Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 28—Eo Am- piatrehana ny Tantaram- Piainantsika «Mbola nijery ihany aho», hoy ny mpaminany Daniela», mandrapametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio ; ny seza fiandrianany dia lelafo ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka teo anatrehany ; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany ; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky»1. Toy izany no nanehoana ho hitan’ ny mason’ ny mpaminany ilay andro lehibe sy manetriketrika izay handalovan’ ny toetra sy ny fiainan’ ny olona eo anatrehan’ ny Mpitsaran’ ny tarty rehetra, sy hamaliana ny olona rehetra «araka ny asany». Andriamanitra Ray no Ilay Fahagola. Hoy ny mpanao Salamo. «Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay»2. Izy, izay niavian’ ny zava-manan’ aina rehetra, sy loharanon’ ny lalàna rehetra, no mitarika ny fitsarana. Ary ny anjely masina arivoarivo sy alinalina izay mpanompo sy vavolombelona, no manatrika io fitsarana lehibe io. «Ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy ; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava»3. Ny fiavian’ i Kristy tantaraina eto dia tsy ny fiaviany fanindroany ety an-tany tsy akory. Manatona ny Fahagola any an-danitra Izy mba handray ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana izay hatolotra Azy amin’ ny fiafaran’ ny asany amin’ ny maha-mpanelanelana Azy. Io fiaviany io, fa tsy ny fiaviany fanindroany ety an-tany, no voalazan’ ny faminaniana mialoha fa hitranga amin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro tamin’ ny 1844. Notronin’ ireo anjelin’ ny lanitra ilay Mpisoronabentsika raha miditra ny fitoerana masina indrindra ary ao Izy no miseho eo anatrehan’ Andriamanitra mba hanao ny ampahany farany amin’ ny asa fanompoany ho an’ ny olona mba hanatanterahana ny asa fitsarana famotopotorana sy hanao fanavotana ho an’ izay rehetra hita fa manan-jo handray ny tombon-tsoa momba izany. Tamin’ ny fanompoam-pivavahana tandindona, dia ireo izay nanatona an’ Andriamanitra tamin’ ny fiaiken-keloka sy ny fibeba-hana ihany, ka voafindra ao amin’ ny fitoerana masina ny fahotany, tamin’ ny alalan’ ny ra natao fanatitra noho ny ota, ireo ihany no nanana anjara tamin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny Andro Fanavotana. Toy izany amin’ ny andro lehibe fanavotana farany sy amin’ ny fitsarana famotopotorana, ny hany hodinihina dia ny momba ireo izay milaza ny tenany ho vahoakan’ Andriamanitra ihany. Asa miavaka sy manokana ny fitsarana ny ratsy fanahy ary hatao amin’ ny fotoana any aoriana. «Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra, ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?»4. 364

Ireo boky firaketana any an-danitra, izay nanoratana ny anarana sy ny asan’ ny olona, no hametra ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Hoy ny mpaminany Daniela : «Nipetraka ny Mpitsara. ary novelarina ny boky». Ny mpanoratra ny Apokalypsy koa, raha mitantara io teojavatra io, dia manampy hoe : «ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ ny boky, araka ny asany»5. Ny bokin’ ny fiainana no misy ny anaran’ izay rehetra efa nirotsaka hanompo an’ Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany hoe : «mifalia, satria voasoratra any andanitra ny anaranareo»6. Milaza ny amin’ ireo mpiara-miasa aminy mahatoky i Paoly «izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana» ny anarany.7 Daniela, raha nibanjina ny andro fahoriana, «izay tsy nisy tahaka azy hatrizay», dia nanambara «fa ho afaka» ny firenen’ Andriamanitra, «dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky». Ny mpanoratra ny Apokalypsy dia nilaza fa «izay manana ny anarany voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fiainan’ ny Zanak’ ondry» ihany no hiditra ao amin’ ny tanànan’ Andriamanitra 8 Misy boky ho «fahatsiarovana» soratana eo anatrehan’ Andria-manitra, izay iraketana ny asa tsara ataon’ izay «matahotra an’ i Jehovah sy mihevitra ny anarany»9. Ny tenim-pinoana nolazainy, ny asam-pitiavana nataony, dia voarakitra any an-danitra. Nilaza ny amin’ izany i Nehemia raha niteny hoe : «Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro o, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ ny tranon’ Andriamanitro»10. Ao amin’ ny boky fitadidian’ Andria-manitra no itehirizana ho mandrakizay ny asam-pahamarinana rehetra. Voatantara amim-pahatokiana ny fakam-panahy rehetra notoherina, ny ratsy rehetra noresena, ny teny mitory fitiavana sy fangorahana rehetra natao. Voarakitra ao koa ny fandavan-tena rehetra, ny fahoriana sy ny alahelo rehetra niaretana noho ny amin’ i Kristy. Hoy ny mpanao Salamo : «Manisa ny firenireneko Ianao ; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko ; tsy ao amin’ ny bokinao va ireny ?»11 Misy koa firaketana ny fahotan’ ny olona. «Fa ny atao rehetra dia hoentin’ Andriamanitra ho eo amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa. na ratsy». Hampamoahana ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao»,12 hoy ny Mpamonjy. Ny fikasana sy ny antony miafina manosika antsika dia hiseho ao amin’ ny boky tsy misy diso ; fa «Andriamanitra no hampiharihary ny zavatra rehetra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo»13. «Indro, izao no voasoratra eo anatrehako, . . . ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah» 14. Ny asan’ ny olona tsirairay dia mandalo eo anatrehan’ Andria-manitra sady voasoratra na ny mahatoky na ny tsy mahatoky. Eo anoloan’ ny anarana tsirairay eo amin’ ny bokin’ ny lanitra dia voatana an-tsoratra amin’ ny fahamarinana mampahatahotra ny teny ratsy rehetra, ny asam-pitiavan-tena rehetra, ny adidy tsy vita rehetra, ary ny fahotana miafina rehetra, miaraka amin’ ny hafetsena sy ny fitaka rehetra. Ny fampitandremana nalefan’ ny lanitra na ny fananarana natao an-tsirambina, ny andro verivery foana, ny fotoana mety tsy 365

Toko 28—Eo Am- piatrehana ny Tantaram- Piainantsika

«Mbola nijery ihany aho», hoy ny mpaminany Daniela», mandrapametraka ny seza

fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny

volon-dohany toy ny volon’ ondry madio ; ny seza fiandrianany dia lelafo ary ny kodiany

dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka teo anatrehany ; arivoarivo no nanompo Azy, ary

alinalina no nitsangana teo anatrehany ; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky»1.

Toy izany no nanehoana ho hitan’ ny mason’ ny mpaminany ilay andro lehibe sy

manetriketrika izay handalovan’ ny toetra sy ny fiainan’ ny olona eo anatrehan’ ny

Mpitsaran’ ny tarty rehetra, sy hamaliana ny olona rehetra «araka ny asany». Andriamanitra

Ray no Ilay Fahagola. Hoy ny mpanao Salamo. «Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na

voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao hatramin’ ny taloha

indrindra ka mandrakizay»2. Izy, izay niavian’ ny zava-manan’ aina rehetra, sy loharanon’

ny lalàna rehetra, no mitarika ny fitsarana. Ary ny anjely masina arivoarivo sy alinalina izay

mpanompo sy vavolombelona, no manatrika io fitsarana lehibe io.

«Ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’

ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy

voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny

samihafa fiteny rehetra Azy ; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka,

ary ny fanjakany tsy ho rava»3. Ny fiavian’ i Kristy tantaraina eto dia tsy ny fiaviany

fanindroany ety an-tany tsy akory. Manatona ny Fahagola any an-danitra Izy mba handray

ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana izay hatolotra Azy amin’ ny fiafaran’ ny

asany amin’ ny maha-mpanelanelana Azy. Io fiaviany io, fa tsy ny fiaviany fanindroany ety

an-tany, no voalazan’ ny faminaniana mialoha fa hitranga amin’ ny fiafaran’ ny 2300 andro

tamin’ ny 1844. Notronin’ ireo anjelin’ ny lanitra ilay Mpisoronabentsika raha miditra ny

fitoerana masina indrindra ary ao Izy no miseho eo anatrehan’ Andriamanitra mba hanao ny

ampahany farany amin’ ny asa fanompoany ho an’ ny olona mba hanatanterahana ny asa

fitsarana famotopotorana sy hanao fanavotana ho an’ izay rehetra hita fa manan-jo handray

ny tombon-tsoa momba izany.

Tamin’ ny fanompoam-pivavahana tandindona, dia ireo izay nanatona an’ Andriamanitra

tamin’ ny fiaiken-keloka sy ny fibeba-hana ihany, ka voafindra ao amin’ ny fitoerana

masina ny fahotany, tamin’ ny alalan’ ny ra natao fanatitra noho ny ota, ireo ihany no

nanana anjara tamin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny Andro Fanavotana. Toy izany

amin’ ny andro lehibe fanavotana farany sy amin’ ny fitsarana famotopotorana, ny hany

hodinihina dia ny momba ireo izay milaza ny tenany ho vahoakan’ Andriamanitra ihany.

Asa miavaka sy manokana ny fitsarana ny ratsy fanahy ary hatao amin’ ny fotoana any

aoriana. «Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’

Andriamanitra, ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’

izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?»4.

364

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!