Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Hoy i Mosesy tamin’ Isiraely : «Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza»26. Ny fahafatesana voalaza ao amin’ ireo andininy ireo dia tsy ilay nolazaina an’ i Adama tsy akory, satria ny taranak’ olombelona rehetra dia samy mizaka ny sazin’ ny fandikany ny lalàna avokoa. Ny «fahafatesana faharoa» no setrin’ ny fiainana mandrakizay. Noho ny fahotana nataon’ i Adama, dia mihatra amin’ ny taranak’ olombelona rehetra ny fahafatesana. Samy midina ho any am-pasana avokoa izy rehetra. Ary noho izay efa voaomana mialoha eo amin’ ny drafitry ny fanavotana, dia samy havoaka avy ao ampasany avy izy rehetra. «Fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka». «Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy» 27 . Misy fahasamihafana anefa amin’ ireo antokon’ olona roa hatsangana ireo. «Avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any ampasana ny feony ; dia hivoaka izy ; izay nanao ny tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fanamelohana» 28 . Ireo izay natao ho mendrika ny fitsanganana ho amin’ ny fiainana dia «sambatra sy masina» ; «ireo izay tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana» 29. Fa ireo izay tsy mba nanao ny famelana ny helony ho azo antoka kosa, tamin’ ny alalan’ ny fibebahana sy ny finoana, dia tsy maintsy mandray ny sazin’ ny fandikan-dalàna — «fa fahafatesana no tambin’ ny ota» Mizaka famaizana tsy mitovy halavana sy hamafy izy ireo, «araka ny asany avy», nefa hifarana amin’ ny fahafatesana faharoa izany. Satria tsy azon’ Andriaamanitra atao ny mamonjy ny mpanota ao amin’ ny fahotany, izay zavatra mifanohitra amin’ ny fahamarinany sy ny famindrampony, dia esoriny aminy ny fiainana izay simban’ ny fandikan-dalàna nataony satria nasehony fa tsy mendrika izany izy. Hoy ny mpanoratra iray nahazo tsindrimandry avy tamin’ Andriamanitra : «Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ; handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy». Ary hoy koa ny hafa : «Ary ho toy ny tsy ary izy» 30. Safotry ny henatra izy ka hatelin’ ny fanadinoana tsy misy fanafana mandrakizay. Amin’ izany fomba izany no hamaranana ny fahotana sy ny fahoriana ary ny fahasimbana rehetra vokatr’ izany. Hoy ny mpanao Salamo : «Efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. Ry fahavalo, tanteraka ho mandrakizay ny fandravana» 31. Raha nibanjina ny ho toetry ny mandrakizay i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy, dia nandre antema fiderana ataon’ izao rehetra izao izy izay tsy nisy na dia feo iray aza naningana. Ny voaary rehetra, na ny any an-danitra na ny etý an-tany, dia samy re mankalaza ny voninahitr’ Andriamanitra. Apokalypsy 5:13. Amin izany dia hisy fanahy ho very hiteny ratsy an’ Andriamanitra raha miolanolana ao amin’ ny fampijaliana tsy misy farany izy ; tsy hisy olom-boaozona ao amin’ ny helo hampifangaro ny kiakiakany amin’ ny hiran’ ny voavonjy. Ny hevi-diso fototra momba ny tsy fahafatesan’ ny fanahy no iorenan’ ny fampianarana milaza fa manana fahatsiarovana ny maty — fampianarana izay, tahaka ny fampijaliana mandrakizay, mifanohitra amin’ ny ampianaran’ ny Soratra Masina, amin’ ny fanambaran’ 414

ny saina mandanjalanja, sy amin’ izay tsapantsika momba ny mahaolombelona. Araka ny finoan’ ny besinimaro, ireo voavotra any andanitra dia mahafantatra izay rehetra miseho eto an-tany, ary indrindra ny momba ny fiainan’ ireo sakaiza izay nilaozany. Nefa ahoana moa no hahasambatra ny maty raha mahafantatra ny zavatsarotra manjo ny velona izy, raha manatri-maso ny fahotana ataon’ ny olon-tiany, raha mahita azy ireo miaritra izao fahoriana rehetra izao, ny fahadisoam-panantenana, sy ny tebitebin-tsaina rehetra eo amin’ ny fiainana? Fahasambaran’ ny lanitra manao ahoana no ho voatsapan’ ireo izay mihalohalo eny ambonin’ ireo sakaizany eto ambonin’ ny tany ? Ary tena mampikomy tsotra izao ny finoana fa raha vantany vao miala ny fofon’ ain’ ny ratsy fanahy dia mankany amin’ ny lelafon’ ny helo ny fanahiny ! Toy inona ny faharariampanahy tokony hihatra amin’ ireo izay mahita ny sakaizany tsy vonona lasa any am-pasana, ka hiditra ao amin’ ny fahoriana sy ny fahotana mandrakizay ! Maro no lasa adala noho io eritreritra mampahory saina loatra io. Inona no lazain’ ny Soratra Masina ny amin’ ireny zavatra ireny? Ambaran’ i Davida fa tsy manana fahatsiarovana ny olona ao amin’ ny fahafatesana. «Miala ny fofon’ ainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy, ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany»32. Solomona dia nanao fanambarana toy izany koa: «Fa fantatry ny velona fa ho faty izy ; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona», «na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao atý ambanin’ ny masoandro izy», «tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsihita izay alehanao» 33. Rehefa nalavaina dimy ambinifolo taona ny fiainan’ i Hezekia, ho valin’ ny fivavahany, dia nanao teny fiderana an’ Andriamanitra ilay mpanjaka feno fankasitrahana noho ny famindrampo lehibe nasehony taminy. Lazainy ao amin’ ity tononkalo ity ny anton’ ny fifaliany : «Fa ny fiairian-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao ; fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. Ny velona dia ny velona ihany no hidera anao, tahaka izao anio izao»34 . Ny teolojia maro mpanaraka dia mampiseho ny olomarina maty efa any an-danitra, taflditra ao amin’ ny fahasambarana ary midera ho mandrakizay an’ Andriamanitra ; fa Hezekia kosa dia tsy nahita izany voninahitra izany ho azo antenaina eo amin’ ny fahafatesana. Mifanaraka amin’ ny teniny ny fanambarana nataon’ ny mpanao Salamo hoe : «Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita, iza no hidera Anao?» «Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah, na izay midina any amin’ ny mangingina»35. Tamin’ ny andro Pentekosta dia nilaza i Petera ny amin’ i Davida patriarka, «fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany». «Fa tsy Davida no niakatra tany andanitra»36. Ny fijanonan’ i Davida ao am-pasana mandra-pahatongan’ ny fitsanganana amin’ ny maty dia manaporofo fa tsy mankany an-danitra ny olo-marina rehefa maty. Tsy misy afa-tsy amin’ ny alalan’ ny fitsanganana amin’ ny maty ihany, ary noho ny nitsanganan’ i Kristy, no hahazoan’ i Davida hipetraka eo an-kavanan’ Andriamanitra amin’ ny farany. 415

ny saina mandanjalanja, sy amin’ izay tsapantsika momba ny mahaolombelona. Araka ny

finoan’ ny besinimaro, ireo voavotra any andanitra dia mahafantatra izay rehetra miseho eto

an-tany, ary indrindra ny momba ny fiainan’ ireo sakaiza izay nilaozany. Nefa ahoana moa

no hahasambatra ny maty raha mahafantatra ny zavatsarotra manjo ny velona izy, raha

manatri-maso ny fahotana ataon’ ny olon-tiany, raha mahita azy ireo miaritra izao fahoriana

rehetra izao, ny fahadisoam-panantenana, sy ny tebitebin-tsaina rehetra eo amin’ ny

fiainana? Fahasambaran’ ny lanitra manao ahoana no ho voatsapan’ ireo izay mihalohalo

eny ambonin’ ireo sakaizany eto ambonin’ ny tany ? Ary tena mampikomy tsotra izao ny

finoana fa raha vantany vao miala ny fofon’ ain’ ny ratsy fanahy dia mankany amin’ ny

lelafon’ ny helo ny fanahiny ! Toy inona ny faharariampanahy tokony hihatra amin’ ireo

izay mahita ny sakaizany tsy vonona lasa any am-pasana, ka hiditra ao amin’ ny fahoriana

sy ny fahotana mandrakizay ! Maro no lasa adala noho io eritreritra mampahory saina loatra

io.

Inona no lazain’ ny Soratra Masina ny amin’ ireny zavatra ireny? Ambaran’ i Davida fa

tsy manana fahatsiarovana ny olona ao amin’ ny fahafatesana. «Miala ny fofon’ ainy, ka

miverina ho amin’ ny taniny izy, ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany»32.

Solomona dia nanao fanambarana toy izany koa: «Fa fantatry ny velona fa ho faty izy ; fa

ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona», «na ny fitiavany, na ny fankahalany, na

ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’

izay atao atý ambanin’ ny masoandro izy», «tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na

fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsihita izay alehanao» 33.

Rehefa nalavaina dimy ambinifolo taona ny fiainan’ i Hezekia, ho valin’ ny fivavahany,

dia nanao teny fiderana an’ Andriamanitra ilay mpanjaka feno fankasitrahana noho ny

famindrampo lehibe nasehony taminy. Lazainy ao amin’ ity tononkalo ity ny anton’ ny

fifaliany : «Fa ny fiairian-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao ; fa izay midina any an-davaka

dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. Ny velona dia ny velona ihany no hidera

anao, tahaka izao anio izao»34 . Ny teolojia maro mpanaraka dia mampiseho ny olomarina

maty efa any an-danitra, taflditra ao amin’ ny fahasambarana ary midera ho mandrakizay

an’ Andriamanitra ; fa Hezekia kosa dia tsy nahita izany voninahitra izany ho azo antenaina

eo amin’ ny fahafatesana. Mifanaraka amin’ ny teniny ny fanambarana nataon’ ny mpanao

Salamo hoe : «Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny

fiainan-tsi-hita, iza no hidera Anao?» «Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah, na izay

midina any amin’ ny mangingina»35.

Tamin’ ny andro Pentekosta dia nilaza i Petera ny amin’ i Davida patriarka, «fa efa maty

izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany». «Fa tsy Davida no

niakatra tany andanitra»36. Ny fijanonan’ i Davida ao am-pasana mandra-pahatongan’ ny

fitsanganana amin’ ny maty dia manaporofo fa tsy mankany an-danitra ny olo-marina rehefa

maty. Tsy misy afa-tsy amin’ ny alalan’ ny fitsanganana amin’ ny maty ihany, ary noho ny

nitsanganan’ i Kristy, no hahazoan’ i Davida hipetraka eo an-kavanan’ Andriamanitra amin’

ny farany.

415

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!