Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

noho ny faniriany hahazo ny voninahitra sy ny fahefana fara-tampony, Kristy kosa dia nampietry ny tenany ary nankatò hatramin’ ny fahafatesana, mba handringanana ny fahotana. Efa nasehon’ Andriamanitra ny faharikorikoany ny foto-kevitra iorenan’ ny fikomiana. Hitan’ ny lanitra manontolo ny fahamarinany voaseho na teo amin’ ny fanamelohana an’ i Satana na teo amin’ ny fanavotana ny olona. Nambaran’ i Losifera fa raha tsy azo ovana ny lalàn’ Andriamnitra, ary tsy azo foanana ny sazin’ ny tsy fankatoavana dia tsy maintsy ho voaroaka mandrakizay tsy ho amin’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra izay rehetra mandika ny lalàny. Notakiny ny tsy ahazoana manavotra intsony ny taranaka nanota ka dia ho hazany ara-dalàna izy. Fonjan-kevitra hoenti-mamonjy ny olona tsy azo lavina anefa ny fahafatesan’ i Kristy. Nianjady tamin’ Ilay mitovy amin’ Andriamanitra ny sazin’ ny lalàna, koa manana fahafahana hanaiky ny fahamarinan’ i Kristy ny olombelona ary afaka handresy amin’ ny alalan’ ny fiaiken-keloka sy fanetrentena, tahaka ny efa nandresen’ ny Zanak’ Andriamanitra koa , ny herin’ 1 Satana. Noho izany dia sady marina Andriamanitra no manamarina koa izay rehetra mino an’ i Jesosy. Tsy hanatanteraka ny fanavotana fotsiny anefa no nahatongavan’ i Kristy teto an-tany hijaly sy ho faty. Tonga koa Izy «hahalehibe ny lalàna sy hahabe voninahitra» azy. Tsy ny mba hahatonga ny mponina eto amin’ ity izao tontolo izao ity ihany hihevitra ny lalàna araka izay tokony hiheverana azy ; fa koa mba hanehoana amin’ ny tontolo rehetra fa tsy azo ovana ny lalàn’ Andriamanitra. Raha azo natao mantsy ny tsy niraharaha izay takiany, dia tsy ho nilaina akory ny nanoloran’ ny Zanak’ Andriamanitra ny ainy ho avotra noho ny fandikana izany. Voaporofon’ ny fahafatesan’ i Kristy mazava fa tsy azo ovana ny lalàna. Ary ny sorona izay naneren’ ny fitiavana mandrakizay ny Ray sy ny Zanaka hatao, mba hanavotana ny mpanota, dia mampibaribary amin’ izao rehetra izao manontolo — ary izay latsaka noho io drafitry ny fanavotana io dia tsy ho nahavita izany — fa fahamarinana sy famindrampo no fanorenan’ ny lalàna sy ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Amin’ ny fampiharana farany ny didim-pitsarana dia ho hita fa tsy misy antony hisian’ ny fahotana. Rehefa hanontany an’ i Satana ny Mpitsara ny tany rehetra hoe: «Nahoana ianao no nikomy tamiko, ary nandrombaka avy teo an-tanako ireo olona teo amin’ ny fanjakako?» dia tsy hanan-kalahatra ilay niavian’ ny ratsy. Ho tampina ny vava rehetra ary ho sina ny tafiky ny fikomiana rehetra. Manambara ny tsy fiovan’ ny lalàna ny hazo fijalian’ i Kalvary sady mitory amin’ izao rehetra izao fa fahafatesana no tambin’ ny ota, Teo amin’ ny antso nataon’ ny Mpamonjy teo am-pialan’ aina hoe «Vita», no nanenoan’ ny lakolosim-paty ho an’ i Satana. Tapaka tamin’ izay ny amin’ ilay ady lehibe izay efa ela loatra no naharetany, ary azo antoka ny fanafoanana hatramin’ ny fakany ny ratsy, Niditra ny varavaram-pasana ny Zanak’ Andriamanitra mba «handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly»9 . Ny fanirian’ i Losifera hanandran-tena dia nitarika azy hilaza hoe: «Any ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; 382

... ho tahaka ny Avo Indrindra aho». Hoy kosa Andriamanitra: «Hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany ianao, . . . ary tsy ho ao intsony mandrakizay»10. «Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy hasiana miangana, na ny fakany na ny sampany»11. Izao tontolo rehetra izao no ho tonga vavolombelon’ ny toetry ny fahotana sy ny vokany. Koa ny fandevonana azy tanteraka, izay nety nahatonga tahotra tamin’ ny anjely sy fahafaham-baraka ho an’ Andriamanitra tany am-boalohany, dia hanamarina kosa ny fitiavany sy hampitoetra ny fanajana Azy eo imason’ ny mponina eo amin’ izao rehetra izao izay tia ny manao ny sitrapony ary izay manana ny lalàna ao am-pony. Tsy hiseho intsony na oviana na oviana ny ratsy. Hoy ny tenin’ Andriamanitra: «Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana»12. Hohajaina amin’ ny maha-lalàn’ ny fahafahana azy ny lalàn’ Andriamanitra, izay nokianin’ i Satana ho ziogam-panandevozana. Ny voary izay nandalo fisedrana ka hita ho mahatoky, dia tsy hiala intsony amin’ ny fanaovana Ilay voaseho tanteraka teo anatrehany fa ny toetrany dia fitiavana tsy hita fetra sy fahendrena tsy takatry ny saina. 383

... ho tahaka ny Avo Indrindra aho». Hoy kosa Andriamanitra: «Hataoko tonga lavenona eny

ambonin’ ny tany ianao, . . . ary tsy ho ao intsony mandrakizay»10. «Fa indro, avy ny andro,

mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy

rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny

maro, ka tsy hasiana miangana, na ny fakany na ny sampany»11.

Izao tontolo rehetra izao no ho tonga vavolombelon’ ny toetry ny fahotana sy ny vokany.

Koa ny fandevonana azy tanteraka, izay nety nahatonga tahotra tamin’ ny anjely sy

fahafaham-baraka ho an’ Andriamanitra tany am-boalohany, dia hanamarina kosa ny

fitiavany sy hampitoetra ny fanajana Azy eo imason’ ny mponina eo amin’ izao rehetra izao

izay tia ny manao ny sitrapony ary izay manana ny lalàna ao am-pony. Tsy hiseho intsony

na oviana na oviana ny ratsy. Hoy ny tenin’ Andriamanitra: «Tsy hiverina fanindroany ny

fahoriana»12. Hohajaina amin’ ny maha-lalàn’ ny fahafahana azy ny lalàn’ Andriamanitra,

izay nokianin’ i Satana ho ziogam-panandevozana. Ny voary izay nandalo fisedrana ka hita

ho mahatoky, dia tsy hiala intsony amin’ ny fanaovana Ilay voaseho tanteraka teo

anatrehany fa ny toetrany dia fitiavana tsy hita fetra sy fahendrena tsy takatry ny saina.

383

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!