Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Ny fivoasana manjavozavo sy araka ny fisainana be haitraitra ny Soratra Masina, sy ireo laha-kevitra maro mifanohitra mikasika ny finoana ara-pivavahana hita eo amin’ ny mpivavaka Kristiana, dia asan’ ilay fahavalontsika lehibe kendreny hanakorontanana ny saina mba tsy hahitany ny fahamarinana. Ny adi-lahy sy ny fisarahambazana misy eo amin’ ireo fiangonana Kristiana dia saiky avy amin’ ny fomba manjaka izay manolana ny Soratra Masina hoenti-mano hana ny laha-kevitra ankafizina iray. Tsy dinihina akaiky amin’ ny fo feno fanetren-tena ny tenin’ Andriamanitra mba ahazoana mahafantatra ny sitrapony, fa ny ataon’ ny maro dia ny mitady fotsiny hahita zavatra hafahafa na maningana. Mba hanohanany fampianaran-diso na fomba amam-panao tsy kristiana dia misy maka ny tenin’ ny Soratra Masina ka mampisaraka izany amin’ ireo mialoha sy manaraka azy, ary angamba aza tapaky ny andininy iray ihany no raisiny hanamarinany ny heviny, rehefa hita fa mifanohitra indrindra amin’ izany ny tapaky ny andininy sisa. Mampiasa ny hafetsen’ ny menarana izy ka miery ao ivohon’ ny fanambarana izay tsy misy ifandraisana akory fa narafidrafitra mba hifanaraka amin’ ny ara-nofo. Toy izany no ataon’ ny maro izay ninia nanolana ny tenin’ Andriamanitra. Ny hafa kosa, manana saina mazoto mamoron-javatra, ka mandray ireo sary aman’ ohatra ao amin’ ny Soratra Masina ary manazava ireny hifanaraka amin’ ny eritreritra foroniny, sady tsy mihevitra firy fa ny tenin’ ny Soratra Masina ihany no manazava azy, ary amin’ izany dia asehony ho fampianaran’ ny Baiboly ny firenirenen’ ny sainy. Na oviana na oviana andinihana ny Soratra Masina ka tsy amin’ ny toe-tsaina entanimbavaka, feno fanetren-tena sy azo ampianarina no anaovana izany, dia ho voaolana tsy ho amin’ ny tena dikany ireo toko sy andininy mazava sy tsotra indrindra ary toy izany koa ireo sarotra indrindra. Ireo mpitarika eo amin’ ny fahefana papaly dia mifantina teny sasany ao amin’ ny Soratra Masina izay manohana ny fikasany ka voasany hifanaraka amin’ ny heviny, rehefa izany dia arosony eo amin’ ny vahoaka izay fefeny tsy hanana ny tombontsoa handinika ny Baiboly sy hahafantatra ireo fahamarinana masina raketiny ho an’ ny tenany. Tokony homena ny vahoaka araka izay fivakiny ny Baiboly manontolo. Ho tsaratsara kokoa ho azy ireo ny tsy hanana fampianarana ara-Baiboly mihitsy toy izay handray fampianarana ny Soratra Masina iniana ovana an-kitsirano izao. Notendrena ho mpitari-dalana izay rehetra maniry hahafantatra ny sitrapon’ Ilay Mpanao azy ny Baiboly. Nomen’ Andriamanitra ny olona ny teny azo antoky ny faminaniana ; ny anjely, ary Kristy mihitsy aza, no tonga nampahafantatra an’ i Daniela sy Jaona ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. Ireo zava-dehibe mikasika ny famonjena antsika ireo dia tsy navela ho fonosin’ ny zava-miafina. Tsy nambara tamin’ ny fomba hahavery hevitra sy handiso lalana izay tena mikasika tokoa ny fahamarinana izany. Hoy Jehovah amin’ ny alalan’ ny mpaminany Habakoka : «Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fafana, mba ho azon’ ny mihazakazaka vakiana aza» 3. Mazava ho an’ izay rehetra mandinika izany amin’ ny fo mivavaka ny tenin’ Andriamanitra. Ny fanahy tena tsotra rehetra dia ho tonga eo amin’ ny fahazavan’ ny fahamarinana. «Ny fahazavana no voafafy 396

ho an’ ny marina»4. Ary tsy misy fiangonana afa-mandroso amin’ ny fahamasinana raha tsy mikatsaka fatratra ny fahamarinana toy ny fitady harena nafenina ny mambra ao. Ny antsoantso milaza «fahalalahan-tsaina» dia manajamba ny olona tsy hahita ny fìtaky ny fahavalo izay milofo andro aman’ alina mba hanatanterahany ny zava-kendreny. Rehefa mahomby izy eo amin’ ny fanoloana ny Baiboly amin’ ny hevi-dravin’ olombelona, dia voailikilika ny lalàn’ Andriamanitra, ka amin’ izay ny fiangonana dia eo ambanin’ ny fanandevozan’ ny fahotana, na dia milaza ny tenany fa afaka aza. Ho an’ ny olona maro, dia manjary ozona ny fikarohana aratsiansa. Navelan’ Andriamanitra hitosaka amin’ izao tontolo izao ny fahazavana vokatr’ ireo zava-baovao hitan’ ny siansa sy ny zavakanto ; nefa na dia ny saina maranitra indrindra aza, raha tsy tarihin’ ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ ny fikarohana ataony, dia manjary mitonantonana eo amin’ ny fiezahany hanadihady ny fifandraisan’ ny siansa sy ny fanambarana. Sombitsombiny sady tsy tanteraka ny fahalalan’ ny olombelona ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy ; noho izany dia maro no tsy afaka mampifandrindra ny fomba fijerin’ ny siansa amin’ ny filazan’ ny Soratra Masina. Betsaka ny olona no mandray ny laha-kevitra sy ny vinavinan-kevitra ho tena zava-misy ara-tsiansa, ary heveriny fa tokony hosedraina «amin’ izay atao hoe fahalalana kanjo tsy tena izy» 5 ny tenin’ Andriamanitra. Tsy takatry ny sainy ny Mpamorona sy ny asany , ary satria tsy hainy hazavaina amin’ ny alalan’ ny lalàna voajanahary miasa eo amin’ ny zava-boahary izany, dia raisiny ho tsy azo inoana ny tantara lazain’ ny Baiboly. Ireo izay misalasala ny amin’ ny fahamarinan’ ny tantara ao amin’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao dia matetika no manao dingana lavidavitra kokoa ka misalasala ny amin’ ny fisian’ Andriamanitra ary manao ny zava-boahary ho manankery tsy misy fetra. Navotsony ny vatofantsika namaharany ka dia avela hiapokapoka eny amin’ ny harambaton’ ny tsy finoana izy ireo. Toy izany no mahatonga ny olona maro hiala amin’ ny finoana ka ho voafitaky ny devoly. Niezaka ho hendry noho ny Mpamorona azy ny olona ; niezaka ny hanadihady sy hanazava ireo zava-miafina izay tsy ho voaseho mihitsy mandritra ny mandrakizay ny fahendren’ ny olombelona. Raha tahiny nikaroka izay nambaran’ Andriamanitra momba ny tenany sy hahafantatra ny fikasany ny olona. dia ho nahazo fahitana momba ny voninahitra. ny fahalehibeazana sy ny herin’ i Jehovah izy ka ho nahatsapa ny fahakelezany sy ho afa-po amin’ izay ambara aminy sy amin’ny zanany. Sangan’ asa famitahan’ i Satana ny hitana ny sain’ ny olona handinika sy haminavina izay tsy nampahafantarin’ Andriamanitra sy izay tsy nokasainy ho takatry ny fisainantsika. Toy izany no nahavery ny toeran’ i Losifera tany an-danitra. Nanjary sorena izy noho ny tsy nanambarana taminy ireo zava-miafina rehetra momba ny fikasan’ Andriamanitra, ary dia tsy noraharahainy mihitsy izay nambara mikasika ny asan’ ny tenany teo amin’ ny toerana ambony nametrahana azy. Nanetsika fahasosorana toy izany koa ao amin’ ireo anjely teo ambany fanapahany izy, ka nahatonga azy ireo ho lavo. Ankehitriny dia mitady ny hamonto 397

ho an’ ny marina»4. Ary tsy misy fiangonana afa-mandroso amin’ ny fahamasinana raha tsy

mikatsaka fatratra ny fahamarinana toy ny fitady harena nafenina ny mambra ao.

Ny antsoantso milaza «fahalalahan-tsaina» dia manajamba ny olona tsy hahita ny fìtaky

ny fahavalo izay milofo andro aman’ alina mba hanatanterahany ny zava-kendreny. Rehefa

mahomby izy eo amin’ ny fanoloana ny Baiboly amin’ ny hevi-dravin’ olombelona, dia

voailikilika ny lalàn’ Andriamanitra, ka amin’ izay ny fiangonana dia eo ambanin’ ny

fanandevozan’ ny fahotana, na dia milaza ny tenany fa afaka aza.

Ho an’ ny olona maro, dia manjary ozona ny fikarohana aratsiansa. Navelan’

Andriamanitra hitosaka amin’ izao tontolo izao ny fahazavana vokatr’ ireo zava-baovao

hitan’ ny siansa sy ny zavakanto ; nefa na dia ny saina maranitra indrindra aza, raha tsy

tarihin’ ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ ny fikarohana ataony, dia manjary mitonantonana

eo amin’ ny fiezahany hanadihady ny fifandraisan’ ny siansa sy ny fanambarana.

Sombitsombiny sady tsy tanteraka ny fahalalan’ ny olombelona ny zavatra ara-nofo sy

ara-panahy ; noho izany dia maro no tsy afaka mampifandrindra ny fomba fijerin’ ny siansa

amin’ ny filazan’ ny Soratra Masina. Betsaka ny olona no mandray ny laha-kevitra sy ny

vinavinan-kevitra ho tena zava-misy ara-tsiansa, ary heveriny fa tokony hosedraina «amin’

izay atao hoe fahalalana kanjo tsy tena izy» 5 ny tenin’ Andriamanitra. Tsy takatry ny sainy

ny Mpamorona sy ny asany , ary satria tsy hainy hazavaina amin’ ny alalan’ ny lalàna voajanahary

miasa eo amin’ ny zava-boahary izany, dia raisiny ho tsy azo inoana ny tantara

lazain’ ny Baiboly. Ireo izay misalasala ny amin’ ny fahamarinan’ ny tantara ao amin’ ny

Testamenta Taloha sy Vaovao dia matetika no manao dingana lavidavitra kokoa ka

misalasala ny amin’ ny fisian’ Andriamanitra ary manao ny zava-boahary ho manankery tsy

misy fetra. Navotsony ny vatofantsika namaharany ka dia avela hiapokapoka eny amin’ ny

harambaton’ ny tsy finoana izy ireo.

Toy izany no mahatonga ny olona maro hiala amin’ ny finoana ka ho voafitaky ny

devoly. Niezaka ho hendry noho ny Mpamorona azy ny olona ; niezaka ny hanadihady sy

hanazava ireo zava-miafina izay tsy ho voaseho mihitsy mandritra ny mandrakizay ny

fahendren’ ny olombelona. Raha tahiny nikaroka izay nambaran’ Andriamanitra momba ny

tenany sy hahafantatra ny fikasany ny olona. dia ho nahazo fahitana momba ny voninahitra.

ny fahalehibeazana sy ny herin’ i Jehovah izy ka ho nahatsapa ny fahakelezany sy ho afa-po

amin’ izay ambara aminy sy amin’ny zanany.

Sangan’ asa famitahan’ i Satana ny hitana ny sain’ ny olona handinika sy haminavina

izay tsy nampahafantarin’ Andriamanitra sy izay tsy nokasainy ho takatry ny fisainantsika.

Toy izany no nahavery ny toeran’ i Losifera tany an-danitra. Nanjary sorena izy noho ny tsy

nanambarana taminy ireo zava-miafina rehetra momba ny fikasan’ Andriamanitra, ary dia

tsy noraharahainy mihitsy izay nambara mikasika ny asan’ ny tenany teo amin’ ny toerana

ambony nametrahana azy. Nanetsika fahasosorana toy izany koa ao amin’ ireo anjely teo

ambany fanapahany izy, ka nahatonga azy ireo ho lavo. Ankehitriny dia mitady ny hamonto

397

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!