Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

manomboka sahady izao ny fanizingizinana momba izany. Ary miha-mahazo vahana haingana ny fihetsiketsehana mba hanamafisana ny fitandremana ny Alahady. Mahagaga ny hafetsena sy ny fitapitaka ataon’ i Eglizin’ i Roma. Afaka mamaky ny ho avy izy. Miandry ny fotoana mety izy ;hitany mantsy fa manome voninahitra azy ny fiangonana Protestanta amin’ ny fanekeny ny Sabata sandoka sady miomana ny hanamafy izany amin’ ny fomba izay efa nampiasainy tamin’ ny andro lasa izy. Ireo izay mitsipaka ny fahazavan’ ny fahamarinana dia hitady ny fanampian’ ilay fahefana misora-tena ho tsy mety diso mba hanandratany ny andro izay notendren’ ny tenany ihany. Tsy sarotra ny maminavina fa ho vonona tokoa izy hanampy ny Protestanta amin’ io asa io. Iza moa no mahafantatra mihoatra noho ny mpitarika ao amin’ ny fahefana papaly ny fomba hitondrana ireo izay tsy mankatò ny Eglizy ? Ny fiangonana Katolika Romana izay miely patrana eran-tany dia fikambanana midadasika anankiray eo ambany fifehezan’ ny foiben-toerana papaly ary natao mba hiaro ny tombon-tsoany. Ireo mambra mpandray an-tapitrisany ao aminy, izay avy amin’ ny tany rehetra manerana an’ izao tontolo izao dia ampianarina hihevitra ny tenany ho voafatotry ny fanekena ny papa. Na inona na inona firenena misy azy na toy inona na toy inona fitondrampanjakana misy any aminy, dia tokony hihevitra ny fahefan’ ny eglizy ho ambonin’ ny hafa rehetra izy. Na dia nety nanao fianianana aza izy fa ho mahatoky amin’ ny fanjakana, ao ivohon’ izany kosa dia misy ny voady hankatò an’ i Roma, izay manafaka azy amin’ ny fanekena rehetra mifanohitra amin’ ny tombon-tsoan’ i Roma. Hamarinin’ ny tantara ny fiezahana feno hakingana sy fikirizana nataony mba hitsofohany ao amin’ ny raharahan’ ny firenen-tsamihafa; ary rehefa nahazo toerana hamaharana izy. dia ataony izay hahatontosa ny zava-kendreny, na dia hanapotika ny mpitondra sy ny vahoaka aza izany. Tamin’ ny taona 1204, i Petera II, mpanjakan’ i Aragon, dia nahazoan’ ny Papa Innocent III izao fianianana mahagaga izao: «lzaho. Petera. mpanjakan’ ny Aragoniana, dia milaza sy mampanantena fa ho mahatoky mandrakariva sy hankatò ny tompoko, ny Papa Innocent, sy ireo katolika mpandimby azy. ary koa ny Eglizy Romana. ary ho mahatoky amin’ ny fihazonana ny fanjakako amin’ ny fankatoavana azy. ka hiaro ny finoana Katolika sy hanenjika ny «heretika» mampidi-doza». John Dwoling.The History of Romanism,boky faha 5. toko faha 6, fizarana faha-55. Mifandrindra amin’ ny filazana feno hambo momba ny fahefan’ ny papa izany fa «ara-dalàna aminy ny manaisotra ny amperora» sy «ny mamotsotra ny vahoaka amin’ ny tokim-panompoana nataony tamin» ireo mpanapaka tsy marina». Mosheim. Ecclesiastical History, boky faha 3. taonjato faha 11. fizarana faha 2. toko faha 9, andininy faha 9, fanamarihana faha-17 (Jereo koa Fanampiny). Ary aoka ho tsaroana fa reharehan’ i Roma ny tsy fiovany na oviana na oviana. Ireo foto-kevitra najoron’ i Grégoire fahafito sy Innocent fahatelo no mbola filamatra arahin’ ny Eglizy Romana ihany. Ary raha ananany ny fahefana dia hampihariny ankehitriny amin’ ny fomba maherihery kokoa izany noho ny tamin’ ny taonjat. lasa. Tsy fantatry ny Protestanta 450

firy ny ataony rehefa manaiky ny fanampian’ i Roma izy eo amin’ ny asa fanandratana ny Alahady. Raha mbola milofo hanatanteraka ny fikasany izy ireo. i Roma kosa mikendry ny hampitoetra indray ny heriny, sy hampody indray ny fahefana fara-tampony nananany. Aoka fotsiny ange ho tafaorina any Etazonia ny foto-kevitra milaza fa azon’ ny fiangonana ampiasaina na fehezina ny fahefam-panjakana ; fa azon’ ny lalàm-panjakana atao ny manamafy ny fitsipika ara-pivavahana ; raha fintinina, fa afaka hanapaka amin’ ny feon’ ny fieritreretana ny fahefan’ ny fiangonana sy ny an’ ny fanjakana, dia ho azo antoka amin’ izay ny fandresen’ i Roma ao amin’ io tany io. Efa nampitandrina ny amin’ ny loza mitatao ny tenin’ Andriamanitra ; raha tsy arahina izany, dia ho fantatry ny Protestanta ny tena fikasan’ i Roma marina, nefa amin’ izay dia efa diso aoriana loatra ny handosirana ny fandrika. Mitombo miandalana ao amin’ ny fahanginana ny heriny. Mahazo vahana any amin’ ny toerana fanaovan-dalàna ny fampianarany, any amin’ ny fiangonana sy ao am-pon’ ny olona. Manangana trano mijoalajoala sy goavana izy any amin’ ny toerana miafinafina izay hamerenany indray ny fanenjehana nataony teo aloha. Miafinafina sady tsy ampoizina no ampitomboany ny heriny entiny hampandroso ny fikasany rehefa tonga ny fotoana hamelezany. Ny hany tadiaviny dia ny ahazoany mibahana, ary efa omena azy sahady izany. Vetivety dia ho hitantsika sy ho tsapantsika ny zava-kendren’ i Roma. Na iza na iza hino sy hankatò ny tenin’ Andriamanitra dia hizaka faniniana sy fanenjehana noho izany. 451

firy ny ataony rehefa manaiky ny fanampian’ i Roma izy eo amin’ ny asa fanandratana ny

Alahady. Raha mbola milofo hanatanteraka ny fikasany izy ireo. i Roma kosa mikendry ny

hampitoetra indray ny heriny, sy hampody indray ny fahefana fara-tampony nananany.

Aoka fotsiny ange ho tafaorina any Etazonia ny foto-kevitra milaza fa azon’ ny fiangonana

ampiasaina na fehezina ny fahefam-panjakana ; fa azon’ ny lalàm-panjakana atao ny

manamafy ny fitsipika ara-pivavahana ; raha fintinina, fa afaka hanapaka amin’ ny feon’ ny

fieritreretana ny fahefan’ ny fiangonana sy ny an’ ny fanjakana, dia ho azo antoka amin’

izay ny fandresen’ i Roma ao amin’ io tany io.

Efa nampitandrina ny amin’ ny loza mitatao ny tenin’ Andriamanitra ; raha tsy arahina

izany, dia ho fantatry ny Protestanta ny tena fikasan’ i Roma marina, nefa amin’ izay dia efa

diso aoriana loatra ny handosirana ny fandrika. Mitombo miandalana ao amin’ ny

fahanginana ny heriny. Mahazo vahana any amin’ ny toerana fanaovan-dalàna ny

fampianarany, any amin’ ny fiangonana sy ao am-pon’ ny olona. Manangana trano

mijoalajoala sy goavana izy any amin’ ny toerana miafinafina izay hamerenany indray ny

fanenjehana nataony teo aloha. Miafinafina sady tsy ampoizina no ampitomboany ny heriny

entiny hampandroso ny fikasany rehefa tonga ny fotoana hamelezany. Ny hany tadiaviny

dia ny ahazoany mibahana, ary efa omena azy sahady izany. Vetivety dia ho hitantsika sy ho

tsapantsika ny zava-kendren’ i Roma. Na iza na iza hino sy hankatò ny tenin’ Andriamanitra

dia hizaka faniniana sy fanenjehana noho izany.

451

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!