Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

hamonjy an’ i Lota, lehilahy marina, ho afaka tamin’ ny afo mirehitra nandevonana io tanàna io ; tamin’ i Elia, raha efa saiky maty noho ny harerahana sy ny hanoanana tany anefitra izy ; tamin’ i Elisa, tamin’ ny kalesy sy soavaly afo nanodidina ilay tanàna kely nanaovan’ ireo fahavalony azy fahirano ; tamin’ i Daniela, raha nitady ny fahendren’ Andriamanitra tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka jentilisa izy, na navela ho viravirain’ ny liona ; tamin’ i Petera, raha voaheloka ho faty tao amin’ ny tranomaizin’ i Heroda izy ; tamin’ ireo mpifatotra tany Filipia ; tamin’ i Paoly sy ireo niara-dia taminy tao amin’ ny alina nisian’ ny tafio-drivotra tany an-dranomasina ; mba hanokatra ny sain’ i Komelio handray ny filazantsara ;mba haniraka an’ i Petera hitondra ny hafatry ny famonjena ho an’ ilay vahiny jentilisa — toy izany no niasan’ ireo anjely masina, nandritra ny taonjato nifandimby, hanao fanompoana ho an’ ny vahoakan’ Andriamanitra. Misy anjely mpiambina notendrena ho an’ ny mpanaraka an’ i Kristy tsirairay. Miaro ny marina amin’ ny herin’ ilay ratsy ireo mpiambina avy any an-danitra ireo. Miaiky izany i Satana raha nanao hoe:«Moa tsy fanantenan-javatra va no ahatahoran’ i Joba an’ Andriamanitra ? Tsy Ianao va no nanao fefy manodidina ny tranony ary nanodidina izay ananany rehetra ?» 7 Asehon’ ny mpanao Salamo ny fomba izay iarovan’ Andriamanitra ny vahoakany : «Ny anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy» 8. Hoy ny Mpamonjy raha niteny tamin’ ireo izay nino Azy : «Mitandrema fandrao manao tsinontsinona na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo : Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra» 9. Ireo anjely notendrena hanompo ny zanak’ Andriamanitra dia afaka mankeo anatrehany amin’ ny fotoana rehetra. Noho izany dia azon’ ny vahoakan’ Andriamanitra antoka ny fiarovana tsy miato ataon’ ny anjelin’ ny lanitra, raha miatrika ny hery mamitaka sy ny ankasomparana tsy an-kiato afitsoky ny andrianan’ ny maizina izy, sy raha mifanandrina amin’ ny hery rehetra ampiasain’ ny devoly. Tsy natao izany fanomezan-toky izany raha tsy misy ilana azy. Raha nampanantena ny fahasoavany sy ny fiarovany ny zanany Andriamanitra, dia satria misy anjely ratsy mahery hotoheriny marobe izy ireny, vonombonona, ary tsy mety sasatra, ka ny sain-dratsiny sy ny hery ananany dia tsy azo hodian-tsy fantatra na atao mosalahy ka tsy hampidi-doza. Ireo fanahy ratsy izay noharina tsy nanana ota tamin’ ny voalohany, dia nitovy toetra, hery sy voninahitra tamin’ ny anjely masina izay mpitondra hafatr’ Andriamanitra ankehitriny. Nefa rehefa lavo noho ny fahotana izy, dia nivondrona hanala baraka an’ Andriamanitra sy handringana ny olombelona. Niandany tamin’ i Satana izy tamin’ ny fikomiana nataony, voaroaka niaraka taminy avy tany an-danitra, ary nandritra ireo taonjato nifandimby dia niara-niasa taminy teo amin’ ny ady nataony nanohitra ny fahefan’ Andriamanitra. Lazaina amintsika ao amin’ ny Soratra Masina ny amin’ ny fiokoany sy ny fitondram-panjakany, ny amin’ ny antokony samihafa, ny amin’ ny sainy sy ny hafetseny, ary ny amin’ ny fikasany hisompatra ny fiadanana sy ny fahasambaran’ ny olona. 390

Ny tantara ao amin’ ny Testamenta Taloha dia milaza indraindray ny amin’ ny fisian’ izy ireo sy ny fomba fiasany ;fa nandritra ny fotoana naha-teto an-tany an’ i Kristy no nanehoan’ ireo anjely ratsy ny heriny tamin’ ny fomba manaitra indrindra. Tonga i Kristy hanatontosa ilay drafitra voavolavola ho enti-manavotra ny olona, koa tapa-kevitra i Satana hanamafy ny zony hifehy an’ izao tontolo izao. Efa naha-tafaorina ny fanompoan-tsampy manerana an’ izao tontolo izao izy afa-tsy tany Palestina ihany. Teo amin’ ny tany izay hany tsy nilefitra tanteraka tamin’ ny fanapahan’ ilay mpaka fanahy no nahatongavan’ i Kristy hampamirapiratra ny fahazavan’ ny lanitra teo amin’ ny vahoaka. Hery roa mifandrafy no nifandona teto hahazo ny fahefana fara-tampony. Nanatsotra ny sandrim-pitiavany i Jesosy, niantso izay rehetra nety hahita famelan-keloka sy fiadanana ao Aminy. Hitan’ ireo tafiky ny maizina fa voafetra ny fahefany hifehy ary azony tsara fa raha mahomby ny iraka nampanaovina an’ i Kristy, dia hifarana tsy ho ela ny fanapahany. Romotra tahaka ny liona voafatotra i Satana ary nanao fihantsiana tamin’ ny fampideraderana ny fahefany izy na tamin’ ny tenan’ ny olombelona na tamin’ ny fanahiny. Aseho mibaribary ao amin’ ny Testamenta Vaovao fa nisy olona nitoeran’ ny demonia. Ny olona azon-doza toy izany dia tsy voan’ ny aretina avy amin’ ny antony mahazatra fotsiny. Fantatr’ i Kristy tanteraka izay nifanehatra taminy, ary tsapany mazava ny fanatrehana mivantana sy ny asan’ ny fanahy ratsy. Misy ohatra manaitra ny amin’ ny isany, ny heriny sy ny haratsiam-panahiny, ary koa momba ny hery sy ny famindrampon’ i Kristy omena ao amin’ ny Soratra Masina eo amin’ ny fitantarana ny amin’ ny nanasitranana ireo demoniaka tany Gadarena. Ireo adala mahantra ireo, izay nanifakifaka izay rehetra namatorana azy, niolanolana, nandoa vory, romodromotra, dia nameno ny rivotra tamin’ ny kiakiakany, nanao herisetra tamin’ ny tenany ary nampidi-doza izay rehetra nanatona azy. Finaritra mijery ny tenany nivoa-dra sy rotidrotika ary ny sainy very ilay andrianan’ ny maizina. Hoy ny anankiray tamin’ ireo demonia izay nifehy ireo olona fadiranovana : «Legiona no anarako, satria maro izahay» 10. Tao amin’ ny tafika Rornana ny legiona dia nisy telo arivo ka hatramin’ ny dimy arivo lahy . Voazara ho antoko koa ny tafik’ i Satana, ary ny antoko iray nisy ireo demonia dia tsy latsaka noho ny legiona ny isan’ ny demonia tao. Rehefa nibaiko i Jesosy dia nialan’ ny demonia ireto olona nampahoriny, ka lasa nipetraka tsimoramora teo an-tongotry ny Mpamonjy, tony, ary saina, ary nalemy paika. Navela hifaoka andian-kisoa ho any an-dranomasina kosa ireo demonia ;ho an’ ireo mponina tao Gadarena dia navesa-danja kokoa ny fatiantoka tamin’ ny kisoa noho ny fitahiana izay nomen’ i Kristy, koa dia niangavy an’ Ilay Andriamanitra Mpanasitrana handeha izy. Io no vokatra nokendren’ i Satana ho azo. Jesosy no nomeny tsiny tamin’ ny fatiantoka nanjo azy ireo, ary tamin’ izany no namohazany tahotra nombam-pitiavan-tena tao amin’ ny vahoaka, ka nisakanany azy tsy hihaino ny teniny. Miampanga mandrakariva ny Kristiana ho anton’ ny fatiantoka, ny fahoriana sy ny fijaliana i Satana, fa tsy mamela ny tsiny hianjera amin’ izay tena meloka, dia ny tenany sy ireo anjeliny. 391

Ny tantara ao amin’ ny Testamenta Taloha dia milaza indraindray ny amin’ ny fisian’ izy

ireo sy ny fomba fiasany ;fa nandritra ny fotoana naha-teto an-tany an’ i Kristy no

nanehoan’ ireo anjely ratsy ny heriny tamin’ ny fomba manaitra indrindra. Tonga i Kristy

hanatontosa ilay drafitra voavolavola ho enti-manavotra ny olona, koa tapa-kevitra i Satana

hanamafy ny zony hifehy an’ izao tontolo izao. Efa naha-tafaorina ny fanompoan-tsampy

manerana an’ izao tontolo izao izy afa-tsy tany Palestina ihany. Teo amin’ ny tany izay hany

tsy nilefitra tanteraka tamin’ ny fanapahan’ ilay mpaka fanahy no nahatongavan’ i Kristy

hampamirapiratra ny fahazavan’ ny lanitra teo amin’ ny vahoaka. Hery roa mifandrafy no

nifandona teto hahazo ny fahefana fara-tampony. Nanatsotra ny sandrim-pitiavany i Jesosy,

niantso izay rehetra nety hahita famelan-keloka sy fiadanana ao Aminy. Hitan’ ireo tafiky

ny maizina fa voafetra ny fahefany hifehy ary azony tsara fa raha mahomby ny iraka

nampanaovina an’ i Kristy, dia hifarana tsy ho ela ny fanapahany. Romotra tahaka ny liona

voafatotra i Satana ary nanao fihantsiana tamin’ ny fampideraderana ny fahefany izy na

tamin’ ny tenan’ ny olombelona na tamin’ ny fanahiny.

Aseho mibaribary ao amin’ ny Testamenta Vaovao fa nisy olona nitoeran’ ny demonia.

Ny olona azon-doza toy izany dia tsy voan’ ny aretina avy amin’ ny antony mahazatra

fotsiny. Fantatr’ i Kristy tanteraka izay nifanehatra taminy, ary tsapany mazava ny

fanatrehana mivantana sy ny asan’ ny fanahy ratsy.

Misy ohatra manaitra ny amin’ ny isany, ny heriny sy ny haratsiam-panahiny, ary koa

momba ny hery sy ny famindrampon’ i Kristy omena ao amin’ ny Soratra Masina eo amin’

ny fitantarana ny amin’ ny nanasitranana ireo demoniaka tany Gadarena. Ireo adala

mahantra ireo, izay nanifakifaka izay rehetra namatorana azy, niolanolana, nandoa vory,

romodromotra, dia nameno ny rivotra tamin’ ny kiakiakany, nanao herisetra tamin’ ny

tenany ary nampidi-doza izay rehetra nanatona azy. Finaritra mijery ny tenany nivoa-dra sy

rotidrotika ary ny sainy very ilay andrianan’ ny maizina. Hoy ny anankiray tamin’ ireo

demonia izay nifehy ireo olona fadiranovana : «Legiona no anarako, satria maro izahay» 10.

Tao amin’ ny tafika Rornana ny legiona dia nisy telo arivo ka hatramin’ ny dimy arivo lahy .

Voazara ho antoko koa ny tafik’ i Satana, ary ny antoko iray nisy ireo demonia dia tsy

latsaka noho ny legiona ny isan’ ny demonia tao.

Rehefa nibaiko i Jesosy dia nialan’ ny demonia ireto olona nampahoriny, ka lasa

nipetraka tsimoramora teo an-tongotry ny Mpamonjy, tony, ary saina, ary nalemy paika.

Navela hifaoka andian-kisoa ho any an-dranomasina kosa ireo demonia ;ho an’ ireo

mponina tao Gadarena dia navesa-danja kokoa ny fatiantoka tamin’ ny kisoa noho ny

fitahiana izay nomen’ i Kristy, koa dia niangavy an’ Ilay Andriamanitra Mpanasitrana

handeha izy. Io no vokatra nokendren’ i Satana ho azo. Jesosy no nomeny tsiny tamin’ ny

fatiantoka nanjo azy ireo, ary tamin’ izany no namohazany tahotra nombam-pitiavan-tena

tao amin’ ny vahoaka, ka nisakanany azy tsy hihaino ny teniny. Miampanga mandrakariva

ny Kristiana ho anton’ ny fatiantoka, ny fahoriana sy ny fijaliana i Satana, fa tsy mamela ny

tsiny hianjera amin’ izay tena meloka, dia ny tenany sy ireo anjeliny.

391

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!