Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

nahomby — satria nihambo izy ireo fa tsy nanan-tsiny voan’ ny tsindrihazolena, dia voaroaka niala tany an-danitra izy nony farany. Ny toe-tsaina izay nahatonga ny fikomiana tany an-danitra no mbola manentana koa ny fikomiana ety an-tany. Notohizan’ i Satana tamin’ ny olona ny tetika nampiasainy tamin’ ny anjely. Manjaka ao amin’ny zanaky ny tsy fanarahana izao ny toe-tsainy. Tahaka ny nataony, dia mitady ny hanapaka ny fifehezan’ ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo ka hampanantena fahafahana amin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny fandikana ny didiny. Mbola mampirongatra ny fankahalana sy ny fanoherana ihany ny fanakianana noho ny fahotana. Rehefa entina amohazana ny feon’ ny fieritreretana ireo hafatra fampitandremana avy amin’ Andriamanitra, dia taomin’ i Satana ny olona hanamarin-tena sy hitady ny hafa hiandany aminy amin’ ny filibany amin’ ny fahotana. Tsy manitsy ny fahadisoany izy ireo, fa mamporisika ny fahasosorana amin’ ilay mpananatra, tahaka ny izy iny no hany iavian’ ny olana. Hatramin’ ny andron’ i Abela marina ka hatramin’ izao androntsika izao dia toy izany ny toe-tsaina aseho tamin’izay sahy nanameloka ny fahotana. Ny fanehoana tsy araka ny marina ny toetran’ Andriamanitra, toy ny efa nataony tany an-danitra, ka nahatonga ny olona hihevitra an’ Andriamanitra ho masiaka sy lozabe, no mbola hitarihan’ i Satana ny olombelona hanota. Ary satria nahomby hatrany izy dia nambarany fa ireo fameperana tsy an-drariny nataon’ Andriamanitra no nahatonga ny fahalavoan’ ny olona, tahaka ny efa nitaoman’ izany azy ho amin’ ny fikomiana. Nefa manambara ny toetrany Ilay maharitra mandrakizay : «Jehovah Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ ny olona arivo mandimby ; mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka»5. Tamin’ ny nandroahana an’ i Satana avy tany an-danitra, dia naneho ny fahamarinany Andriamanitra ary nihazona ny voninahitry ny seza fiandrianany. Fa rehefa nanota kosa ny olona tamin’ ny fanekeny ny fitak’ io fanahy nivadika io, dia naneho porofo mibaribary ny fitiavany Izy tamin’ ny fanolorany ny Zanani-lahy tokana ho faty ho an’ ilay taranaka lavo. Eo amin’ ny fanavotana no anambarana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Asehon’ ny fonjankevitra mahery vaika avy amin’ ny hazo fijaliana ho hitan’ ny tontolo rehetra fa tsy azo iampangana na oviana na oviana ny fitondrampanjakan’ Andrimanitra ny lalampahotana nofidin’ i Losifera. Afa-tsarona ny tena toetran’ ilay mpamitaka lehibe teo amin’ ny fifanoheran’ i Kristy sy Satana, nandritra ny fotoana niasan’ ny Mpamonjy tety an-tany. Tsy nisy fomba nahomby kokoa nampiombotra niala tamin’ i Satana ny fitiavan’ ireo anjely sy ny an’ ireo mponina an-danitra tsy nanota, noho ny ady feno halozana nataony tamin’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Ny fitenenan-dratsy sahisahy nataony tamin’ ny nangatahany an’ i Kristy hiankohoka teo anatrehany, ny fahasahiany feno fireharehana nitondrany Azy ho any antampon-tendrombohitra sy ny tempoly, ny fikasan-dratsiny mifono hafetsena tamin’ ny namporisihany Azy hianjera avy tamin’ ny toerana avo mahafanina, ny haromotany tsy 380

nahalala fiatoana nihaza Azy hatraiza hatraiza, ka nanainga ny fon’ ny mpisorona sy ny vahoaka hitsipaka ny fitiavany, ary tamin’ ny farany dia hiantsoantso hoe : «Homboy ! Homboy !» amin’ ny hazo fijaliana Izy izany rehetra izany dia nahazendana sy nahatezitra an’ izao rehetra izao. Satana no nanosika an’ izao tontolo izao hitsipaka an’ i Kristy. Nampiasain’ ilay andrianan’ ny ratsy ny heriny rehetra sy ny hafetseny rehetra handringanana an’ i Jesosy ; hitany mantsy fa ny famindrampo sy ny fitiavan’ ny Mpamonjy, ny fiantrany sy ny halemem-panahiny feno fangorahana, dia mampiseho amin’ izao tontolo izao ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Notoherin’ l Satana avokoa ny fanambarana rehetra nataon’ ny Zanak’ Andriamanitra ary nampiasa ny olona ho fitaovana enti-mameno fahoriana sy fijaliana ny fiainan’ ny Mpamonjy izy. Ny hevi-diso toa marina sy ny fitaka izay niezahana hanakantsakanana ny asan’ i Jesosy, ny fankahalana niseho tamin’ ny alalan’ ny zanaky ny tsy fanarahana, ireo fiampangany lozabe nataony tamin’ Ilay Anankiray Izay niaina tamin’ ny hatsaram-panahy tapitr’ ohatra, izany rehetra izany dia nipoitra avy tamin’ ny otri-po tehamaly faty. Ny afon’ ny fialonana sy ny faharatsiam-panahy, ny fankahalana sy ny valifaty nokoboniny, dia nidedadeda teo Kalvary nandoro ny Zanak’ Andriamanitra, fa ny lanitra manontolo kosa dia sina sy tsiravina raha nibanjina izany toe-javatra izany. Rehefa vita ilay sorona lehibe dia niakatra ho any amin’ ny avo Kristy ary nolaviny ny fiankohofan’ ny anjely mandra-panehoany ilay fangatahany hoe : «Tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy»6. Tamin’ izay dia tonga ny valiny nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianan’ ny Ray, nitafotafo fitiavana sy hery tsy hay lazaina nanao hoe : «Aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany»7. Tsy nisy pentina tafajanona teo amin’ i Jesosy. Tapitra hatreo ny fampietrena Azy, feno ny sorona nataony, ary dia nomena anarana ambonin’ ny anarana rehetra Izy. Ankehitriny dia mihanjahanja tsy misy fialan-tsiny intsony ny fahamelohan’ i Satana. Efa nasehony ny tena toetrany mahampandainga sy mpamono olona azy. Hita izao fa ilay fanahy nifehezany ny zanak’ olombelona teo ambanin’ ny fahefany dia ho nasehony koa raha tahiny navela hanapaka ireo mponin’ ny lanitra izy. Nihambo izy fa hitondra fahafahana sy fisandratana ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ; hita kosa anefa fa fanandevozana sy fitotonganana no vokany. Niseho teo amin’ ny tena fahazavany ny fiampangana mandainga nataon’ i Satana amin’ ny toetran’ Andriamanitra sy ny fitondrampanjakany. Niampanga an’ Andriamanitra ho tsy nitady afa-tsy fanandratan-tena Izy tamin’ ny fitakiany fanekena sy fankatoavana tamin’ ireo nohariany, ary nolazainy fa raha mitaky fandavan-tena amin’ ny hafa rehetra ny Mpamorona, Izy kosa anefa dia tsy mahay mandà ny tenany ary tsy nahafoy na inona na inona. Hita anefa ankehitriny fa mba ho famonjena ilay taranaka lavo sy feno fahotana dia efa nanao ny fahafoizan-tena lehibe indrindra azon’ ny fitiavana natao Ilay Mpanapaka an’ izao rehetra izao; fa «Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy»8. Hita koa, fa raha nampidanadana ny varavarana hidiran’ ny fahotana i Losifera 381

nahalala fiatoana nihaza Azy hatraiza hatraiza, ka nanainga ny fon’ ny mpisorona sy ny

vahoaka hitsipaka ny fitiavany, ary tamin’ ny farany dia hiantsoantso hoe : «Homboy !

Homboy !» amin’ ny hazo fijaliana Izy izany rehetra izany dia nahazendana sy nahatezitra

an’ izao rehetra izao.

Satana no nanosika an’ izao tontolo izao hitsipaka an’ i Kristy. Nampiasain’ ilay

andrianan’ ny ratsy ny heriny rehetra sy ny hafetseny rehetra handringanana an’ i Jesosy ;

hitany mantsy fa ny famindrampo sy ny fitiavan’ ny Mpamonjy, ny fiantrany sy ny

halemem-panahiny feno fangorahana, dia mampiseho amin’ izao tontolo izao ny toetra

amam-panahin’ Andriamanitra. Notoherin’ l Satana avokoa ny fanambarana rehetra nataon’

ny Zanak’ Andriamanitra ary nampiasa ny olona ho fitaovana enti-mameno fahoriana sy

fijaliana ny fiainan’ ny Mpamonjy izy. Ny hevi-diso toa marina sy ny fitaka izay niezahana

hanakantsakanana ny asan’ i Jesosy, ny fankahalana niseho tamin’ ny alalan’ ny zanaky ny

tsy fanarahana, ireo fiampangany lozabe nataony tamin’ Ilay Anankiray Izay niaina tamin’

ny hatsaram-panahy tapitr’ ohatra, izany rehetra izany dia nipoitra avy tamin’ ny otri-po tehamaly

faty. Ny afon’ ny fialonana sy ny faharatsiam-panahy, ny fankahalana sy ny valifaty

nokoboniny, dia nidedadeda teo Kalvary nandoro ny Zanak’ Andriamanitra, fa ny lanitra

manontolo kosa dia sina sy tsiravina raha nibanjina izany toe-javatra izany.

Rehefa vita ilay sorona lehibe dia niakatra ho any amin’ ny avo Kristy ary nolaviny ny

fiankohofan’ ny anjely mandra-panehoany ilay fangatahany hoe : «Tiako mba ho any amiko

amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy»6. Tamin’ izay dia tonga ny valiny nivoaka avy

tamin’ ny seza fiandrianan’ ny Ray, nitafotafo fitiavana sy hery tsy hay lazaina nanao hoe :

«Aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany»7. Tsy nisy pentina

tafajanona teo amin’ i Jesosy. Tapitra hatreo ny fampietrena Azy, feno ny sorona nataony,

ary dia nomena anarana ambonin’ ny anarana rehetra Izy.

Ankehitriny dia mihanjahanja tsy misy fialan-tsiny intsony ny fahamelohan’ i Satana.

Efa nasehony ny tena toetrany mahampandainga sy mpamono olona azy. Hita izao fa ilay

fanahy nifehezany ny zanak’ olombelona teo ambanin’ ny fahefany dia ho nasehony koa

raha tahiny navela hanapaka ireo mponin’ ny lanitra izy. Nihambo izy fa hitondra

fahafahana sy fisandratana ny fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ; hita kosa anefa fa

fanandevozana sy fitotonganana no vokany.

Niseho teo amin’ ny tena fahazavany ny fiampangana mandainga nataon’ i Satana amin’

ny toetran’ Andriamanitra sy ny fitondrampanjakany. Niampanga an’ Andriamanitra ho tsy

nitady afa-tsy fanandratan-tena Izy tamin’ ny fitakiany fanekena sy fankatoavana tamin’

ireo nohariany, ary nolazainy fa raha mitaky fandavan-tena amin’ ny hafa rehetra ny

Mpamorona, Izy kosa anefa dia tsy mahay mandà ny tenany ary tsy nahafoy na inona na

inona. Hita anefa ankehitriny fa mba ho famonjena ilay taranaka lavo sy feno fahotana dia

efa nanao ny fahafoizan-tena lehibe indrindra azon’ ny fitiavana natao Ilay Mpanapaka an’

izao rehetra izao; fa «Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao

taminy»8. Hita koa, fa raha nampidanadana ny varavarana hidiran’ ny fahotana i Losifera

381

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!