Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 27—Fanovana Marina Na taiza na taiza nitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamim-pahatokiana dia nahitambokatra izay nanamarina ny maha-avy tamin’ Andriamanitra ny hafatra. Nomba ny hafatra nentin’ ny mpanompony ny Fanahin’ Andriamanitra ka nanan-kery ny teny. Tsapan’ ny mpanota fa nihamatanjaka ny feon’ ny fieritreretany. Ny «mazava izay nahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao» no namirapiratra tao amin’ ny efitra manginginan’ ny fanahiny ka niharihary ny zavatra nosaronan’ ny haizina. Niaiky marina tokoa ny saina amam-pony. Resy lahatra ny amin’ ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ho avy izy. Nahatsapa ny fahamarinan’ i Jehovah izy ka tora-kovitra ny hiseho, amin’ ny fahadisoany sy ny tsy fahadiovany, eo anatrehan’ Ilay Mpandinika ny fo. Tamimpitebitebena no niantsoany hoe : «Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity ?» Rehefa nasehony ny fijalian’ i Kalvary, sy ny sorona sarobidy naterina teo noho ny fahotan’ ny olombelona, dia hitan’ izy ireo fa tsy misy afa-tsy ny fahamendrehan’ i Kristy no ampy hanavotana ny fandikan-dalàna nataony ; io ihany no afaka hampihavana azy amin’ Andriamanitra. Tamim-pinoana sy fanetren-tena no nanekeny ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao. Tamin’ ny alalan’ ny ran’ i Jesosy no «tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotany lasa». Ireny fanahy ireny dia nitondra vokatra mendrika ny fibebahana. Nino izy dia natao batisa, ary nitsangana mba handeha amin’ ny fiainam-baovao — dia olom-baovao ao amin’ i Kristy Jesosy ; tsy araka ny filan’ ny nofo teo aloha, fa hanaraka ny dian’ ny Zanak’ Andriamanitra, amin’ ny alalan’ ny finoana Azy, hitaratra ny toetra amam-panahiny ary hanadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. Ny zavatra nankahalainy teo aloha no ankamamiany ankehitriny ary izay notiaviny kosa dia manjary ankahalainy izao, ny mpirehareha sy ny mpitompo-teny fantatra dia nanjary nalemy fanahy sy tsy niavona am-po. Ny mpieboebo foana sy ny mpanambony tena nanjary maotona sy mipetrapetraka. Ny mpaniratsira tonga feno fanajana, ny mpidoroka mahonon-tena ary ny mpijangajanga madio fiaina. Nafoy ireo fomba amam-panaon’ izao tontolo izao tsy misy antony. Tsy nitady ny firavaka eny ivelany ny Kristiana, «toy ny firandranambolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana fa . . . ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety lo, dia ny fanahy malemy sady miadana izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra»1. Nitarika fandinihana lalina ny fo sy fanetren-tena ny fifohazana. Nampiavaka izany ny antso fampieritreretana sy mafana natao tamin’ ny mpanota, ary koa ny alahelo sy ny fangorahana an’ ireo izay novidin’ ny ran’ i Kristy. Na lehilahy na vehivavy dia samy nivavaka sy nitolona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny famonjena fanahy. Ny vokatry ny fifohazana toy izany dia hita teo amin’ ny fanahy izay tsy nihemotra teo anatrehan’ ny fandavan-tena sy fahafoizan-tena, fa nifaly kosa satria natao mendrika ny hiaritra fanomezan-tsiny sy fitsapana noho ny amin’ i Kristy. Hitan’ ny olona fa nisy fiovana teo amin’ ny fiainan’ ireo izay efa nanaiky ny anaran’ i Jesosy. Nandray tombon-tsoa noho ny 350

asa mangina avy taminy ny mpiara-monina. Niara-nanangona tamin’ i Kristy izy, namafy ho an’ ny Fanahy, ary nijinja fiainana mandrakizay. Azo lazaina ny aminy izao teny izao : «nampahalelovina mba hibebaka ianareo». «Fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra miasa ho fibebahana ho famonjena tsy hanenenana ; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’ izao tontolo izao. Fa, indro, izany nampahalelovana araka an’ Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo ! eny, fialan-tsiny manao ahoana ! faniriana manao ahoana ! zotom-po manao ahoana ! famaliana ny ratsy manao ahoana ! Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany raharaha izany ianareo»22. Izany no vokatry ny asan’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Tsy misy porofon’ ny fibebahana marina raha tsy misy asa fanavaozana. Raha mamerina ny tsatòka ny mpanota, mampody izay nangalarina, miaiky ny fahotany ary tia an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy, dia azon’ ny mpanota antoka fa vita fihavanana amin’ Andriamanitra izy. Toy izany no vokatra hita nanaraka ny fotoam-pifohazana ara-pivavahana tamin’ ny andro tany aloha. Rehefa tsaraina amin’ ny voany izy ireny dia fantatra fa notahin’ Andriamanitra ho famonjena ny olona sy ny fanandratana ny olombelona. Fa maro amin’ ny fifohazana amin’ ny andro moderna no ahitana toetra mifanohitra amin’ ny fisehoan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nanaraka ny asan’ ny mpanompon’ Andriamanitra tamin’ ireo andro voalohandohany. Marina fa misy fahalianana hita ombieniombieny, betsaka no milaza fa nibebaka, ary be dia be no miditra ho anisan’ ny fiangonana; na dia izany aza, ny vokatra hita dia tsy mampino anay fa misy fitomboan’ ny fiainana ara-panahy mifanaraka amin’ izany. Ny fahazavana izay nidedadeda fotoana fohy dia maty vetivety, ka mainka mikitroka noho ny teo aloha ny haizina. Matetika loatra ny fifohazana eo amin’ ny vahoaka no vokatry ny fientanentanan’ ny eritreritra fotsiny, amin’ ny fanaitairana ny fihetseham-po, amin’ ny fitiavana ny zavabaovao sy manaitra tampoka. Ny olona azo amin’ izany fomba izany dia tsy manana faniriana firy hihaino ny fahamarinan’ ny Baiboly, ary tsy liana loatra handre ny teny vavolombelon’ ny mpaminany sy ny apostoly. Raha tsy misy zavatra manaitaitra ao amin’ ny fanompoam-pivavahana, dia tsy mahasarika azy ireny. Tsy mampiraika azy ny hafatra izay miteny amin’ ny saina tsy misy fihetseham-po. Tsy henoiny ny fampitandremana mazava avy amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, izay mikasika mivantana ny tombon-tsoany mandrakizay. Ny fifandraisana amin’ Andriamanitra sy amin’ izay maharitra mandrakizay no zavadehibe indrindra eo amin’ ny fiainana ho an’ ny fanahy rehetra tena mibebaka marina. Aiza anefa ny tena fanolorantena marina ho an’ Andriamanitra ao amin’ ny fiangonan’ ny besinimaro ankehitriny ? Tsy nahafoy ny avonavony sy ny fitiavany an’ izao tontolo izao ireo mpanatona. Tsy vonona kokoa handà tena, hitondra ny hazo fijaliany sy hanaraka an’ Ilay Jesosy malemy fanahy sy tsy miavona am-po noho ny talohan’ ny fiovam-pony izy. Nanjary fihomehezana ho an’ ny tsy mino sy ny misalasala ny fivavahana satria betsaka 351

Toko 27—Fanovana Marina

Na taiza na taiza nitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamim-pahatokiana dia nahitambokatra

izay nanamarina ny maha-avy tamin’ Andriamanitra ny hafatra. Nomba ny hafatra

nentin’ ny mpanompony ny Fanahin’ Andriamanitra ka nanan-kery ny teny. Tsapan’ ny

mpanota fa nihamatanjaka ny feon’ ny fieritreretany. Ny «mazava izay nahazava ny olona

rehetra tonga amin’ izao tontolo izao» no namirapiratra tao amin’ ny efitra manginginan’ ny

fanahiny ka niharihary ny zavatra nosaronan’ ny haizina. Niaiky marina tokoa ny saina

amam-pony. Resy lahatra ny amin’ ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ho avy

izy. Nahatsapa ny fahamarinan’ i Jehovah izy ka tora-kovitra ny hiseho, amin’ ny

fahadisoany sy ny tsy fahadiovany, eo anatrehan’ Ilay Mpandinika ny fo. Tamimpitebitebena

no niantsoany hoe : «Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity

?» Rehefa nasehony ny fijalian’ i Kalvary, sy ny sorona sarobidy naterina teo noho ny

fahotan’ ny olombelona, dia hitan’ izy ireo fa tsy misy afa-tsy ny fahamendrehan’ i Kristy

no ampy hanavotana ny fandikan-dalàna nataony ; io ihany no afaka hampihavana azy

amin’ Andriamanitra. Tamim-pinoana sy fanetren-tena no nanekeny ny Zanak’ ondrin’

Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao. Tamin’ ny alalan’ ny ran’ i

Jesosy no «tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotany lasa».

Ireny fanahy ireny dia nitondra vokatra mendrika ny fibebahana. Nino izy dia natao

batisa, ary nitsangana mba handeha amin’ ny fiainam-baovao — dia olom-baovao ao amin’ i

Kristy Jesosy ; tsy araka ny filan’ ny nofo teo aloha, fa hanaraka ny dian’ ny Zanak’

Andriamanitra, amin’ ny alalan’ ny finoana Azy, hitaratra ny toetra amam-panahiny ary

hanadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. Ny zavatra nankahalainy teo aloha no

ankamamiany ankehitriny ary izay notiaviny kosa dia manjary ankahalainy izao, ny

mpirehareha sy ny mpitompo-teny fantatra dia nanjary nalemy fanahy sy tsy niavona am-po.

Ny mpieboebo foana sy ny mpanambony tena nanjary maotona sy mipetrapetraka. Ny

mpaniratsira tonga feno fanajana, ny mpidoroka mahonon-tena ary ny mpijangajanga madio

fiaina. Nafoy ireo fomba amam-panaon’ izao tontolo izao tsy misy antony. Tsy nitady ny

firavaka eny ivelany ny Kristiana, «toy ny firandranambolo sy ny firava-bolamena na ny

fiakanjoana fa . . . ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety lo, dia ny fanahy malemy sady

miadana izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra»1.

Nitarika fandinihana lalina ny fo sy fanetren-tena ny fifohazana. Nampiavaka izany ny

antso fampieritreretana sy mafana natao tamin’ ny mpanota, ary koa ny alahelo sy ny

fangorahana an’ ireo izay novidin’ ny ran’ i Kristy. Na lehilahy na vehivavy dia samy

nivavaka sy nitolona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny famonjena fanahy. Ny vokatry ny

fifohazana toy izany dia hita teo amin’ ny fanahy izay tsy nihemotra teo anatrehan’ ny

fandavan-tena sy fahafoizan-tena, fa nifaly kosa satria natao mendrika ny hiaritra

fanomezan-tsiny sy fitsapana noho ny amin’ i Kristy. Hitan’ ny olona fa nisy fiovana teo

amin’ ny fiainan’ ireo izay efa nanaiky ny anaran’ i Jesosy. Nandray tombon-tsoa noho ny

350

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!