara-pivavahana, fa hiray hina

ny fiangonana sy ny fanjakana hanenjika izay mitandrina ny didin Andriamanitra, dia

nolazaina fa tsy marim-pototra sady rediredy foana. Nohizingizinina tamim-pahatokisana fa

tsy hiova fenitra na oviana na oviana amin’ izay efa toetrany hatrizay io tany io, dia ny

maha-mpiaro ny fahafahana ara-pivavahana azy. Nefa kosa rehefa mitatra ny

470