Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

loatra ireo izay nitondra ny anarany no tsy nahalala mihitsy ny foto-kevitra iorenany. Efa saiky niala tsy ho eo amin’ ny fiangonana maro ny herin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Nandroaka ny fisainana momba an’ Andriamanitra ny fitsangatsanganana, ny fampisehoana an-dampihazo, ny tsenabem-piangonana, ny trano kanto dia kanto, ny fitiavan-kisehoseho. Mibahana ao an-tsaina ny fananan-tany sy harena ary ny asa amandraharaha araka izao tontolo izao, ka zara raha miserana vetivety ao ny zavatra izay misy tombany mandrakizay. Na dia eo áza ny fitambotsoran’ ny finoana sy ny fitiavam-bavaka hita hatraiza hatraiza,. dia misy mpanaraka an’ i Kristy marina ao amin’ ireny fiangonana ireny. Alohan’ ny hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra farany amin’ ny tany dia hisy fifohazan’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra eo amin’ izay tsy mbola hita hatramin’ ny andron’ ny apostoly eo amin’ ny vahoakan’ ny Tompo. Harotsaka amin’ ny zanak’ Andriamanitra ny Fanahiny sy ny heriny. Amin’ izany fotoana izany dia betsaka no hisaraka amin’ ireo fiangonana izay efa nanakalo ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny teniny tamin’ ny fitiavana an’ izao tontolo izao. Betsaka ny olona, na mpitandrina na mpiangona, no hanaiky amim-pifaliana ireo fahamarinana lehibe izay asain’ Andriamanitra torina amin’ izao vaninandro izao mba hanomana vahoaka ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany. Tian’ ny fahavalon’ ny fanahy ny hisakantsakanana io asa io ; ary alohan’ ny fotoana izay hitrangan’ izany fihetsiketsehana izany, dia hiezaka ny hanakana izany izy amin’ ny fanaovana hala-tahaka. Hasehony amin’ ireo fiangonana izay azony tazonina eo ambanin’ ny heriny mamitaka fa mirotsaka ny fitahian’ Andriamanitra manokana hiseho amin’ izay heverina ho fifohazana ara-pivavahana lehibe. Vahoaka marobe no hiravoravo fa miasa amin’ ny fomba mahagaga ho azy Andriamanitra, nefa asan’ ny fanahy hafa izany. Amin’ ny endrika ara-pivavahana no hitadiavan’ i Satana hanitarana ny heriny miasa mangina eo amin’ ireo mpivavaka kristiana. Betsaka tamin’ ny fifohazana niseho nandritra ny tapany farany tamin’ ny taonjato farany teo no efa niasan’ ireny hery ireny, na be na kely, ary mbola hiseho indray izy amin’ ireo fihetsiketsehana hitatra bebe kokoa amin’ ny ho avy. Misy fihetseham-po taitaitra, fampifangaroana ny marina sy ny diso, izay voakendry indrindra hoenti-mandiso lalana. Tsy misy na iza na iza tokony no voafitaka anefa. Eo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra dia tsy sarotra ny mahafantatra ny tena toetran’ ireny fihetsiketsehana ireny. Na oviana na oviana ny olona no manao an-tsirambina ny teny vavolombelon’ ny Baiboly, ka miala amin’ ireny fahamarinana mazava ireny, izay fisedrana ny fanahy iray mitaky fandavan-tena sy fahafoizana an’ izao tontolo izao, dia azontsika antoka fa tsy mirotsaka amin’ izany ny fitahian’ Andriamanitra. Ary araka ny fitsipika izay nomen’ i Kristy hoe : «ny voany no ahafantaranareo azy» (Matio 7:16) dia ahitana marimarina fa tsy asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ireny fihetsehana ireny. Nanambara ny tenany tamin’ ny olona amin’ ny alalan’ ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ ny teniny Andriamanitra ; ary ampinga miaro amin’ ny fakam-panahin’ i Satana an’ izay rehetra manaiky ireny izany. Ny fanaovana an-tsirambina ireny fahamarinana ireny no 352

mampidanadana ny varavarana idiran’ ny ratsy izay miely patrana hatraiza hatraiza eo amin’ izao tontolo izao ara-pivavahana. Ny toetran’ ny lalàn’ Andriamanitra sy ny maha-zavadehibe azy dia azo lazaina fa very tsy eo imaso intsony. Ny fiheverana tsy marina momba ny toetran’ ny lalàn’ Andriamanitra, ny faharetany ho mandrakizay sy ny tsy maintsy hitandremana azy dia nitarika ho amin’ ny fahadisoan-kevitra momba ny fifandraisan’ ny lalàna amin’ ny fiovam-po sy ny fanamasinana izay nampitambotsotra ny filamatry ny fitiavambavaka ao amin’ ny fiangonana. Eo no ahitana ny tsiambaratelon’ ny tsy fisian’ ny Fanahy Masina sy ny herin’ Andriamanitra ao amin’ ny fifohazana amin’ ny androntsika. Misy olona malaza noho ny fitiavam-bavaka ao aminy, any amin’ ireo fiangonana samihafa, izay mahita sy malahelo noho izany. Ny profesora A. Edwards A. Park, raha nampisongadina ireo loza mananontanona ny fiainana ara-pivavahana, dia milaza izany amin’ ny fomba mazava loatra hoe : «Ny iray amin’ ny antony iavian’ ny loza dia ny tsirambina ataon’ ny mpitoriteny ny amin’ ny fanizingizinana ny lalàn’ Andriamanitra. Tamin’ ny andro teo aloha dia toy ny akon’ ny feon’ ny fieritreretana ny polipitra. . . Ireo mpitoritenintsika kalazalahy dia nanome endri-piandrianana mahatalanjona ny lohateniny tamin’ ny fanarahany ny ohatry ny Tompo, ka nampibaribary ny voninahitry ny lalàna, dia ireo fitsipika sy fandrahonana raketiny. Naverimberiny ireto foto-kevitra anankiroa makadiry ireto, milaza fa ny lalàna dia fanehoana ny fahatanterahan’ Andriamanitra, ary ny olona izay tsy tia ny lalàna dia tsy tia koa ny filazantsara, satria ny lalàna, tahaka ny filazantsara, dia fitaratra maneho ny tena toetran’ Andriamanitra. Mitarika ho amin’ ny loza hafa izany, dia ny fanamaivanana ny faharatsian’ ny fahotana, ny fitatr’ izany sy ny fanamelohana azy. Mifandanja amin’ ny fahamarinan’ ny didy ny fahadisoana amin’ ny fandikana azy. . . «Mifandraika amin’ ireo loza efa voalaza dia ny loza avy amin’ ny fampihenan-danja ny fahamarinan’ Andriamanitra. Ny toriteny moderna dia mirona ho amin’ ny fampisarahana ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny hatsaram-panahiny, ka ny fahatsaram-panahy dia heverina ho fihetseham-po fotsiny fa tsy asandratra ho fotokevitra. Mampisaraka izay natambatr’ Andriamanitra ny fomba fijery ara-teolojia vaovao. Moa tsara ve sa ratsy ny lalàn’ Andriamanitra ? Tsara izy. Noho izany dia tsara ny fahamarinana, satria toe-tsaina vonona hankatò ny lalàna izany. Ny fahazaran’ ny olona manamaivana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, manamaivana ny fitaran’ ny tsy fankatoavan’ ny olombelona sy ny fanamelohana izany, dia mitarika ny olona mora foana ho amin’ ny fahazarana mampihen-danja ny fahasoavana izay anolorana fanavotana noho ny fahotana». Noho izany dia mihem-bidy sy lanja ao an-tsain’ ny olona ny filazantsara ka vetivety dia ny Baiboly mihitsy no tena notsipahiny. Maro ireo mpampianatra ara-pivavahana no manizingizina fa nanafoana ny lalàna tamin’ ny fahafatesany i Kristy, ka noho izany dia afaka amin’ ny fìtakian’ ny lalàna ny olona. Misy mampiseho izany ho toy ny zioga mavesatra, ary ho setrin’ ny fanandevozan’ ny lalàna dia asongadiny ny fahafahana iainana eo amin’ ny filazantsara. 353

loatra ireo izay nitondra ny anarany no tsy nahalala mihitsy ny foto-kevitra iorenany. Efa

saiky niala tsy ho eo amin’ ny fiangonana maro ny herin’ ny toe-panahy araka an’

Andriamanitra. Nandroaka ny fisainana momba an’ Andriamanitra ny fitsangatsanganana,

ny fampisehoana an-dampihazo, ny tsenabem-piangonana, ny trano kanto dia kanto, ny

fitiavan-kisehoseho. Mibahana ao an-tsaina ny fananan-tany sy harena ary ny asa amandraharaha

araka izao tontolo izao, ka zara raha miserana vetivety ao ny zavatra izay misy

tombany mandrakizay.

Na dia eo áza ny fitambotsoran’ ny finoana sy ny fitiavam-bavaka hita hatraiza hatraiza,.

dia misy mpanaraka an’ i Kristy marina ao amin’ ireny fiangonana ireny. Alohan’ ny

hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra farany amin’ ny tany dia hisy fifohazan’ ny toe-panahy

araka an’ Andriamanitra eo amin’ izay tsy mbola hita hatramin’ ny andron’ ny apostoly eo

amin’ ny vahoakan’ ny Tompo. Harotsaka amin’ ny zanak’ Andriamanitra ny Fanahiny sy

ny heriny. Amin’ izany fotoana izany dia betsaka no hisaraka amin’ ireo fiangonana izay efa

nanakalo ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny teniny tamin’ ny fitiavana an’ izao tontolo

izao. Betsaka ny olona, na mpitandrina na mpiangona, no hanaiky amim-pifaliana ireo

fahamarinana lehibe izay asain’ Andriamanitra torina amin’ izao vaninandro izao mba

hanomana vahoaka ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo fanindroany. Tian’ ny fahavalon’ ny

fanahy ny hisakantsakanana io asa io ; ary alohan’ ny fotoana izay hitrangan’ izany

fihetsiketsehana izany, dia hiezaka ny hanakana izany izy amin’ ny fanaovana hala-tahaka.

Hasehony amin’ ireo fiangonana izay azony tazonina eo ambanin’ ny heriny mamitaka fa

mirotsaka ny fitahian’ Andriamanitra manokana hiseho amin’ izay heverina ho fifohazana

ara-pivavahana lehibe. Vahoaka marobe no hiravoravo fa miasa amin’ ny fomba mahagaga

ho azy Andriamanitra, nefa asan’ ny fanahy hafa izany. Amin’ ny endrika ara-pivavahana

no hitadiavan’ i Satana hanitarana ny heriny miasa mangina eo amin’ ireo mpivavaka

kristiana.

Betsaka tamin’ ny fifohazana niseho nandritra ny tapany farany tamin’ ny taonjato

farany teo no efa niasan’ ireny hery ireny, na be na kely, ary mbola hiseho indray izy amin’

ireo fihetsiketsehana hitatra bebe kokoa amin’ ny ho avy. Misy fihetseham-po taitaitra,

fampifangaroana ny marina sy ny diso, izay voakendry indrindra hoenti-mandiso lalana. Tsy

misy na iza na iza tokony no voafitaka anefa. Eo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’

Andriamanitra dia tsy sarotra ny mahafantatra ny tena toetran’ ireny fihetsiketsehana ireny.

Na oviana na oviana ny olona no manao an-tsirambina ny teny vavolombelon’ ny Baiboly,

ka miala amin’ ireny fahamarinana mazava ireny, izay fisedrana ny fanahy iray mitaky

fandavan-tena sy fahafoizana an’ izao tontolo izao, dia azontsika antoka fa tsy mirotsaka

amin’ izany ny fitahian’ Andriamanitra. Ary araka ny fitsipika izay nomen’ i Kristy hoe :

«ny voany no ahafantaranareo azy» (Matio 7:16) dia ahitana marimarina fa tsy asan’ ny

Fanahin’ Andriamanitra ireny fihetsehana ireny.

Nanambara ny tenany tamin’ ny olona amin’ ny alalan’ ireo fahamarinana voarakitra ao

amin’ ny teniny Andriamanitra ; ary ampinga miaro amin’ ny fakam-panahin’ i Satana an’

izay rehetra manaiky ireny izany. Ny fanaovana an-tsirambina ireny fahamarinana ireny no

352

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!