Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Rehefa nila sitraka tamin’ izao tontolo izao ireo fiangonana Protestanta. dia nanajamba ny masony ny fitiavana sandoka. Nahoana. hoy izy. no tsy mety hisy soa avy amin’ ny ratsy aza? Ny tsy maintsy ho vokatr’ izany amin’ ny farany dia hoheveriny ho ratsy izay rehetra soa. Tsy mijoro hiaro «ny finoana efa natolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masina» izy, fa ankehitriny. dia toa miala tsiny amin’ i Foma noho ny fiheverana tsy nisy fitiavana niheverany azy. ka mil’ona aminy noho ny fahateren-tsaina nentiny nitsara azy. Misy olona marobe, na dia amin’ ireo izay tsy mpakasitraka ny fivavahan’ i Roma aza, no tsy mahatsapa firy ny loza ateraky ny fahefany sy ny hery miasa mangina avy aminy. Betsaka no mitompo fa ny haizina ara-tsaina sy ara-panahy nanjaka nandritra ny Andro Antenantenany no nahatonga ny fielezan’ ny foto-pampianarany sy ny finoanoam-poany ary ny tsindrihazolena nataony fa ny fahazavantsaina bebe kokoa ananan’ ny olona amin’ izao andro «moderna» izao, ny fiparitahan’ ny fahalalana hatraiza hatraiza. sy ny fahalalahana ara-pivavahana mitombo hatrany, dia misakana ny fifohazan’ ny toe-tsaina tsy mahay mandefitra sy ny fitondrana tsy refcsimandidy. Ny fiheverana fa mety hisy ny toe-javatra toy izany amin’ izao andro mazava izao dia mahatsikaiky. Marina fa misy fahazavana lehibe ara-tsaina, ara-pitondrantena sy ara-pivavahana mamirapiratra amin’ ity taranaka ity. Noho ireo takilan’ ny Teny masin’ Andriamanitra voavelatra dia nisy fahazavana avy any andanitra nitosaka teto amin’ izao tontolo izao. Tokony ho tsaroana anefa fa arakaraka ny habetsahan’ ny fahazavana nomena, no mainka maha-be ny fahamaizinan’ ireo izay mandoto sy mitsipaka izany. Ny fandinihana ny Baiboly amim-pivavahana dia haneho amin’ ny Protestanta ny tena toetry ny fahefana papaly ka hahatonga azy hankahala sy hanalavitra azy; nefa maro no mihevitra loatra ny tenany ho hendry hany ka tsy tsapany ny ilàny ny hitady an’ Andriamanitra amim-panetren-tena mba hitarihany azy ho amin’ ny fahamarinana. Na dia ireharehany aza ny fahazavan-tsaina ananany. dia samy tsy fantany na ny Soratra Masina na ny herin’ Andriamanitra. Tsy maintsy mahita fomba sasantsasany hampitonena ny feon’ ny fieritreretany izy, ary izay tsy ara-panahy firy sy tsy mampietry azy loatra no katsahany. izay iriny dia fomba hanadinoana an’ Andriamanitra kanefa azo heverina fa hahatsiarovana Azy koa. Mifanojo indrindra amin’ izay tadiavin’ ny olona rehetra tahaka ireny ny fahefana papaly. Manatanteraka ny fanirian’ ny antokon’ olona roa, izay saika mahafaoka an’ izao tontolo izao manontolo izy ireo izay te-ho voavonjy amin’ ny fahamendrehan’ ny tenany — ary ireo izay te-ho voavonjy na dia mitoetra ao amin’ ny fahotany aza. Ao no misy ny tsiambaratelon’ ny heriny. Voasehon’ ny tantara fa mahatonga ny fahombiazan’ ny fahefana papaly tokoa ny fotoana anjakan’ ny tsy fahalalana, ny haizina ara-tsaina. Haseho mazava amin’ ny ho avy kosa anefa fa ny fotoana hanjakan’ ny fahazavana ara-tsaina lehibe dia hahatonga fahombiazana toy izany ihany koa. Tamin’ ny andro fahiny, fony ny olona tsy nanana ny tenin’ Andriamanitra ary tsy nanana ny fahalalana ny fahamarinana, dia notampenany ny masony, ka an’ arivony no voafandrika, tsy nahita ny harato novelarina teo an-tongony. Amin’ ity taranaka ity, dia maro ireo jembin’ ny fanjelanjelatry ny hevitra volavolain’ ny 444

olombelona ny masony, «izay atao hoe fahalalana kanjo tsy izy» hany ka tsy hitany ny harato ary latsaka ao mora foana toy ny jamba izy. Tian’ Andriamanitra raha raisin’ ny olombelona toy ny fanomezana avy amin’ Ilay Mpanao azy ny fahalalana ara-tsaina ka tokony hampiasaina hoenti-manompo ny marina sy ny fahamarinana; nefa kosa rehefa ny fireharehana sy ny hambom-po no ankamamiana, ka asandratry ny olona ho ambonin’ ny tenin’ Andriamanitra ny laha-kevitra aroson’ ny tenany, amin’ izay dia mety hahavita ratsy bebe kokoa noho ny tsy fahalalana ny fahakingan-tsaina. Toy izany ny «siansa» sandoka amin’ izao andro izao, izay mikiky ny finoana ny Baiboly, dia ho hita fa mahomby eo amin’ ny fanomanana ny lalàna ho amin’ ny fanekena ny fahefana papaly, amin’ izato endriny mahafinaritra, tahaka ny fanidiana ny fahalalana izay anomana ny lalàna hahabe voho izany fahefana izany tamin’ ny andro antenantenany nanjakan’ ny haizina. Ireo fihetsiketsehana mitombo any Etazonia ankehitriny mitady izay hanohanan’ ny fanjakana ireo asa najoron’ ny fiangonana sy ny fomba arahiny, dia mampiseho fa manaradia an’ ireo mpiandany amin’ ny fahefana papaly ny Protestanta. Eny, mihoatra noho izany aza, mamoha ny varavarana hidiran’ ny fahefana papaly mba ahazoany indray any Amerika Protestanta ny fahefana fara-tampony izay veriny tany Eoropa izy. Ary izay mampisy dikany bebe kokoa io fihetsika io dia ny fanamafisana ny fitandremana ny Alahady no tena zava-dehibe banjinina — fanao izay tao Roma no niandohany ary arangarangany ho famantarana ny fahefany. Ny toe-tsain’ ny fahefana papaly — dia ny toe-tsaina mirona hanaraka ny fomba amam-panaon’ izao tontolo izao, ny fanajana ny lovan-tsofin’ olombelona ambonin’ ny didin’ Andriamanitra — izany no mahazo vahana ao amin’ ny fiangonana Protestanta ka mitarika azy ireo hanao ny asa fanandratana ny Alahady izay efa nataon’ ny fahefana papaly talohany. Raha tian’ ny mpamaky ho fantatra ny amin’ ireo fitaovana hampiasaina amin.’ ny fifandonana efa manakaiky, dia aoka homarihiny fotsiny izay nampiasain’ i Roma ho amin’ izany ihany tamin’ ny andro lasa. Raha tiany ho fantatra izay ho fihetsik’ ireo mpiandany amin’ ny papa sy ny Protestanta tafaray ka hataony amin’ izay mitsipaka ny fotopampianarany, dia aoka izy hijery ny fomba fihetsik’ i Roma tamin’ ny mpitandrina ny Sabata sy ireo mpiaro azy. Ny didy navoakan’ ny mpanjaka, ny konsily lehibe fiheverandraharaha ary ny lalàna nataon’ ny fiangonana notohanan’ ny fahefam-panjakana, no dingana niakaran’ ny andrompiravoravoana jentilisa ho amin’ ny toeram-boninahitra eo amin’ ny fivavahana kristiana. Ny lalàna voalohany navoaka hanamafisana ny fitandremana ny Alahady dia ny lalàna nataon’ i Constantin (A. D. 321; jereo fanampiny). Io didy io dia nampitsahatra ny mponina an-tanàndehibe amin’ ny «andro be voninahitry ny masoandro», fa namela kosa ny tantsaha hanohy ny asa famboleny sy fiompiany. Na dia mazava aza ny maha-jentilisa an’ io fitsipika io, dia nohamafisin’ ny amperora izany rehefa nanaiky am-bavany fotsiny ny fivavahana kristiana izy. 445

Rehefa nila sitraka tamin’ izao tontolo izao ireo fiangonana Protestanta. dia nanajamba

ny masony ny fitiavana sandoka. Nahoana. hoy izy. no tsy mety hisy soa avy amin’ ny ratsy

aza? Ny tsy maintsy ho vokatr’ izany amin’ ny farany dia hoheveriny ho ratsy izay rehetra

soa. Tsy mijoro hiaro «ny finoana efa natolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona

masina» izy, fa ankehitriny. dia toa miala tsiny amin’ i Foma noho ny fiheverana tsy nisy

fitiavana niheverany azy. ka mil’ona aminy noho ny fahateren-tsaina nentiny nitsara azy.

Misy olona marobe, na dia amin’ ireo izay tsy mpakasitraka ny fivavahan’ i Roma aza,

no tsy mahatsapa firy ny loza ateraky ny fahefany sy ny hery miasa mangina avy aminy.

Betsaka no mitompo fa ny haizina ara-tsaina sy ara-panahy nanjaka nandritra ny Andro

Antenantenany no nahatonga ny fielezan’ ny foto-pampianarany sy ny finoanoam-poany ary

ny tsindrihazolena nataony fa ny fahazavantsaina bebe kokoa ananan’ ny olona amin’ izao

andro «moderna» izao, ny fiparitahan’ ny fahalalana hatraiza hatraiza. sy ny fahalalahana

ara-pivavahana mitombo hatrany, dia misakana ny fifohazan’ ny toe-tsaina tsy mahay

mandefitra sy ny fitondrana tsy refcsimandidy. Ny fiheverana fa mety hisy ny toe-javatra

toy izany amin’ izao andro mazava izao dia mahatsikaiky. Marina fa misy fahazavana lehibe

ara-tsaina, ara-pitondrantena sy ara-pivavahana mamirapiratra amin’ ity taranaka ity. Noho

ireo takilan’ ny Teny masin’ Andriamanitra voavelatra dia nisy fahazavana avy any andanitra

nitosaka teto amin’ izao tontolo izao. Tokony ho tsaroana anefa fa arakaraka ny

habetsahan’ ny fahazavana nomena, no mainka maha-be ny fahamaizinan’ ireo izay

mandoto sy mitsipaka izany.

Ny fandinihana ny Baiboly amim-pivavahana dia haneho amin’ ny Protestanta ny tena

toetry ny fahefana papaly ka hahatonga azy hankahala sy hanalavitra azy; nefa maro no

mihevitra loatra ny tenany ho hendry hany ka tsy tsapany ny ilàny ny hitady an’

Andriamanitra amim-panetren-tena mba hitarihany azy ho amin’ ny fahamarinana. Na dia

ireharehany aza ny fahazavan-tsaina ananany. dia samy tsy fantany na ny Soratra Masina na

ny herin’ Andriamanitra. Tsy maintsy mahita fomba sasantsasany hampitonena ny feon’ ny

fieritreretany izy, ary izay tsy ara-panahy firy sy tsy mampietry azy loatra no katsahany.

izay iriny dia fomba hanadinoana an’ Andriamanitra kanefa azo heverina fa hahatsiarovana

Azy koa. Mifanojo indrindra amin’ izay tadiavin’ ny olona rehetra tahaka ireny ny fahefana

papaly. Manatanteraka ny fanirian’ ny antokon’ olona roa, izay saika mahafaoka an’ izao

tontolo izao manontolo izy ireo izay te-ho voavonjy amin’ ny fahamendrehan’ ny tenany —

ary ireo izay te-ho voavonjy na dia mitoetra ao amin’ ny fahotany aza. Ao no misy ny

tsiambaratelon’ ny heriny.

Voasehon’ ny tantara fa mahatonga ny fahombiazan’ ny fahefana papaly tokoa ny

fotoana anjakan’ ny tsy fahalalana, ny haizina ara-tsaina. Haseho mazava amin’ ny ho avy

kosa anefa fa ny fotoana hanjakan’ ny fahazavana ara-tsaina lehibe dia hahatonga

fahombiazana toy izany ihany koa. Tamin’ ny andro fahiny, fony ny olona tsy nanana ny

tenin’ Andriamanitra ary tsy nanana ny fahalalana ny fahamarinana, dia notampenany ny

masony, ka an’ arivony no voafandrika, tsy nahita ny harato novelarina teo an-tongony.

Amin’ ity taranaka ity, dia maro ireo jembin’ ny fanjelanjelatry ny hevitra volavolain’ ny

444

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!