Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

tanteraka amin’ ny toetran’ Andriamanitra, dia ny maha-feno famindrampo sy fahari-po ary fiantrana Azy. Tsy manery ny sitrapo na ny hevitr’ iza na iza Andriamanitra. Tsy mahita fifaliana amin’ ny fankatoavana toy ny an’ ny andevo Izy. Ny iriny dia ny hitiavan’ ireo nohariny Azy satria mendrika ny ho tiavina Izy. Tiany ny hankatoavan’ izy ireo Azy satria tsapan’ ny sainy ny fahendreny, ny fahamarinany sy ny fiantrany. Ary izay rehetra manana fahalalana marina ny amin’ ireo fahatsarana ireo dia ho tia Azy satria voasarika ho eo Aminy noho ny fahitany ny hasoan’ izany toetrany izany. Ireo foto-kevitry ny fahalemem-panahy, ny famindrampo sy ny fitiavana niainan’ ny Mpamonjintsika, dia ny fanehoana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny toetrany. Nambaran’ i Kristy fa tsy nampianatra na inona na inona Izy afa-tsy izay efa noraisiny tamin’ ny Rainy. Mifandrindra tanteraka amin’ ny fitsipika nomen’ ny Mpamonjy hoe : «Tiava ny fahavalonareo», ireo fanorenan’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Mba hahasoa izao rehetra izao, eny, hahasoa ireo izay hianjadian’ ny fitsarany aza dia ampihariny amin ‘ ny ratsy fanahy ny fitsarany. Ho nataony izay hahasambatra azy ireo raha azony ampifanarahana amin’ ny lalàn’ ny fitondram-panjakany sy ny fahamarinan’ ny toetrany izany. Hodidininy amin’ ny antoky ny fitiavany izy ireo. omeny azy ny fahalalana ny lalàny, ary zohiny amin’ ny famindrampo atolony azy izy ; nefa hamavoin’ izy ireo ny fitiavany, ataony tsinontsinona ny lalàny, ary tsipahiny ny famindrampony. Mandray mandrakariva ny fanomezany izy ireo, nefa manala-baraka ny Mpanome ; mankahala an’ Andriamanitra izy satria fantany fa maharikoriko Azy ny fahotany. Mahari-po amin’ ny faharatsiany Jehovah ; amin’ ny farany anefa dia hipaika ny ora famaliana, izay hanapahana izay ho anjarany. Moa ve amin’ izay fotoana izay hamatotra ireo mpiodina ireo hiandany aminy Izy ? Moa ve hanery azy hanao ny sitrapony Izy ? Izay nifidy an’ i Satana ho mpitarika azy ka nofehezin’ ny heriny dia tsy vonona hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny avonavona, ny fitaka, ny fahavetavetana, ny halozana, dia nanjary toetra raikitra aminy. Moa ve afaka hiditra any an-danitra izy ka hiaramitoetra mandrakizay amin’ ireo nohamavoiny sy nankahalainy tety an-tany ? Tsy hahafinaritra ny mpandainga na oviana na oviana ny fahamarinana ; tsy hahafa-po na oviana na oviana ny mihevi-tena ho zavatra sy ny mpiavonavona ny fahalemem-panahy ; tsy azon’ ny maloto ekena ny fahadiovana ; tsy manintona ny tia tena ny fitiavana mihevitra ny hafa. Inona no loharanorm-pahafinaretana azon’ ny lanitra atolotra ireo izay variana tanteraka amin’ ny tombon-tsoa feno fitiavan-tena eto an-tany ? Andeha ho lazaina fa azo atao ny mamindra tampoka any andanitra ireo izay nandany ny fiainany tamin’ ny fikomiana tamin’ Andriamanitra ka hahita ny fahatanterahana ambony sy masina maharitra ao mandrakizay. Hifanerasera amin’ ireo fanahy rehetra ao miaina amin’ ny fitiavana izy, ka ny endrika rehetra mitaratra ny hafaliana ; handre ny feon-kira sy mozika mandrotsirotsy asandratra ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry amin’ ny feon-kira milanto ; hahita ny onim-pahazavana mikoriana tsy an- 412

kijanona eo amin’ ny voavotra avy eo amin’ ny tavan’ Ilay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana. Mipetraka ny fanontaniana : Moa ve azon’ ireo izay manana fo feno fankahalana an’ Andriamanitra sy ny fahamarinana ary ny fahamasinana atao ny hifangaro amin’ ireo vahoakan’ ny lanitra ka hiara-mihira hira fiderana aminy ? Ho tantiny ve ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny an’ ny Zanak’ Ondry ? Tsia, tsia ; nomena taompahasoavana maro izy mba hamolavolany toetra mendrika ny lanitra ; nefa tsy nanazatra ny sainy mihitsy ho tia ny fahadiovam-po izy ; tsy nianatra na oviana na oviana ny fomba fitenin’ ny lanitra, ary ankehitriny dia efa diso aoriana loatra. Nahatonga azy tsy ho afaka honina any an-danitra ny fiainana nikomiany tamin’ Andriamanitra. Ho fampahoriana ho azy ireo ny fahadiovan’ ny any sy ny fahamasinany ary ny fiadanany ;ho afo mandevona azy ny voninahitr’ Andriamanitra. Haniry mafy ny handositra io toerana masina io izy. Horaisiny amim-pifaliana ny fandringanana, mba hiafenany amin’ ny tavan’ Ilay maty hanavotra azy. Ny safidin’ ny ratsy fanahy ihany no nametra izay ho anjarany. Mifanaraka amin’ ny sitrapony ny fandavana tsy hidirany any an-danitra, ary fanehoana ny fahamarinana sy ny famindrampon’ Andriamanitra. Tahaka ny ranobe tamin’ ny Safo-drano, ny afo amin’ ilay andro lehibe dia manambara ny didim-pitsaran’ Andriamanitra fa tsy azo sitranina ny ratsy fanahy. Tsy manana toetsaina hilefitra amin’ ny fahefan’ Andriamanitra izy. Nozariny hikomy ny sitrapony ary rehefa mby amin’ ny fiafaran’ ny fiainana, dia diso aoriana loatra ny hanodinana ny fizotry ny sainy ho amin’ ny lalàna mifanohitra amin’ izay nizorany, diso aoriana loatra ny hiala amin’ ny fandikandalàna ka hifindra ho amin’ ny fankatoavana, amin’ ny fankahalana ho amin’ ny fitiavana. Raha niaro ny ain’ i Kaina mpamono olona Andriamanitra, dia nanome ohatra ho an’ izao tontolo izao Izy ny amin’ ny ho vokatra famelana ny mpanota hanohy ny faharatsiany tsy misy lamboridy. Maro ny olona voataona hanota ho vokatry ny asa manginan’ ny fampianaran’ i Kaina sy ny ohatra nomeny, mandrapahatongan’ ny «faharatsiana ho be tambonin’ ny tany» ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. «Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady henidoza»24. Noho ny famindrampony tamin’ izao tontolo izao, dia nofongoran’ Andriamanitra ireo ratsy fanahy teto an-tany tamin’ ny andron’ i Noa. Noho ny famindrampony dia naringany ireo olo-maloto fiaina nipetraka tao Sodoma. Ny hery hampiasain’ i Satana no ahazoan’ ny mpanao ratsy fankasitrahana sy fiderana ary amin’ izany fomba izany dia itaomany tsy ankijanona ny hafa hikomy. Toy izany tamin’ ny andron’ i Kaina sy tamin’ andron’ i Noa, ary tamin’ ny andron’ i Abrahama sy Lota ; toy izany koa amin’ izao androntsika izao. Noho ny famindrampon’ Andriamanitra ho an’ izao rehetra izao no handringanan’ Andriamanitra amin’ ny farany ireo izay nandà ny fahasoavany. «Fa fahafatesana no tambin’ ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezampahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika» 25. Raha lova ho an’ ny olo-marina ny fiainana, dia fahafatesana kosa no anjaran’ ny ratsy fanahy. 413

tanteraka amin’ ny toetran’ Andriamanitra, dia ny maha-feno famindrampo sy fahari-po ary

fiantrana Azy.

Tsy manery ny sitrapo na ny hevitr’ iza na iza Andriamanitra. Tsy mahita fifaliana amin’

ny fankatoavana toy ny an’ ny andevo Izy. Ny iriny dia ny hitiavan’ ireo nohariny Azy

satria mendrika ny ho tiavina Izy. Tiany ny hankatoavan’ izy ireo Azy satria tsapan’ ny

sainy ny fahendreny, ny fahamarinany sy ny fiantrany. Ary izay rehetra manana fahalalana

marina ny amin’ ireo fahatsarana ireo dia ho tia Azy satria voasarika ho eo Aminy noho ny

fahitany ny hasoan’ izany toetrany izany.

Ireo foto-kevitry ny fahalemem-panahy, ny famindrampo sy ny fitiavana niainan’ ny

Mpamonjintsika, dia ny fanehoana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny toetrany. Nambaran’ i

Kristy fa tsy nampianatra na inona na inona Izy afa-tsy izay efa noraisiny tamin’ ny Rainy.

Mifandrindra tanteraka amin’ ny fitsipika nomen’ ny Mpamonjy hoe : «Tiava ny

fahavalonareo», ireo fanorenan’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Mba hahasoa izao rehetra izao,

eny, hahasoa ireo izay hianjadian’ ny fitsarany aza dia ampihariny amin ‘ ny ratsy fanahy ny

fitsarany. Ho nataony izay hahasambatra azy ireo raha azony ampifanarahana amin’ ny

lalàn’ ny fitondram-panjakany sy ny fahamarinan’ ny toetrany izany. Hodidininy amin’ ny

antoky ny fitiavany izy ireo. omeny azy ny fahalalana ny lalàny, ary zohiny amin’ ny

famindrampo atolony azy izy ; nefa hamavoin’ izy ireo ny fitiavany, ataony tsinontsinona ny

lalàny, ary tsipahiny ny famindrampony. Mandray mandrakariva ny fanomezany izy ireo,

nefa manala-baraka ny Mpanome ; mankahala an’ Andriamanitra izy satria fantany fa

maharikoriko Azy ny fahotany. Mahari-po amin’ ny faharatsiany Jehovah ; amin’ ny farany

anefa dia hipaika ny ora famaliana, izay hanapahana izay ho anjarany. Moa ve amin’ izay

fotoana izay hamatotra ireo mpiodina ireo hiandany aminy Izy ? Moa ve hanery azy hanao

ny sitrapony Izy ?

Izay nifidy an’ i Satana ho mpitarika azy ka nofehezin’ ny heriny dia tsy vonona hiditra

eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny avonavona, ny fitaka, ny fahavetavetana, ny halozana, dia

nanjary toetra raikitra aminy. Moa ve afaka hiditra any an-danitra izy ka hiaramitoetra

mandrakizay amin’ ireo nohamavoiny sy nankahalainy tety an-tany ? Tsy hahafinaritra ny

mpandainga na oviana na oviana ny fahamarinana ; tsy hahafa-po na oviana na oviana ny

mihevi-tena ho zavatra sy ny mpiavonavona ny fahalemem-panahy ; tsy azon’ ny maloto

ekena ny fahadiovana ; tsy manintona ny tia tena ny fitiavana mihevitra ny hafa. Inona no

loharanorm-pahafinaretana azon’ ny lanitra atolotra ireo izay variana tanteraka amin’ ny

tombon-tsoa feno fitiavan-tena eto an-tany ?

Andeha ho lazaina fa azo atao ny mamindra tampoka any andanitra ireo izay nandany ny

fiainany tamin’ ny fikomiana tamin’ Andriamanitra ka hahita ny fahatanterahana ambony sy

masina maharitra ao mandrakizay. Hifanerasera amin’ ireo fanahy rehetra ao miaina amin’

ny fitiavana izy, ka ny endrika rehetra mitaratra ny hafaliana ; handre ny feon-kira sy

mozika mandrotsirotsy asandratra ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy ny

Zanak’ ondry amin’ ny feon-kira milanto ; hahita ny onim-pahazavana mikoriana tsy an-

412

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!