Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

ho toy ny fahamarinana masina ara-Baiboly ny fampianaran-diso arosony. Tsy raharahaina ny lalàn’ Andriamanitra, tsiratsiraina ny Fanahin’ ny fahasoavana, atao ho zavatra tsy masina ny ran’ ny fanekena. Mandà ny maha Andriamanitra an’ i Kristy ireo fanahy ireo, ary mampietry mihitsy ny Mpamorona hitovy saranga aminy aza. Toy izany, amin’ ny famitahana vaovao, no anohizan’ ilay mpikomy raindahiny ny ady ataony amin’ Andriamanitra, izay natomboka tany an-danitra ary mbola tsy manam-piatoana ety an-tany efa ho enina arivo taona izao. Betsaka ny olona no miezaka manazava ireo fisehoan’ angatra ireo amin’ ny filazana fa avy amin’ ny hosoka sy ny fanova-maso rano fotsiny ataon’ ireo mpanelanelana izany. Marina fa matetika dia nolazaina ho tena fisehoana marina tokoa ny vokatry ny hakingantanana fotsiny. nefa nisy koa ny tena avy amin’ ny fiasan’ ny hery ambony noho ny an’ ny olombelona. Tsy vokatry ny hakingan’ olombelona na fahaizany tsy akory ireo dona tsy fanta-piaviana niandohan’ ny fiantsoana avelo ankehitriny, fa tena asa mivantana ataon’ ireo anjely ratsy, izay nampiditra tamin’ izany fomba izany ny anankiray amin’ ny fitaka mahomby indrindra hoenti-mamono ny fanahy. Maro no ho voatandriky ny finoana fa fitaka ataon’ ny olombelona fotsiny ny filalaovan’ angatra; rehefa manatrika fisehoan-javatra tsy maintsy ekena fa avy amin’ ny hery ambonin’ ny an’ ny olombelona izy, dia ho voafitaka, ary ho voatarika, hanaiky izany hery lehibe izany ho avy amin’ Andriamanitra. Tsy miraharaha ny fanambaran’ ny Soratra Masina mikasika ireo fahagagana ataon’ i Satana sy ny anjeliny ireny olona ireny. Ny fanampian’ i Satana no nahazoan’ ireo mpanao sikidin’ i Farao naka tahaka ny asan’ Andriamanitra. Lazain’ i Paoly marimarina fa alohan’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany dia hisy fisehoan’ ny herin’ i Satana toy izany. Ny fiavian’ ny Tompo dia tsy maintsy ialohavan’ ny «fiasan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra» 1. Ary izao no ambaran’ i Jaona raha milaza ny amin’ ilay fahefana manao fahagagana izay hiseho amin’ ny andro farany izy : «Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra eo imason’ ny olona aza. Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena azy hatao» 2. Tsy fitaka tsotra tsy akory no ambara mialoha eto. Ho voafitaky ny fahagagana izay azon’ ireo fiasan’ i Satana atao tokoa ny olona, fa tsy izay hihamboany ho vita tsy akory. Ilay mpanjakan’ ny fahamaizinana izay efa ela nampiasana ny herin’ ny sainy faran’ izay maranitra ho amin’ ny asa famitahana, dia mahay mampifanaraka ny fakam-panahiny amin’ ny sokajin’ olona rehetra sy ny toe-javatra samihafa misy azy. Ny olona nandia fianarana sy ambony fari-piainana dia anehoany ny filalaovan’ angatra amin’ ny endrika mihaja sy aratsaina kokoa, ary amin’ izany dia mahomby izy amin’ ny fitarihana ny maro eo amin’ ny fandrika velariny. Ny fahendrena izay atolotry ny fifampiraharahana amin’ ny maty dia ilay lazain’ ny apostoly Jakoba izay «tsy avy any ambony, fa araka ny eto an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny demonia» 3. Izany anefa dia afenin’ ilay mpamitaka lehibe rehefa mety amin’ izay kendreny ny fanafenana azy. Hay afaka niseho tamin’ i Kristy nitafy ny famirapiratan’ ireo serafiman’ ny lanitra tany an’ efitry ny fakampanahy. dia manatona ny 420

olona tahaka ny anjelin’ ny mazava amin’ ny fomba mahataona indrindra. Manintona ny saina handanjalanja izy amin’ ny fanehoany tari-kevitra mampisandratra; mamalifaly ny saina tia nofinofy amin’ ny toe-javatra mahasondriana; ary mampientanentana ny fihetseham-po izy amin’ ny fanehoana fitiavana sy fanaovan-tsoa. Manaitaitra ny saina hanidintsidina ambony izy, ka mitarika ny olona hirehareha fatratra ny amin’ ny fahendren’ ny tenany mba hitaona azy hanivaiva Ilay Maharitra mandrakizay ao am-pony. Io anjely mahery io izay afaka nitondra ny Mpanavotra an» izao tontolo izao ho eo an-tampon’ ny tendrombohitra avo dia avo ary nampandalo teo anatrehany ireo fanjakan’ ny tany rehetra sy ny voninahiny, dia haneho ny fakam-panahy amin’ ny olona amin’ ny fomba mamitaka ny sain’ izay rehetra tsy voaron’ ny herin’ Andriamanitra. Mamitaka ny olona ankehitriny i Satana tahaka ny namitahany an’ i Eva tany Edena amin’ ny fandokadokafana, amin’ ny fitsiriritana hahazo fahalalana voarara, amin’ ny fanairana ny hambom-pony hanandra-tena. Ny fankamamiana ireo ratsy ireo no nahatonga ny fahavalon’ i Satana, ary amin’ ny alalan’ izany no kendreny hahatanteraka ny fandevonana ny olona. «Ho tahaka an» Andriamanitra ianareo», hoy izy, ka «hahalala ny tsara sy ny ratsy » 4. Ny fiantsoana avelo dia mampianatra fa «zavaboary mandroso ny olombelona : fa anjarany hatramin’ ny nahaterahany ny handroso, eny mandritra ny mandrakizay, hanakatra an’ Andriamanitra». Ary izao koa : «Samy hitsara tena ny tsirairay fa tsy ny hafa». «Ho ara-drariny ny fitsarana, satria fitsarana ataon’ ny tena. . . Ao anatinao ny seza fiandrianana». Hoy ny mpampianatra izay miandany amin’ ny fiantsoana avelo, raha nifoha tao aminy ny «fahatsiarovan-tena ara-panahy» : «Ny mpiarabelona amiko rehetra dia samy andriamanitra tapany sy tsy lavo avokoa». Misy iray hafa manao hoe : «Na iza na iza marina sy tanteraka dia samy Kristy avokoa». Noho izany, eo amin’ ny toeran’ ny fahamarinana sy ny fahatanterahan’ May Andriamanitra tsy hita fetra, Izay hany tokony ivavahana; eo amin’ ny toeran’ ny fahamarinana tanteraky ny lalàny. izay tena fisedrana ny asan’ ny olombelona, no nametrahan’ i Satana ny maha-olombelona feno fahotana sy maniasia no hany tokony hivavahana, ho hany fitsipika hoenti-mitsara, na ho tarigetran’ ny toetra amam-panahy. Fandrosoana izany, nefa tsy mihasolanga fa mihajoko. Lalàna manan-kery amin’ ny ara-tsaina sy ny ara-panahy ny hoe miova araka izay banjinintsika isika. Mivoatra miandalana hifanaraku amin’ izay zavatra avelantsika hiantombenany ny saina. Manjary miray volo amin’ izay nozarina ho tiany sy hajainy izy. Ny olona dia tsy hisandratra na oviana na oviana ho ambony kokoa noho ny filamatra nofidiny ara-pahadiovana sy fahatsarana ary fahamarinana. Raha ny tenany no nataony ho tarigetra ambony indrindra hotratrarina, dia tsy hahatratra na oviana na oviana izay ambony noho izany mihitsy izy. Ny marina dia hitotongana ambany kokoa hatrany izy. Ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany no manan-kery hanandratra ny olona. Raha avela samirery izy, dia tsy maintsy hitsontsori-midina ny lalany. 421

ho toy ny fahamarinana masina ara-Baiboly ny fampianaran-diso arosony. Tsy raharahaina

ny lalàn’ Andriamanitra, tsiratsiraina ny Fanahin’ ny fahasoavana, atao ho zavatra tsy

masina ny ran’ ny fanekena. Mandà ny maha Andriamanitra an’ i Kristy ireo fanahy ireo,

ary mampietry mihitsy ny Mpamorona hitovy saranga aminy aza. Toy izany, amin’ ny

famitahana vaovao, no anohizan’ ilay mpikomy raindahiny ny ady ataony amin’

Andriamanitra, izay natomboka tany an-danitra ary mbola tsy manam-piatoana ety an-tany

efa ho enina arivo taona izao.

Betsaka ny olona no miezaka manazava ireo fisehoan’ angatra ireo amin’ ny filazana fa

avy amin’ ny hosoka sy ny fanova-maso rano fotsiny ataon’ ireo mpanelanelana izany.

Marina fa matetika dia nolazaina ho tena fisehoana marina tokoa ny vokatry ny hakingantanana

fotsiny. nefa nisy koa ny tena avy amin’ ny fiasan’ ny hery ambony noho ny an’ ny

olombelona. Tsy vokatry ny hakingan’ olombelona na fahaizany tsy akory ireo dona tsy

fanta-piaviana niandohan’ ny fiantsoana avelo ankehitriny, fa tena asa mivantana ataon’ ireo

anjely ratsy, izay nampiditra tamin’ izany fomba izany ny anankiray amin’ ny fitaka

mahomby indrindra hoenti-mamono ny fanahy. Maro no ho voatandriky ny finoana fa fitaka

ataon’ ny olombelona fotsiny ny filalaovan’ angatra; rehefa manatrika fisehoan-javatra tsy

maintsy ekena fa avy amin’ ny hery ambonin’ ny an’ ny olombelona izy, dia ho voafitaka,

ary ho voatarika, hanaiky izany hery lehibe izany ho avy amin’ Andriamanitra.

Tsy miraharaha ny fanambaran’ ny Soratra Masina mikasika ireo fahagagana ataon’ i

Satana sy ny anjeliny ireny olona ireny. Ny fanampian’ i Satana no nahazoan’ ireo mpanao

sikidin’ i Farao naka tahaka ny asan’ Andriamanitra. Lazain’ i Paoly marimarina fa alohan’

ny fiavian’ i Kristy fanindroany dia hisy fisehoan’ ny herin’ i Satana toy izany. Ny fiavian’

ny Tompo dia tsy maintsy ialohavan’ ny «fiasan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana

sy ny fahagagana mandainga rehetra» 1. Ary izao no ambaran’ i Jaona raha milaza ny amin’

ilay fahefana manao fahagagana izay hiseho amin’ ny andro farany izy : «Ary manao

famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra eo imason’ ny olona aza.

Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena azy

hatao» 2. Tsy fitaka tsotra tsy akory no ambara mialoha eto. Ho voafitaky ny fahagagana

izay azon’ ireo fiasan’ i Satana atao tokoa ny olona, fa tsy izay hihamboany ho vita tsy

akory.

Ilay mpanjakan’ ny fahamaizinana izay efa ela nampiasana ny herin’ ny sainy faran’ izay

maranitra ho amin’ ny asa famitahana, dia mahay mampifanaraka ny fakam-panahiny amin’

ny sokajin’ olona rehetra sy ny toe-javatra samihafa misy azy. Ny olona nandia fianarana sy

ambony fari-piainana dia anehoany ny filalaovan’ angatra amin’ ny endrika mihaja sy aratsaina

kokoa, ary amin’ izany dia mahomby izy amin’ ny fitarihana ny maro eo amin’ ny

fandrika velariny. Ny fahendrena izay atolotry ny fifampiraharahana amin’ ny maty dia ilay

lazain’ ny apostoly Jakoba izay «tsy avy any ambony, fa araka ny eto an-tany ihany, araka

ny nofo, araka ny demonia» 3. Izany anefa dia afenin’ ilay mpamitaka lehibe rehefa mety

amin’ izay kendreny ny fanafenana azy. Hay afaka niseho tamin’ i Kristy nitafy ny

famirapiratan’ ireo serafiman’ ny lanitra tany an’ efitry ny fakampanahy. dia manatona ny

420

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!