Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

vahoaka izy. Amin’ ny fomba toy izany koa, dia tokony hampahory ny fanahiny eo anatrehan’ Andria-manitra ankehitriny ireo izay ta-hanana ny anarany tsy ho voakosoka ao amin’ ny bokin’ ny fiainana amin’ izao andro kely sisa mbola haharetan’ ny fahasoavana ho azy izao, ka halahelo ny amin’ ny fahotana sy hibebaka marina. Tsy maintsy hisy fandinihana lalina sy marina ny fo. Tsy maintsy hialana ny toetra maivamaivana, tsy matotra, leferin’ ny olona maro milaza ny tenany ho Kristiana. Misy ady mafana atrehin’ izay rehetra maniry ny hamolaka ireo fironana ratsy izay miezaka hanapaka. Asan’ ny isambatan’ olona ny asa fiomanana. Tsy mitamba-be no hamonjena antsika. Ny fahadiovantoetra sy ny fanoloran-tenan’ ny anankiray dia tsy hanohitra ny fahabangan’ ireo toetra ireo amin’ ny hafa. Na dia tsy maintsy handalo fitsarana eo anatrehan’ Andriamanitra aza ny firenena rehetra, dia hodinihin’ Andriamanitra akaiky amin’ ny antsipiriany rehetra ny momba ny tsirairay tahaka ny tsy misy olon-kafa noho izy eto an-tany. Tsy maintsy hosedraina ny tsirairay ary ho hita tsy misy pentina na fiketronana na izay toy izany. Mahavelon’ eritreritra ireo toe-javatra mifandray amin’ ny fifaranan’ ny asa fanavotana. Goavana indrindra ny zavatra voarakitr’ izany. Amin’ izao fotoana izao dia atao ao amin’ ny fitoerana masina any ambony ny fitsarana. Efa taona maro izao no nirosoan’ io asa io. Vetivety — ary tsy misy mahafantatra ny maha-vetivety an’ izany dia hiroso ny fitsarana ny velona. Eo amin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra mahatahotra no hampandalovana ny fiainantsika. Anjaran’ ny fanahy tsirairay amin’ izao fotoana izao, mihoatra noho ny tamin’ ny hafa rehetra, ny mandatsaka am-po ny fananarana nataon’ ny Mpamonjy hoe : «Mitandrema, miambena, ka mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’. ny fotoana»37. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao»38. Rehefa hifarana ny asa ao amin’ ny fitsarana famotopotorana, dia ho tapaka ny anjaran’ ny rehetra na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ ny fahafatesana. Mifarana fotoana fohy alohan’ ny fisehoan’ ny Tompo eo amin’ ny rahon’ ny lanitra ny androm-pahasoavana. Raha mibanjina io fotoana io Kristy ao amin’ ny Apokalypsy, dia hoy Izy hoe : «Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina. aoka mbola hihamasina ihany izy». «Indro, avy faingana Aho, ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany»39. Mbola ho velona eto an-tany amin’ ny toetrany mety maty ihany ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy — hamboly ny olona, hanao trano izy, hihinana sy hisotro, samy tsy mahatsapa fa efa navoaka tao amin’ ny fitoerana masina ao ambony ilay didim-pitsarana tsy azo ivalozana. Talohan’ ny safo-drano, rehefa tafiditra tao amin’ ny sambo fiara i Noa, dia nohidian’ Andriamanitra tao izy ary ny ratsy fanahy kosa tany ivelany ; nefa nandritra ny hafitoana dia mbola nanohy ny fiainany tsy niraika, feno fitiavam-pahafinaretana ihany ny olona, tsy nahafantatra fa efa tapaka ny ho anjarany, ka nanesoeso ireo fampitandremana momba ny didim-pitsarana nananontanona azy. «Dia tahaka izany, hoy ny Mpamonjy, ny fiavian’ ny Zanak’ olona»40. Hisoko mangina, tsy ho re sahala amin’ ny «mpangalatra 372

amin’ ny mamatonalina», no hiavian’ ny ora farany izay hanamarika izay ho anjaran’ ny olona tsirairay, dia ny fanatsoahana ny tolotry ny famindrampo natao tamin’ ny olo-meloka. «Koa miambena ianareo. . . fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory»41. Mampidi-doza ny toerana misy ireo sasatry ny miambina, ka mitodika ho eo amin’ ireo zava-mahasarika eo amin’ izao tontolo izao. Raha mbola seriny eo amin’ ny fitadiavam-bola ny mpandraharaha, raha mbola mampanaram-po ny tenany ny tia fahafinaretana, raha mbola manamboatra ny haingony ny vehivavy mpanara-«damaody» — dia mety amin’ io ora io no hamoaka ny didy Ilay Mpitsara ny tany rehetra hoe : «Efa voalanja tamin’ ny mizana ianao, ka, indro latsa-danja»42. 373

vahoaka izy. Amin’ ny fomba toy izany koa, dia tokony hampahory ny fanahiny eo

anatrehan’ Andria-manitra ankehitriny ireo izay ta-hanana ny anarany tsy ho voakosoka ao

amin’ ny bokin’ ny fiainana amin’ izao andro kely sisa mbola haharetan’ ny fahasoavana ho

azy izao, ka halahelo ny amin’ ny fahotana sy hibebaka marina. Tsy maintsy hisy

fandinihana lalina sy marina ny fo. Tsy maintsy hialana ny toetra maivamaivana, tsy

matotra, leferin’ ny olona maro milaza ny tenany ho Kristiana. Misy ady mafana atrehin’

izay rehetra maniry ny hamolaka ireo fironana ratsy izay miezaka hanapaka. Asan’ ny isambatan’

olona ny asa fiomanana. Tsy mitamba-be no hamonjena antsika. Ny fahadiovantoetra

sy ny fanoloran-tenan’ ny anankiray dia tsy hanohitra ny fahabangan’ ireo toetra ireo amin’

ny hafa. Na dia tsy maintsy handalo fitsarana eo anatrehan’ Andriamanitra aza ny firenena

rehetra, dia hodinihin’ Andriamanitra akaiky amin’ ny antsipiriany rehetra ny momba ny

tsirairay tahaka ny tsy misy olon-kafa noho izy eto an-tany. Tsy maintsy hosedraina ny

tsirairay ary ho hita tsy misy pentina na fiketronana na izay toy izany.

Mahavelon’ eritreritra ireo toe-javatra mifandray amin’ ny fifaranan’ ny asa fanavotana.

Goavana indrindra ny zavatra voarakitr’ izany. Amin’ izao fotoana izao dia atao ao amin’ ny

fitoerana masina any ambony ny fitsarana. Efa taona maro izao no nirosoan’ io asa io.

Vetivety — ary tsy misy mahafantatra ny maha-vetivety an’ izany dia hiroso ny fitsarana ny

velona. Eo amin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra mahatahotra no hampandalovana ny

fiainantsika. Anjaran’ ny fanahy tsirairay amin’ izao fotoana izao, mihoatra noho ny tamin’

ny hafa rehetra, ny mandatsaka am-po ny fananarana nataon’ ny Mpamonjy hoe :

«Mitandrema, miambena, ka mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’. ny fotoana»37. Koa

raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao

izay ora hiaviako aminao»38.

Rehefa hifarana ny asa ao amin’ ny fitsarana famotopotorana, dia ho tapaka ny anjaran’

ny rehetra na ho amin’ ny fiainana na ho amin’ ny fahafatesana. Mifarana fotoana fohy

alohan’ ny fisehoan’ ny Tompo eo amin’ ny rahon’ ny lanitra ny androm-pahasoavana. Raha

mibanjina io fotoana io Kristy ao amin’ ny Apokalypsy, dia hoy Izy hoe : «Izay manao ny

tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, ary izay maloto, aoka mbola hihaloto

ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina.

aoka mbola hihamasina ihany izy». «Indro, avy faingana Aho, ary eto amiko ny famaliako,

mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany»39.

Mbola ho velona eto an-tany amin’ ny toetrany mety maty ihany ny tsara fanahy sy ny

ratsy fanahy — hamboly ny olona, hanao trano izy, hihinana sy hisotro, samy tsy mahatsapa

fa efa navoaka tao amin’ ny fitoerana masina ao ambony ilay didim-pitsarana tsy azo

ivalozana. Talohan’ ny safo-drano, rehefa tafiditra tao amin’ ny sambo fiara i Noa, dia

nohidian’ Andriamanitra tao izy ary ny ratsy fanahy kosa tany ivelany ; nefa nandritra ny

hafitoana dia mbola nanohy ny fiainany tsy niraika, feno fitiavam-pahafinaretana ihany ny

olona, tsy nahafantatra fa efa tapaka ny ho anjarany, ka nanesoeso ireo fampitandremana

momba ny didim-pitsarana nananontanona azy. «Dia tahaka izany, hoy ny Mpamonjy, ny

fiavian’ ny Zanak’ olona»40. Hisoko mangina, tsy ho re sahala amin’ ny «mpangalatra

372

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!