Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 32—Ireo Fandrik’ i Satana Madiva hifarana ny ady lehibe nifanaovan’ i Kristy sy i Satana, izay tsy nanam-piatoana efa ho enina arivo taona izao ; ary mampitombo fatratra ny ezaka ataony ilay ratsy mba handravana ny asa ataon i Kristy ho an’ ny olona sy hamatorana ny fanahy amin’ ny fandrika velariny. Ny zavatra kendreny dia ny hitana ny vahoaka ao amin’ ny haizina sy ny tsy fetezana hibebaka mandra-pahatapitry ny fanalalanana ataon’ ny Mpamonjy, ka tsy hisian’ ny fanatitra noho ny ota intsony. Rehefa tsy misy ezaka manokana atao hoenti-manohitra ny heriny, rehefa manjaka eo amin’ ny fiangonana sy eo amin’ izao tontolo izao ny tsy firehana, dia afaka ahiahy i Satana ; satria amin’ izay mantsy dia tsy mananontanona azy ny loza hahavotsotra avy eo ampelatanany ireo izay giazany ho babon’ ny sitrapony. Nefa kosa rehefa mifantoka amin’ ny zavatra maharitra mandrakizay ny saina ka manontany ny fanahy hoe : «Inona no hataoko mba ho vonjena aho ?» amin’ izay dia mailo izy, mitady izay handaminany ny heriny ho enti-manohitra ny herin’ i Kristy sy hanakantsakanany ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy Masina. Ambaran’ ny Soratra Masina fa indray andro, raha tonga ireo ahjelin’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga koa i Satana niaraka tamin’ izy ireo (Joba 1 : 6), tsy ny hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka mandrakizay anefa, fa ny mba hampitatra ny hasomparany hoenti-mamely ny olo-marina. Izany koa no antony anatrehany ny fivoriana rehefa miangpna hidera an’ Andriamanitra ny olona. Na dia takona tsy hita maso aza izy, dia milofo fatratra mba hifehy ny sain’ ny mpivavaka. Tahaka ny mpitari-tafika mahay, dia soritany mialoha ny tetik’ ady hampiasainy. Rehefa hitany fa mandinika ny Soratra Masina ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra, dia raisiny an-tsoratra ny loha-hevitra haseho ny vahoaka. Amin’ izany dia mampiasa ny hafetseny sy ny hakingany rehetra izy mba hitantanany ny toe-javatra ka tsy ho tafapaka amin’ ireo izay fitahiny momba io lohahevitra io indrindra ny hafatra. Ilay olona tena mila tokoa ny fampitandremana no asesiny hanao fifampiraharahana mikasika ny asa aman-draharahany izay tsy maintsy hatrehiny, na hosakanany amin’ ny fomba hafa tsy handre ny teny izay mety ho hanitry ny fiainana hanome fiainana ho azy. Izao koa, hitan’ i Satana fa itambesaran’ enta-mavesatra ny mpanompon’ i Jehovah noho ny haizina ara-panahy manarona ny vahoaka. Reny ny vavaka mafana hataony itadiavany ny fahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izay hampisinda ny fandraikiraikena avy amin’ ny tsy firehana, ny fanaovana an-tsirambina ary ny fitsilamodamohana. Amin’ izany dia entanin-kerimpo vaovao izy mampiasa ny fahaizany. Maka fanahy ny olona izy hampanarampo ny filankanina, na amin’ ny endrika hafa hanaovany ny danin’ ny kibony, amin’ izay dia manjary domelina ny sain’ ny olona hany ka tsy ho ren’ izy ireo ny zavatra izay tena ilainy indrindra hianarana. 394

Fantatr’ i Satana tsara fa izay rehetra azony tarihina hanao an-tsirambina ny fivavahana sy ny fandinihana ny Soratra Masina dia ho resin’ ny famelezany. Noho izany dia mamorona izao fitaka rehetra izao izy mba hanavesatra ny saina. Nisy hatrany ny antokon’ olona nilaza ny tenany ho mpivavaka mahafatra-po, nefa tsy mandroso ho amin’ ny fahalalana ny fahamarinana, fa manao ny fivavahany ho fitadiavana fahalemena eo amin’ ny toetra amampanahy na fahadisoan-kevitra ara-pinoana amin’ ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Ny toy ireny dia tena tanana an-kavanan’ i Satana. Tsy vitsy ireo mpiampanga ny rahalahiny, ary mihetsiketsika fatratra izy rehefa miasa Andrimanitra ka midera Azy marina ny mpanompony. Hovany endrika ny teny aman’ asan’ ireo izay tia ny fahamarinana sy mankatò izany. Hasehony ho toy ny voafitaka na mpamitaka ireo mpanompon’ i Kristy mafana fo, mazoto sy mahafoy tena indrindra. Asa fanaon’ izy ireny ny mandiso ny antony marina manesika hanao ny asa marina sy mendrika rehetra, ny mampiely safelin-kevitra, ny mamelona ahiahy ao amin’ ny sain’ ny tsy manana fanandramana ampy. Tadiaviny avokoa izao fomba rehetra izao mba hiheverana ny madio sy ny marina ho maloto sy mamitaka. Nefa tsy misy tokony ho voafitaka ny amin’ izy ireny. Mora foana ny mamantatra na zanak’ iza na zanak’ iza izy ireo, ohatra nomen’ iza no arahiny, ary asan’ iza no ataony. «Ny voany no hahafantaranareo azy» 1. Ny fihetsiny dia tahaka ny fihetsik’ i Satana, ilay mpanaratsy feno poizina «ilay mpiampanga ny rahalahintsika» 2. Manana mpanompo maro vonona ny hampiseho na hevi-diso inona na manao ahoana ho enti-mamadika ny fanahy ilay mpamitaka lehibe dia ireo fampianaran-diso voakendry hifandrindra amin’ izay ankafizin’ ny olona samihafa sy amin’ ny fahaizana aman-talentan’ izy ireo izay tadiaviny hoverezina. Ny tetik’ adiny dia ny hampiditra ao amin’ ny fiangonana olona tsy tso-po, tsy voaova izay hamporisika ny fisalasalana sy ny tsy finoana ka hanakana izay rehetra maniry hahita ny fandrosoan’ ny fanjakan’ Andriamamitra sy hiaramandroso amin’ izany. Maro ireo izay tsy manana finoana marina an’ Andriamanitra na ny tenany no manaiky foto-kevitra sasantsasasany momba ny fahamarinana ka misoratena ho Kristiana, ary noho izany dia afaka manatsofoka hevi-diso avy aminy izy, izay lazainy fa fampianaran’ ny Soratra Masina. Ny filazana fa tsy mampaninona izay inoan’ ny olona no iray amin’ ny fitaka mahomby indrindra ampiasain’ i Satana. Fantany fa ny fahamarinana raisina noho ny fitiavana izany, dia manamasina ny fanahin’ ilay nandray azy ; noho izany dia mitady mandrakariva izy hanolo ny fahamarinana amin’ ny laha-kevitra diso, amin’ ny anganongano sy amin’ ny filazantsara hafa. Hatrany am-boalohany no efa niady mafy nanohitra ny mpampianatra sandoka ny mpanompon’ Andriamanitra, tsy amin’ ny maha-olona mpanao ratsy azy ireny ihany, fa amin’ izy mampiditra fampianaran-diso izay mampididoza ny fanahy. Elisa, Jeremia, Paoly, dia samy nanohitra mafy sy tsy tamin-tahotra ireo izay nanodina ny sain’ ny olona hiala amin’ tenin’ Andriamanitra. Ny fahalalahan-tsaina izay mihevitra fa tsy dia zava-dehibe akory ny hananana finoana ara-pivavahana marina, dia tsy mahita hirika hidirana amin’ ireo mpiaro masina ny fahamarinana ireo. 395

Toko 32—Ireo Fandrik’ i Satana

Madiva hifarana ny ady lehibe nifanaovan’ i Kristy sy i Satana, izay tsy nanam-piatoana

efa ho enina arivo taona izao ; ary mampitombo fatratra ny ezaka ataony ilay ratsy mba

handravana ny asa ataon i Kristy ho an’ ny olona sy hamatorana ny fanahy amin’ ny

fandrika velariny. Ny zavatra kendreny dia ny hitana ny vahoaka ao amin’ ny haizina sy ny

tsy fetezana hibebaka mandra-pahatapitry ny fanalalanana ataon’ ny Mpamonjy, ka tsy

hisian’ ny fanatitra noho ny ota intsony.

Rehefa tsy misy ezaka manokana atao hoenti-manohitra ny heriny, rehefa manjaka eo

amin’ ny fiangonana sy eo amin’ izao tontolo izao ny tsy firehana, dia afaka ahiahy i Satana

; satria amin’ izay mantsy dia tsy mananontanona azy ny loza hahavotsotra avy eo ampelatanany

ireo izay giazany ho babon’ ny sitrapony. Nefa kosa rehefa mifantoka amin’ ny

zavatra maharitra mandrakizay ny saina ka manontany ny fanahy hoe : «Inona no hataoko

mba ho vonjena aho ?» amin’ izay dia mailo izy, mitady izay handaminany ny heriny ho

enti-manohitra ny herin’ i Kristy sy hanakantsakanany ny hery miasa mangina avy amin’ ny

Fanahy Masina.

Ambaran’ ny Soratra Masina fa indray andro, raha tonga ireo ahjelin’ Andriamanitra

hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga koa i Satana niaraka tamin’ izy ireo (Joba 1 :

6), tsy ny hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka mandrakizay anefa, fa ny mba hampitatra

ny hasomparany hoenti-mamely ny olo-marina. Izany koa no antony anatrehany ny

fivoriana rehefa miangpna hidera an’ Andriamanitra ny olona. Na dia takona tsy hita maso

aza izy, dia milofo fatratra mba hifehy ny sain’ ny mpivavaka. Tahaka ny mpitari-tafika

mahay, dia soritany mialoha ny tetik’ ady hampiasainy. Rehefa hitany fa mandinika ny

Soratra Masina ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra, dia raisiny an-tsoratra ny loha-hevitra

haseho ny vahoaka. Amin’ izany dia mampiasa ny hafetseny sy ny hakingany rehetra izy

mba hitantanany ny toe-javatra ka tsy ho tafapaka amin’ ireo izay fitahiny momba io lohahevitra

io indrindra ny hafatra. Ilay olona tena mila tokoa ny fampitandremana no asesiny

hanao fifampiraharahana mikasika ny asa aman-draharahany izay tsy maintsy hatrehiny, na

hosakanany amin’ ny fomba hafa tsy handre ny teny izay mety ho hanitry ny fiainana

hanome fiainana ho azy.

Izao koa, hitan’ i Satana fa itambesaran’ enta-mavesatra ny mpanompon’ i Jehovah noho

ny haizina ara-panahy manarona ny vahoaka. Reny ny vavaka mafana hataony itadiavany ny

fahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izay hampisinda ny fandraikiraikena avy amin’ ny

tsy firehana, ny fanaovana an-tsirambina ary ny fitsilamodamohana. Amin’ izany dia

entanin-kerimpo vaovao izy mampiasa ny fahaizany. Maka fanahy ny olona izy

hampanarampo ny filankanina, na amin’ ny endrika hafa hanaovany ny danin’ ny kibony,

amin’ izay dia manjary domelina ny sain’ ny olona hany ka tsy ho ren’ izy ireo ny zavatra

izay tena ilainy indrindra hianarana.

394

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!