Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

ny masony tsy hijery ny fahamarinana izay tsy tiany hampiharina. Tsy miankina loatra amin’ ny fahaizana ara-tsaina entina mandinika ny tenin’ ny Baiboly ny fahazoana izany fa amin’ ny fananana fikendrena tokana. dia ny faniriana lalina ny fahamarinana. Tsy tokony hosarahina na oviana na oviana amin’ ny fivavahana ny fianarana ny Baiboly. Ny Fanahy Masina irery no afaka hahatonga antsika hahatsapa ny hasarobidin’ ireo fanambarana mora raisina ao anatiny, na hisakana antsika tsy hanolana ireo fahamarinana sarodraisina. Anjara asan’ ny anjelin’ ny lanitra ny hanomana ny fo hahafantatra ny hevitry ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fomba izay hahatonga antsika ho babon’ ny hakantony, handray fananarana amin’ ny fampitandremana ataony, na hovelombelomin’ ireo teny fikasany sy handray hery avy amin’ izany. Tokony hataontsika ho fangatahan’ ny tenantsika ny hataky ny mpanao Salamo hoe : «Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao»5 . Matetika toa tsy azo toherina ny fakam-panahy satria, noho ny fanaovan’ izay alaim-panahy an-tsirambina ny fivavahana sy ny fandinihana ny Baiboly, dia tsy afaka hahatsiaro avy hatrany ny teny fikasan’ Andriamanitra izy ka tsy vonona hisetra an’ i Satana amin’ ny fiadian’ ny Soratra Masina. Manodidina izay maniry hampianarina ny amin’ ny zavatra momba an’ Andriamanitra anefa ny anjely; koa amin’ ny fotoana mahaporitra indrindra dia hampahatsiarovin’ izy ireo azy ny fahamarinana tena ilainy. «Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo, ny Fanahin’ i Jehovah hanangana faneva hisakanana azy» 6. Nampanantena ny mpianany i Jesosy hoe ; «Fa ny Mpananatra. dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo» 1. Tsy maintsy voatahiry ao an-tsaintsika mialoha anefa ny fampianaran’ i Kristy mba ahazoan’ ny Fanahin’ Andriamanitra mampahatsiaro ireny amintsika amin’ ny andro sarotra. «Ato ampoko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao» 8, hoy Davida. Izay rehetra mahalala ny tombam-bidin’ ny fiainany mandrakizay dia tokony hiaro-tena amin’ ny fitsofohan’ ny Fisalasalana. Ireo andrin’ ny fahamarinana mihitsy no hohozongozonina. Sarotra ny miala tsy ho tratran’ ny fanarabiana sy ny lainga tsara lahatra, ny fampianaran-diso misoko mangina toa poizina mifono avy amin ny tsy finoana misy amin’ izao andro moderna izao. Mampifandrindra ny fakam-panahy amin’ ny sarangan’ olona rehetra i Satana. Mamely ny tsy nahita fianarana amin’ ny fananianiana sy ny esoeso izy, ary ny avara-pianarana kosa dia tsenainy amin’ ny fonjan-kevitra ara-tsiansa sy ny fisaintsainana araka ny filozofia, ka izy rehetra dia samy nokendrena hahatonga tsy fahatokisana ny Soratra Masina sy fanamavoana azy. Na dia ny tanora tsy mbola nanao fanandramana firy aza dia mihambo hampiditra fisalasalana momba ireo foto-kevitra iorenan’ ny fivavahana Kristiana. Ary io tsy finoana misy eo amin’ ny tanora io, na dia marivo ihany aza, dia misy asany mangina. Maro no voatarika amin’ ny fomba toy izany hanao zinona ny finoan’ ny razany ka manamavo ny Fanahin’ ny fahasoavana. Hebreo 10 : 29. Fiainan’ olona maro no nantenaina ho voninahitr’ Andriamanitra sy ho fitahiana ho an’ izao tontolo izao kanjo simban’ ny fofon’ aina maloton’ ny tsy finoana. Izay rehetra matoky 466

ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon’ ny sain’ olombelona ary manampo fa afaka hanazava ny zava-miafin’ Andriamanitra ka ho tonga amin’ ny fahamarinana, tsy mila ny fanampian’ ny fahendren’ Andriamanitra akory, dia voasingotry ny fandrik’ i Satana. Velona amin’ ny fotoana mampangitakitaka indrindra eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao isika. Madiva hotapahina izay ho anjaran’ ny vahoaka marobe mifanizina eto an-tany. Miankina amin’ ny lalan-kizorantsika ankehitriny ny fahasambarantsika amin’ ny ho avy sy ny famonjena ny fanahy hafa koa. Ilaintsika ny hotarihin’ ny Fanahin’ ny fahamarinana. Tokony hanontany mafy ny tenany ny mpanaraka an’ i Kristy marina ka hanao hoe : «Tompo ò, inona no tianao hataoko ?» Ilaintsika ny hanetry tena eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana, ka hisaintsaina lalina ny teniny, indrindra ny momba ireo toe-javatra mikasika ny fitsarana. Tokony hikatsaka fanandramana lalina ny amin’ ny zavatra momba an’ Andriamanitra isika amin’ izao fotoana izao. Tsy manampotoana holanilaniana foana isika. Misy toe-java-dehibe iankinan’ ny aina mitranga manodidina antsika. Eo amin’ ny tany mahasondriana izay an’ i Satana isika. Aza matory, ry mpitilin’ Andriamanitra ; mitampify tsy lavitra anao ilay fahavalo, vonona lalandava izy, raha tahiny varimbariana sy rendremana ianao, hiantsambotra aminao ka hahalasa anao ho rembiny. Maro no voafitaka momba ny toetrany marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Miarahaba tena amin’ ny ratsy tsy ataony izy ka manadino ny asa tsara sy mendrika takin’ Andriamanitra aminy. nefa nataony an-tsirambina. Tsy ampy ny maha-hazo maniry azy ao amin’ ny sahan’ Andriamanitra. Fa tsy maintsy manatanteraka izay tadiaviny amin’ ny alalan’ ny famokarana izy. Tazonin’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ny amin’ ireo asa tsara izay tokony ho vitany noho ny fahasoavany izy, nefa tsy tontosany. Voasoratra ho toy ny mibahana foana amin’ ny tany izy ao amin’ ny bokin’ ny lanitra. Tsy mbola mahavery fanantenana anefa ny amin’ ireny olona ireny. Mbola mitalaho amin’ ireo izay nanao tsinontsinona ny famindrampony Andriamanitra sy nanararaotra ny fahasoavany hanotana ihany ny fon’ Ilay Fitiavana be fahari-po ka manao hoe : «Mifohaza ianao izay matory; mitsangàna amin’ ny maty, dia hampahazava anao Kristy; koa tandremo tsara ny fandehanareo. . . Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao» 9 . Rehefa ho avy ny fotoana fisedrana. dia haseho ireo izay nitana ny tenin’ Andriamanitra ho fitsipika mifehy ny fiainany. Amin’ ny ahavaratra dia tsy misy fahasamihafana firy ny hazo maitso lalandava sy ny hazo sisa rehetra; fa rehefa mitsoka kosa ny rivo-panalan’ ny ririnina, dia tsy miova ny hazo maitso lalandava, fa ringitra tsy misy ravina intsony kosa ny hazo hafa. Toy izany koa. tsy miavaka amin’ ny tena Kristiana ankehitriny izay manana fo mamitaka milaza ny tenany ho Kristiana, nefa kosa efa akaiky ny fotoana izay hisehoan’ ny fahasamihafana. Aoka hipoitra ny fanoherana, aoka hanjaka indray ny fitiavam-bavaka diso toerana sy tsy mahay mandefitra, aoka hirehitra indray ny fanenjehana, dia hirondrona avokoa ny manana toetra matimaty sy ny mihatsaravelatsihy ka handao ny finoany; fa hijoro tsy ho azo hozongozonina tahaka ny vatolampy kosa ny tena Kristiana marina, 467

ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon’ ny sain’ olombelona ary manampo fa afaka hanazava

ny zava-miafin’ Andriamanitra ka ho tonga amin’ ny fahamarinana, tsy mila ny fanampian’

ny fahendren’ Andriamanitra akory, dia voasingotry ny fandrik’ i Satana.

Velona amin’ ny fotoana mampangitakitaka indrindra eo amin’ ny tantaran’ izao tontolo

izao isika. Madiva hotapahina izay ho anjaran’ ny vahoaka marobe mifanizina eto an-tany.

Miankina amin’ ny lalan-kizorantsika ankehitriny ny fahasambarantsika amin’ ny ho avy sy

ny famonjena ny fanahy hafa koa. Ilaintsika ny hotarihin’ ny Fanahin’ ny fahamarinana.

Tokony hanontany mafy ny tenany ny mpanaraka an’ i Kristy marina ka hanao hoe :

«Tompo ò, inona no tianao hataoko ?» Ilaintsika ny hanetry tena eo anatrehan’ ny Tompo

amin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana, ka hisaintsaina lalina ny teniny, indrindra ny

momba ireo toe-javatra mikasika ny fitsarana. Tokony hikatsaka fanandramana lalina ny

amin’ ny zavatra momba an’ Andriamanitra isika amin’ izao fotoana izao. Tsy manampotoana

holanilaniana foana isika. Misy toe-java-dehibe iankinan’ ny aina mitranga

manodidina antsika. Eo amin’ ny tany mahasondriana izay an’ i Satana isika. Aza matory, ry

mpitilin’ Andriamanitra ; mitampify tsy lavitra anao ilay fahavalo, vonona lalandava izy,

raha tahiny varimbariana sy rendremana ianao, hiantsambotra aminao ka hahalasa anao ho

rembiny.

Maro no voafitaka momba ny toetrany marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Miarahaba

tena amin’ ny ratsy tsy ataony izy ka manadino ny asa tsara sy mendrika takin’

Andriamanitra aminy. nefa nataony an-tsirambina. Tsy ampy ny maha-hazo maniry azy ao

amin’ ny sahan’ Andriamanitra. Fa tsy maintsy manatanteraka izay tadiaviny amin’ ny

alalan’ ny famokarana izy. Tazonin’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ny amin’ ireo

asa tsara izay tokony ho vitany noho ny fahasoavany izy, nefa tsy tontosany. Voasoratra ho

toy ny mibahana foana amin’ ny tany izy ao amin’ ny bokin’ ny lanitra. Tsy mbola

mahavery fanantenana anefa ny amin’ ireny olona ireny. Mbola mitalaho amin’ ireo izay

nanao tsinontsinona ny famindrampony Andriamanitra sy nanararaotra ny fahasoavany

hanotana ihany ny fon’ Ilay Fitiavana be fahari-po ka manao hoe : «Mifohaza ianao izay

matory; mitsangàna amin’ ny maty, dia hampahazava anao Kristy; koa tandremo tsara ny

fandehanareo. . . Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao» 9 .

Rehefa ho avy ny fotoana fisedrana. dia haseho ireo izay nitana ny tenin’ Andriamanitra

ho fitsipika mifehy ny fiainany. Amin’ ny ahavaratra dia tsy misy fahasamihafana firy ny

hazo maitso lalandava sy ny hazo sisa rehetra; fa rehefa mitsoka kosa ny rivo-panalan’ ny

ririnina, dia tsy miova ny hazo maitso lalandava, fa ringitra tsy misy ravina intsony kosa ny

hazo hafa. Toy izany koa. tsy miavaka amin’ ny tena Kristiana ankehitriny izay manana fo

mamitaka milaza ny tenany ho Kristiana, nefa kosa efa akaiky ny fotoana izay hisehoan’ ny

fahasamihafana. Aoka hipoitra ny fanoherana, aoka hanjaka indray ny fitiavam-bavaka diso

toerana sy tsy mahay mandefitra, aoka hirehitra indray ny fanenjehana, dia hirondrona

avokoa ny manana toetra matimaty sy ny mihatsaravelatsihy ka handao ny finoany; fa hijoro

tsy ho azo hozongozonina tahaka ny vatolampy kosa ny tena Kristiana marina,

467

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!