Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

izay tanterahina ao. ho an’ ny fanavotana ny olombelona nampianarina tamin’ ny alalan’ ny fitoerana masina teto an-tany sy ny asa fanompoana tao. Ireo efitra masina ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra dia asehon’ ireo efitra roa tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Raha naseho ny apostoly Jaona tamin’ ny fahitana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra dia hitany tao ny «jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana»7. Nahita anjely izy «nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana»8. Teo ny mpaminany dia navela hibanjina ny efitra voalohany ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra, ary hitany tao ny «jiro fito nirehitra» sy ny «alitara volamena» izay nasehon’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny fandoroana ditin-kazo manitra tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Novohana indray ny «tempolin’ Andriamanitra» (Apokalypsy 11 : 19) ka nojereny ny tao amin’ ny masina indrindra. Tao no nahitany ny «fiaran’ ny fanekeny», izay nasehon’ ilay vata fiara masina nataon’ i Mosesy mba hasiana ny lalàn’ Andriamanitra. Koa ireo izay nandinika ny momba ny fitoerana masina dia nahita porofo tsy azo iadiankevitra ny amin’ ny fisian’ izany any an-danitra. Nataon’ i Mosesy araka ny ohatra izay naseho azy ny fitoerana masina teto an-tany. Ary vavolombelona i Jaon.a fa nahita izany tany an-danitra. Ao amin’ ny tempoly any an-danitra, fonenan’ Andriamanitra, no miorina amin’ ny fahamarinana sy ny fitsarana ny seza fiandrianany. Ao amin’ ny fitoerana masina indrindra ny lalàny, ilay fitsipika lehibe mamaritra ny rariny izay hizahan-toetra ny olombelona rehetra. Ny fiara izay mitahiry ny vato fisaky ny lalàna dia saronan’ ny rakopanavotana, eo anoloan’ izany i Kristy no mandahatra ny amin’ ny rany ho an’ ny mpanota. Noho izany dia mampiseho ny firaisan’ ny fahamarinana sy ny famindrampo eo amin’ ny drafitra hoentimanavotra ny olombelona io. Ny fahendrena tsy voafetra ihany no afaka mamolavola io firaisana io ary hery tsy voafetra no afaka manatanteraka azy; io firaisana io no mahenika ny lanitra manontolo amin’ ny fahagagana sy fiderana. Ny kerobima teo amin’ ny fitoerana masina teto an-tany, izay niondrika tamim-panajana teo amin’ ny rakopanavotana, dia mampiseho ny hafalian’ ny tafiky ny lanitra mibanjina ny asam-panavotana. Izao no zavamiafin’ ny famindrampo izay tian’ ny anjely hojerena dia ny mbola maha-marina an’ Andriamanitra ihany nefa Izy manamarina ny mpanota mibebaka sy manavao ny fifandraisany amin’ ny taranaka lavo; fa azon’ i Kristy atao ny manetry tena mba hampiakarany vahoaka tsy hita isa avy ao amin’ ny hantsan’ ny faharavana ka hanafiany azy amin’ ny fitafiana tsy misy pentin’ ny fahamarinana mba hiray amin’ ny anjely izay tsy lavo na oviana na oviana ary hitoetra mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny asan’ i Kristy amin’ ny maha-mpanelanelana Azy dia aseho ao amin’ ilay faminaniana kanto dia kanto nataon’ i Zakaria mikasika «Ilay atao hoe Rantsana» kely. Hoy ny mpaminany : «Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy hitondra voninahitra ka 316

hipetraka sy hanapaka ny eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Rainy; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainampihavanana amin’ izy roroa»9. «Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah». Tamin’ ny alalan’ ny sorona nataony sy ny fanelanelanany, Kristy dia fototra sady mpanorina ny fiangonan’ Andriamanitra. Lazain’ ny apostoly Paoly ho «fehizoro indrindra Izy; ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ ny Tompo. Ary ao aminy, hoy izy, no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Eanahy» 10. «Hitondra voninahitra Izy». An’ i Kristy ny voninahitry ny fanavotana ny taranaka lavo. Mandritra ny mandrakizay, dia ho toy izao ny hiran’ ny voavotra : «Ho an’ izay tia antsika ka manasa antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny rany, ... Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay». Apokalypsy 1 : 5, 6. «Hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany». Tsy mbola eo amin’ ny «seza fiandrianany ny voninahiny» akory Izy ankehitriny, ny fanjakam-boninahitra dia tsy mbola nidirany. Raha tsy mifarana ny asany amin’ ny maha-mpanalalana Azy tsy homen’ Andriamanitra Azy «ny seza fiandrianan’ i Davida Rainy», dia fanjakana izay «tsy hanam-pahataperana»11. Amin’ ny maha-mpisorona Azy izao no hiarahan’ i Kristy mipetraka amin’ ny Ray eo amin’ ny seza fiandrianana (Apokalypsy 3:21). Eo amin’ ny seza fiandrianana miaraka amin’ Ilay mandrakizay, tsy nisy namorona Ilay «nitondra ny aretintsika tokoa sady nivesatra ny fahoriantsika», «Ilay nalaimpanahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy nanana ota», «ka nahavonjy izay alaim-panahy koa Izy». «Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika»12. Ny fanelanelanana ataony dia fanelanelanan’ ny tena nolefonina sy torotoro, fiainana tsy misy pentina. Ny tanany naratra, ny lanivoany nolefonina, ny tongony simbasimba, dia manao fifonana ho an’ ny olombelona lavo, izay novidina tamin’ ny vidiny tsy hita fetra. «Ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa». Ny fitiavan’ ny Ray, ary tsy latsaka noho izany ny an’ ny Zanaka, no loharanompamonjena ho an’ ny taranaka lavo. Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany talohan’ ny nandehanany : «Ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo»13. «Andriamanitra tao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy»14. «Ary eo amin’ ny fanompoana eo amin’ ny fitoerana masina any ambony, dia hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa». «Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay»15. Ilay fanontanina hoe : Inona ny fitoerana masina? dia voavalin’ ny Soratra Masina mazava. Ny teny hoe «fitoerana masina», araka ny ampiasaina ao amin’ ny Baiboly, dia voalohany milaza ny tabernakely naorin’ i Mosesy, izay nalain-tahaka tamin’ ny tany andanitra, ary faharoa, milaza ny «tena tabernakely» any an-danitra, izay tondroin’ ny fitoerana masina teto an-tany. Nifarana tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny fanompoampivavahana tandindona. Ilay «tena tabernakely» any an-danitra no fitoerana masin’ ny 317

hipetraka sy hanapaka ny eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Rainy; ary ho mpisorona eo

amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainampihavanana amin’ izy roroa»9.

«Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah». Tamin’ ny alalan’ ny sorona nataony sy ny

fanelanelanany, Kristy dia fototra sady mpanorina ny fiangonan’ Andriamanitra. Lazain’ ny

apostoly Paoly ho «fehizoro indrindra Izy; ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo

tsara ho tempoly masina ao amin’ ny Tompo. Ary ao aminy, hoy izy, no miaraka aorina koa

ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Eanahy» 10.

«Hitondra voninahitra Izy». An’ i Kristy ny voninahitry ny fanavotana ny taranaka lavo.

Mandritra ny mandrakizay, dia ho toy izao ny hiran’ ny voavotra : «Ho an’ izay tia antsika

ka manasa antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny rany, ... Ho Azy anie ny

voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay». Apokalypsy 1 : 5, 6.

«Hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary ho mpisorona eo amin’

ny seza fiandrianany». Tsy mbola eo amin’ ny «seza fiandrianany ny voninahiny» akory Izy

ankehitriny, ny fanjakam-boninahitra dia tsy mbola nidirany. Raha tsy mifarana ny asany

amin’ ny maha-mpanalalana Azy tsy homen’ Andriamanitra Azy «ny seza fiandrianan’ i

Davida Rainy», dia fanjakana izay «tsy hanam-pahataperana»11. Amin’ ny maha-mpisorona

Azy izao no hiarahan’ i Kristy mipetraka amin’ ny Ray eo amin’ ny seza fiandrianana

(Apokalypsy 3:21). Eo amin’ ny seza fiandrianana miaraka amin’ Ilay mandrakizay, tsy nisy

namorona Ilay «nitondra ny aretintsika tokoa sady nivesatra ny fahoriantsika», «Ilay

nalaimpanahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy nanana ota», «ka

nahavonjy izay alaim-panahy koa Izy». «Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’

ny Ray isika»12. Ny fanelanelanana ataony dia fanelanelanan’ ny tena nolefonina sy

torotoro, fiainana tsy misy pentina. Ny tanany naratra, ny lanivoany nolefonina, ny tongony

simbasimba, dia manao fifonana ho an’ ny olombelona lavo, izay novidina tamin’ ny vidiny

tsy hita fetra.

«Ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa». Ny fitiavan’ ny Ray, ary tsy latsaka

noho izany ny an’ ny Zanaka, no loharanompamonjena ho an’ ny taranaka lavo. Hoy Jesosy

tamin’ ny mpianany talohan’ ny nandehanany : «Ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no

hangataka amin’ ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo»13. «Andriamanitra tao amin’ i

Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy»14. «Ary eo amin’ ny fanompoana eo

amin’ ny fitoerana masina any ambony, dia hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa». «Fa

toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba

tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay»15.

Ilay fanontanina hoe : Inona ny fitoerana masina? dia voavalin’ ny Soratra Masina

mazava. Ny teny hoe «fitoerana masina», araka ny ampiasaina ao amin’ ny Baiboly, dia

voalohany milaza ny tabernakely naorin’ i Mosesy, izay nalain-tahaka tamin’ ny tany andanitra,

ary faharoa, milaza ny «tena tabernakely» any an-danitra, izay tondroin’ ny

fitoerana masina teto an-tany. Nifarana tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny fanompoampivavahana

tandindona. Ilay «tena tabernakely» any an-danitra no fitoerana masin’ ny

317

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!