Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Tsy voasakana anefa ny fikasan’ i Kristy. Navelany handringana ny andian-kisoa ny fanahy ratsy ho famaizana ireo Jiosy izay niompy ireny biby maloto ireny ahazoam-bola. Raha tsy noho ny fisakanan’ i Jesosy ny demonia dia ho nazerany tany an-dranomasina, tsy ny kisoa ihany, fa na dia ny mpiandry sy ny tompony koa aza. Ny fiarovana ny mpiandry sy ny tompony dia avy tamin’ ny heriny irery ihany izay nampiasainy tamim-pamindrampo mba hanafahany azy ireo. Ankoatr’ izany, dia navela hitranga io toe-javatra io mba hahitan’ ny mpianatra maso ny hery mahatsiravina ananan’ i Satana eo amin’ ny olona sy ny biby. Tian’ ny Mpamonjy ny hahafantaran’ ny mpanaraka Azy an’ ilay fahavalo izay hosetrainy mba tsy hahavoafitaka azy sy handreseny ny saim-petsy ataony. Sitrapony koa ny hahitan’ ny olona tao amin’ io faritra io ny heriny manapaka ny fanandevozan’ i Satana sy mahafaka ny babony. Ary na dia lasa aza ny tenan’ i Jesosy, ireo olona izay nafahany tamin’ ny fomba mahagaga kosa dia nijanona hanambara ny famindrampon’ Ilay nanao soa taminy. Misy ohatra hafa mifanahatahaka amin’ izany koa voarakitra ao amin’ ny Soratra Masina. Nampijalian’ ny devoly fatratra izay noroahan’ i Jesosy tamin’ ny alalan’ ny teniny ny zanakavavin’ ilay vehivavy Syro-foinikiana voalaza ao amin’ ny Marka 7 : 26-30. Nisy «lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana» 11 ; nisy zazalahy iray azompanahy moana izay nampianjera azy «matetika tao anaty afo sy tao anaty rano hamonoany azy» 12 ; ilay olona very saina nampahorian’ ny «fanahin’ ny demonia maloto» 13, ka nanakorontana ny Sabata nilamina tao amin’ ny synagoga tany Kapemaomy — ireo rehetra ireo dia samy nositranin Ilay Mpamonjy be fiantra avokoa. Tamin’ ny ankabeazany, dia niteny tamin’ ny demonia toy ny tamin’ ny manan-tsaina i Kristy, ka nandidy azy hivoaka tamin’ ny olona azony ka tsy hampahory azy intsony. Ireo mpivavaka tany Kapernaomy , raha nahita ny heriny mahagaga, dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe : «Manao ahoana izao teny izao ! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto dia nivoaka ireo» 14. Araka ny fahita dia mijaly mafy ny olona azon’ ny demonia ; nisy tsy araka izany anefa. Nisy nandray tsara ny hery miasa mangina avy amin’ i Satana mba ahazoany hery ambony noho izay ananan’ ny olombelona rahateo. Mazava ho azy fa tsy niady tamin’ ny demonia ireny. Anisan’ izany ireo izay nanana fanahy mahavaly, — Simona mpanao ody, Elyma mpanao fanafody, sy ilay zazavavy mpanaraka an’ i Paoly sy Silasy tany Filipia. Tsy misy olona tandindomin-doza lehibe tokoa noho ny asan’ ny herin’ ireo fanahy ratsy ireo tahaka izay tsy miraharaha ny teny mivantana maro ao amin’ ny Soratra Masina, ka mandà ny fisian’ ny devoly sy ny anjeliny ary ny fomba fiasan’ ireo. Raha mbola minia tsy mahafantatra ny hafetsen’ izy ireny isika, dia manana tombondahiny faran’ izay makadiry amintsika izy ; maro no nihaino ny soso-keviny nefa mihevitra ho manaraka ny baikon’ ny fahendren’ tenany. Izany no antony ampielezan’ i Satana hatraiza hatraiza ny finoana fa tsy misy izy, raha manatona ny faran’ izao tontolo izao isika, dia amin’ ny fotoana izay iasan’ i Satana amin-kery lehibe indrindra hamitahany sy handrmganany. Tetika ampiasainy ny anafenany ny tenany sy ny fomba fiasany. 392

Tsy misy zavatra atahoran’ ilay mpamitaka lehibe tahaka ny hahafantarantsika tsara ny fitaka ataony. Mba ahazoany manarona tsara kokoa ny tena toetrany sy ny fikasany, dia nataony izay hanehoana azy amin’ ny fomba izay tsy hiteraka fihetseham-po afa-tsy fanesoesoana na fanarabiana azy. Mahafaly azy fatratra ny anaovana ny sariny ho toy ny zava-mahatsikaiky na maharikoriko, hafahafa bika, toa biby, toa olona. Mahafinaritra azy ny mandre ny anarany ampiasaina amin’ ny vazivazy sy ny fanarabiana eo amin’ ireo izay mihevitra ny tenany ho manan-tsaina sy mahalala zavatra. Noho izy nahay nanafin-tena tamim-pahakingana fanaperana no andrenesana hatraiza hatraiza ny fanontaniana manao hoe : «Misy tokoa ve izy izany e ?» Porofo mazavan’ ny fahombiazany ireo laha-kevitra izay nampandainga ny fanambarana mivantana ao amin’ ny Soratra Masina ary eken’ ny ankabeazan’ ny mpivavaka. Koa satria azon’ i Satana atao tsotra izao ny mifehy ny sain’ ireo izay tsy mahatsapa ny hery miasa mangina avy aminy, dia izany no anomezan’ ny tenin’ Andriamanitra antsika ohatra be dia be ny amin’ ny asa ratsiny, izay manala sarona eo imasontsika ny heriny miafina, ka dia mampitandrina antsika amin’ izany amin’ ny famelezany afitsony. Tena tokony hampivadi-po antsika tokoa ny hery sy ny hafetsen’ i Satana sy ny an’ ny tafika momba azy raha tsy azontsika atao ny mahita fialofana eo amin’ ny hery lehibe kokoa an’ ilay Mpanavotra antsika. Hamafisintsika fatratra ny tranontsika amin’ ny alalan’ ny karetsaka sy ny hidim-baravarana mba hiarovantsika ny fananantsika sy ny aintsika amin’ ny olon-dratsy ; nefa mahalana no hiheverantsika ireo anjely ratsy izay tsy mijanona ny mitady lalana ho eo amintsika, ary tsy manana fomba ho enti-miaro ny tenantsika amin’ ny fanafihana ataony isika, raha ny herintsika samirery. Raha avela hanao izany izy, dia ho vitany ny hahatonga antsika ho very saina, ny hampikorontana sy hampijalijaly ny tenantsika, ny handrava ny fananantsika sy handringana ny aintsika. Ny hany fahafinaretana ho azy ireny dia ny mampahory sy mandrava. Mahatsiravina ny manjo izay mandà tsy hankatò an’ Andriamanitra fa mitolo-batana amin’ ny fakampanahin’ i Satana, satria amin’ ny farany dia hafoin’ Andriamanitra hianjadian’ ny fanahy ratsy izy. Fa ireo izay manaraka an’ i Kristy kosa dia voaaro mandrakariva noho ny fiambenany sy ny fikarakarany. Misy anjely mahery indrindra hirahina avy any andanitra hiaro azy. Tsy vakin’ ilay ratsy ny fiarovana izay nahodidin’ Andriamanitra ny vahoakany. 393

Tsy voasakana anefa ny fikasan’ i Kristy. Navelany handringana ny andian-kisoa ny

fanahy ratsy ho famaizana ireo Jiosy izay niompy ireny biby maloto ireny ahazoam-bola.

Raha tsy noho ny fisakanan’ i Jesosy ny demonia dia ho nazerany tany an-dranomasina, tsy

ny kisoa ihany, fa na dia ny mpiandry sy ny tompony koa aza. Ny fiarovana ny mpiandry sy

ny tompony dia avy tamin’ ny heriny irery ihany izay nampiasainy tamim-pamindrampo

mba hanafahany azy ireo. Ankoatr’ izany, dia navela hitranga io toe-javatra io mba hahitan’

ny mpianatra maso ny hery mahatsiravina ananan’ i Satana eo amin’ ny olona sy ny biby.

Tian’ ny Mpamonjy ny hahafantaran’ ny mpanaraka Azy an’ ilay fahavalo izay hosetrainy

mba tsy hahavoafitaka azy sy handreseny ny saim-petsy ataony. Sitrapony koa ny hahitan’

ny olona tao amin’ io faritra io ny heriny manapaka ny fanandevozan’ i Satana sy mahafaka

ny babony. Ary na dia lasa aza ny tenan’ i Jesosy, ireo olona izay nafahany tamin’ ny fomba

mahagaga kosa dia nijanona hanambara ny famindrampon’ Ilay nanao soa taminy.

Misy ohatra hafa mifanahatahaka amin’ izany koa voarakitra ao amin’ ny Soratra

Masina. Nampijalian’ ny devoly fatratra izay noroahan’ i Jesosy tamin’ ny alalan’ ny teniny

ny zanakavavin’ ilay vehivavy Syro-foinikiana voalaza ao amin’ ny Marka 7 : 26-30. Nisy

«lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana» 11 ; nisy zazalahy iray azompanahy

moana izay nampianjera azy «matetika tao anaty afo sy tao anaty rano hamonoany

azy» 12 ; ilay olona very saina nampahorian’ ny «fanahin’ ny demonia maloto» 13, ka

nanakorontana ny Sabata nilamina tao amin’ ny synagoga tany Kapemaomy — ireo rehetra

ireo dia samy nositranin Ilay Mpamonjy be fiantra avokoa. Tamin’ ny ankabeazany, dia

niteny tamin’ ny demonia toy ny tamin’ ny manan-tsaina i Kristy, ka nandidy azy hivoaka

tamin’ ny olona azony ka tsy hampahory azy intsony. Ireo mpivavaka tany Kapernaomy ,

raha nahita ny heriny mahagaga, dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe : «Manao

ahoana izao teny izao ! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto dia

nivoaka ireo» 14.

Araka ny fahita dia mijaly mafy ny olona azon’ ny demonia ; nisy tsy araka izany anefa.

Nisy nandray tsara ny hery miasa mangina avy amin’ i Satana mba ahazoany hery ambony

noho izay ananan’ ny olombelona rahateo. Mazava ho azy fa tsy niady tamin’ ny demonia

ireny. Anisan’ izany ireo izay nanana fanahy mahavaly, — Simona mpanao ody, Elyma

mpanao fanafody, sy ilay zazavavy mpanaraka an’ i Paoly sy Silasy tany Filipia.

Tsy misy olona tandindomin-doza lehibe tokoa noho ny asan’ ny herin’ ireo fanahy ratsy

ireo tahaka izay tsy miraharaha ny teny mivantana maro ao amin’ ny Soratra Masina, ka

mandà ny fisian’ ny devoly sy ny anjeliny ary ny fomba fiasan’ ireo. Raha mbola minia tsy

mahafantatra ny hafetsen’ izy ireny isika, dia manana tombondahiny faran’ izay makadiry

amintsika izy ; maro no nihaino ny soso-keviny nefa mihevitra ho manaraka ny baikon’ ny

fahendren’ tenany. Izany no antony ampielezan’ i Satana hatraiza hatraiza ny finoana fa tsy

misy izy, raha manatona ny faran’ izao tontolo izao isika, dia amin’ ny fotoana izay iasan’ i

Satana amin-kery lehibe indrindra hamitahany sy handrmganany. Tetika ampiasainy ny

anafenany ny tenany sy ny fomba fiasany.

392

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!