Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 30—Fifandrafiana eo Amin’ nyOolombelona sy Satana «Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany, izy hanorotoro ny lohanao. ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony»1. Ilay didimpitsarana navoakan’ Andriamanitra tamin’ i Satana rehefa lavo ny olombelona, dia faminaniana koa, faminaniana izay mahafaoka ny taona rehetra hifandimby hatramin’ ny andro farany ary manambara mialoha ny ady lehibe izay handraisan’ ny taranak’ olombelona rehetra velona eto ambonin’ ny tany anjara. Hoy Andriamanitra hoe: «Hampifandrafesiko». Io fifandrafiana io dia tsy voajanahary. Rehefa nandika ny didin’ Andriamanitra ny olona, dia nanjary ratsy ny toetra fototra mahaizy azy, ary nifanaraka tamin’ i Satana izy, fa tsy nisaraka taminy. Tsy misy fifandrafiana tonga ho azy amin’ ny olona mpanota sy ilay niavian’ ny fahotana. Samy nanjary ratsy izy ireo noho ny fihemorana. Tsy mitoe-poana mihitsy ilay mpihemotra raha tsy miray fo aminy sy manohana azy ireo izay taominy hanaraka ny ohatra nomeny. Noho io antony io dia manao fara-hery mba hiara-dia ny anjely lavo sy ireo ratsy fanahy. Raha tsy nisalovana tamin’ ny fomba manokana Andriamanitra, dia ho niray hina hiady tamin’ ny Lanitra i Satana sy ny olombelona; ary tsy ho nandrafy an’ i Satana ny fianakavian’ ny olombelona manontolo fa ho niara-nioko hanohitra an’ Andriamanitra. Naka fanahy ny olona hanota i Satana, tahaka ny nitarihany ny anjely hikomy, mba hahazoany antoka amin’ izany fa hanampanampy izy amin’ ny ady ataony amin’ ny Lanitra. Tsy nisy fifandirana taminy sy ireo anjely lavo raha ny momba ny fankahalany an’ i Kristy; raha nisy zavatra hafa nifanolanany, dia nifanaran-tsaina tanteraka kosa izy ireo teo amin’ ny fanoherany ny fahefan’ Ilay Mpifehy an’ izao rehetra izao. Fa rehefa ren’ i Satana ny fanambarana fa hisy fifandrafiana aminy sy amin’ ny vehivavy, amin’ ny taranany sy amin’ ny taranaky ny vehivavy, dia fantany fa ho voasakantsakana ny fiezahany hanimba ny maha-olombelona; fantany fa misy fomba hahazoan’ ny olona manohitra ny heriny. Nirehitra ny fandrafian’ i Satana ny taranak’ olombelona, satria, amin’ ny alalan’ i Kristy, dia iantefan’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony izy Tiany hosembanana ny drafitra nataon’ Andriamanitra momba ny fanavotana ny olombelona, tiany ny hanala-baraka an’ Andriamanitra amin’ ny fanimbana ny endriky ny sangan’ asany sy amin’ ny fandotoana azy; tadiaviny hahatonga alahelo any an-danitra sy hameno ny tany amin’ ny loza amampahoriana. Ary dia tondroiny ho vokatry ny asan’ Andriamanitra tamin’ ny namoronany ny olombelona ireo ratsy rehetra ireo. Ny fahasoavana izay volen’ i Kristy ao amin’ ny fanahy no miteraka ny fandrafiana an’ i Satana ao amin’ ny olona. Raha tsy io fahasoavana manova io sy io hery manavao io, dia mbola ho babon’ i Satana ihany ny olombelona, ho mpanompo vonona mandrakariva hanaraka ny baikony. Ilay foto-kevitra vaovao ao amin’ ny fanahy anefa dia miteraka ady eo amin’ izay nisy fiadanana hatramin’ izay. Ny hery izay omen’ i Kristy dia mahatonga ny olona ho afaka hanohitra ilay mpampahory sy mpisandoka. Na iza na iza hita fa mankahala 384

ny fahotana fa tsy tia izany, na iza na iza manohitra ka mandresy ireo filana ambany izay manapaka ao anaty, dia mampiseho fa miasa ao aminy ilay foto-kevitra avy any ambony. Ny fifanoherana misy eo amin’ ny toe-tsain’ i Kristy sy ny toetsain’ i Satana dia naseho tamin’ ny fomba nanaitra indrindra teo amin’ ny nandraisan’ izao tontolo izao an’ i Jesosy. Izy tsy dia niseho tamin’ ny harena, ny rendrarendra, na tamin’ ny fahalehibeazan’ izao tontolo izao loatra tsy akory no nahatarika ny Jiosy handà Azy. Hitany fa nanana hery izay ampy tokoa ho onitry ny fahabangan’ ireo tombon-tsoa ireo Izy. Fa noho ny fahadiovantoetra sy ny fahamasinan’ i Kristy no nahatonga ny fankahalan’ izay tsy nanana toe-panahy araka an’ Andriamanitra Azy. Fanomezan-tsiny lalandava ho an’ ny vahoaka mirehareha, andevon’ ny filany ny fiainany feno fandavan-tena sy ny fitiavam-bavaka tsy misy fahotana teo aminy. Izany no nitarika fandrafiana tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra. Niray tamin’ i Satana sy ny anjeliny ny ratsy fanahy. Ny herin’ ny fihemorana rehetra no nivondrona hanohitra ilay mpiady mahery fon’ ny fahamarinana. Io fandrafiana io ihany koa no mahazo ny mpanaraka an’ i Kristy tahaka izay nanjo ny Tompony koa. Na iza na iza mahita ny toetra maharikorikon’ ny fahotana, ka manohitra ny fakam-panahy amin’ ny hery avy any ambony, dia ho azony antoka fa hirongatra hamely azy ny fahatezeran’ i Satana sy ireo mpanaraka azy. Raha mbola nisy koa ny ota sy ny mpanota dia hisy hatrany koa ny fankahalana ny foto-kevitra madion’ ny fahamarinana, sy ny fanomezan-tsiny ary ny fanenjehana ireo mpiaro azy. Tsy afaka hifanara-tsaina ny mpanaraka an’ i Kristy sy ny mpanompon’ i Satana. Tsy mbola tapitra ny fanafintohinana noho ny hazo fijaliana. «Izay rehetra tc-ho velona araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina»2. Miasa mandrakariva eo ambany fitarihan’ i Satana ireo izay ampiasainy hampitoetra ny fahefany sy hanangana ny fanjakany hifanohitra amin’ ny an’ Andriamanitra. Mba hanatrarany izany, dia miezaka izy hamitaka ny mpanaraka an’ i Kristy ka hitaona azy ampitaka hiala amin’ ny fanoavany. Tahaka ilay mpitarika azy ireo, dia adikany vilana sy aolany ny hevitry ny Soratra Masina mba hahatrarany izay kendreny. Tahaka an’ i Satana miezaka ny hanome tsiny an’ Andriamanitra, dia toy izany koa ireo fiasana eo an-tanany mitady izay hanaratsiana ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny fanahy izay nahatonga famonoana an’ i Kristy no manetsika koa ny ratsy fanahy handringana ny mpanaraka Azy. Izany rehetra izany no voalaza mialoha ao amin’ ity faminaniana voalohany ity hoe : «Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany». Ary hitohy izany hatramin’ ny faran’ ny andro. Vorin’ i Satana ny tafiny rehetra ary atobany ho amin’ ny ady ny heriny rehetra. Nahoana no tsy misy fanoherana bebe kokoa hosetrainy ? Nahoana ny miaramilan’ i Kristy no rendremana sy tsy miraika toy izao ? Satria kely loatra ny fifandraisana marina ananany amin’ i Kristy ; satria tsy manana ny Fanahiny izy. Tsy mahatsiravina ary tsy maharikoriko azy ny fahotana, tsy tahaka ny fihevitry ny Tompony izany. Tsy misetra ny fahotana, tahaka ny nataon’ i Kristy, amin’ ny fanoherana matotra sy hentitra izy. Tsy tsapany ny tena maha- 385

Toko 30—Fifandrafiana eo Amin’ nyOolombelona sy

Satana

«Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany, izy

hanorotoro ny lohanao. ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony»1. Ilay didimpitsarana

navoakan’ Andriamanitra tamin’ i Satana rehefa lavo ny olombelona, dia

faminaniana koa, faminaniana izay mahafaoka ny taona rehetra hifandimby hatramin’ ny

andro farany ary manambara mialoha ny ady lehibe izay handraisan’ ny taranak’

olombelona rehetra velona eto ambonin’ ny tany anjara.

Hoy Andriamanitra hoe: «Hampifandrafesiko». Io fifandrafiana io dia tsy voajanahary.

Rehefa nandika ny didin’ Andriamanitra ny olona, dia nanjary ratsy ny toetra fototra mahaizy

azy, ary nifanaraka tamin’ i Satana izy, fa tsy nisaraka taminy. Tsy misy fifandrafiana

tonga ho azy amin’ ny olona mpanota sy ilay niavian’ ny fahotana. Samy nanjary ratsy izy

ireo noho ny fihemorana. Tsy mitoe-poana mihitsy ilay mpihemotra raha tsy miray fo aminy

sy manohana azy ireo izay taominy hanaraka ny ohatra nomeny. Noho io antony io dia

manao fara-hery mba hiara-dia ny anjely lavo sy ireo ratsy fanahy. Raha tsy nisalovana

tamin’ ny fomba manokana Andriamanitra, dia ho niray hina hiady tamin’ ny Lanitra i

Satana sy ny olombelona; ary tsy ho nandrafy an’ i Satana ny fianakavian’ ny olombelona

manontolo fa ho niara-nioko hanohitra an’ Andriamanitra.

Naka fanahy ny olona hanota i Satana, tahaka ny nitarihany ny anjely hikomy, mba

hahazoany antoka amin’ izany fa hanampanampy izy amin’ ny ady ataony amin’ ny Lanitra.

Tsy nisy fifandirana taminy sy ireo anjely lavo raha ny momba ny fankahalany an’ i Kristy;

raha nisy zavatra hafa nifanolanany, dia nifanaran-tsaina tanteraka kosa izy ireo teo amin’

ny fanoherany ny fahefan’ Ilay Mpifehy an’ izao rehetra izao. Fa rehefa ren’ i Satana ny

fanambarana fa hisy fifandrafiana aminy sy amin’ ny vehivavy, amin’ ny taranany sy amin’

ny taranaky ny vehivavy, dia fantany fa ho voasakantsakana ny fiezahany hanimba ny

maha-olombelona; fantany fa misy fomba hahazoan’ ny olona manohitra ny heriny.

Nirehitra ny fandrafian’ i Satana ny taranak’ olombelona, satria, amin’ ny alalan’ i

Kristy, dia iantefan’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony izy Tiany

hosembanana ny drafitra nataon’ Andriamanitra momba ny fanavotana ny olombelona, tiany

ny hanala-baraka an’ Andriamanitra amin’ ny fanimbana ny endriky ny sangan’ asany sy

amin’ ny fandotoana azy; tadiaviny hahatonga alahelo any an-danitra sy hameno ny tany

amin’ ny loza amampahoriana. Ary dia tondroiny ho vokatry ny asan’ Andriamanitra tamin’

ny namoronany ny olombelona ireo ratsy rehetra ireo.

Ny fahasoavana izay volen’ i Kristy ao amin’ ny fanahy no miteraka ny fandrafiana an’ i

Satana ao amin’ ny olona. Raha tsy io fahasoavana manova io sy io hery manavao io, dia

mbola ho babon’ i Satana ihany ny olombelona, ho mpanompo vonona mandrakariva

hanaraka ny baikony. Ilay foto-kevitra vaovao ao amin’ ny fanahy anefa dia miteraka ady eo

amin’ izay nisy fiadanana hatramin’ izay. Ny hery izay omen’ i Kristy dia mahatonga ny

olona ho afaka hanohitra ilay mpampahory sy mpisandoka. Na iza na iza hita fa mankahala

384

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!