Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

marina hahatanterahan’ izany. Nefa, satria niamboho ny mazava izy, dia mbola namerimberina nametra fotoana hiavian’ ny Tompo ihany, ary diso fanantenana foana hatrany hatrany. Rehefa nanaiky fomba fijery diso ny amin’ ny fiavian’ i Kristy ny fiangonana tao Tesalonika, dia nanoro hevitra azy ny apostoly Paoly mba hisedra amim-pitandremana fatratra ny fanantenany sy ny fiheverany ny ho avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Nolazainy taminy ireo faminaniana manambara ny toe-javatra izay hitranga alohan’ ny hiavian’ i Kristy, ka nasehony fa tsy nisy porofo hanantenany Azy amin’ ny andron’ izy ireo. «Aza mety ho fitahin’ olona akory ianareo»,8 hoy ny teny fampitandremana nataony. Raha tàhiny nanandrandra zavatra izay tsy tohanan’ ny Soratra Masina izy, dia ho voatarika ho amin’ ny fihetsika diso ; ho nahatonga azy ho fihomehezan’ ny tsy mpino ny fahadisoam-panantenana, ka nety ho loza mananontanona azy ny fahakiviana ary nety ho nalaim-panahy hisalasala ny amin’ ireo fahamarinana ilaina mba hamonjena azy izy. Misy lesona lehibe ho an’ ireo izay velona amin’ ny andro farany ny fananarana ataon’ ny apostoly ho an’ ny Tesaloniana. Maro ny advantista mihevitra fa raha tsy mampifantoka ny finoany amin’ ny fotoana voafaritra tsara momba ny fiavian’ ny Tompo izy, dia tsy nazoto sy hafana fo amin’ ny fiomanana hitsena Azy. Rehefa voahetsika matetitetika ny fanantenany nefa levona indray dia voadona mafy ny finoany hany ka saiky tsy mandaitra aminy intsony ireo fahamarinana lehibe momba ny faminaniana. Baiko avy tamin’ Andriamanitra ny nitoriana fotoana voafaritra tsara momba ny fitsarana, tamin’ ny nanomezany ny hafatra voa-lohany. Ny fanisana ireo fe-potoana arapaminaniana izay fototr’ io, hafatra io, izay nametra ny fiafaran’ ny 2300 andro amin’ ny fararanon’ ny 1844, dia mitoetra tsy azo hozongozonina . Ny fiezahana miverimberina hahita datin’ andro vaovao iandohana sy iafaran’ ireo fe-potoana ara-paminaniana mbamin’ ny fisainana diso ilaina hanohanana an’ izany, dia tsy hoe mampivily ny saina hanalavitra ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao fotsiny, fa mahatonga fanaovana zinona mihitsy ny ezaka rehetra atao hoenti-manazava ny faminaniana. Matetika, ny famerana fotoana voafaritra mazava hiavian’ i Kristy, ka hitoriana izany hatraiza hatraiza, dia tena mifanandrify indrindra amin’ izay zava-kendren’ i Satana. Rehefa dila ny fotoana notondroina dia totofany eso sy henatra ireo izay niaro izany hevitra izany, ka dia voahoso-potaka koa ilay fihetsehana lehibe tamin’ ny taona 1843 sy 1844 momba ny fiavian’ i Kristy. Amin’ ny farany dia hanondro vanin’ andro lavitra dia lavitra mbola ho avy momba ny fiavian’ i Kristy izay mikiry amin’ izany hevi-diso izany. Amin’ izay dia ho voataona hiantehitra amin’ ny toky sandoka izy ary maro no tsy hahatsikaritra ny fitaka raha tsy efa diso aoriana loatra. Ny tantaran’ ny Isiraely fahizay dia sary manaitra mampiseho ny fanandramana nataon’ ny mpino advantista tamin’ ny lasa. Andriamanitra no nitarika ny vahoakany ho amin’ ny fihetsehana advantista, tahaka ny nitarihany ny zanak’ Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Nosedraina tao anatin’ ny fahadisoam-panantenana lehibe ny finoany tahaka ny nisedrana 346

ny an’ ny Hebreo teo amin’ ny Ranomasina Mena. Raha naharitra nahatoky ilay tanana nitaridalana azy tamin’ ireo fanandramana nataony teo aloha izy, dia ho. nahita ny famonjen’ Andriamanitra. Raha ireo rehetra niray hina teo amin’ ny asa tamin’ ny 1844 no nandray ny hafatry ny anjely fahatelo ka nitory izany tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masina, dia ho niasa tamin-kery ny Tompo nanampy ny fiezahany. Ho nitosaka tamin’ izao tontolo izao ny fahazavana. Efa ho an-taonany maro no nandrenesan’ ny mponina an-tany ny hafatra fampitandremana, ho efa vita ny asa famaranana, ary efa niverina i Kristy hanavotra ny vahoakany. Tsy sitrapon’ Andriamanitra ny hampirenireny an’ Isiraely nandritra ny efa-polo taona tany an’ efitra ; niriny ny hitaridalana azy mivantana ho any amin’ ny tany Kanana ka hampitoetra azy ao ho vahoaka masina sady sambatra. «Nefa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsy finoany»9. Noho ny fivadihany sy ny fihemorany dia maty tany an’ efitra izy ireo, ary hafa no natsangana hiditra ao amin’ ilay tany nampanantenaina. Araka izany, dia tsy sitrapon’ Andriamanitra ny maha-ela toy izany ny fiavian’ ny Tompo sy ny ijanonan’ ny vahoakany taona maro toy izao eto amin’ ity izao tontolo izao feno fahoriana ity. Fa nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra ny tsy finoana. Raha nolaviny ny hanao ny asa voatendry hataony, dia hafa no natsangana hitory ny hafatra. Famindrampony ho an’ izao tontolo izao no mahatonga an’ i Jesosy hampihemotra ny fiaviany, mba hisian’ ny fotoana mety handrenesan’ ny mpanota ny hafatra fampitandremana ka hahitany fialofana ao Aminy alohan’ ny hirotsahan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. Ankehitriny, tahaka ny tamin’ ny andro teo aloha, dia hampihetsika ny fanoherana ny fanehoana ny fahamarinana izay manameloka ny fahotana sy ny hevi-diso misy amin’ izao fotoana izao. «Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany»10. Rehefa hitan’ ny olona fa tsy azony tohanana amin’ ny Soratra Masina ny heviny, dia betsaka no nanapa-kevitra fa hitana izany na ho vy na ho vato. ka toe-tsaina maloto no entiny manaratsy ny toetra sy ny fanahy manosika ireo izay mijoro hiaro ny fahamarinana tsy maro mpitia. Izany fihetsika izany ihany no efa hita tamin’ ny andro teo aloha. Nolazaina fa mampidi-doza an’ Isiraely i Elia, Jeremia mpamadika, Paoly mpandoto ny tempoly. Hatramin’ izany andro izany ka mandrak’ androany, izay mijoro ho mahatoky amin’ ny fahamarinana dia ampangaina ho mpikomy, ho «heretika», ho mpisaratsaraka. Marobe ny olona izay tsy afaka hino ny tenin’ ny faminaniana mafy orina no hanaiky mora foana ho marina ny fiampangana an’ ireo izay sahy manameloka irony fahotana araka ny toetr’ andro. Hitombo hatrany izany toe-tsaina izany. Ary lazain’ ny Baiboly mazava fa manakaiky ny fotoana izay hifanoheran’ ny lalàmpanjakana sy ny lalàn’ Andriamanitra hany ka na iza na iza vonona hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy hisetra fanakianana sy famaizana toy ny mpanao ratsy. Eo anoloan’ izany, inona no adidin’ ny mpitondra hafatry ny fahamarinana ? Moa ve hilaza izy fa tsy tokony haseho ny faha-marinana, satria matetika ny hany vokany dia ny hahatonga ny olona hidify na hanohitra ny zava-takiny ? Tsia ; tsy misy tokony hihazonany 347

marina hahatanterahan’ izany. Nefa, satria niamboho ny mazava izy, dia mbola

namerimberina nametra fotoana hiavian’ ny Tompo ihany, ary diso fanantenana foana

hatrany hatrany.

Rehefa nanaiky fomba fijery diso ny amin’ ny fiavian’ i Kristy ny fiangonana tao

Tesalonika, dia nanoro hevitra azy ny apostoly Paoly mba hisedra amim-pitandremana

fatratra ny fanantenany sy ny fiheverany ny ho avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra.

Nolazainy taminy ireo faminaniana manambara ny toe-javatra izay hitranga alohan’ ny

hiavian’ i Kristy, ka nasehony fa tsy nisy porofo hanantenany Azy amin’ ny andron’ izy

ireo. «Aza mety ho fitahin’ olona akory ianareo»,8 hoy ny teny fampitandremana nataony.

Raha tàhiny nanandrandra zavatra izay tsy tohanan’ ny Soratra Masina izy, dia ho voatarika

ho amin’ ny fihetsika diso ; ho nahatonga azy ho fihomehezan’ ny tsy mpino ny

fahadisoam-panantenana, ka nety ho loza mananontanona azy ny fahakiviana ary nety ho

nalaim-panahy hisalasala ny amin’ ireo fahamarinana ilaina mba hamonjena azy izy. Misy

lesona lehibe ho an’ ireo izay velona amin’ ny andro farany ny fananarana ataon’ ny

apostoly ho an’ ny Tesaloniana. Maro ny advantista mihevitra fa raha tsy mampifantoka ny

finoany amin’ ny fotoana voafaritra tsara momba ny fiavian’ ny Tompo izy, dia tsy nazoto

sy hafana fo amin’ ny fiomanana hitsena Azy. Rehefa voahetsika matetitetika ny

fanantenany nefa levona indray dia voadona mafy ny finoany hany ka saiky tsy mandaitra

aminy intsony ireo fahamarinana lehibe momba ny faminaniana.

Baiko avy tamin’ Andriamanitra ny nitoriana fotoana voafaritra tsara momba ny

fitsarana, tamin’ ny nanomezany ny hafatra voa-lohany. Ny fanisana ireo fe-potoana arapaminaniana

izay fototr’ io, hafatra io, izay nametra ny fiafaran’ ny 2300 andro amin’ ny

fararanon’ ny 1844, dia mitoetra tsy azo hozongozonina . Ny fiezahana miverimberina

hahita datin’ andro vaovao iandohana sy iafaran’ ireo fe-potoana ara-paminaniana mbamin’

ny fisainana diso ilaina hanohanana an’ izany, dia tsy hoe mampivily ny saina hanalavitra

ny fahamarinana ho amin’ izao andro izao fotsiny, fa mahatonga fanaovana zinona mihitsy

ny ezaka rehetra atao hoenti-manazava ny faminaniana.

Matetika, ny famerana fotoana voafaritra mazava hiavian’ i Kristy, ka hitoriana izany

hatraiza hatraiza, dia tena mifanandrify indrindra amin’ izay zava-kendren’ i Satana. Rehefa

dila ny fotoana notondroina dia totofany eso sy henatra ireo izay niaro izany hevitra izany,

ka dia voahoso-potaka koa ilay fihetsehana lehibe tamin’ ny taona 1843 sy 1844 momba ny

fiavian’ i Kristy. Amin’ ny farany dia hanondro vanin’ andro lavitra dia lavitra mbola ho

avy momba ny fiavian’ i Kristy izay mikiry amin’ izany hevi-diso izany. Amin’ izay dia ho

voataona hiantehitra amin’ ny toky sandoka izy ary maro no tsy hahatsikaritra ny fitaka raha

tsy efa diso aoriana loatra.

Ny tantaran’ ny Isiraely fahizay dia sary manaitra mampiseho ny fanandramana nataon’

ny mpino advantista tamin’ ny lasa. Andriamanitra no nitarika ny vahoakany ho amin’ ny

fihetsehana advantista, tahaka ny nitarihany ny zanak’ Isiraely nivoaka avy tany Egypta.

Nosedraina tao anatin’ ny fahadisoam-panantenana lehibe ny finoany tahaka ny nisedrana

346

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!