Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

mpamono olona, ny mpangalatra sy ny mpijangajanga dia ho voaomana hiditra ao amin’ ny fahasambarana mandrakizay aorian’ ny fahafatesana. Ary avy taiza no nanatsoahan’ ity mpamilivily ny Soratra Masina ity ny fehin-keviny ? Andininy tokana milaza ny fileferan’ i Davida tamin’ ny fitondran’ Andriamanitra. «Naniry hivoaka ho any amin’ i Absaloma (izy) : fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona satria efa maty izy». Efa nohalefahin’ ny fotoana ny alahelony mafy, koa dia nifindra niala tamin’ ny zanany efa maty ny eritreriny, ho amin’ ny zanany velona izay nanao sesi-tany ny tenany noho ny fahatahorany ny famaizana ara-drariny ho valin’ ny heloka bevava vitany. Koa dia izany ve no porofo mazava fa ilay Amnona nandry tamin’ ny olom-pady, mamon-divay, dia nentina avy hatrany nankany amin’ ny toeram-pahasambarana rehefa maty, mba ho diovina any sy homanina hiara-mitoetra amin’ ny anjely tsy nanota ! Tena angano mahafinaritra tokoa, mifanentana indrindra amin’ izay hamalifaly ny fo araka ny nofo ! Tena fampianaran’ i Satana hirihiriny izay tena ahombiazany eo amin’ ny asany. Ka moa ho gaga ve isika, raha manorobona ny faharatsiana amin’ ny fampianarana toy izany ? Ny fihetsik’ ity mpampianatra sandoka iray ity dia mampiseho ny ataon’ ny maro hafa koa. Misy teny vitsy ao amin’ ny Soratra Masina sarahina amin’ ny teny eo aloha sy aoriany, ka matetika ny fanazavana azy dia mifanohitra tanteraka amin’ ny tena dikany ; ary ny toko sy andininy nesoriny tamin’ ny toerany toy izany no aolana hoenti-manaporofo fampianarana izay tsy mifototra velively amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Ny fanambarana noraisina hanaporofoana fa any an-danitra i Amnona mpidoroka dia nanatsoahankevitra fotsiny izay mifanohitra mivantana amin’ ny filazan’ ny Soratra Masina mazava sy hentitra fa tsy misy mpimamo handova fanjakan’ Andriamanitra.13 Amin’ ny fomba toy izany no anodinan’ ny mpihambahamba, ny tsy mino sy ireo fatra-pisalasala ny fahamarinana ho lainga. Koa dia marobe no voafitaky ny fampianarandisony ka voarotsirotsy ho sondriantory eo ambony farafaran’ ny fahatokiana ara-nofo. Raha marina fa mandeha mivantana ho any an-danitra ny fanahin’ ny olona rehetra amin’ ny ora ahafatesany, dia aleontsika mitsiriritra ny fahafatesana toy izay ny fiainana. Maro no voataonan’ ity fironana ity hanapitra ny androny. Rehefa manafotra ny adin-tsaina, ny tebiteby sy ny hadisoam-panantenana, dia toa mora foana ny manapaka ny tady marefon’ ny aina ka handeha hiakatra ho any amin’ ny fahasambaran’ ilay toerana maharitra mandrakizay. Nomen’ Andriamanitra ao amin’ ny teniny ny porofo azo antoka fa vonon-kanafay ny mpandika ny lalàny Izy. Ireo izay mamita-tena amin’ ny fiheverana fa be famindrampo loatra Izy ka tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ ny mpanota, dia ampy azy ny hijery ny hazo fijalian’ i Kalvary. Ny nahafatesan’ ny Zanak’ Andriamanitra tsy misy pentina dia vavolombelona fa «fahafatesana no tambin’ ny ota», fa tsy maintsy voavaly ara-drariny avokoa ny fandikana rehetra ny didin’ Andriamanitra. Kristy Ilay tsy nanana ota dia natao ota ho an’ ny olona. Nizaka ny heloky ny fandikan-dalàna Izy, sy niaritra ny nanafenan’ ny Rainy ny tavany taminy, mandrapahavakin’ ny fony sy nahafaka ny ainy. Izany sorona 410

ehetra izany no natao dia ny mba ahazoana manavotra ny mpanota. Tsy nisy fomba hafa ahazoa-manafaka ny olona amin’ ny fanamelohan’ ny fahotana. Koa ny fanahy rehetra izay mandà tsy hanana anjara amin’ ny fanavotana nomanina tamin’ ny fomba sarobidy toy izany dia tsy maintsy mizaka ho azy samirery ny heloky ny fandikandalàna sy ny sazin’ izany. Aoka hodinihintsika izay ambaran’ ny Baiboly ankoatr’ izay mikasika ireo olona tsy manana an’ Andriamanitra sady tsy mety mibebaka izay apetraky ry zareo mampianatra fa ho voavonjy avokoa ny olon-drehetra any an-danitra miaraka amin’ ny anjely masina sy sambatra. «Izaho hanome maimaimpoana amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ho an’ izay mangetaheta» 14 Ho an’ izay mangetaheta ihany io teny fikasana io. Tsy misy afa-tsy izay mahatsapa fa mila ny ranon’ aina ka vonon-kiaritra ny fatiantoka, ny zavatra rehetra mba hikatsahany izany, no homena. «Izay maharesy no handova izany zavatra izany ; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako» 15 . Eto koa dia misy fepetra voasoritra. Mba handovana izany zavatra izany, dia tsy maintsy manohitra ny fahotana sy maharesy azy isika. Hoy ny Tompo amin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia : «Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy». «Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, satria valin’ ny nataon’ ny tanany ihany no hanody azy»16 . Eny, fa na dia nanao ratsy injato aza ny mpanota, hoy ny lehilahy hendry, «ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy»17. Ary i Paoly dia milaza marina fa ny mpanota dia mirakitra ho an’ ny tenany«fahatezerana ho amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra, Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy» ; «eny. fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy» 18. «Samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny mpanompo sampy» 19. «Miezaha mitady fihavanana amin’ ny olona rehetra ary fahamasinana, fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo»20. «Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any iveiany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga» 21. Efa nomen’ Andriamanitra ny olona ny fanambarana momba ny toetrany sy ny fihetsiny amin’ ny fahotana : «Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka»22. «Ny ratsy fanahy rehetra haringana avokoa ; ny hiafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra» 23. Hampiasaina hanapotika ny fikomiana ny hery sy ny fahefan’ ny fitondrampanjakan’ Andriamanitra ; nefa ny fisehoan’ ny fahamarinana izay amaliana ny heloka dia hifanaraka 411

mpamono olona, ny mpangalatra sy ny mpijangajanga dia ho voaomana hiditra ao amin’ ny

fahasambarana mandrakizay aorian’ ny fahafatesana.

Ary avy taiza no nanatsoahan’ ity mpamilivily ny Soratra Masina ity ny fehin-keviny ?

Andininy tokana milaza ny fileferan’ i Davida tamin’ ny fitondran’ Andriamanitra. «Naniry

hivoaka ho any amin’ i Absaloma (izy) : fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona satria efa

maty izy». Efa nohalefahin’ ny fotoana ny alahelony mafy, koa dia nifindra niala tamin’ ny

zanany efa maty ny eritreriny, ho amin’ ny zanany velona izay nanao sesi-tany ny tenany

noho ny fahatahorany ny famaizana ara-drariny ho valin’ ny heloka bevava vitany. Koa dia

izany ve no porofo mazava fa ilay Amnona nandry tamin’ ny olom-pady, mamon-divay, dia

nentina avy hatrany nankany amin’ ny toeram-pahasambarana rehefa maty, mba ho diovina

any sy homanina hiara-mitoetra amin’ ny anjely tsy nanota ! Tena angano mahafinaritra

tokoa, mifanentana indrindra amin’ izay hamalifaly ny fo araka ny nofo ! Tena fampianaran’

i Satana hirihiriny izay tena ahombiazany eo amin’ ny asany. Ka moa ho gaga ve isika, raha

manorobona ny faharatsiana amin’ ny fampianarana toy izany ?

Ny fihetsik’ ity mpampianatra sandoka iray ity dia mampiseho ny ataon’ ny maro hafa

koa. Misy teny vitsy ao amin’ ny Soratra Masina sarahina amin’ ny teny eo aloha sy

aoriany, ka matetika ny fanazavana azy dia mifanohitra tanteraka amin’ ny tena dikany ; ary

ny toko sy andininy nesoriny tamin’ ny toerany toy izany no aolana hoenti-manaporofo

fampianarana izay tsy mifototra velively amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Ny fanambarana

noraisina hanaporofoana fa any an-danitra i Amnona mpidoroka dia nanatsoahankevitra

fotsiny izay mifanohitra mivantana amin’ ny filazan’ ny Soratra Masina mazava sy hentitra

fa tsy misy mpimamo handova fanjakan’ Andriamanitra.13 Amin’ ny fomba toy izany no

anodinan’ ny mpihambahamba, ny tsy mino sy ireo fatra-pisalasala ny fahamarinana ho

lainga. Koa dia marobe no voafitaky ny fampianarandisony ka voarotsirotsy ho sondriantory

eo ambony farafaran’ ny fahatokiana ara-nofo.

Raha marina fa mandeha mivantana ho any an-danitra ny fanahin’ ny olona rehetra

amin’ ny ora ahafatesany, dia aleontsika mitsiriritra ny fahafatesana toy izay ny fiainana.

Maro no voataonan’ ity fironana ity hanapitra ny androny. Rehefa manafotra ny adin-tsaina,

ny tebiteby sy ny hadisoam-panantenana, dia toa mora foana ny manapaka ny tady marefon’

ny aina ka handeha hiakatra ho any amin’ ny fahasambaran’ ilay toerana maharitra

mandrakizay.

Nomen’ Andriamanitra ao amin’ ny teniny ny porofo azo antoka fa vonon-kanafay ny

mpandika ny lalàny Izy. Ireo izay mamita-tena amin’ ny fiheverana fa be famindrampo

loatra Izy ka tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ ny mpanota, dia ampy azy ny hijery

ny hazo fijalian’ i Kalvary. Ny nahafatesan’ ny Zanak’ Andriamanitra tsy misy pentina dia

vavolombelona fa «fahafatesana no tambin’ ny ota», fa tsy maintsy voavaly ara-drariny

avokoa ny fandikana rehetra ny didin’ Andriamanitra. Kristy Ilay tsy nanana ota dia natao

ota ho an’ ny olona. Nizaka ny heloky ny fandikan-dalàna Izy, sy niaritra ny nanafenan’ ny

Rainy ny tavany taminy, mandrapahavakin’ ny fony sy nahafaka ny ainy. Izany sorona

410

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!