Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

adidy rehetra izay voasoritra mazava ao amin’ ny sainy, dia ho afaka hahafantatra tsara sy hanatanteraka ireo izay mampisalasala azy ankehitriny izy. Azon’ i Satana atao ny manolotra hala-tahaka mifandraika akaiky dia akaiky amin’ ny fahamarinana hany ka ho voafitaka izay rehetra te-ho voafitaka, dia izay te-hisoroka ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena takin’ ny fahamarinana ; fa tsy azony atao kosa anefa ny hitana eo ambanin’ ny fanapahany fanahy iray izay maniry marina tokoa amin’ ny fony hahalala ny fahamarinana, na ho mona na ho inona no ho vokatr’ izany. Kristy no Fahamarinana ary Izy no Fahazavana «Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao» 10. Nirahina hitari-dalana ny olona ho amin’ ny marina rehetra ny Fanahin’ ny fahamarinana. Ary izao no voalaza araka ny fahefan’ ny Zanak’ Andriamanitra : «Mitadiava dia hahita ianareo». «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy» 11. Kely ihany no fantatr’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ny amin’ ny vela-pandrika ataon’ i Satana sy ny anjeliny hoenti-mamely azy. Ilay mipetraka any an-danitra kosa dia hanapaka ireo tetika rehetra ireo mba hanatanterahany ny fikasany lalina. Avelan’ ny Tompo hiaritra ny fizahan-toetra mahamay ho vokatry ny fakam-panahy ny vahoakany, tsy noho Izy mahita fahafinaretana eo amin’ ny fijaliany sy ny fahoriany tsy akory, fa satria ilaina izany hahazoana ny fandresena farany . Tsy azony atao, ny hiaro azy ireo tsy ho tratran’ ny fakampanahy, satria tsy mifanaraka amin’ ny voninahitry ny tenany izany ; ny anton’ ny fitsapana mantsy dia ny hanomanana azy ireo hahatohitra ny fitaomana rehetra hataon’ ny ratsy. Tsy ny ratsy fanahy na ny devoly no hahasakana ny asan’ Andriamanitra, na ny fanatrehany tsy ho eo amin’ ny vahoakany, raha tahiny miaiky ny helony sy miala amin’ ny fahotany amin’ ny fo torotoro sy manetry tena izy, ka mitaky ny teny fikasana amimpinoana. Ny fakam-panahy rehetra, ny fitaomana mangina manohitra an’ Andriamanitra rehetra, na miharihary na miafina, dia samy azo toherina amim-pahombiazana daholo, «tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompon’ ny maro» 12. «Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. . . ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo ?» 13 Fony Balama, babon’ ny valisoa sarobidy nampanantenaina azy ka nanao sikidy hoenti-mamely an’ Isiraely, sady nitady ny hanozonana ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fanatitra nateriny ho Azy, dia nosakanan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny ratsy nirin’ i Balama holazaina ka voatery niteny i Balama hoe : « Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra ? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah ?» «Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary koa ny fiafarako ho tahaka ny azy». Rehefa naterina fanindroany ny fanatitra, dia hoy ilay mpaminany tsy natahotra an’ Andriamanitra : «Indro ny hitahy no efa azoko, ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho. Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely ; Jehovah Andriamanitra no momba azy ary hoby fanao amin’ ny 402

andriana no re ao aminy». «Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ ny Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah !» Na dia izany aza dia natsangana fanintelony ny alitara, ary nanandrana ny hanozona indray i Balama. Ny molotr’ ilay mpaminany tsy ta-hanao izany anefa no nentin’ ny Fanahin’ Andriamanitra nanambara ny fanambinana ny olom-boafidy sy nanome tsiny ny hadalana sy ny haratsiam-panahin’ ny fahavalony: «Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho vaozona anie izay manozona anao ! » 14 Nahatoky tamin’ Andriamanitra ny vahoaka Isiraely tamin’ izany fotoana izany ; ary raha mbola nitohy nankatò ny lalàny izy, dia tsy nisy hery na teto an-tany na tany amin’ ny helo afaka nandresy azy. Ilay ozona izay efa tsy navela notononin’ i Balama tamin’ ny vahoakan’ Andriamanitra anefa dia tanterany tamin’ ny farany tamin’ ny nitaomany ampitaka azy ireo hanota. Rehefa nandika ny didin’ Andriamanitra izy ireo dia tafasaraka taminy, ka navela hahatsapa ny herin’ ilay mpandringana. Fantatr’ i Satana tsara fa ny fanahy osa indrindra izay mitoetra ao amin’ i Kristy dia mahery noho ny andian-tafiky ny maizina, ary fantany fa raha miseho mivantana izy, dia ho voatohitra. Noho izany dia miezaka ny hitaona ny miaramilan’ ny hazo fijaliana hivoaka ny manda mafy miaro azy izy, nefa manao otrika hamelezana azy miaraka amin’ ny foloalindahiny, vonona ny handringana izay rehetra sahisahy manitsaka ny faritaniny: Amin’ ny fiankinana amimpanetren-tena amin’ Andriamanitra ihany, sy ny fankatoavana ny didiny, no misy fiarovana azo antoka ho antsika. Tsy misy na iza na iza afa-doza indray andro na ora iray raha tsy mivavaka. Indrindra tokony hitalaho mafy amin’ ny Tompo isika hanomezany antsika fahendrena mba hahafantarantsika ny hevitry ny teniny. Abaribary ao ireo fandrika velarin’ ilay mpaka fanahy sy ny fomba ahazoana manohitra izany amim-pandresena. Havanana amin’ny fampiasana toko sy andininy ao amin’ ny Soratra Masina i Satana, ka ny teniny ihany no nanazava ny teny izay antenainy fa hahatonga antsika ho tafintohina. Tokony handinika ny Baiboly amin’ ny fo feno fanetren-tena isika, ka tsy ho hadinontsika mihitsy ny fiankinantsika amin’ Andriamanitra. Raha eo ampiambenana lalandava tsy azon’ ny fitak’ i Satana isika, dia aoka hivavaka mandrakariva amim-pinoana hoe : «Aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy». 403

adidy rehetra izay voasoritra mazava ao amin’ ny sainy, dia ho afaka hahafantatra tsara sy

hanatanteraka ireo izay mampisalasala azy ankehitriny izy.

Azon’ i Satana atao ny manolotra hala-tahaka mifandraika akaiky dia akaiky amin’ ny

fahamarinana hany ka ho voafitaka izay rehetra te-ho voafitaka, dia izay te-hisoroka ny

fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena takin’ ny fahamarinana ; fa tsy azony atao kosa anefa

ny hitana eo ambanin’ ny fanapahany fanahy iray izay maniry marina tokoa amin’ ny fony

hahalala ny fahamarinana, na ho mona na ho inona no ho vokatr’ izany. Kristy no

Fahamarinana ary Izy no Fahazavana «Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao

tontolo izao» 10. Nirahina hitari-dalana ny olona ho amin’ ny marina rehetra ny Fanahin’ ny

fahamarinana. Ary izao no voalaza araka ny fahefan’ ny Zanak’ Andriamanitra : «Mitadiava

dia hahita ianareo». «Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny

fampianarana izy» 11.

Kely ihany no fantatr’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ny amin’ ny vela-pandrika ataon’ i

Satana sy ny anjeliny hoenti-mamely azy. Ilay mipetraka any an-danitra kosa dia hanapaka

ireo tetika rehetra ireo mba hanatanterahany ny fikasany lalina. Avelan’ ny Tompo hiaritra

ny fizahan-toetra mahamay ho vokatry ny fakam-panahy ny vahoakany, tsy noho Izy mahita

fahafinaretana eo amin’ ny fijaliany sy ny fahoriany tsy akory, fa satria ilaina izany

hahazoana ny fandresena farany . Tsy azony atao, ny hiaro azy ireo tsy ho tratran’ ny fakampanahy,

satria tsy mifanaraka amin’ ny voninahitry ny tenany izany ; ny anton’ ny fitsapana

mantsy dia ny hanomanana azy ireo hahatohitra ny fitaomana rehetra hataon’ ny ratsy.

Tsy ny ratsy fanahy na ny devoly no hahasakana ny asan’ Andriamanitra, na ny

fanatrehany tsy ho eo amin’ ny vahoakany, raha tahiny miaiky ny helony sy miala amin’ ny

fahotany amin’ ny fo torotoro sy manetry tena izy, ka mitaky ny teny fikasana amimpinoana.

Ny fakam-panahy rehetra, ny fitaomana mangina manohitra an’ Andriamanitra

rehetra, na miharihary na miafina, dia samy azo toherina amim-pahombiazana daholo, «tsy

amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompon’ ny maro»

12.

«Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. .

. ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo ?» 13 Fony Balama,

babon’ ny valisoa sarobidy nampanantenaina azy ka nanao sikidy hoenti-mamely an’

Isiraely, sady nitady ny hanozonana ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny

fanatitra nateriny ho Azy, dia nosakanan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny ratsy nirin’ i

Balama holazaina ka voatery niteny i Balama hoe : « Hataoko ahoana no fanozona izay tsy

nozonin’ Andriamanitra ? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah ?»

«Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary koa ny fiafarako ho

tahaka ny azy». Rehefa naterina fanindroany ny fanatitra, dia hoy ilay mpaminany tsy

natahotra an’ Andriamanitra : «Indro ny hitahy no efa azoko, ary efa nitahy Izy, ka tsy

mahova izany aho. Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana

eo amin’ ny Isiraely ; Jehovah Andriamanitra no momba azy ary hoby fanao amin’ ny

402

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!