Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
ny sain’ ny olona amin’ ny toe-tsaina toy izany izy ka hitaona azy tsy hiraharaha ny baiko mivantana nomen’ Andriamanitra. Ireo izay tsy vonona hanaiky ireo fahamarinana tsotra nefa mikapa toa sabatra maranitra ao amin’ ny Baiboly dia mitady mandrakariva ny anganongano mahafinaritra izay hampitony ny feon’ ny fieritreretany. Arakaraka ny maha-maivana ny lafiny arapanahy amin’ ny fampianarana sy maha-kely ny famoizana amampanetren-tena takiny, dia arakaraka izany koa no maha-lehibe ny fankasitrahana handray azy. Ireny olona ireny dia mampihena ny heriny ara-tsaina mba hanompo ny faniriany ara-nofo. Mihevi-tena ho hendry loatra izy ka tsy mandinika ny Soratra Masina amin’ ny fanahy torotoro ombambavaka mafana hitadiavany ny fitarihan’ Andriamanitra, hany ka tsy manana ampinga miaro amin’ ny fitaka. Vonona i Satana hanatanteraka ny fanirian’ ny fo, ka vola sandoky ny fitaka no asolony ny fahamarinana. Toy izany ny hahazoan’ ny fahefana papaly hery hangeja ny sain’ ny olona ; ary amin’ ny fandavany ny fahamarinana satria misy hazo fijaliana momba izany, dia mizotra amin’ io lalana io koa ny Protestanta. Izay rehetra manao an-tsirambina ny tenin’ Andriamanitra ka mikatsaka izay mampilamindamina ny fiainany sy ny tetika izay tsy hiavahany amin’ izao tontolo izao, dia havela handray ny hevi-diso maha-meloka ho toy ny fahamarinana ara-pivavahana. Vonon-kanaiky izao karazam-pahadisoan-kevitra rehetra izao izay minia mitsipaka ny fahamarinana. Izay tsiravina eo am-pahitana fitaka anankiray dia mety ho vonona handray fitaka hafa. Ny apostoly Paoly raha milaza ny amin’ ny antokon’ olona izay «tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy», dia niteny hoe : «Koa izany no ampanantenain’ Andriamanitra fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina fa nankasitraka ny tsy marina» 6. Koa satria manoloana izany fampitandremana izany isika, dia aoka ho mailo fatratra ny amin’ ny fampianarana raisintsika. Anisan’ ny fitaovana mahomby indrindra ampiasain’ ilay mpamitaka lehibe ireo fampianarana sandoka sy fahagagana mandainga ataon’ ny filalaovana angatra. Maka ny endriky ny anjelin’ ny mazava i Satana, ary mamelatra ny haratony eo amin’ ny toerana tsy ampoizina indrindra. Ampy ho an’ ny olona ny mandinika fotsiny ny Bokin’ Andriamanitra amim-pivavahana mafana mba ahazoany ny hevitr’ izany, dia tsy havela hitakizina ao amin’ ny haizina izy ka handray fampianarana sandoka. Nefa kosa rehefa mitsipaka ny fahamarinana izy dia ho babon’ ny famitahana. Ny hevi-diso mampidi-doza anankiray koa dia ny fampianarana izay mitsipaka ny maha- Andriamanitra an’ i Kristy, ka milaza fa tsy nisy Izy talohan’ ny fiaviany teto amin’ izao tontolo izao. Antokon’ olona maro izay milaza fa mino ny Baiboly no manaiky io lahakevitra io ; nefa dia manohitra mivantana ny filazana mazava indrindra ataon’ ny Mpamonjy momba ny fifandraisany amin’ny Ray, ny toetra maha-Andriamanitra Azy, ary ny fisiany talohan’ ny nahatongavany ho nofo. Tsy azo ekena mihitsy ity hevitra ity raha tsy hoe iniana aolana ny Soratra Masina, izay tsy tokony hatao. Tsy manambany fotsiny ny fiheveran’ ny 398
olona ny asam-panavotana izany, fa mandrodana hatrany amin’ ny fotony mihitsy koa ny finoana ny Baiboly ho fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Mainka mahatonga io fampianarana io ho mampidi-doza izany, nefa koa mainka mahasarotra ny fanoherana azy. Raha misy olona mitsipaka ny fanambaran’ ny Soratra Masina izay avy amin’ ny tsindrimandry mikasika ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy, dia herim-po very maina ny miady hevitra ny aminy ; satria tsy misy fonjan-kevitra, na izay mampiaiky toy inona aza, afaka handresy lahatra azy. «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany» 7. Na iza na iza mifikitra amin’ io hevi-diso io dia tsy afaka hanana fahalalana marina ny amin’ ny toetran’ i Kristy na ny amin’ asa nanirahana Azy, na ny amin’ ny drafitra lehibe nataon’ Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona. Ny hevi-diso iray koa mifono hafetsen-dalina sy manimba dia ny finoana fatra-piely haingana dia haingana milaza fa i Satana dia tsy tena manana fisiana tsy akory, fa ny anarana anononana azy dia ampiasain’ ny Soratra Masina ho enti-mampiseho fotsiny ny eritreri-dratsin’ ny olona sy ny fanirian-dratsiny. Ny fampianarana manakoako hatraiza hatraiza avy amin’ ny polipitra ankafizim-bahoaka fa ny fiavian’ i Kristy fanindroany dia ny fiaviany amin’ ny tsirairay amin’ ny andro ahafatesana, dia fitaka hoenti-mampivily ny sain’ ny olona tsy hijery ny fiaviany ara-batana eny amin’ ny rahon’ ny lanitra. Nandritra ny taona maro i Satana no efa niteny hoe : «Indro, ao an’ efitrano Izy» 8ka maro ireo fanahy very noho ny nanekeny io fitaka io. Ampianarin’ ny fahendrena araka izao tontolo izao koa fa tsy tena ilaina tsy akory ny vavaka. Ny olona mandalina siansa dia milaza fa tsy mety hisy ny tena valim-bavaka marina ; lazainy fa fitsipahana ny lalana ny fahagagana ary tsy misy tsy akory ny fahagagana. Izao rehetra izao hoy izy, dia fehezin’ ny lalàna tsy miova ary na dia Andriamanitra aza tsy afaka manao na inona na inona hanoherany ireo lalana ireo. Asehony ho voafatotry ny lalana nataon’ ny tenany Andriamanitra — toy ny manafoana ny fahafahan’ Andriamanitra ny fiasan’ ny lalàna nataony. Mifanohitra amin’ ny fanambaran’ ny Soratra Masina ny fampianarana toy izany. Moa ve tsy nisy fahagagana nataon’ i Kristy sy ny Apostoly ? Mbola velona mandrak’ ankehitriny iny Mpamonjy mangora-po iny, ary vonon-kihaino ny fivavahana ataon’ ny finoana tahaka ny fony Izy nandehandeha hita maso teo anivon’ ny olona. Miara-miasa ny herin’ ny zava-boahary sy ny hery ambonin’ ny zava-boahary. Isan’ ny soritr’ asa nataon’ Andriamanitra ny hanome antsika, ho valin’ ny vavaky ny finoana, izay tsy natolony raha tsy nangatahintsika. Tsy hita isa ireo fampianaran-diso sy hevi-dravina mahazo laka eo amin’ ny fiangonana kristiana. Tsy voavinavina ny ratsy vokatry ny fanesorana ny iray amin’ ireo tsatoka napetraky ny tenin’ Andriamanitra. Vitsy ny olona izay manandrakandrana ny manao izany no mijanona tsy hitsipaka afa-tsy fahamarinana iray ihany. Ny ankabeazan’ ny olona dia manesy mandao hatrany hatrany ireo foto-kevitry ny fahamarinana, mandra-pahatonga azy ho tena tsy mpino mihitsy. 399
- Page 355 and 356: ny an’ ny Hebreo teo amin’ ny R
- Page 357 and 358: kevitra tsy miovaova, eo ambonin’
- Page 359 and 360: asa mangina avy taminy ny mpiara-mo
- Page 361 and 362: mampidanadana ny varavarana idiran
- Page 363 and 364: Ny dingana voalohany eo amin’ ny
- Page 365 and 366: I Petera kosa mampiseho antsika ire
- Page 367 and 368: mampianatra ny olona hanao toy izan
- Page 369 and 370: Izao tontolo izao dia mitolo-batana
- Page 371 and 372: ny fisainan’ ny olona, dia tsy ma
- Page 373 and 374: Ireo boky firaketana any an-danitra
- Page 375 and 376: marinan’ i Kristy izy, ka hita fa
- Page 377 and 378: Ny fahotana izay tsy nibebahana sy
- Page 379 and 380: Izay rehetra nandray fahazavana mom
- Page 381 and 382: amin’ ny mamatonalina», no hiavi
- Page 383 and 384: fanapahana, na fahefana»1; koa ny
- Page 385 and 386: mazava tsara ny tena toetry ny fihe
- Page 387 and 388: azy. Nihambo hatrany amin’ ny voa
- Page 389 and 390: nahalala fiatoana nihaza Azy hatrai
- Page 391 and 392: ... ho tahaka ny Avo Indrindra aho
- Page 393 and 394: ny fahotana fa tsy tia izany, na iz
- Page 395 and 396: mahazo matoky isika fa hiaro antsik
- Page 397 and 398: Toko 31—Ny Anjely Tsara sy ny Fan
- Page 399 and 400: Ny tantara ao amin’ ny Testamenta
- Page 401 and 402: Tsy misy zavatra atahoran’ ilay m
- Page 403 and 404: Fantatr’ i Satana tsara fa izay r
- Page 405: ho an’ ny marina»4. Ary tsy misy
- Page 409 and 410: oviana ny hahalala an’ Andriamani
- Page 411 and 412: andriana no re ao aminy». «Fa tsy
- Page 413 and 414: nampinoan’ i Satana azy izany, di
- Page 415 and 416: afo sy solifara ao amin’ ny helo
- Page 417 and 418: drano vokatry ny loza, dia nifidy t
- Page 419 and 420: ehetra izany no natao dia ny mba ah
- Page 421 and 422: kijanona eo amin’ ny voavotra avy
- Page 423 and 424: ny saina mandanjalanja, sy amin’
- Page 425 and 426: amiko» 38. Nolazain’ i Paoly tat
- Page 427 and 428: filozofian’ ny mpanompo sampy, ar
- Page 429 and 430: olona tahaka ny anjelin’ ny mazav
- Page 431 and 432: antitra ninoana tamin’ ny fotoan
- Page 433 and 434: toetry ny olombelona sy ny maty ny
- Page 435 and 436: Hoy Jehovah Tompo : «Ny fitsarana
- Page 437 and 438: olo-marina sy ny ratsy fanahy. Indr
- Page 439 and 440: tarigetra ambony indrindra hotratra
- Page 441 and 442: Marina fa ankehitriny dia miova end
- Page 443 and 444: Asehon’ ny mpaminany Isaia eo ima
- Page 445 and 446: Toko 35—Ny Fahalalahana ny Feon'
- Page 447 and 448: mikitroka manodidina azy ireo Izy.
- Page 449 and 450: Misy fitoviana manaitra amin’ ny
- Page 451 and 452: pahoriana. Mihambo ho solon-tenan
- Page 453 and 454: olombelona ny masony, «izay atao h
- Page 455 and 456: Rehefa hita fa tsy ampy ny didy nav
ny sain’ ny olona amin’ ny toe-tsaina toy izany izy ka hitaona azy tsy hiraharaha ny baiko

mivantana nomen’ Andriamanitra.

Ireo izay tsy vonona hanaiky ireo fahamarinana tsotra nefa mikapa toa sabatra maranitra

ao amin’ ny Baiboly dia mitady mandrakariva ny anganongano mahafinaritra izay

hampitony ny feon’ ny fieritreretany. Arakaraka ny maha-maivana ny lafiny arapanahy

amin’ ny fampianarana sy maha-kely ny famoizana amampanetren-tena takiny, dia

arakaraka izany koa no maha-lehibe ny fankasitrahana handray azy. Ireny olona ireny dia

mampihena ny heriny ara-tsaina mba hanompo ny faniriany ara-nofo. Mihevi-tena ho

hendry loatra izy ka tsy mandinika ny Soratra Masina amin’ ny fanahy torotoro ombambavaka

mafana hitadiavany ny fitarihan’ Andriamanitra, hany ka tsy manana ampinga miaro

amin’ ny fitaka. Vonona i Satana hanatanteraka ny fanirian’ ny fo, ka vola sandoky ny fitaka

no asolony ny fahamarinana. Toy izany ny hahazoan’ ny fahefana papaly hery hangeja ny

sain’ ny olona ; ary amin’ ny fandavany ny fahamarinana satria misy hazo fijaliana momba

izany, dia mizotra amin’ io lalana io koa ny Protestanta. Izay rehetra manao an-tsirambina

ny tenin’ Andriamanitra ka mikatsaka izay mampilamindamina ny fiainany sy ny tetika izay

tsy hiavahany amin’ izao tontolo izao, dia havela handray ny hevi-diso maha-meloka ho toy

ny fahamarinana ara-pivavahana. Vonon-kanaiky izao karazam-pahadisoan-kevitra rehetra

izao izay minia mitsipaka ny fahamarinana. Izay tsiravina eo am-pahitana fitaka anankiray

dia mety ho vonona handray fitaka hafa. Ny apostoly Paoly raha milaza ny amin’ ny

antokon’ olona izay «tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy», dia

niteny hoe : «Koa izany no ampanantenain’ Andriamanitra fahadisoan-kevitra aminy

hinoany lainga mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina fa nankasitraka ny

tsy marina» 6.

Koa satria manoloana izany fampitandremana izany isika, dia aoka ho mailo fatratra ny

amin’ ny fampianarana raisintsika.

Anisan’ ny fitaovana mahomby indrindra ampiasain’ ilay mpamitaka lehibe ireo

fampianarana sandoka sy fahagagana mandainga ataon’ ny filalaovana angatra. Maka ny

endriky ny anjelin’ ny mazava i Satana, ary mamelatra ny haratony eo amin’ ny toerana tsy

ampoizina indrindra. Ampy ho an’ ny olona ny mandinika fotsiny ny Bokin’ Andriamanitra

amim-pivavahana mafana mba ahazoany ny hevitr’ izany, dia tsy havela hitakizina ao amin’

ny haizina izy ka handray fampianarana sandoka. Nefa kosa rehefa mitsipaka ny

fahamarinana izy dia ho babon’ ny famitahana.

Ny hevi-diso mampidi-doza anankiray koa dia ny fampianarana izay mitsipaka ny maha-

Andriamanitra an’ i Kristy, ka milaza fa tsy nisy Izy talohan’ ny fiaviany teto amin’ izao

tontolo izao. Antokon’ olona maro izay milaza fa mino ny Baiboly no manaiky io lahakevitra

io ; nefa dia manohitra mivantana ny filazana mazava indrindra ataon’ ny Mpamonjy

momba ny fifandraisany amin’ny Ray, ny toetra maha-Andriamanitra Azy, ary ny fisiany

talohan’ ny nahatongavany ho nofo. Tsy azo ekena mihitsy ity hevitra ity raha tsy hoe iniana

aolana ny Soratra Masina, izay tsy tokony hatao. Tsy manambany fotsiny ny fiheveran’ ny

398