Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

fihetsiketsehana arapivavahana amin’ izao fotoana izao. Sady diso ireo laha-kevitra ireo amin’ ny maha-fampianarana azy no mampidi-doza amin’ ny vokany eo amin’ ny fiainana ; ary noho izy ireo ankasitrahan’ ny besinimaro dia mainka koa ilaina ny hananana fahalalana marina ny amin’ izay ampianarin’ ny Soratra Masina momba izany. Fampianaran’ ny Baiboly ny tena fanamasinana. Izao no ambaran’ ny apostoly Paoly ao amin’ ny taratasy nampitondrainy ho an’ ny fiangonana tany Tesalonika : «Fa izao no sitrapon’ Andria-manitra, dia ny hanamasinana anareo». Ary dia mivavaka izy hoe : «Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo»18. Ampianarin’ ny Baiboly mazava tsara ny atao hoe fahamasinana sy ny fomba ahatrarana izany. Nivavaka ho an’ ny mpianany ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Manamasina azy amin’ ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana»19. Ary i Paoly dia mampianatra fa ny mpino dia «hohamasinin’ ny Fanahy Masina»20. Inona no asan’ ny Fanahy Masina ? Nolazain’ i Jesosy tamin’ ny mpianany hoe : «Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra»21. Ary hoy ny mpanao Salamo hoe : «Marina ny lalànao». Ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny no mamelatra eo amin’ ny olona ireo foto-kevitra lehiben’ ny fahamarinana voarakitra ao amin’ ny lalàny. Ary satria «masina sady marina no tsara ny lalàna», ary endriky ny fahatanterahan’ Andriamanitra, dia mazava ho azy fa ny toetra amam-panahy izay volavolain’ ny fankatoavana an’ io lalàna io dia ho masina: Kristy no ohatra tanteraka manana izany toetra amam-panahy izany. Hoy Izy : «Nitandrina ny didin’ ny Raiko Aho»: «Izaho manao izay sitrany mandrakariva»22. Tokony ho tahaka an’ i Kristy ireo mpanaraka Azy noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hamolavola toetra amampanahy mifandrindra amin’ ny foto-kevitry ny lalàny masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly. Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Kristy ihany sy amin’ ny alalan’ ny hery avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatiny. Mananatra ny mpino i Paoly manao hoe : «Miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony» 23. Ho tsapan’ ny kristiana ny fitaoman’ ny fahotana, nefa dia hotohizany tsy an-kiato ny ady ataony. Eo no ilana ny fampianaran’ i Kristy. Tafaray amin’ ny herin’ Andriamanitra ny fahalemen’ olombelona ka dia miteny ilay mpino hoe : «Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandrescna amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika»24. Asehon’ ny Soratra Masina mazava fa miandalana ny asan’ ny fanamasinana. Rehefa vita fihavanana amin’ Andriamanitra ny mpanota amin’ ny alalan’ ny ran’ ny fanavotana, dia vao manomboka amin’ izay ny fiainana kristiana. Izao izy vao mandroso «ho amin’ ny fahatanterahana», hitombo ka «hahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy». Hoy ny apostoly Paoly : «Fa zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy»25. 356

I Petera kosa mampiseho antsika ireo dingana izay hahatratrarana ny fahamasinana voalazan’ ny Baiboly. «Manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ary amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. . . fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay»26. Ireo izay miaina amin’ ny fanamasinana araka ny Baiboly dia mampiseho toe-tsaina feno fanetren-tena. Tahaka an’ i Mosesy dia efa nahita ny voninahitra mahatahotry ny fahamarinana izy, ka mahita ny tsy fahamendrehan’ ny tenany mifanohitra amin’ ny fahadiovana sy ny fahatanterahana feno eo amin’ Ilay tsy manam-petra. Ny mpaminany Daniela dia ohatra iray amin’ ny tena fahamasinana. Feno asa fanompoana mendrika ny Tompony ireo andro lava niainany. Lehilahy «malala indrindra» ho an’ ny lanitra izy (Daniela 10 : 11). Nefa tsy nihambo ho madio sy masina io mpaminany henikaja io fa nampitovy ny tenany tamin’ Isiraely tena mpanota tokoa raha nitalaho teo anatrehan’ Andriamanitra ho an’ ny vahoakany izy. «Fa tsy amin’ ny fahamarinanay no andoharanay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ ny halehiben’ ny indrafonao». «Efa nanota izahay, efa nanao izay ratsy izahay». Hoy izy : «Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny fireneko aho». Ary rehefa niseho ny Zanak’ Andriamanitra tatý aoriana, nanome fahazavana azy dia hoy i Daniela : «Nihasimba sy nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko»27 . Rehefa nandre ny feon’ i Jehovah tao amin’ ny tafio-drivotra i Joba dia niantso hoe : «Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho»28. Rehefa nahita ny voninahitr’ i Jehovah Isaia sy nandre ny feon’ ny Kerobima niantso hoe : «Masina, masina, Jehovah, Tompon’ ny maro», dia velon-taraina hoe : «Lozako ! maty aho !»29. Ary i Paoly rehefa nentina tany amin’ ny lanitra fahatelo ka nandre zavatra izay tsy hain’ ny olombelona lazaina, dia nilaza ny tenany ho «kely noho ny kely indrindra amin’ ny olona masina rehetra»29. Jaona , mpianatra malala, ilay niankina tamin’ ny tratran’ i Jesosy sy nahita ny voninahiny, dia lavo tahaka ny maty teo an-tongotry ny anjely.30 Tsy mety hisy fanandratan-tena, na fireharehana fa afaka amin’ ny fahotana amin’ izay mandeha eo amin’ ny aloky ny hazo fijalian’ i Kalvary. Tsapany fa ny fahotany no nahatonga ny ady nihatra aman’ aina izay nahavaky ny fon’ ny Zanak’ Andriamanitra, ka io fisainana io dia hitarika azy ho amin’ ny fanetren-tena lalina. Ireo izay velona akaiky indrindra an i Jesosy dia hahita mazava kokoa ny fahalemen’ ny olombelona sy ny toepahotana misy azy, ary ny hany fanantenana dia ny fahamendrehan’ ny Mpamonjy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana sy nitsangana tamin’ ny maty. Ny fahamasinana izay mahazo laka eo amin’ izao tontolo izao ka atao antso avo eo amin’ ny mpivavaka ankehitriny, dia miaraka amin’ ny toe-tsaina manandra-tena sy manao 357

fihetsiketsehana arapivavahana amin’ izao fotoana izao. Sady diso ireo laha-kevitra ireo

amin’ ny maha-fampianarana azy no mampidi-doza amin’ ny vokany eo amin’ ny fiainana ;

ary noho izy ireo ankasitrahan’ ny besinimaro dia mainka koa ilaina ny hananana fahalalana

marina ny amin’ izay ampianarin’ ny Soratra Masina momba izany.

Fampianaran’ ny Baiboly ny tena fanamasinana. Izao no ambaran’ ny apostoly Paoly ao

amin’ ny taratasy nampitondrainy ho an’ ny fiangonana tany Tesalonika : «Fa izao no

sitrapon’ Andria-manitra, dia ny hanamasinana anareo». Ary dia mivavaka izy hoe : «Ary

Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo»18. Ampianarin’ ny Baiboly mazava

tsara ny atao hoe fahamasinana sy ny fomba ahatrarana izany. Nivavaka ho an’ ny mpianany

ny Mpamonjy ka nanao hoe : «Manamasina azy amin’ ny fahamarinana, ny teninao no

fahamarinana»19. Ary i Paoly dia mampianatra fa ny mpino dia «hohamasinin’ ny Fanahy

Masina»20. Inona no asan’ ny Fanahy Masina ? Nolazain’ i Jesosy tamin’ ny mpianany hoe

: «Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny

marina rehetra»21. Ary hoy ny mpanao Salamo hoe : «Marina ny lalànao». Ny Tenin’

Andriamanitra sy ny Fanahiny no mamelatra eo amin’ ny olona ireo foto-kevitra lehiben’ ny

fahamarinana voarakitra ao amin’ ny lalàny. Ary satria «masina sady marina no tsara ny

lalàna», ary endriky ny fahatanterahan’ Andriamanitra, dia mazava ho azy fa ny toetra

amam-panahy izay volavolain’ ny fankatoavana an’ io lalàna io dia ho masina: Kristy no

ohatra tanteraka manana izany toetra amam-panahy izany. Hoy Izy : «Nitandrina ny didin’

ny Raiko Aho»: «Izaho manao izay sitrany mandrakariva»22. Tokony ho tahaka an’ i Kristy

ireo mpanaraka Azy noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hamolavola toetra amampanahy

mifandrindra amin’ ny foto-kevitry ny lalàny masina izy. Izany no fanamasinana

araka ny Baiboly.

Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Kristy ihany

sy amin’ ny alalan’ ny hery avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatiny.

Mananatra ny mpino i Paoly manao hoe : «Miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra

hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny

fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony» 23.

Ho tsapan’ ny kristiana ny fitaoman’ ny fahotana, nefa dia hotohizany tsy an-kiato ny

ady ataony. Eo no ilana ny fampianaran’ i Kristy. Tafaray amin’ ny herin’ Andriamanitra ny

fahalemen’ olombelona ka dia miteny ilay mpino hoe : «Fa isaorana anie Andriamanitra,

Izay manome antsika ny fandrescna amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika»24.

Asehon’ ny Soratra Masina mazava fa miandalana ny asan’ ny fanamasinana. Rehefa

vita fihavanana amin’ Andriamanitra ny mpanota amin’ ny alalan’ ny ran’ ny fanavotana,

dia vao manomboka amin’ izay ny fiainana kristiana. Izao izy vao mandroso «ho amin’ ny

fahatanterahana», hitombo ka «hahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy».

Hoy ny apostoly Paoly : «Fa zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana

ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho

hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy»25.

356

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!