Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

hihamatanjaka ny finoany, hamirapiratra kokoa ny fanantenany, mihoatra noho ny tamin’ ny andrompiadanana. Hoy ny mpanao Salamo : «Ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako». «Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny làlam-pitaka rehetra» 10. «Sambatra i2ay olona mahita fahendrena». «Fa ho toy ny hazo ambolena eo amorondrano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha; ka tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy. na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny tamoany» 11. 468

Toko 38—Ny Fampitandremana Farany «Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe : ary ny tany nohazavain’ ny voninahiny. Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao hoe : Rava! Rava!Babylona lehibe ! ka tonga fonenan’ ny demonia sy fieren’ ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina». «Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe : Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy» 1. Io teny io dia manondro mialoha ny fotoana izay hamerenana ny filazana ny amin’ ny faharavan’ i Babylona, araka izay ataon’ ny anjely faharoa ao amin’ ny Apokaiypsy faha 14 (andininy faha 8), miampy ny filazana ireo faharatsiana izay tafiditra miandalana ao amin’ ireo antoko samihafa izay mitambatra ho Babylona, hatramin’ ny nanomezana voalohany io hafatra io tamin’ ny fahavaratry ny taona 1844. Mahatsiravina ny toetran’ izao tontolo izao ara-pivavahana ambara eto. Mihamaizina isaka ny mandà ny fahamarinana ny sain’ ny olona, mihamafy ny fony mandra-pahatonga azy hamahatra amin’ ny mandan’ ny tsy finoana. Tsy miraharaha ny fampitandremana izay nataon’ Andriamanitra izy, fa mikiry hanitsakitsaka ny anankiray amin’ ny Didy folo, ka amin’ ny farany dia tonga mpanenjika ireo izay manaiky izany ho masina. Fanaovana an’ i Kristy ho tsinontsinona ny fanamavoana ny teniny sy ny vahoakany. Rehefa eken’ ny fiangonana ny fampianarana entin’ ny filalaovana angatra, dia miala ny fameperana atao amin’ ny fo ara-nofo, ka hanjary lamba isalorana fotsiny anakonana ny faharatsiana ambany indrindra ny filazana fa mivavaka. Ny finoana ny fisehoan’ ny angatra dia mampidanadana ny varavarana hidiran’ ny fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia, ary amin’ izany fomba izany no hahatsapana ny hery miasa mangina avy amin’ ny anjely ratsy ao amin’ ny fiangonana. Izao no voalaza momba an’ i Babylona amin’ ny fotoana asehon’ io faminaniana io : «Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony» 2.Efa nofenoiny ny kapoaky ny heloka nataony, koa efa madiva hianjady aminy ny fandringanana. Mbola manana olona ao Babylona anefa Andriamanitra ; ka alohan’ ny handatsahany ny fitsarany dia tsy maintsy antsoina hivoaka ireo, mba tsý handraisany anjara amin’ ny fahotany ka «tsy hahazo azy ireo ny loza hanjo azy». Izany no mahatonga ny fihetsiketsehana aseho ara-tandindona amin’ ilay anjely avy any an-danitra, manazava ny tany amin’ ny voninahiny, miantso mafy amin’ ny feo mahery, ka manambara ny fahotan’ i Babylona. Mifandray amin’ io hafatra io ilay feo re manao hoe : «Mialà aminy ianareo, ry oloko». Ireo fanambarana ireo, miaraka amin’ ny hafatry ny anjely fahatelo, no fampitandremana farany hatao amin’ ny mponina etý an-tany. Hanoloana safidy mahatsiravina izao tontolo izao. Ireo fahefana eto an-tany izay miray hina mba hiady amin’ ny didin’ Andriamanitra, dia hamoaka lalàna milaza fa «ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny malahelo, na ny andevo na ny tsy andevo» (Apokalypsy 13 : 16), dia tsy maintsy hanaraka ny fomba amam-panaon’ ny fiangonana ka hitandrina ny sabata sandoka. Izay rehetra mandà tsy hilefitra dia hiharan’ ny 469

hihamatanjaka ny finoany, hamirapiratra kokoa ny fanantenany, mihoatra noho ny tamin’ ny

andrompiadanana.

Hoy ny mpanao Salamo : «Ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako». «Ny didinao no

nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny làlam-pitaka rehetra» 10.

«Sambatra i2ay olona mahita fahendrena». «Fa ho toy ny hazo ambolena eo amorondrano

izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha; ka tsy matahotra na dia avy aza ny

hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy. na dia mihantona aza ny andro, fa

tsy hitsahatra ny tamoany» 11.

468

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!