Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Arakaraka ny fifandimbiasan’ ny taonjato no nampiharihary hatrany ny fitomboan’ ny hevi-diso amin’ ireo foto-pinoana navoakan’ i Roma. Na dia talohan’ ny. niorenan’ ny fahefana papaly aza, dia efa nanintona ny saina ary niditra tsikelikely tao amin’ ny fiangonana ireo fampianaran’ ny mpanao hevi-tsaina jentilisa. Betsaka ireo izay nilaza fa niova fo no mbola nifikitra tamin’ ireo foto-kevitry ny hevi-tsaina mpanompo sampy ihany, ary tsy nanohy ny fianarana an’ izany fotsiny, fa namporisika ny hafa koa hanao izany mba ho fiasana fanaparitahana ny heriny miasa amin’ ny jentilisa. Tafiditra tao amin’ ny finoana kristiana tamin’ izany fomba izany ny hevidiso lehibe. Ny misongadina indrindra amin’ ireny dia ny filazana fa manana toetra tsy mety maty ny fanahy, ary mahatsiaro saina izy ao amin’ ny fahafatesana. Io fampianarana io no nanorenan’ i Roma ny fivavahana amin’ ny olo-masina sy ny fiankohofana amin’ i Maria Virjina. Ary amin’ izany koa no nipoiran’ ny «herezia» momba ny fampijaliana mandrakizay ny mpanota izay tsy mety mibebaka, fampianarana izay tafiditra hatramin’ ny voalohany tao amin’ ny finoana papaly. Tamin’ izay dia voavoatra koa ny lalana hidiran’ ny zavatra iray noforonin’ ny mpanompo sampy, izay nataon’ i Roma hoe «afo fandiovana», ary nampiasainy hampivarahontsana ny vahoaka mora ambakaina sady mpinompino foana. Noantitranteriny tamin’ ny alalan’ io «herezia» io ny fisian’ ny toerana fampijaliana, izay iaretan’ ny fanahy izay tsy mendrika ny fanamelohana mandrakizay noho ny fahotany, ary rehefa afaka amin’ ny fahalotoany izy ireo, dia azo ampidirina any an-danitra (jereo Fanampiny). Tamin’ ny taonjato fahatelo ambin’ ny folo dia najoro ilay fitaovana mahatsiravina indrindra nataon’ ny fahefana papaly dia ny «Inquisition». Ny andrianan’ ny maizina mihitsy no niara-niasa tamin’ ireo mpitarika ny ambaratongam-pahefan’ ny papa. Nandritra ireo fivoriana fandinihan-draharaha mangina nataony, dia i Satana sy ny anjeliny no nifehy ny sain’ ireo olona ratsy fanahy, ary teo anivon’ izy ireo koa anefa ny anjelin’ Andriamanitra tsy hita maso, dia manara maso ny didy tsy an-drariny nataon’ izy ireo synitana an-tsoratra ny fihetsika mampihoron-koditra loatra tsy azo aseho mason’ olombelona. «Leon’ ny ran’ ny olo-masina», «Babylona lehibe». Ireo maritiora an-tapitrisany voaviravira dia nitaraina tamin’ Andriamanitra mba hamaliany io herin’ ny fihemorana io. Nanjary mpanapaka tsy refesi-mandidy teo amin’ izao tontolo izao ny fahefana papaly. Niondrika teo anatrehan’ ny didy navoakan’ ny papa tao Roma ny mpanjaka sy ny amperora. Toa teo ambanin’ ny fifehezany ny ho avin’ ny olombelona na ny ankehitriny na ny ho mandrakizay. Nandritra ny taonjato maro dia noraisina malalaka hatraiza hatraiza ny fampianaran’ i Roma, notanterahina tamimpanajana ny fombam-pivavahany, ary notandremana mandrakariva ireo androm-piravoravoana noforoniny. Nomem-boninahitra sy notohanana tamim-pahalalahan-tanana ny mpitondra fiangonana tao aminy. Na oviana na oviana hatramin’ izay dia tsy mbola tafakatra tamin’ ny haja sy ny voninahitra, na ny fahefana ambony toy izao ny Fiangonana Romana. Fa «ny mitataovovonana teo amin’ ny fahefana papaly nomamatonalina teo amin’ izao tontolo izao» 17. Saiky tsy nisy nahalala ny Soratra Masina, tsy ny vahoaka ihany fa na dia 36

ny pretra koa aza tsy nahalala izany. Tahaka ireo Fariseo fahiny dia nankahalain’ ireo mpitari-pivavahan’ ny papa ny fahazavana izay hampihanjahanja ny fahotany. Rehefa nofoanana ny lalàn’ Andriamanitra izay fanevan’ ny fahamarinana, ary azo antoka ny fahefany tsy manam-petra, dia nilomano fatratra tao amin’ ny fanaovan-dratsy izy, Nanjaka ny fisolokiana, ny fahihirana, sy ny faharatsiam-pitondrantena. Tsy nihemotra teo anatrehan’ ny heioka hevava ny olona mba hahazoana ny harena na toeram-boninahitra. Ny lapan’ ireo papa sy ireo filoha ambony dia nitoeran’ ny fahavetavelana mahavoafady indrindra. Nisy tamin’ ireo papa nanjaka no nanao heioka bevava nampisendaotra loatra ka sailin’ ny manam-pahefana ara-nofo ny nanongana ireo manam-boninahitra teo amin’ ny fiangonana fa toy ny biby tsy mifaditrovana ka tsy azo noleferina intsony. Tsy nisy tandrosoana tao Eoropa nandritra ny taonjato maro na teo amin’ ny fahalalana, na teo amin’ ny zava-kanto na teo amin’ ny sivilizasiona. Nianjadian’ ny paralysisa ara-pitondran-tena sy ara-tsaina ny fivavahana kristiana. Ny toetran’ izao tontolo izao teo ambanin’ ny fahefan’ i Roma dia naneho fahatanterahana mampahatahotra sy manaitra ny tenin’ i Hosea mpaminany hoe : «Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ ny fahaialana. Satria ianao efa nandà ny fahaialana, dia mba ho iaviko kosa . . . ary efa nanadino ny lalàn’ Andriamanitra ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao». «Tsy misy fahamarinana. na fitiavana, na fahaialana an’ Andriamanitra eo amin’ ny tany. Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa. eny manao an-keriny izy fa mifanontona ny fandatsahan-dra»18. Toy izany ny vokatry ny fandroahana ny Tenin’ Andriamanitra. 37

Arakaraka ny fifandimbiasan’ ny taonjato no nampiharihary hatrany ny fitomboan’ ny

hevi-diso amin’ ireo foto-pinoana navoakan’ i Roma. Na dia talohan’ ny. niorenan’ ny

fahefana papaly aza, dia efa nanintona ny saina ary niditra tsikelikely tao amin’ ny

fiangonana ireo fampianaran’ ny mpanao hevi-tsaina jentilisa. Betsaka ireo izay nilaza fa

niova fo no mbola nifikitra tamin’ ireo foto-kevitry ny hevi-tsaina mpanompo sampy ihany,

ary tsy nanohy ny fianarana an’ izany fotsiny, fa namporisika ny hafa koa hanao izany mba

ho fiasana fanaparitahana ny heriny miasa amin’ ny jentilisa. Tafiditra tao amin’ ny finoana

kristiana tamin’ izany fomba izany ny hevidiso lehibe. Ny misongadina indrindra amin’

ireny dia ny filazana fa manana toetra tsy mety maty ny fanahy, ary mahatsiaro saina izy ao

amin’ ny fahafatesana. Io fampianarana io no nanorenan’ i Roma ny fivavahana amin’ ny

olo-masina sy ny fiankohofana amin’ i Maria Virjina. Ary amin’ izany koa no nipoiran’ ny

«herezia» momba ny fampijaliana mandrakizay ny mpanota izay tsy mety mibebaka,

fampianarana izay tafiditra hatramin’ ny voalohany tao amin’ ny finoana papaly.

Tamin’ izay dia voavoatra koa ny lalana hidiran’ ny zavatra iray noforonin’ ny

mpanompo sampy, izay nataon’ i Roma hoe «afo fandiovana», ary nampiasainy

hampivarahontsana ny vahoaka mora ambakaina sady mpinompino foana. Noantitranteriny

tamin’ ny alalan’ io «herezia» io ny fisian’ ny toerana fampijaliana, izay iaretan’ ny fanahy

izay tsy mendrika ny fanamelohana mandrakizay noho ny fahotany, ary rehefa afaka amin’

ny fahalotoany izy ireo, dia azo ampidirina any an-danitra (jereo Fanampiny).

Tamin’ ny taonjato fahatelo ambin’ ny folo dia najoro ilay fitaovana mahatsiravina

indrindra nataon’ ny fahefana papaly dia ny «Inquisition». Ny andrianan’ ny maizina

mihitsy no niara-niasa tamin’ ireo mpitarika ny ambaratongam-pahefan’ ny papa. Nandritra

ireo fivoriana fandinihan-draharaha mangina nataony, dia i Satana sy ny anjeliny no nifehy

ny sain’ ireo olona ratsy fanahy, ary teo anivon’ izy ireo koa anefa ny anjelin’

Andriamanitra tsy hita maso, dia manara maso ny didy tsy an-drariny nataon’ izy ireo synitana

an-tsoratra ny fihetsika mampihoron-koditra loatra tsy azo aseho mason’ olombelona.

«Leon’ ny ran’ ny olo-masina», «Babylona lehibe». Ireo maritiora an-tapitrisany voaviravira

dia nitaraina tamin’ Andriamanitra mba hamaliany io herin’ ny fihemorana io.

Nanjary mpanapaka tsy refesi-mandidy teo amin’ izao tontolo izao ny fahefana papaly.

Niondrika teo anatrehan’ ny didy navoakan’ ny papa tao Roma ny mpanjaka sy ny

amperora. Toa teo ambanin’ ny fifehezany ny ho avin’ ny olombelona na ny ankehitriny na

ny ho mandrakizay. Nandritra ny taonjato maro dia noraisina malalaka hatraiza hatraiza ny

fampianaran’ i Roma, notanterahina tamimpanajana ny fombam-pivavahany, ary

notandremana mandrakariva ireo androm-piravoravoana noforoniny. Nomem-boninahitra sy

notohanana tamim-pahalalahan-tanana ny mpitondra fiangonana tao aminy. Na oviana na

oviana hatramin’ izay dia tsy mbola tafakatra tamin’ ny haja sy ny voninahitra, na ny

fahefana ambony toy izao ny Fiangonana Romana.

Fa «ny mitataovovonana teo amin’ ny fahefana papaly nomamatonalina teo amin’ izao

tontolo izao» 17. Saiky tsy nisy nahalala ny Soratra Masina, tsy ny vahoaka ihany fa na dia

36

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!