Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
Rehefa ireo fiangonana lohandohany any Etazonia, izay miray noho ny amin’ ny fotopinoana iarahan’ izy rehetra manaiky, no hiasa mangina amin’ ny fanjakana mba hanamafy ny lalàna ataony sy hanohana ny asa natsangany, amin’ izay dia ho nanao sarin’ ny ambaratongam-pahefana Romana i Amerika Protestanta ka ny fampiharana sazy ataon’ ny fanjakana amin’ ireo izay misaraka aminy no vokatr’ izany tsy azo sakanana. Ilay bibi-dia nanan-tandroka roa dia mandidy «ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo», handray «marika eo amin’ ny tanany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny anarany»25. Ny hafatra fampitandremana entin’ ny anjely fahatelo dia manao hoe : «Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra». «Ny bibi-dia» voalaza ao amin’ ity, izay haneren’ ilay bibi-dia manantandroka roa ny fiankohofana eo anatrehany, dia ny voalohany, na ilay bibi-dia tahaka ny leoparda ao amin’ ny Apokalypsy 13 dia ny fahefana papaly». Ny «sarin’ ny bibi-dia» dia mampiseho io endriky ny fivavahana Protestanta mihemotra izay hiseho rehefa hitady ny fanampian’ ny fahefampanjakana ny fiangonana Protestanta mba handidy hankatoavana ny fampianarany. Mbola hofaritana ny atao hoe ny «mariky ny bibi-dia». Aorian’ ny fampitandremana momba ny fiankohofana eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny dia hoy ny mpaminany : «Indreto ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy» (dikan-teny Anglisy). Satria avahana toy izany amin’ ireo izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny mariky ny anarany, ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra, noho izany ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra etsy an-daniny, sy ny fandikana azy, etsy an-kilany, no hampiavaka ireo izay miankohoka eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireo izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia. Ny toetra manokana hita eo amin’ ny bibi-dia, ary hita koa eo amin’ny sariny noho izany, dia ny fandikana ny didin’Andriamanitra. Hoy i Daniela momba ilay tandroka kely, dia ny fahefana papaly izany : «ary hitady hanova fotoana sy lalàna izy»26. Paoly koa dia nanome anarana io fahefana io hoe ilay «lehilahin’ ota» izay nanan-dratra ny tenany ambonin’ Andriamanitra ; mifameno ireo fami-naniana anankiroa ireo. Ny fanovana ny lalàn’ Andriamanitra ihany no fomba ahazoan’ ny fahefana papaly manandratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra. Na iza na iza mahalala nefa mitandrina ny lalàna novana toy izany, dia manome voninahitra fara-tampony an’ ilay fahefana nanao izany fanovana izany. Ny fihetsika mankato toy izany ny lalàna papaly dia mariky ny fanekena ny papa ho solon’ Andriamanitra. Nanandrana nanova ny lalàn’ Andriamanitra ny fahefana papaly. Ny didy faharoa, izay mandrara ny fivavahana amin’ ny sary dia nesorina tsy ho amin’ ny lalàna, ary ny didy fahefatra dia novana koa amin’ ny fomba izay manome alalana ny fitandremana ny andro voalohany fa tsy ny andro fahafito ho Sabata. Antitranterin’ ireo papista, fa ny antony 338
nanalany ny didy faharoa, dia tsy ilaina izany satria efa voafaoka ao amin’ ny voalohany, ary lazainy fa tena araka izay notendren’ Andriamanitra ahazoana azy mihitsy no anomezan’ izy ireo ny lalàna. Tsy io no fanovana nambaran’ ny mpaminany mialoha. Misy fanovana, nokasaina, niniana haseho. «Hitady hanova fotoana sy lalàna izy». Tena manatanteraka ny faminaniana ny fanovana ao amin’ ny didy fahefatra. Ny hany fahefana anankinana azy io dia ny fahefan’ ny eglizy. Eto ny fahefana papaly dia manan-dra-tena mazava ho ambonin’ Andriamanitra. Raha hiavaka indrindra amin’ ny hanajany ny didy fahefatra ireo izay miankohoka amin’ Andriamanitra manokana, satria io no famantarana ny heriny mamorona sy vavolombelon’ ny fitakiany ny fiankohofana aminy sy ny fanajan’ ny olona Azy, ireo miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia kosa dia hiavaka amin’ ny fiezahany handrodana ny tsangambaton’ ny Mpamorona, ka hanandratra izay naorin’ i Roma. Ho fanohanana ny Alahady no nanehoan’ ny fahe-fana papaly voalohany indrindra ny fihamboany feno fireharehana fatratra (Jereo Fanampiny); ary ny nampiasany voalohany ny fahefam-panjakana dia ho amin’ ny fanerena ny olona hitandrina ny Alahady ho «Andron’ ny Tompo». Ny Baiboly anefa dia manondro ny andro fahafito fa tsy ny andro voalohany ho andron’ ny Tompo. Hoy Kristy : «Fa tompon’ ny Sabata ny zanak’ olona».Ny didy fahefatra dia manambara fa : Sabatan’ i Jehovah ny andro fahafito». Ary tamin’ alalan’ ny mpaminany Isaia no nanondroan’ i Jehovah azy ho «Androko masina»27. Ny filazana aroso matetika fa Kristy no nanova ny Sabata dia lavin’ ny teniny ihany. Hoy Izy tamin’ ny toriteny teo an-tendrombohitra :» Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany ; tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa : Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna na dia litera iray na tendrontsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra. Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia atao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra»28. Eken’ ny ankabeazan’ ny Protestanta fa tsy ny fahefan’ ny Soratra Masina no azo anankinana ny fanovana ny Sabata. Voalaza mazava izany ao amin’ ireo boky navoakan’ ny Fikambanana Amerikana mampiely trakta ara-pivavahana sy ny Fikambanan’ ny Sekoly Alahady Amerikana. Ny iray amin’ ireny dia manaiky ny «fahanginana tanteraka ao amin’ ny Testamenta Vaovao momba ny baiko mazava mampitandrina ny Sabata (Alahady, andro voalohany amin’ ny herinandro) sy momba ny fitsipika mazava ny amin’ ny fomba fitandremana izany». George Elliott, The Abiding Sabbath, p. 184. Misy anankiray koa manao hoe : «Hatramin’ ny fotoana nahafatesan’ i Kristy, dia tsy nisy fiovana momba ny andro, ary«araka ny asehon’ ny teny firaketana, ny apostoly dia tsy nanome baiko mazava mitarika ny olona hiala amin’ ny Sabatan’ ny andro fahafito ka hitandrina izany amin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro». — A. E. Waffle, The Lords Day, p. 186-188. 339
- Page 295 and 296: amin’ ny hery manimba miasa mangi
- Page 297 and 298: nijangajanga noho ny lazanao». «K
- Page 299 and 300: ny tsy finoana mahameloka, izay mbo
- Page 301 and 302: ny amin’ ny tena fiainany, sady m
- Page 303 and 304: arapanahy ny fiangonana tamin’ iz
- Page 305 and 306: Nisy koa fizarana tamin’ ny famin
- Page 307 and 308: mpanota no voaova fo, ary nisy olon
- Page 309 and 310: mpamitaka tao amin’ ny fiangonana
- Page 311 and 312: 27 T.K. = Ny Batisan'i Jesosy Krist
- Page 313 and 314: Ao amin’ ny fanoharana ao amin’
- Page 315 and 316: lehibe sy tsy hay ambara. Nampalefa
- Page 317 and 318: Andriamanitra izany. Tsy sailin’
- Page 319 and 320: famantarana manambara fa akaiky ny
- Page 321 and 322: Raha araka ny fanisana, dia nazava
- Page 323 and 324: Aseho eto ny fitoerana masin’ ny
- Page 325 and 326: hipetraka sy hanapaka ny eo amin’
- Page 327 and 328: Ireo fanompoam-pivavahana roa ireo
- Page 329 and 330: faran’ ny taona, dia toy izany ko
- Page 331 and 332: tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ar
- Page 333 and 334: voatondro dia tonga ny Mpampakatra,
- Page 335 and 336: kosa ny manaraka. Mbola nisy varava
- Page 337 and 338: Toko 25—Ny Lalàn’ Andriamanitr
- Page 339 and 340: ny fizarana famaranana ny asa famon
- Page 341 and 342: ampiasaina dia ilaina mba ahazoana
- Page 343 and 344: fahafahana, amin’ ny fiaikena maz
- Page 345: fiangonany, ary maro tamin’ izy i
- Page 349 and 350: Nitandrina ny Alahady anefa ireo Kr
- Page 351 and 352: fa ireo izay lazain’ i Jehovah fa
- Page 353 and 354: izay hampitony ny saina manadihady
- Page 355 and 356: ny an’ ny Hebreo teo amin’ ny R
- Page 357 and 358: kevitra tsy miovaova, eo ambonin’
- Page 359 and 360: asa mangina avy taminy ny mpiara-mo
- Page 361 and 362: mampidanadana ny varavarana idiran
- Page 363 and 364: Ny dingana voalohany eo amin’ ny
- Page 365 and 366: I Petera kosa mampiseho antsika ire
- Page 367 and 368: mampianatra ny olona hanao toy izan
- Page 369 and 370: Izao tontolo izao dia mitolo-batana
- Page 371 and 372: ny fisainan’ ny olona, dia tsy ma
- Page 373 and 374: Ireo boky firaketana any an-danitra
- Page 375 and 376: marinan’ i Kristy izy, ka hita fa
- Page 377 and 378: Ny fahotana izay tsy nibebahana sy
- Page 379 and 380: Izay rehetra nandray fahazavana mom
- Page 381 and 382: amin’ ny mamatonalina», no hiavi
- Page 383 and 384: fanapahana, na fahefana»1; koa ny
- Page 385 and 386: mazava tsara ny tena toetry ny fihe
- Page 387 and 388: azy. Nihambo hatrany amin’ ny voa
- Page 389 and 390: nahalala fiatoana nihaza Azy hatrai
- Page 391 and 392: ... ho tahaka ny Avo Indrindra aho
- Page 393 and 394: ny fahotana fa tsy tia izany, na iz
- Page 395 and 396: mahazo matoky isika fa hiaro antsik
Rehefa ireo fiangonana lohandohany any Etazonia, izay miray noho ny amin’ ny fotopinoana

iarahan’ izy rehetra manaiky, no hiasa mangina amin’ ny fanjakana mba hanamafy

ny lalàna ataony sy hanohana ny asa natsangany, amin’ izay dia ho nanao sarin’ ny

ambaratongam-pahefana Romana i Amerika Protestanta ka ny fampiharana sazy ataon’ ny

fanjakana amin’ ireo izay misaraka aminy no vokatr’ izany tsy azo sakanana.

Ilay bibi-dia nanan-tandroka roa dia mandidy «ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe,

na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo», handray «marika eo

amin’ ny tanany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy

na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny

anarany»25. Ny hafatra fampitandremana entin’ ny anjely fahatelo dia manao hoe : «Raha

misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny

handriny na amin’ ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’

Andriamanitra». «Ny bibi-dia» voalaza ao amin’ ity, izay haneren’ ilay bibi-dia manantandroka

roa ny fiankohofana eo anatrehany, dia ny voalohany, na ilay bibi-dia tahaka ny

leoparda ao amin’ ny Apokalypsy 13 dia ny fahefana papaly». Ny «sarin’ ny bibi-dia» dia

mampiseho io endriky ny fivavahana Protestanta mihemotra izay hiseho rehefa hitady ny

fanampian’ ny fahefampanjakana ny fiangonana Protestanta mba handidy hankatoavana ny

fampianarany. Mbola hofaritana ny atao hoe ny «mariky ny bibi-dia».

Aorian’ ny fampitandremana momba ny fiankohofana eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny

sariny dia hoy ny mpaminany : «Indreto ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny

finoana an’ i Jesosy» (dikan-teny Anglisy). Satria avahana toy izany amin’ ireo izay

miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny mariky ny anarany, ireo

izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra, noho izany ny fitandremana ny didin’

Andriamanitra etsy an-daniny, sy ny fandikana azy, etsy an-kilany, no hampiavaka ireo izay

miankohoka eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireo izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia.

Ny toetra manokana hita eo amin’ ny bibi-dia, ary hita koa eo amin’ny sariny noho

izany, dia ny fandikana ny didin’Andriamanitra. Hoy i Daniela momba ilay tandroka kely,

dia ny fahefana papaly izany : «ary hitady hanova fotoana sy lalàna izy»26. Paoly koa dia

nanome anarana io fahefana io hoe ilay «lehilahin’ ota» izay nanan-dratra ny tenany

ambonin’ Andriamanitra ; mifameno ireo fami-naniana anankiroa ireo. Ny fanovana ny

lalàn’ Andriamanitra ihany no fomba ahazoan’ ny fahefana papaly manandratra ny tenany

ho ambonin’ Andriamanitra. Na iza na iza mahalala nefa mitandrina ny lalàna novana toy

izany, dia manome voninahitra fara-tampony an’ ilay fahefana nanao izany fanovana izany.

Ny fihetsika mankato toy izany ny lalàna papaly dia mariky ny fanekena ny papa ho solon’

Andriamanitra.

Nanandrana nanova ny lalàn’ Andriamanitra ny fahefana papaly. Ny didy faharoa, izay

mandrara ny fivavahana amin’ ny sary dia nesorina tsy ho amin’ ny lalàna, ary ny didy

fahefatra dia novana koa amin’ ny fomba izay manome alalana ny fitandremana ny andro

voalohany fa tsy ny andro fahafito ho Sabata. Antitranterin’ ireo papista, fa ny antony

338