Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Satria hita fa tsy ampy ho solon’ ny fahefan’ Andriamanitra ny didy avoakan’ ny mpanjaka, dia naroson’ i Eusèbe, izay eveka nitady sitraka tamin’ ireo andriandahy ary sakaiza manokan’ i Constantin sady mpanasohaso azy, ny filazana fa i Kristy no efa namindra ny Sabata ho Alahady. Tsy nisy fanambarana avy tao amin’ ny Soratra Masina na dia iray aza naseho ho fanamarinana ilay fampianarana vaovao. Na i Eusèbe aza dia nanaiky tsy nahy ny fahadisoan’ izany ary nanondro ireo tena nanao ny fanovana. «Ny zavatra rehetra», hoy izy, «na inona na inona tokony hatao amin’ ny Sabata, dia efa nafindranay ho tamin’ ny Andron’ ny Tompo». -Robert Cox,Sabbat Laws and Sabbat Dutres, p. 538. Nefa ny fonjan-kevitra momba ny Alahady, na dia tsy marimpototra aza, dia nahatonga ny olona ho sahy hanitsakitsaka ny Sabatan’ i Jehovah. Izay rehetra naniry ny homem-boninahitra teo amin’ izao tontolo izao dia nanaiky ny androm-piravoravoana mamimbahoaka. Rehefa mafy ny fanorenana ny fahefana papaly, dia nitohy ny asa fanandratana ny Alahady. Nandritra ny fotoana izay tsy nankanesan’ ny mpamboly tany am-piangonana ny alahady, dia mbola noheverina ho Sabata ihany ny andro fahafito. Nefa dia nandroso hatrany ny fanovana. Norarana tsy hamoaka didimpitsarana mikasika ny fiainam-bahoaka tamin’ ny Alahady ireo mpitsara. Tsy ela akory taty aoriana ny olona rehetra, na toy inona na toy inona laharana nisy azy dia nodidina hampijanona ny asa fanaony andavanandro rehefa tonga ny Alahady, raha tsy izany dia nandoa sazy raha olona afaka, ary nokapohina kosa raha mpanompo. Tatý aoriana dia navoaka ny didy famerezana ny antsasaky ny fananany ho famaizana ny mpanankarena; ary raha mbola mikiribiby izy dia handevozina. Ny sarangan’ olona ambanimbany kokoa dia natao sesitany mandra-pahafatiny. Natsangana ho mpanohana koa ny fahagagana. Anisan’ ny zavamahatalanjona dia ny tantaran’ ity mpamboly sy mpiompy izay andeha hiasa ny taniny tamin’ ny alahady ka nanadio ny angadin’ ombiny tamin’ ny fiasana iray; niraikitra tamin’ ny tanany io fiasana io ary nandritra ny roa taona dia nolanjainy teny ihany, «sady nampijaly azy lozan-tany izany no henatra lehibe ho azy koa»‘ Francis West,Historical and Pratical Discourse on the Lords Day, p.174. Taty aoriana dia nanome baiko ny pretra isaky ny paroasy ny papa mba hananatra ny mpandika ny Alahady ary hampirisika azy ho any am-piangonana sy hanao ny fivavahany, andrao dia mahatonga loza amin’atambo amin’ ny tenany sy amin’ny mpifanolobodirindrina aminy. Nisy fivorian’ ny mpitondra fivavahana nandroso fonjankevitra. izay nampiasaina im-betsaka hatramin’ izay, na dia teo amin’ ny Protestanta aza, nilaza fa satria nisy olona nilatsahan’ ny varatra raha niasa tamin’ ny Alahady, dia tsy maintsy ho Sabata izany io audio io. «Mazava». hoy ireo mpitondra fivavahana ambony, «ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra ny fanaovany an-tsirambina io andro io». Nisy antso nalefa tamin’ izay tamin’ ny pretra sy ny mpitandrina, ny mpanjaka sy ny andriandahy, ary ny mpino rehetra mba «hanaovany ny ezaka sy ny fikarakarana rehetra hamerenana io audio io amin’ ny toeram-boninahiny sy hitandremana izany amin-kafanampo bebe kokoa amin’ ny andro ho avy, mba ho lazan’ ny fivavahana Kristiana». Thomas Morer.Discourse un Six Dialogue on the Name, Notion, and Observation of Lords Day, p. 271 446

Rehefa hita fa tsy ampy ny didy navoakan’ ny Konsily dia ny fahefam-panjakana no niangaviana hamoaka didy izay hampivadi-po ny vahoaka ka hanery azy hijanona tsy hiasa amin’ ny Alahady. Tamin’ ny Synoda nivory tany Roma, dia nohamafisina indray hanankery bebe kokoa ireo fanapahan-kevitra teo aloha rehetra. Natsofoka ho anisan’ ny lalàm-piangonana izy ireny ary nankatoavin’ ny fahefam-panjakana saiky nanerana ny tany Kristiana rehetra. (Jereo Heyryn, History of the Sabbat, fizarana 2, toko 5, andininy faha-7) Ny tsy fisian’ ny fahefana avy amin’ny Soratra Masina nanohana ny fitandremana ny Alahady anefa dia mbola nanelingelina fatratra. Nanontanian’ ny olona ny zon’ ireo mpampianatra azy nitsipaka ny fanambarana mazava nataon’ i Jehovah hoe: «Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito» mba hanajana ny andron’ ny masoandro. Nilaina ny zavatra hafa mba hamenoana ny fahabangan’ ny porofo avy amin’ ny Baiboly. Nisy mpiaro ny Alahady nafana fo, izay nitsidika ny fiangonana tany Angletera tokony ho tamin’ ny faramparan’ ny taonjato faharoa ambin’ ny folo, izay notoherin’ ireo vavolombelona nahatokin’ ny fahamarinana. Tena tsy nisy vokatra mihitsy ny fiezahany. ka niala vetivety tamin’ io tany io izy aloha ary nikaroka fomba hoenti-manamafy ny fampianarany. Rehefa niverina izy. dia feno ny banga, ary nahita fahombiazana be kokoa izy tamin’ ny asa nataony taty aoriana. Nitondra horonan-taratasy izy izay nolazainy fa avy tany amin’ Andriamanitra mihitsy, nisy ny didy nilaina momba ny fitandremana ny Alahady, niaraka tamin’ ny fampitahorana mahatsiravina hampivarahontsana ny tsy mankatò. Io taratasy sarobidy io — izay hosoka ambany dia ambany tahaka ny zavatra naorina notohanany — dia nolazaina fa latsaka avy tany an-danitra ka hita tany Jerosalema, teo amin’ ny alitaran’ i Md Simeona, tany Gologota. Nefa ny marina, dia tao amin’ ny lapan’ ny papa tany Roma no toerana niaviany. Ny hosoka sy ny lainga notefitefena ho entina hampandrosoana ny fahefan’ ny fiangonana sy ny fahombiazany dia noraisin’ ireo ambaratongampahefana papaly hatramin’ ny ela ho ara-dalàna. Ilay horonan-taratasy dia nandrara ny hiasana nanomboka tamin’ ny ora fahasivy (izany hoe hatramin’ ny telo), tamin’ ny Asabotsy folak’ andro, ka hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandron’ ny Alatsinainy, ary voalaza fa nohamarinin’ ny fahagagana maro ny fahefan’ io horonan-taratasy io. Notantaraina fa nisy olona niasa ankoatry ny ora voatondro ka nanjary nalemy. Nisy mpitoto vary saika hitoto koba kanjo ra no hitany niboiboika ary nitokona tsy nihodina ilay milina fitotoam-bary, na dia nisasasasa mafy aza ny fiavin’ ny rano nampandeha azy. Nisy koa vehivavy nametraka koba atao mofo tao amin’ ny lafaoro ary tsy masaka izany rehefa navoakany, na dia nafana be aza ny lafaoro. Nisy anankiray izay efa nanomana koba hanaovana mofo tamin’ ny ora fahasivy, nefa tapa-kevitra ny hamela izany hatramin’ ny Alatsinainy, dia nahita ny ampitson’ iny, fa masaka nandrahoin’ ny herin’ Andriamanitra ny mofo. Nisy olona nahandro mofo taorian’ ny ora fahasivy tamin’ ny Asabotsy. rehefa namaky izany mofo izany izy ny ampitso maraina, dia nisy ra nivoaka avy tao. Zavatra noforomporonina tsy nisy dikany sy finoanoain-poana toy izany no nataon’ ireo mpiaro ny Alahady mba hiezahany hampitoerana ny fahamasinany. (Jereo Roger Hoveden, Annals, boky faha-2, p. 528-530) 447

Satria hita fa tsy ampy ho solon’ ny fahefan’ Andriamanitra ny didy avoakan’ ny

mpanjaka, dia naroson’ i Eusèbe, izay eveka nitady sitraka tamin’ ireo andriandahy ary

sakaiza manokan’ i Constantin sady mpanasohaso azy, ny filazana fa i Kristy no efa

namindra ny Sabata ho Alahady. Tsy nisy fanambarana avy tao amin’ ny Soratra Masina na

dia iray aza naseho ho fanamarinana ilay fampianarana vaovao. Na i Eusèbe aza dia nanaiky

tsy nahy ny fahadisoan’ izany ary nanondro ireo tena nanao ny fanovana. «Ny zavatra

rehetra», hoy izy, «na inona na inona tokony hatao amin’ ny Sabata, dia efa nafindranay ho

tamin’ ny Andron’ ny Tompo». -Robert Cox,Sabbat Laws and Sabbat Dutres, p. 538. Nefa

ny fonjan-kevitra momba ny Alahady, na dia tsy marimpototra aza, dia nahatonga ny olona

ho sahy hanitsakitsaka ny Sabatan’ i Jehovah. Izay rehetra naniry ny homem-boninahitra teo

amin’ izao tontolo izao dia nanaiky ny androm-piravoravoana mamimbahoaka.

Rehefa mafy ny fanorenana ny fahefana papaly, dia nitohy ny asa fanandratana ny

Alahady. Nandritra ny fotoana izay tsy nankanesan’ ny mpamboly tany am-piangonana ny

alahady, dia mbola noheverina ho Sabata ihany ny andro fahafito. Nefa dia nandroso

hatrany ny fanovana. Norarana tsy hamoaka didimpitsarana mikasika ny fiainam-bahoaka

tamin’ ny Alahady ireo mpitsara. Tsy ela akory taty aoriana ny olona rehetra, na toy inona

na toy inona laharana nisy azy dia nodidina hampijanona ny asa fanaony andavanandro

rehefa tonga ny Alahady, raha tsy izany dia nandoa sazy raha olona afaka, ary nokapohina

kosa raha mpanompo. Tatý aoriana dia navoaka ny didy famerezana ny antsasaky ny

fananany ho famaizana ny mpanankarena; ary raha mbola mikiribiby izy dia handevozina.

Ny sarangan’ olona ambanimbany kokoa dia natao sesitany mandra-pahafatiny.

Natsangana ho mpanohana koa ny fahagagana. Anisan’ ny zavamahatalanjona dia ny

tantaran’ ity mpamboly sy mpiompy izay andeha hiasa ny taniny tamin’ ny alahady ka

nanadio ny angadin’ ombiny tamin’ ny fiasana iray; niraikitra tamin’ ny tanany io fiasana io

ary nandritra ny roa taona dia nolanjainy teny ihany, «sady nampijaly azy lozan-tany izany

no henatra lehibe ho azy koa»‘ Francis West,Historical and Pratical Discourse on the Lords

Day, p.174.

Taty aoriana dia nanome baiko ny pretra isaky ny paroasy ny papa mba hananatra ny

mpandika ny Alahady ary hampirisika azy ho any am-piangonana sy hanao ny fivavahany,

andrao dia mahatonga loza amin’atambo amin’ ny tenany sy amin’ny mpifanolobodirindrina

aminy. Nisy fivorian’ ny mpitondra fivavahana nandroso fonjankevitra. izay nampiasaina

im-betsaka hatramin’ izay, na dia teo amin’ ny Protestanta aza, nilaza fa satria nisy olona

nilatsahan’ ny varatra raha niasa tamin’ ny Alahady, dia tsy maintsy ho Sabata izany io

audio io. «Mazava». hoy ireo mpitondra fivavahana ambony, «ny tsy fankasitrahan’

Andriamanitra ny fanaovany an-tsirambina io andro io». Nisy antso nalefa tamin’ izay

tamin’ ny pretra sy ny mpitandrina, ny mpanjaka sy ny andriandahy, ary ny mpino rehetra

mba «hanaovany ny ezaka sy ny fikarakarana rehetra hamerenana io audio io amin’ ny

toeram-boninahiny sy hitandremana izany amin-kafanampo bebe kokoa amin’ ny andro ho

avy, mba ho lazan’ ny fivavahana Kristiana». Thomas Morer.Discourse un Six Dialogue on

the Name, Notion, and Observation of Lords Day, p. 271

446

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!