Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra ary izany no anamarihana fa lavitry ny fivavahan’ ny Baiboly izany. Ireo mpiaro izany dia mampianatra fa asa tontosa ao anatin’ ny indray mipimaso ny fanamasinana, ka mitondra avy hatrany ho amin’ ny fahamasinana tonga lafatra amin’ ny alalan’ ny finoana izy. «Minoa fotsiny ihany, hoy izy, dia ho anareo ny fitahiana». Tsy nisy fiezahana hafa voalaza fa takina amin’ izay handray izany fitahiana izany. Miaraka amin’ izany koa dia laviny ny fahefan’ ny lalàn’ Andriamanitra, ary antitranteriny fa afaka amin’ ny andraikitra amin’ ny fitandremana ny lalàna izy. Anefa azon’ ny olona atao ve ny ho masina, ny hifanaraka amin’ ny sitrapo sy ny toetran’ Andriamanitra, nefa tsy hifandrindra amin’ ireo foto-kevitra izay fanehoana ny maha-Izy Azy sy ny sitrapony, ka mampiseho izay tena ankasitrahany ? Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitaky fiezahana, tsy mitaky fahafoizan-tena, tsy mitaky fisarahana amin’ ny hadalan’ izao tontolo izao, no nahatonga ny fampianarana momba ny finoana, ary ny finoana ihany no fampianarana mamim-bahoaka. Fa ahoana kosa hoy ny tenin’ Andriamanitra ? Hoy ny apostoly Jakoba : «Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa ?, Ny finoana va mahavonjy azy ? . . . Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa ? Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ i Isaka zanany teo ambonin’ ny alitara ? Hitanareo fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa ... Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany»31. Ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamelapandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan’ ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay anomezana ny famindrampo, fa fiheverana sahisahy fotsiny izany ! Fa ny tena finoana marina dia miorina amin’ ireo teny fikasana sy ireo fepetry ny Soratra Masina. Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia mandika ny anankiray amin’ ny fitakian’ Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ ny feon’ ny Fanahy Masina ka mampisaraka ny fanahy amin’ Andriamanitra. «Fa ny ota no fandikana ny lalàna». «Izay rehetra manota (mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy»32. Na dia nanantitrantitra feno ny amin’ ny fitiavana aza i Jaona ao amin’ ny epistiliny, dia tsy misalasala koa izy mampibaribary ny tena toetran’ ny antokon’ olona izay milaza ho nohamasinana, nefa mivelona amin’ ny fandikana ny lalàn’ Andria-manitra. «lzay manao hoe : Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’ Andriamanitra»33. Eto no fisedrana ny toetran’ ny tsirairay. Tsy misy olona na iza na iza azontsika lazaina ho masina raha tsy ampitahaintsika amin’ ny fllamatra tokan’ ny fahamasinana na any an-danitra na ety an-tany izy. Raha tsy tsapan’ ny olona ny lanjan’ ny lalàna ara-panahy, raha ataony zinona ary hamaivaniny ny fitsipika nomen’ Andriamanitra, raha mandika ny anankiray amin’ ny kely indrindra amin’ ireny didy ireny izy, ka 358

mampianatra ny olona hanao toy izany koa, dia tsy hahazo sitraka eo imason’ ny lanitra mihitsy izy, ary azontsika fantarina fa tsy marim-pototra ny fihamboany. Ny fihamboana ho tsy manam-pahotana koa dia porofo rahateo fa izay milaza izany dia lavitra ny fahamasinana. Satria tsy manampahalalana marina ny amin’ ny fahadiovana sy ny fahamarinan’ Andriamanitra tsy misy fetra izy, na ny amin’ izay tokony ho toetra mba hanahafana an’ Andriamanitra, noho izany olona izany tsy mahafantatra marina ny amin’ ny fahadiovan’ i Jesosy sy ny toetra ambony mahate ho tia ananany, sy ny amin’ ny mahazava-doza sy maharatsy ny fahotana kosa, dia afaka mihevitra ny tenany ho masina izy. Arakaraka ny maha-be ny elanelana misy amin’ ny tenany sy i Kristy, dia arakaraka izany koa no mampivaona ny fiheverany ny amin’ ny toetran’ Andriamanitra sy izay takiny, sy ny isehoan’ ny tenany ho marina eo imasony. Ny fahamasinana aseho ao amin’ ny Soratra Masina dia mahafaoka ny tena manontolo — ny saina, ny fanahy ary ny vatana. Nivavaka ho an’ i Tesaloniana i Paoly hoe : «aoka harovana avoko: ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanantsiny amin’ ny fiavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika»34. Manoratra indray ho an’ ny mpino izy, ary nanao hoe : «Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra»35. Tamin’ ny andron’ ny Isiraely fahiny, ny fanatitra rehetra naterina ho an’ Andriamanitra dia nodinihina akaiky daholo. Raha nahitana kilema ny biby nentina, dia nolavina izany ; satria efa nibaiko Andriamanitra fa tsy hisy «kilema» ny fanatitra. Toy izany koa no andidiana ny kristiana hanoiotra ny tenany «ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra». Mba hanaovana izany, dia tsy main tsy ho voatahiry araka izay tokony ho izy ny hery rehetra ananany. Ny fomba amam-panao rehetra izay mampihena ny hery arabatana sy ara-tsaina dia mahatonga ny olona tsy ho afaka hanompo ny Mpamorona azy. Tsy sitrak’ Andriamanitra raha tsy ny tsara indrindra no atolotsika Azy. Hoy i Kristy : «Tiava an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ ny fonao rehetra». Ireo izay tia an’ Andriamanitra amin’ ny fony rehetra dia hanam-paniriana hanoiotra ho Azy ny asa fanompoana tsara indrindra amin’ ny fiainana, ary hiezaka mandrakariva ny hitondra ny hery rehetra eo amin’ ny tenany hifandrindra amin’ ireo lalàna izay hampitombo ny fahazoany hanao ny sitrapony. Tsy hanao izay hampahaosa na handoto ny fanatitra entiny ho an’ ny Rainy izay any an-danitra amin’ ny tsy fahononana na ny fanaranam-po amin’ ny filana izy. Hoy i Petera : «Fadio ny filan’ ny nofo ; fa miady amin’ ny fanahy ireny»36. Ny fanomezana fahafaham-po ny fironana hanota dia mahadombo ny fahaizana amampahalalana, ka mamono ny fandrenesana eo amin’ ny ara-tsaina sy ara-panahy, koa tsy mandaitra afa-tsy kely foana amin’ ny fo ny tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny. Manoratra ho an’ i Korintiana i Paoly hoe : «Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra, na amin’ ny nofo na amin’ ny fanahy, ka hanatanteraka ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra»37. Ary ao amin’ ny vokatry ny Fanahy : «fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemempanahy», dia nasiany koa ny «fahononam-po»38. 359

tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra ary izany no anamarihana fa lavitry ny fivavahan’ ny

Baiboly izany. Ireo mpiaro izany dia mampianatra fa asa tontosa ao anatin’ ny indray mipimaso

ny fanamasinana, ka mitondra avy hatrany ho amin’ ny fahamasinana tonga lafatra

amin’ ny alalan’ ny finoana izy. «Minoa fotsiny ihany, hoy izy, dia ho anareo ny fitahiana».

Tsy nisy fiezahana hafa voalaza fa takina amin’ izay handray izany fitahiana izany. Miaraka

amin’ izany koa dia laviny ny fahefan’ ny lalàn’ Andriamanitra, ary antitranteriny fa afaka

amin’ ny andraikitra amin’ ny fitandremana ny lalàna izy. Anefa azon’ ny olona atao ve ny

ho masina, ny hifanaraka amin’ ny sitrapo sy ny toetran’ Andriamanitra, nefa tsy

hifandrindra amin’ ireo foto-kevitra izay fanehoana ny maha-Izy Azy sy ny sitrapony, ka

mampiseho izay tena ankasitrahany ?

Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitaky fiezahana, tsy mitaky

fahafoizan-tena, tsy mitaky fisarahana amin’ ny hadalan’ izao tontolo izao, no nahatonga ny

fampianarana momba ny finoana, ary ny finoana ihany no fampianarana mamim-bahoaka.

Fa ahoana kosa hoy ny tenin’ Andriamanitra ? Hoy ny apostoly Jakoba : «Inona moa no soa

azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa ?, Ny

finoana va mahavonjy azy ? . . . Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny

finoana tsy misy asa ? Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny

nanaterany an’ i Isaka zanany teo ambonin’ ny alitara ? Hitanareo fa niara-niasa tamin’ ny

finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa ... Koa dia hitanareo fa

hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany»31.

Ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamelapandrika

momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny

fankasitrahan’ ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay anomezana ny famindrampo, fa

fiheverana sahisahy fotsiny izany ! Fa ny tena finoana marina dia miorina amin’ ireo teny

fikasana sy ireo fepetry ny Soratra Masina.

Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia

mandika ny anankiray amin’ ny fitakian’ Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana

iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ ny feon’ ny Fanahy Masina ka mampisaraka

ny fanahy amin’ Andriamanitra. «Fa ny ota no fandikana ny lalàna». «Izay rehetra manota

(mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy»32. Na dia nanantitrantitra feno ny

amin’ ny fitiavana aza i Jaona ao amin’ ny epistiliny, dia tsy misalasala koa izy

mampibaribary ny tena toetran’ ny antokon’ olona izay milaza ho nohamasinana, nefa

mivelona amin’ ny fandikana ny lalàn’ Andria-manitra. «lzay manao hoe : Fantatro Izy, nefa

tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza

mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’

Andriamanitra»33. Eto no fisedrana ny toetran’ ny tsirairay. Tsy misy olona na iza na iza

azontsika lazaina ho masina raha tsy ampitahaintsika amin’ ny fllamatra tokan’ ny

fahamasinana na any an-danitra na ety an-tany izy. Raha tsy tsapan’ ny olona ny lanjan’ ny

lalàna ara-panahy, raha ataony zinona ary hamaivaniny ny fitsipika nomen’ Andriamanitra,

raha mandika ny anankiray amin’ ny kely indrindra amin’ ireny didy ireny izy, ka

358

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!