Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 36—Mananontanona ny Fifandonana Farany Hatramin’ ny nipoahan’ ilay ady lehibe tany an-danitra no efa fíkasan’ i Satana ny handrodana ny lalàn’ Andriamanitra. Izany no anton’ ny nananganany ny fanevan’ ny fikomiana tamin’ ny Mpamorona, ary rehefa voaroaka avy tany an-danitra izy, dia mbola nanohy ny ady tetý an-tany. Ny hamitaka ny olona sy ny hitarika azy amin’ izany handika ny lalàn’ Andriamanitra no fenitra tsy miova kendreny hotratrarina. Na ny fialana amin’ ny lalàna manontolo na ny fitsipahana ny anankiray amin’ ny didy no ahavitany izany, dia hitovy ny vokany amin’ ny farany. Izay «diso amin’ ny iray loha» dia manamavo ny lalàna manontolo; ny hery miasa mangina avy aminy sy ny ohatra omeny dia samy mitory fandikandalàna ; tonga «meloka amin’ izy rehetra izy» 1. Tamin’ ny fiezahany hampietry voninahitra ny fitsipika nomen’ Andriamanitra, dia naolan’ i Satana ireo fampianaran’ ny Baiboly, ary tamin’ izany no nahatafatsofoka fampianaran-diso ao amin’ ny finoana tanan’ ny olona an’ arivony izay milaza fa mino ny Soratra Masina. Tsy inona ilay fifandonana farany amin’ ny fahamarinana sy ny fampianaran-diso fa ny fizarana farany eo amin’ ilay ady nitarazoka mikasika ny lalàn’ Andriamanitra. Miditra amin’ izany ady izany isika izao, — ady ifanaovan’ ny lalàn’ olombelona sy ny didin’ i Jehovah, ikatrohan’ ny fivavahan’ ny Baiboly sy ny fivavahana mifototra amin’ ny anganongano sy ny lovan-tsofina. Miasa fatratra ankehitriny ireo hery izay mikambana hanohitra ny fahamarinana sy ny hitsiny amin’ io ady io. Tsy ankafizina araka ny tena tombam-bidiny ny tenin’ Andriamanitra, izay noraisintsika tamin’ ny alalan’ ny fahoriana sy ny ra nandriaka be. Mby an-tanan’ ny olon-drehetra ny Baiboly, vitsy anefa no tena nanaiky azy ho mpitari-dalana ny fiainany. Manjaka ny tsy finoana ary mahavelon’ ahiahy ny mahita ny fitarany, tsy eo amin’ izao tontolo izao ihany. fa hatrany am-piangonana koa. Maro no voatarika handà ny fotopinoana izay tena andrin’ ny finoana Kristiana. Ireo zava-dehibe teo amin’ ny famoronana araka ny nanehoan’ ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry azy, ny nahalavoan’ ny olona. ny fanavotana. sy ny tsy fiovan’ ny lalàn’ Andriamanitra. dia azo lazaina fa tena voatsipaka na ny manontolo na ny sasantsasany. eo amin’ ny ankamaroan’ ny Kristiana. An’ arivony ny olona mirehareha amin’ ny fahendreny sy ny fahafahany hisaina ho an’ ny tenany no mihevitra ho porofon’ ny fahalemena ny matoky tsy misy ady hevitra ny Baiboly ; ataony fa porofon’ ny fahambonian-tsaina sy fahalalana ny maninitsiny ny Soratra Masina sy ny mandray azy ho ara-panahy fotsiny ary ny manao famoaboasana lalina an’ ireo fahamarinana lehibe indrindra raketiny mba hialany aminy. Maro ny mpitandrina no mampianatra ny olona tandremany, ary betsaka ny mpampianatra no milaza amin’ ny mpianany fa efa novana na nofoanana ny lalàn’ Andriamanitra ; koa ireo izay mbola mitana ny didy ho manan-kery, ka tokony hankatoavina ara-bakiteny. dia fanabantiana sy esoeso ihany no mendrika azy. Ny fandavan’ ny olona ny fahamarinana dia fandavany koa Ilay nanao izany. Ny fanitsakitsahany ny didin’ Andriamanitra. dia fandavany ny fahefan’ May Mpanome lalàna. 452

Mora ny manao sampy amin’ ny hazo na ny vato. ary mora toy izany koa ny manangana ho sampy ny fampianaran-diso sy ny laha-kevitra tsy izy. Nasehon’ i Satana tsy araka ny marina ny maha-Andriamanitra an’ Andriamanitra ary amin’ izany no hitarihany ny olona hihevitra Azy amin’ ny toetra tsy araka ny marina. Ho an’ ny olona maro dia foto-kevitra arapilozofia no ataony sampy ka omeny toerana eo amin’ ny seza fiandrianana ho solon’ i Jehovah ; fa an-kavitsiana kosa no miankohoka eo anoloan’ Ilay Andriamanitra velona, araka izay voaseho ao amin’ ny teniny, ao amin’ i Kristy, sy ao amin’ ny asa famoronana. An’ arivony ny olona manao ny zavaboary ho Andriamanitra, nefa mandà ilay Andriamanitra nanao ny zavaboary. Na dia mitafy endrika hafa aza ny fanompoan-tsampy, dia mbola misy tokoa eo amin’ ny mpivavaka kristiana izay amin’ izao andro ankehitriny izao tahaka ny nisiany teo amin’ ny Isiraely fahizay tamin’ ny andron’ i Elia. Ny andriamanitry ny olona maro lazaina fa handry. ny an’ ny mpanao hevi-tsaina, ny an’ ny mpanao tononkalo, ny an’ ny mpanao politika, ny an’ ny mpanao gazety — ny andriamanitr’ ireo antsoina hoe olona miaina araka ny fahalalam-pomba mihaja, any amin’ ny sekoly ambony sy Oniversite maro, eny, na dia ny an’ ireo toeram-pianarana momba ny fandalinam-pinoana aza, — dia tsy mihoatra firy noho i Bala ilay andriamanitra masoandron’ ny Foinikiana. Tsy misy fampianaran-diso eken’ ireo mpivavaka Kristiana izay sahy mifandona mivantana amin’ ny fahefan’ ny Lanitra ; tsy misy mitsipaka an-karihary ny baikon’ ny fisainana mizotra araka ny hitsiny, tsy misy mamoa-doza tahaka ny fampianarana ankehitriny izay mahazo vahana haingana tokoa, milaza fa tsy mifehy ny olona intsony ny didin’ Andriamanitra. Samy manana ny lalány ny firenendrehetra, izay mitaky fanajana sy fankatoavana , tsy misy na dia iray aza fitondram-panjakana vanona raha tsy misy lalàna ; nefa dia tadiavin’ ny olona tsy hanome lalàna hitondrany ny olona noforoniny Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany! Hevero hoe misy mpitandrina malaza mampianatra ampahibemaso fa azo atao ny tsy hankato ny lalàna mifehy ny tany misy azy sy miaro ny zon’ ny olompirenena ao — fa mamepetra ny fahafahan ny vahoaka ireo lalána ireo noho izany dia tsy tokony hankatoavina ; haharitra hafiriana no handeferana amin’ ny olona toy izany hitory eny ambony polipitra? Nefa heloka makadiry kokoa ve ny manao zinona ny lalámpanjakana sy ny lalàm-pirenena noho ny manitsakitsaka ireo fitsipika nomen’ Andriamanitra izay fototra iorenan’ ny fanapahana rehetra? Mety kokoa amin’ ny firenena ny manafoana ny lalána eo aminy ka hamela ny vahoaka hanao araka izay tiany, toy izay Ilay Mpifehy izao rehetra izao no hanafoana ny lalàny, ka hamela an’ izao tontolo izao tsy hanana fitsipi-pitondrana izay hanamelohana ny diso fa hanamarinana ny marina kosa. Tian-ko fantatra ve ny vokatra ateraky ny fanaovana tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra? Efa natao ny fanandramana. Nahatsiravina ny toejavatra niseho tany Frantsa rehefa nanjary hery nanapaka ny fandavana ny fisian’ Andriamanitra. Voaseho mazava tamin’ izay teo anatrehan’ izao tontolo izao fa rehefa akifika ireo fefy natsangan’ Andriamanitra, dia midika ho fanekena hotapahin’ ny olon-doza 453

Toko 36—Mananontanona ny Fifandonana Farany

Hatramin’ ny nipoahan’ ilay ady lehibe tany an-danitra no efa fíkasan’ i Satana ny

handrodana ny lalàn’ Andriamanitra. Izany no anton’ ny nananganany ny fanevan’ ny

fikomiana tamin’ ny Mpamorona, ary rehefa voaroaka avy tany an-danitra izy, dia mbola

nanohy ny ady tetý an-tany. Ny hamitaka ny olona sy ny hitarika azy amin’ izany handika

ny lalàn’ Andriamanitra no fenitra tsy miova kendreny hotratrarina. Na ny fialana amin’ ny

lalàna manontolo na ny fitsipahana ny anankiray amin’ ny didy no ahavitany izany, dia

hitovy ny vokany amin’ ny farany. Izay «diso amin’ ny iray loha» dia manamavo ny lalàna

manontolo; ny hery miasa mangina avy aminy sy ny ohatra omeny dia samy mitory

fandikandalàna ; tonga «meloka amin’ izy rehetra izy» 1.

Tamin’ ny fiezahany hampietry voninahitra ny fitsipika nomen’ Andriamanitra, dia

naolan’ i Satana ireo fampianaran’ ny Baiboly, ary tamin’ izany no nahatafatsofoka

fampianaran-diso ao amin’ ny finoana tanan’ ny olona an’ arivony izay milaza fa mino ny

Soratra Masina. Tsy inona ilay fifandonana farany amin’ ny fahamarinana sy ny

fampianaran-diso fa ny fizarana farany eo amin’ ilay ady nitarazoka mikasika ny lalàn’

Andriamanitra. Miditra amin’ izany ady izany isika izao, — ady ifanaovan’ ny lalàn’

olombelona sy ny didin’ i Jehovah, ikatrohan’ ny fivavahan’ ny Baiboly sy ny fivavahana

mifototra amin’ ny anganongano sy ny lovan-tsofina.

Miasa fatratra ankehitriny ireo hery izay mikambana hanohitra ny fahamarinana sy ny

hitsiny amin’ io ady io. Tsy ankafizina araka ny tena tombam-bidiny ny tenin’

Andriamanitra, izay noraisintsika tamin’ ny alalan’ ny fahoriana sy ny ra nandriaka be. Mby

an-tanan’ ny olon-drehetra ny Baiboly, vitsy anefa no tena nanaiky azy ho mpitari-dalana ny

fiainany. Manjaka ny tsy finoana ary mahavelon’ ahiahy ny mahita ny fitarany, tsy eo amin’

izao tontolo izao ihany. fa hatrany am-piangonana koa. Maro no voatarika handà ny

fotopinoana izay tena andrin’ ny finoana Kristiana. Ireo zava-dehibe teo amin’ ny

famoronana araka ny nanehoan’ ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry azy, ny nahalavoan’

ny olona. ny fanavotana. sy ny tsy fiovan’ ny lalàn’ Andriamanitra. dia azo lazaina fa tena

voatsipaka na ny manontolo na ny sasantsasany. eo amin’ ny ankamaroan’ ny Kristiana. An’

arivony ny olona mirehareha amin’ ny fahendreny sy ny fahafahany hisaina ho an’ ny

tenany no mihevitra ho porofon’ ny fahalemena ny matoky tsy misy ady hevitra ny Baiboly

; ataony fa porofon’ ny fahambonian-tsaina sy fahalalana ny maninitsiny ny Soratra Masina

sy ny mandray azy ho ara-panahy fotsiny ary ny manao famoaboasana lalina an’ ireo

fahamarinana lehibe indrindra raketiny mba hialany aminy. Maro ny mpitandrina no

mampianatra ny olona tandremany, ary betsaka ny mpampianatra no milaza amin’ ny

mpianany fa efa novana na nofoanana ny lalàn’ Andriamanitra ; koa ireo izay mbola mitana

ny didy ho manan-kery, ka tokony hankatoavina ara-bakiteny. dia fanabantiana sy esoeso

ihany no mendrika azy.

Ny fandavan’ ny olona ny fahamarinana dia fandavany koa Ilay nanao izany. Ny

fanitsakitsahany ny didin’ Andriamanitra. dia fandavany ny fahefan’ May Mpanome lalàna.

452

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!