Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

voninahitr’ Andriamanitra ny fampaharetana fahotana mitombo hatrany toy izany mandritra ny andro tsy manam-pahataperana. Tsy tratry ny herin’ ny sain’ olombelona ny maminavina ny ratsy vokatry ny fampianaran-diso ny amin’ ny fampijaliana mandrakizay. Ny fivavahan’ ny Baiboly, izay feno fitiavana sy hatsarampanahy, ary manan-karena famindrampo, dia hamaizinina amin’ ny finoanoam-poana sy tafina horohoro. Rehefa mandinika ny endrika diso nanoritan’ i Satana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra isika, dia moa ho gaga ve raha atahorana, angovitana, eny, ankahalaina aza ny Mpahary antsika be famindrampo ? Ireo sary mahatsiravina anehoana an’ Andriamanitra izay miely patrana eran-tany noho ny fampianarana avy eny ambony polipitra, dia nahatonga olona an’ arivony, eny, antapitrisany aza, tsy afaka hino an’ Andria-manitra intsony sy ho mpandà Azy. Ny laha-kevitra momba ny fampijaliana mandrakizay dia anankiray amin’ ny fampianaran-diso voaharoharo ao amin’ ny divain’ ny fijangajangan’ i Babylona, izay ampisotroiny ny firenena rehetra.10 Tena zava-miafina marina ny nahatonga ireo irak’ i Kristy hanaiky io fampianaran-diso io ary hitory izany avy eny amin’ ny polipitra masina. Noraisiny avy tamin’ i Roma izany, tahaka ny nandraisany ny sabata sandoka. Marina, fa nisy olona ambony sy tsara nampianatra izany ; nefa tsy tonga taminy tahaka ny nahatongavany tamintsika ny fahazavana mikasika an’ izany. Ny fahazavana izay namiratra tamin’ ny androny ihany no ananany andraikitra ; isika kosa dia hampamoahina ny amin’ izay mamirapiratra amin’ izao androntsika izao. Raha miala amin’ ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra isika, ka manaiky fampianaran-diso satria nampianarin’ ny razantsika izany, dia ho tratry ny fanamelohana an’ i Babylona isika ; misotro amin’ ny divain’ ny fijangajangany isika. Misy antokon’ olona maro izay mikomy amin’ ny fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay ka voatarika ho amin’ ny hevidiso mifanohitra amin’ izany. Hitany fa asehon’ ny Soratra Masina ho be fitiavana sy mangora-po Andriamanitra ka tsy azony inoana fa handefa ny olona nohariany ao amin’ ny afon’ ny helo mirehitra mandrakizay Izy. Tazonin’ izy ireo anefa ny toetra tsy mety maty rahateo ananan’ ny fanahy, ka dia tsy azony ihodivirany ny fehinkevitra milaza fa ho voavonjy ny olombelona rehetra amin’ ny farany. Betsaka no mihevitra fa ireo fandrahonana ao amin’ ny Baiboly dia natao mba ho fampitahorana ny olona fotsiny mba hahatonga azy hankatò, fa tsy ho tanteraka ara-bakiteny tsy akory. Noho izany dia azon’ ny mpanota atao ny mivelona amin’ ny fahafinaretana feno fitiavan-tena, tsy hiraharaha izay fitakian’ Andriamanitra, nefa dia hanantena ny hahazo ny fankasitrahany amin’ ny farany. Ny fampianarana toy izany, izay mitompo teny fantatra ny amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra, nefa minia tsy hahalala ny fahamarinany, dia mahafaly ny fo ara-nofo ka mahatonga ny ratsy fanahy ho sahisahy amin’ ny ratsy ataony. Ny teny ambaran’ ireo izay mino ny famonjena ny olon-drehetra ihany dia ampy hanehoana ny fomba hanolanany ny Soratra Masina, mba hanohanany izany hevitra mampidi-doza izany. Tamin’ ny fandevenana tanora tsy mivavaka iray izay maty tsy tra- 408

drano vokatry ny loza, dia nifidy toko sy andininy tao amin’ ny Soratra Masina mikasika an’ i Davida ny mpitandrina tao amin’ io antoko io (Oniversalista, mihevitra fa ho voavonjy avokoa ny olombelona rehetra) manao hoe : «fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona, satria efa maty izy » 11. «Mazàna aho no nanontaniana», hoy ny mpandahatra, «izay ho anjaran’ ireo izay nandao an’ izao tontolo izao teo amim-panotana, ka maty teo am-pahamamoana angamba, na maty raha mbola mihosindra noho ny heloka be vava nataony ny fitafiany, na maty tahaka ny nahafatesan’ ity tovolahy ity, izay tsy mbola nisora-tena na oviana na oviana ho mpivavaka, na efa nanao fanandramana kely akory momba izany. Mahafa-po antsika ny Soratra Masina ; ny valin-teny omeny no hamaha io olana mahatahotra io. Mpanota hiringiriny Amnona ; tsy nibebaka izy fa natao izay hahamamo azy, ary raha mamo izy dia nisy namono. Mpaminanin’ Andriamanitra i Davida; tsy maintsy fantany izay ratsy na tsara ho an’ i Amnona any ankoatra. Nanao ahoana ny fihetseham-pony ? «Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’ i Absaloma ; fa nionona izy noho ny amin’i Amnona, satria efa maty izy» 12. Inona no fehin-kevitra tokony hotsoahina avy amin’ izany fomba fiteny izany ? Moa ve tsy ny hoe tsy anisan’ ny zavatra ninoany izany fijaliana tsy misy farany izany ? Toy izany no fihevitray ; aiy eto dia misy fonjan-kevitra miezinezina hitantsika manohana ilay vinavinan-kevitra mahafinaritra lavitra, mampahazava be lavitra, mitory fiantrana be lavitra dia ny amin’ ny fahadiovana sy ny fiadanana ho an’ ny rehetra any am-parany. Nionona izy, raha nahita fa efa maty ny zanany. Ary nahoana ? Satria ny masony maha-mpaminany azy dia nahazoany nitazana mialoha ny ho avy be voninahitra ka nahita io zanany io nafahana lavitry ny fakam-panahy rehetra, novotsorana tamin’ ny fanandevozana aiy nodiovina ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny fahotana, ary rehefa natao ho ampy ny fanamasinana sy fanazavana azy, dia noraisina ho anisan’ ireo fanahy nasandratra sy ravoravo. Ny hany fiononana ho azy, dia rehefa nalana tamin’ ny toe-pahotana sy ny fahoriana ankehitriny ny zanany malala, dia efa lasa any amin’ ny toerana izay hitosahan’ ny fofonaina mahavelona indrindra avy amin’ ny Fanahy Masina ny fanahiny voasaronkaizina, toerana izay hivelaran’ ny sainy ho amin’ ny fahendren’ ny lanitra sy amin’ ny firavoravoana mahatretriky ny fitiavana mandrakizay, ary amin’ izany dia voaomana izy, rehefa nohamasinina, hiriaria eo anivon’ ny fiadanan’ ny mpandova ny lanitra sy hiara-monina amin’ izy ireo. «Ireo eritreritra ireo dia tokony hampino antsika fa tsy miankina mihitsy amin’ izay ataontsika amin’ ity fiainana ity ny famonjen’ ny lanitra ; tsy miankina koa amin’ ny fiovam-po ankehitriny, na amin’ izay inoantsika ankehitriny, na amin’ ny maha-mpivavaka antsika ankehitriny». Amin’ izany no amerenan’ ity mitonona ho irak’ i Kristy ny lainga nolazain’ ny menarana tany Edena hoe : «Tsy ho faty tsy akory ianareo». «Amin’ izay andro ihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy». Nambarany fa ny mpanota faran’ izay ratsy indrindra — ny 409

voninahitr’ Andriamanitra ny fampaharetana fahotana mitombo hatrany toy izany mandritra

ny andro tsy manam-pahataperana.

Tsy tratry ny herin’ ny sain’ olombelona ny maminavina ny ratsy vokatry ny

fampianaran-diso ny amin’ ny fampijaliana mandrakizay. Ny fivavahan’ ny Baiboly, izay

feno fitiavana sy hatsarampanahy, ary manan-karena famindrampo, dia hamaizinina amin’

ny finoanoam-poana sy tafina horohoro. Rehefa mandinika ny endrika diso nanoritan’ i

Satana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra isika, dia moa ho gaga ve raha atahorana,

angovitana, eny, ankahalaina aza ny Mpahary antsika be famindrampo ? Ireo sary

mahatsiravina anehoana an’ Andriamanitra izay miely patrana eran-tany noho ny

fampianarana avy eny ambony polipitra, dia nahatonga olona an’ arivony, eny, antapitrisany

aza, tsy afaka hino an’ Andria-manitra intsony sy ho mpandà Azy.

Ny laha-kevitra momba ny fampijaliana mandrakizay dia anankiray amin’ ny

fampianaran-diso voaharoharo ao amin’ ny divain’ ny fijangajangan’ i Babylona, izay

ampisotroiny ny firenena rehetra.10 Tena zava-miafina marina ny nahatonga ireo irak’ i

Kristy hanaiky io fampianaran-diso io ary hitory izany avy eny amin’ ny polipitra masina.

Noraisiny avy tamin’ i Roma izany, tahaka ny nandraisany ny sabata sandoka. Marina, fa

nisy olona ambony sy tsara nampianatra izany ; nefa tsy tonga taminy tahaka ny

nahatongavany tamintsika ny fahazavana mikasika an’ izany. Ny fahazavana izay namiratra

tamin’ ny androny ihany no ananany andraikitra ; isika kosa dia hampamoahina ny amin’

izay mamirapiratra amin’ izao androntsika izao. Raha miala amin’ ny fanambaran’ ny tenin’

Andriamanitra isika, ka manaiky fampianaran-diso satria nampianarin’ ny razantsika izany,

dia ho tratry ny fanamelohana an’ i Babylona isika ; misotro amin’ ny divain’ ny

fijangajangany isika.

Misy antokon’ olona maro izay mikomy amin’ ny fampianarana momba ny fampijaliana

mandrakizay ka voatarika ho amin’ ny hevidiso mifanohitra amin’ izany. Hitany fa asehon’

ny Soratra Masina ho be fitiavana sy mangora-po Andriamanitra ka tsy azony inoana fa

handefa ny olona nohariany ao amin’ ny afon’ ny helo mirehitra mandrakizay Izy. Tazonin’

izy ireo anefa ny toetra tsy mety maty rahateo ananan’ ny fanahy, ka dia tsy azony

ihodivirany ny fehinkevitra milaza fa ho voavonjy ny olombelona rehetra amin’ ny farany.

Betsaka no mihevitra fa ireo fandrahonana ao amin’ ny Baiboly dia natao mba ho

fampitahorana ny olona fotsiny mba hahatonga azy hankatò, fa tsy ho tanteraka ara-bakiteny

tsy akory. Noho izany dia azon’ ny mpanota atao ny mivelona amin’ ny fahafinaretana feno

fitiavan-tena, tsy hiraharaha izay fitakian’ Andriamanitra, nefa dia hanantena ny hahazo ny

fankasitrahany amin’ ny farany. Ny fampianarana toy izany, izay mitompo teny fantatra ny

amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra, nefa minia tsy hahalala ny fahamarinany, dia

mahafaly ny fo ara-nofo ka mahatonga ny ratsy fanahy ho sahisahy amin’ ny ratsy ataony.

Ny teny ambaran’ ireo izay mino ny famonjena ny olon-drehetra ihany dia ampy

hanehoana ny fomba hanolanany ny Soratra Masina, mba hanohanany izany hevitra

mampidi-doza izany. Tamin’ ny fandevenana tanora tsy mivavaka iray izay maty tsy tra-

408

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!