Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
mahafantatra ireny fahamarinana lehibe ireny toy ny tsy mbola nambara na oviana na oviana izany. Miambina i Satana mba handrombaka tsy ho eo aminy izay rehetra mety handaitra aminy ka hahatonga azy ho hendry ho amin’ ny famonjena, koa rehefa tonga ny andrompahoriana dia ho hita fa tsy vonona izy. Rehefa mandefa hafatra fampitandremana izay lehibe indrindra Andriamanitra ka aseho ho toy ny torin’ ny anjely masina manidina eo afovoan’ ny lanitra izany, dia takiny amin’ ny olona tsirairay izay manana saina afaka mandanjalanja ny hitandrina izany hafatra izany. Ny fitsarana mahatahotra manameloka ny fiankohofana amin’ ny bibi-dia sy ny sariny (Apokalypsy 16 : 9-11), dia tokony hitarika ny rehetra hazoto handinika ireo faminaniana hahafantarany ny atao hoe mariky ny bibi-dia sy ny fomba tsy handraisana izany. Nefa mitampin-tsofina tsy hihaino ny fahamarinana ny ankabeazan’ olona ka nitodika any amin’ ny angano. Hoy ny Apostoly Paoly raha nitazana ny andro farany izy : «Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema» 2. Efa tena tonga mihitsy io fotoana io izao. Tsy tian’ ny ankamaroan’ olona ny fahamarinan’ ny Baiboly, satria misakantsakana ny fanirian’ ny fony feno fahotana sy tia an’ izao tontolo izao izany; koa dia omen’ i Satana azy ny fitaka ankamamiany. Nefa hanana vahoaka eto an-tany Andriamanitra izay hifikitra amin’ ny Baiboly, ary ny Baiboly irery ihany ho filamatry ny fampianarana rehetra sy ho fototry ny fanavaozana rehetra. Ny hevitry ny manampahaizana, ny fehin-kevitra avy amin’ ny «siansa», ny fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheverandraharana ara-pivavahana, izay maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony, ny feon’ ny maro an’ isa tsy misy na ny iray amin’ ireo, na izy rehetra, tokony horaisina ho porofo mazava hoentimanamarina na manohitra foto-pampianarana ara-pinoana iray. Alohan’ ny hanekena fampianarana na fitsipika iray dia tokony hitaky ny «Izao no lazain’ i Jehovah» mazava ho enti-manohana izany isika. Miezaka mandrakariva i Satana hisarika ny saina ho eo amin’ ny olona fa tsy ho eo amin’ Andriamanitra. Tarihiny ny olona hijery ny eveka, ny mpitandrina, ny mpampianatra teolojia, ho mpitaridalana azy, fa tsy handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany mba hahafantarany ny adidiny. Amin’ izay, rehefa mifehy ny sain’ ireo mpitarika ireo izy, dia azony atao ny miasa mangina amin’ ny olona maro araka ny sitrapony. Raha tonga nilaza ny tenin’ ny fiainana i Kristy, dia nihaino Azy tamim-pifaliana ny besinimaro ; ka betsaka, eny na dia teo amin’ ireo mpisorona sy mpanora-dalàna aza, no nino Azy. Tapakevitra anefa ny filohan’ ny mpisorona sy ireo olona mpitarika tao amin’ ny firenena fa hanameloka sy hitsipaka ny fampianarany. Na dia voasakana aza izy tamin’ ny fiezahana rehetra nataony hitadiavany izay azo hiampangana Azy, na dia tsy hainy aza ny tsy hahatsapa mazava ny herin’ Andriamanitra sy ny fahendrena tamin’ ny teniny, dia mainka nitana ny hevitra nibahana rahateo tao an-tsainy izy ; notsipahiny ny porofo mazava indrindra ny maha-Mesia Azy, andrao voatery ho tonga mpianany izy. Hatramin’ ny fahazazany ny vahoaka dia efa notezaina hanaja sy hilefitra an-jamba teo ambanin’ ny 462
fitondrana nataon’ ireo mpanohitra ny Mpamonjy. «Inona no antony mahatonga ireo loholona sy mpanoradalàna ary manampahaizana tsy hino an’ i Jesosy ?» hoy ny fanontaniany. Moa ve ireo olona tia vavaka ireo tsy handray azy raha Izy no Kristy? Ny fitaomana mangina avy tamin’ ny mpampianatra toy izany no nitarika ny firenena Jiosy handà ny Mpanavotra azy. Ny toe-tsain’ ireo mpisorona sy loholona ireo ihany no mbola asehon’ ny olona maro izay milaza ny tenany ho tena mpivavaka ankehitriny. Mandà tsy handinika ny fanambaran’ ny Soratra Masina mikasika ireo fahamarinana manokana ho amin’ izáo andro izao izy. Ny hamaroany, ny heriny sy ny lazany no arangarangany ka manamavo ireo mpiaro ny fahamarinana izy satria vitsy, mahantra sady tsy fanta-daza ireo mitana finoana izay mampisaraka azy amin’ izao tontolo izao. Hitan’ i Kristy mialoha fa tsy hifarana amin’ ny fielezan’ ny Jiosy tsy akory ilay fanamparam-pahefana tafahoatra nasehon’ ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Tazany tamin’ ny mason’ ny faminaniana ny asa fanandratana ny fahefan’ olombelona hifehy ny feon’ ny fieritreretana, izay fanetribe efa nahazo ny fiangonana hatrizay. Ary noraketina ny fanamelohany mampahatahotra ny mpanoradalàna sy ny Fariseo, sy ny fampitandremany ny vahoaka tsy hanaraka ireo mpitarika jamba ireo mba ho fananarana ny taranaka ho avy. Atokan’ ny Eglizin’ i Roma ho an’ ny eveka sy pretra samirery ny zo hanazava ny Soratra Masina. Ambarany mantsy fa ny mpitondra fivavahana ihany no afaka hanazava ny tenin’ Andriamanitra, koa dia tsy ampahafanta na ny olon-tsotra izany. Na dia natolotry ny Fanavaozana ara-pivavahana ny olona rehetra aza ny Soratra Masina, dia tena mbola fotokevitra tsy misy hafa amin’ izany notazonin’ i Roma izany ihany no misakana ny olona marobe ao amin’ ny fiangonana Protestanta tsy handinika ny Baiboly ho an’ ny tenany. Toroana izy hanaiky ny fampianaran’ ny Soratra Masina araka ny fanazavan’ ny fiangonana an’ izany , koa dia misy olona an’ arivony tsy sahy mandray na inona na inona izay na dia abaribarin’ ny Soratra Masina aza ka mifanohitra amin’ ny fanekem-pinoany na amin’ ny fampianarana neken’ ny fiangonany. Na dia feno fampitandremana ny amin’ ny mpampianatra sandoka aza ny Baiboly, dia maro no vonona ny hanankina ny fiambenana ny fanahiny amin’ ny mpitondra fivavahana. Ankehitriny dia misy an’ arivony ny mpivavaka no tsy afaka manome antony hafa anekeny izay zavatra inoany afa-tsy ny hoe izany no ampianarin’ ireo mpitondra fivavahana ao aminy. Lalovany fotsiny ary zara raha hitany ny fampianaran’ ny Mpamonjy, nefa tsy misalasala izy matoky ny tenin’ ny mpitandrina. Kanefa moa ve tsy mety diso ny mpitandrina? Ahoana no ahazoantsika mametraka ny fanahintsika ho tarihiny raha tsy fantatsika avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra fa mpitondra fahazavana izy ireo? Ny tsy fananana ny fahasahiana ilaina mba hialana amin’ ny lalà-masaka izoran’ izao tontolo izao dia mitarika ny maro hanara-dia ny manam-pahaizana; ary ny tsy fetezany hanadihady ho an’ ny tenany dia mahatonga azy ho voafatotra mafy tsy misy antenaina mihitsy amin’ ny gadran’ ny fahadisoan-kevitra. Hitany fa aseho mazava ao amin’ ny Baiboly ny 463
- Page 419 and 420: ehetra izany no natao dia ny mba ah
- Page 421 and 422: kijanona eo amin’ ny voavotra avy
- Page 423 and 424: ny saina mandanjalanja, sy amin’
- Page 425 and 426: amiko» 38. Nolazain’ i Paoly tat
- Page 427 and 428: filozofian’ ny mpanompo sampy, ar
- Page 429 and 430: olona tahaka ny anjelin’ ny mazav
- Page 431 and 432: antitra ninoana tamin’ ny fotoan
- Page 433 and 434: toetry ny olombelona sy ny maty ny
- Page 435 and 436: Hoy Jehovah Tompo : «Ny fitsarana
- Page 437 and 438: olo-marina sy ny ratsy fanahy. Indr
- Page 439 and 440: tarigetra ambony indrindra hotratra
- Page 441 and 442: Marina fa ankehitriny dia miova end
- Page 443 and 444: Asehon’ ny mpaminany Isaia eo ima
- Page 445 and 446: Toko 35—Ny Fahalalahana ny Feon'
- Page 447 and 448: mikitroka manodidina azy ireo Izy.
- Page 449 and 450: Misy fitoviana manaitra amin’ ny
- Page 451 and 452: pahoriana. Mihambo ho solon-tenan
- Page 453 and 454: olombelona ny masony, «izay atao h
- Page 455 and 456: Rehefa hita fa tsy ampy ny didy nav
- Page 457 and 458: tamin’ izany fihemorana izany ane
- Page 459 and 460: firy ny ataony rehefa manaiky ny fa
- Page 461 and 462: Mora ny manao sampy amin’ ny hazo
- Page 463 and 464: haratsiam-panahiny maharikoriko, ar
- Page 465 and 466: Sarotra ankehitriny ny manavaka iza
- Page 467 and 468: fitondrampanjakan’ Andriamanitra,
- Page 469: Toko 37—Fiarovana azo Antoka «Ho
- Page 473 and 474: Masina ho an’ ny tenany ny tsirai
- Page 475 and 476: ny fanapahan-kevitra sahisahy ataon
- Page 477 and 478: Toko 38—Ny Fampitandremana Farany
- Page 479 and 480: fihetsiketsehana mafy mikasika ny f
- Page 481 and 482: indrindra mba hanosorampotaka sy hi
- Page 483 and 484: Hitovy amin’ izay niseho tamin’
- Page 485 and 486: Toko 39—Ny Andro Fahoriana «Ary
- Page 487 and 488: Amin’ izany andro izany, ny vahoa
- Page 489 and 490: aha mamela ny fahotan’ izy ireo n
- Page 491 and 492: Ny andro feno fahoriana sy tebiteby
- Page 493 and 494: mba hanamafy orina ny famitahana az
- Page 495 and 496: ny kibony? Eny mety manadino ihany
- Page 497 and 498: malahelo mitady rano, fa tsy mahita
- Page 499 and 500: tafahoatra taminy. Tao amin’ ny e
- Page 501 and 502: Toko 40—Fanafahana ny Vahoakan’
- Page 503: ireo mpampianatra sandoka. Ireo iza
mahafantatra ireny fahamarinana lehibe ireny toy ny tsy mbola nambara na oviana na oviana

izany. Miambina i Satana mba handrombaka tsy ho eo aminy izay rehetra mety handaitra

aminy ka hahatonga azy ho hendry ho amin’ ny famonjena, koa rehefa tonga ny andrompahoriana

dia ho hita fa tsy vonona izy.

Rehefa mandefa hafatra fampitandremana izay lehibe indrindra Andriamanitra ka aseho

ho toy ny torin’ ny anjely masina manidina eo afovoan’ ny lanitra izany, dia takiny amin’ ny

olona tsirairay izay manana saina afaka mandanjalanja ny hitandrina izany hafatra izany. Ny

fitsarana mahatahotra manameloka ny fiankohofana amin’ ny bibi-dia sy ny sariny

(Apokalypsy 16 : 9-11), dia tokony hitarika ny rehetra hazoto handinika ireo faminaniana

hahafantarany ny atao hoe mariky ny bibi-dia sy ny fomba tsy handraisana izany. Nefa

mitampin-tsofina tsy hihaino ny fahamarinana ny ankabeazan’ olona ka nitodika any amin’

ny angano. Hoy ny Apostoly Paoly raha nitazana ny andro farany izy : «Fa ho avy ny andro

izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema» 2. Efa tena tonga mihitsy io

fotoana io izao. Tsy tian’ ny ankamaroan’ olona ny fahamarinan’ ny Baiboly, satria

misakantsakana ny fanirian’ ny fony feno fahotana sy tia an’ izao tontolo izao izany; koa dia

omen’ i Satana azy ny fitaka ankamamiany.

Nefa hanana vahoaka eto an-tany Andriamanitra izay hifikitra amin’ ny Baiboly, ary ny

Baiboly irery ihany ho filamatry ny fampianarana rehetra sy ho fototry ny fanavaozana

rehetra. Ny hevitry ny manampahaizana, ny fehin-kevitra avy amin’ ny «siansa», ny

fanekem-pinoana na ny hevitra tapaky ny fivoriana fiheverandraharana ara-pivavahana, izay

maro sy mifanolana araka ny fiangonana asehony, ny feon’ ny maro an’ isa tsy misy na ny

iray amin’ ireo, na izy rehetra, tokony horaisina ho porofo mazava hoentimanamarina na

manohitra foto-pampianarana ara-pinoana iray. Alohan’ ny hanekena fampianarana na

fitsipika iray dia tokony hitaky ny «Izao no lazain’ i Jehovah» mazava ho enti-manohana

izany isika.

Miezaka mandrakariva i Satana hisarika ny saina ho eo amin’ ny olona fa tsy ho eo

amin’ Andriamanitra. Tarihiny ny olona hijery ny eveka, ny mpitandrina, ny mpampianatra

teolojia, ho mpitaridalana azy, fa tsy handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenany mba

hahafantarany ny adidiny. Amin’ izay, rehefa mifehy ny sain’ ireo mpitarika ireo izy, dia

azony atao ny miasa mangina amin’ ny olona maro araka ny sitrapony.

Raha tonga nilaza ny tenin’ ny fiainana i Kristy, dia nihaino Azy tamim-pifaliana ny

besinimaro ; ka betsaka, eny na dia teo amin’ ireo mpisorona sy mpanora-dalàna aza, no

nino Azy. Tapakevitra anefa ny filohan’ ny mpisorona sy ireo olona mpitarika tao amin’ ny

firenena fa hanameloka sy hitsipaka ny fampianarany. Na dia voasakana aza izy tamin’ ny

fiezahana rehetra nataony hitadiavany izay azo hiampangana Azy, na dia tsy hainy aza ny

tsy hahatsapa mazava ny herin’ Andriamanitra sy ny fahendrena tamin’ ny teniny, dia

mainka nitana ny hevitra nibahana rahateo tao an-tsainy izy ; notsipahiny ny porofo mazava

indrindra ny maha-Mesia Azy, andrao voatery ho tonga mpianany izy. Hatramin’ ny

fahazazany ny vahoaka dia efa notezaina hanaja sy hilefitra an-jamba teo ambanin’ ny

462