Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 33—Ilay Fitaka Lehibe Voalohany Raha vao niandoha ny tantaran ‘ ny olombelona dia nanomboka koa ny ezaka ataon’ i Satana hamitahana azy. Ilay nampirisika ny fikomiana tany an-danitra dia naniry koa ny hitarika ny mponina etý an-tany hiandany aminy eo amin’ ny ady ataony amin’ ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Safononoka ny fahasambaran’ i Adama sy Eva raha mbola nitandrina ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo, ary izany dia vavolombelona hatrany nanohitra ny teny noantitranterin’ i Satana tany an-danitra, fa manandevo ny lalàn’ Andriamanitra sady fahavalon’ ny soa ho an’ ny voahariny. Afa-tsy izany, dia nampihetsika ny fialonan’ i Satana ny fahitany ny tokantrano kanto dia kanto nomanina ho an’ ireo mpivady tsy nanam-pahotana. Tapa-kevitra ny handavo azy izy, ka rehefa nahatafasaraka azy ireo tamin’ Andriamanitra sy nahatonga azy ho eo ambany fahefany, dia mety ho lasany koa mbamin’ ny tany ary dia haoriny eto ny fanjakany izay hifanohitra amin’ ny an’ ny Avo Indrindra. Raha niseho araka izay tena toetra maha-izy azy i Satana, dia ho voatosika avy hatrany izy, satria efa nampitandremana ny amin’ io fahavalo mampidi-doza io i Adama sy Eva ; tao amin’ ny haizina anefa no niasany, nafeniny ny fikasany mba hahombiazany bebe kokoa eo amin’ ny fanatanterahana ny zava-kendreny. Nataony ho fiasana fotsiny ny menarana izay biby nanana endrika maha-tehizaha tamin’ izay, fa i Satana mihitsy no niteny tamin’ i Eva hoe : «Hanky ! Efa nataon’ Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ ny saha?»1 Raha nahafehy tena tsy hiady hevitra tamin’ ny mpaka fanahy i Eva dia ho afadoza izy ; nefa sahisahy nifamaly taminy izy ka nanjary hazan’ ny hafetseny .Toy izany ihany no mbola maharesy ny maro .Misalasala izy ka miady hevitra ny amin’ ny fitakian’ Andriamanitra ; ary tsy mankatò ny baikon’ Andriamanitra izy, fa manaiky ny laha-kevitr’ olombelona, izay tsy inona fa saron-tavan’ ny fitaka ataon’ i Satana ihany «Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana : ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany ; fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe : Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo .Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy : tsy ho faty tsy akory ianareo ; fa fantatr’ Andriamanitra fa amin’ ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy » 2. Nolazainy fa hitovy amin’ Andriamanitra izy, ka hanana fahendrena bebe kokoa noho ny teo aloha, ary ho afaka hanana fari-piainana ambonimbony kokoa. Nitolo-batana ho resin’ ny fakampanahy i Eva; ary noho ny fitaomany dia voatarika hanota koa i Adama. Neken’ izy ireo ny tenin’ ny menarana nilaza fa tsy hotanterahin’ Andriamanitra izay nolazainy; tsy natoky ny Mpahary azy izy ka nihevitra fa namepetra ny fahafahany Andriamanitra, ary mety hahazo fahendrena be sy hisandratra ho ambony izy amin’ ny fandikana ny lalàny. Inona anefa, taorian’ ny nanotany, no hitan’ i Adama fa hevitry ny teny hoe: «Amin’ ny andro izay hihinananareo azy dia ho faty tokoa ianareo». Hitany ve fa midika araka izay 404

nampinoan’ i Satana azy izany, dia ny hahatafakatra azy ho amin’ ny fari-piainana ambonimbony kokoa ? Raha izany dia marina tokoa fa misy soa lehibe mety ho azo amin’ ny fandikana ny lalàna, dia ho voaporofo fa mpanasoa ny taranak’ olombelona i Satana. Nefa tsy izany no hitan’ i Adama fa dikan’ ny tenin’ Andriamanitra, fa ho sazin’ ny fahotana nataony, dia hiverina amin’ ny tany nakana azy ny olombelona. «Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao» 3. Ny teny nataon’ i Satana hoe: «Hahiratra ny masonareo», dia hita fa marina amin’ izao lafiny izao ihany: Rehefa tsy nankatò an’ Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia nihiratra ny masony ka hitany mazava ny hadalany; nahalala ny ratsy tokoa izy, ary nanandrana ny vokatra mangidin’ ny fandikan-dalàna. Teo afovoan’ i Edena no nanirian’ ny hazon’ aina, ka ny voany dia manan-kery hampaharitra ny fiainana ho mandrakizay. Raha tahiny nitoetra ho mankatò an’ Andriamanitra i Adama, dia mbola ho afaka malalaka hankeo amin’ io hazo io izy, ary ho velona mandrakizay. Nefa rehefa nanota izy, dia nosakanana tsy hihinana amin’ ny voan’ ny hazon’ aina izy, ka nanjary nety maty. Manondro ny famongorana tanteraka ny aina ny didim-pitsaran’ Andriamanitra hoe: «Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao». Voasakan’ ny fandikan-dalàna ny tsy fahafatesana mandrakizay nampanantenaina ny olona raha nankatò izy. Tsy azon’ i Adama nafindra tamin’ ny taranany izay tsy nananan’ ny tenany; ary tsy ho nisy fanantenana ho an’ ny taranaka lavo, raha tsy nataon’ Andriamanitra mety ho azony tamin’ ny alalan’ ny nanaterany ny Zanany ho fanatitra ny tsy fahafatesana. Fa raha «nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra», Kristy kosa dia nampiseho mazava tsara tamin’ ny filazantsara «ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay» 4. Koa amin’ ny alalan’ i Kristy irery ihany no mety ahazoana ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy; «Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana» 5. Ny olona tsirairay dia mety hahazo io fitahiana sarobidy indrindra io raha manatanteraka ny fepetra izy. Izay rehetra «maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana», dia handray «fiainana mandrakizay» 6. Ny hany nampanantena fiainana ho an’ i Adama ao amin’ ny tsy fankatoavana dia ilay mpamitaka lehibe. Ary ny fanambarana nataon’ ny menarana tamin’ i Eva tao Edena hoe: — «Tsy ho faty tsy akory hianareo» no toriteny voalohany natao hatramin’ izay momba ny tsy fahafatesan’ ny fanahy. Io fanambarana io anefa, izay tsy miorina afa-tsy amin’ ny fahefan’ i Satana, dia manakoako avy eny amin’ ny polipitry ny fiangonana Kristiana ary eken’ ny ankabeazan’ ny olombelona mora foana tahaka ny nandraisan’ ireo ray amandrenintsika voalohany azy. Ny didim-pitsaran’ Andriamanitra manao hoe : «Ny fanahy izay manota no ho faty» 7 dia lazaina fa midika hoe : Ny fanahy izay manota dia tsy ho faty, fa ho velona mandrakizay. Dia gaga sy talanjona isika eo anatrehan’ ny fisainana tonga dia babo izay mahatonga ny olona hino avy hatrany ny tenin’ i Satana, ary tsy mety mino kosa ny tenin’ Andriamanitra. 405

nampinoan’ i Satana azy izany, dia ny hahatafakatra azy ho amin’ ny fari-piainana

ambonimbony kokoa ? Raha izany dia marina tokoa fa misy soa lehibe mety ho azo amin’

ny fandikana ny lalàna, dia ho voaporofo fa mpanasoa ny taranak’ olombelona i Satana.

Nefa tsy izany no hitan’ i Adama fa dikan’ ny tenin’ Andriamanitra, fa ho sazin’ ny

fahotana nataony, dia hiverina amin’ ny tany nakana azy ny olombelona. «Fa vovoka ianao,

ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao» 3. Ny teny nataon’ i Satana hoe: «Hahiratra

ny masonareo», dia hita fa marina amin’ izao lafiny izao ihany: Rehefa tsy nankatò an’

Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia nihiratra ny masony ka hitany mazava ny hadalany;

nahalala ny ratsy tokoa izy, ary nanandrana ny vokatra mangidin’ ny fandikan-dalàna.

Teo afovoan’ i Edena no nanirian’ ny hazon’ aina, ka ny voany dia manan-kery

hampaharitra ny fiainana ho mandrakizay. Raha tahiny nitoetra ho mankatò an’

Andriamanitra i Adama, dia mbola ho afaka malalaka hankeo amin’ io hazo io izy, ary ho

velona mandrakizay. Nefa rehefa nanota izy, dia nosakanana tsy hihinana amin’ ny voan’ ny

hazon’ aina izy, ka nanjary nety maty. Manondro ny famongorana tanteraka ny aina ny

didim-pitsaran’ Andriamanitra hoe: «Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka

indray ianao».

Voasakan’ ny fandikan-dalàna ny tsy fahafatesana mandrakizay nampanantenaina ny

olona raha nankatò izy. Tsy azon’ i Adama nafindra tamin’ ny taranany izay tsy nananan’ ny

tenany; ary tsy ho nisy fanantenana ho an’ ny taranaka lavo, raha tsy nataon’ Andriamanitra

mety ho azony tamin’ ny alalan’ ny nanaterany ny Zanany ho fanatitra ny tsy fahafatesana.

Fa raha «nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra»,

Kristy kosa dia nampiseho mazava tsara tamin’ ny filazantsara «ny fiainana sy ny tsy

fahalovana mandrakizay» 4. Koa amin’ ny alalan’ i Kristy irery ihany no mety ahazoana ny

fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy; «Izay mino ny Zanaka no manana fiainana

mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana» 5. Ny olona tsirairay dia

mety hahazo io fitahiana sarobidy indrindra io raha manatanteraka ny fepetra izy. Izay

rehetra «maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy

fahafatesana», dia handray «fiainana mandrakizay» 6.

Ny hany nampanantena fiainana ho an’ i Adama ao amin’ ny tsy fankatoavana dia ilay

mpamitaka lehibe. Ary ny fanambarana nataon’ ny menarana tamin’ i Eva tao Edena hoe:

— «Tsy ho faty tsy akory hianareo» no toriteny voalohany natao hatramin’ izay momba ny

tsy fahafatesan’ ny fanahy. Io fanambarana io anefa, izay tsy miorina afa-tsy amin’ ny

fahefan’ i Satana, dia manakoako avy eny amin’ ny polipitry ny fiangonana Kristiana ary

eken’ ny ankabeazan’ ny olombelona mora foana tahaka ny nandraisan’ ireo ray amandrenintsika

voalohany azy. Ny didim-pitsaran’ Andriamanitra manao hoe : «Ny fanahy izay

manota no ho faty» 7 dia lazaina fa midika hoe : Ny fanahy izay manota dia tsy ho faty, fa

ho velona mandrakizay. Dia gaga sy talanjona isika eo anatrehan’ ny fisainana tonga dia

babo izay mahatonga ny olona hino avy hatrany ny tenin’ i Satana, ary tsy mety mino kosa

ny tenin’ Andriamanitra.

405

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!