Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

aho», hoy ny nosoratan’ io lehilahin’ Andriamanitra io, «dia tsy mamoy fo aho na kivy. . Tsy mbola natanjaka toy izao ny finoako ny fiavian’ i Kristy. Tsy nanao afa-tsy izay noheveriko fa adidiko aho, rehefa nandany taona maro nandinihana tamin-kovitra sy fanajana. Raha nisy nahadiso ahy dia noho ny fitiavako ny mpiara-belona amiko sy ny olombelona tahaka ahy ary ny fahareseko lahatra fa nanana adidy tamin’ Andriamanitra». «Zavatra iray ihany no fantatro marimarina, tsy nitory afa-tsy izay ninoako aho; ary niaraka tamiko Andriamanitra; niseho teo amin’ ny asa ny heriny, ary betsaka ny soa vita». «An’ arivony maro, araka ny fahitan’ ny olombelona azy, no voataona handinika ny Soratra Masina noho ny fitoriana momba ny fotoan’ andro; ary tamin’ izany fomba izany dia vita fihavanana tamin’ Andriamanitra izy ireny tamin’ ny alalan’ ny finoana sy ny famafazana ny ran’ i Kristy» — Bliss, pejy 256, 277, 280. 281». «Tsy mangataka na oviana na oviana ny hitsikian’ ny mpiavonavona aho, na hifararemotra rehefa tsy nankasitraka izao tontolo izao. Tsy hividy ny sitraka avy aminy koa aho izao, na hanao mihoatra ny adidiko mba hihaika ny fankahalany. Na oviana na oviana tsy hitady izay hamonjena ny aiko avy eo ampelatanany aho, na hihemotra noho ny tahotra ny hahavery izany, manantena ny hanolotra izany ho an’ Andriamanitra aho, raha izany no fantany fa mety». J. White, Life of Miller, p. 315. Tsy nahafoy ny vahoakany Andriamanitra fa mbola nitoetra tao amin’ ireo izay tsy nandà ankitsirano ny fahazavana efa noraisiny sy tsy nanohitra ny fihetsehana momba ny fiavian’ i Kristy. Ao amin’ ny epistily ho an’ ny Hebreo dia misy teny fampaherezana sy fampitandremana ho an’ ireo izay niandry, sy nozahan-toetra tamin’ io fotoan-tsarotra io. «Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe, fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andria-manitra. Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy fa tsy hitaredretra. Ary ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana, fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko. Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy»11. «Mazava fa natao ho an’ ny fiangonana aty amin’ ny andro farany io fananarana io, araka ny teny izay manondro ny fahantomoran’ ny fiavian’ ny Tompo». «Fa rehefa afaka kelikely dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra». Ary voalaza mazava fa misy toa fihemoran’ ny fotoan’ andro ary toa hitaredretra ny Tompo araka ny fahitana azy. Ny torohevitra omena eto dia mifanitsy indrindra amin’ ny fanandramana nataon’ ireo Advantista tamin’ izany fotoana izany. Ny vahoaka iantefan’ izany dia notandindomin-doza ho rendripinoana. Efa nanao ny sitrapon’ Andriamanitra izy tamin’ ny fanarahany ny Fanahiny sy ny teniny ; nefa tsy nazava taminy ny fikasany teo amin’ ny fanandramana nataony teo aloha, ary tsy hitany mazava ny lalana nombany amin’ ny ho avy, ka ho azon’ ny fakampanahy izy hisalasala raha tena nitarika azy tokoa Andriamanitra. Azo nampiharina tamin’ izany ny teny hoe : «Ary ny oloko marina dia ho velona amin’ ny finoana». Raha namirapiratra teo amin’ ny lalany ny fahazavan’ ny «antso mamatonalina», ka hiteny fa efa novahana ny tombo-kasen’ ireo faminaniana ary tanteraka haingana dia haingana ireo 310

famantarana manambara fa akaiky ny fiavian’ i Kristy, dia nandeha araka izany izy, tamin’ ny alalan’ izay hitan’ ny masony. Fa ankehitriny kosa, naondriky ny fanantenany tsy tanteraka izy, ka tsy afaka hijoro raha tsy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ Andriamanitra sy ny teniny ihany. Naniratsira izao tontolo izao ka nanao hoe : «Efa voafitaka ianareo. Ialao ny finoanareo, ary ambarao fa avy tamin’ i Satana ny fihetsehana momba ny fiavian’ i Kristy». Nefa izao no ambaran’ ny tenin’ Andriamanitra : «Raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko». Ny fandavana ny finoany izao, sy ny fandavana ny herin’ ny Fanahy Masina izay teo amin’ ny hafatra, dia ho nitarika azy hiverina ho any amin’ ny fahaverezana. Nampahery azy hijoro ny tenin’ i Paoly manao hoe: «Koa aza manary ny fahasahianareo, fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra». Ny hany fihetsika azo antoka ho azy dia ny mankamamy ny fahazavana izay efa noraisiny tamin’ Andriamanitra, ny hamikitra amin’ ny teny fikasany, ary ny hitozo handinika ny Soratra Masina, sy hiandry ary hiambina amim-paharetana handray fahazavana vaovao. 311

aho», hoy ny nosoratan’ io lehilahin’ Andriamanitra io, «dia tsy mamoy fo aho na kivy. .

Tsy mbola natanjaka toy izao ny finoako ny fiavian’ i Kristy. Tsy nanao afa-tsy izay

noheveriko fa adidiko aho, rehefa nandany taona maro nandinihana tamin-kovitra sy

fanajana. Raha nisy nahadiso ahy dia noho ny fitiavako ny mpiara-belona amiko sy ny

olombelona tahaka ahy ary ny fahareseko lahatra fa nanana adidy tamin’ Andriamanitra».

«Zavatra iray ihany no fantatro marimarina, tsy nitory afa-tsy izay ninoako aho; ary niaraka

tamiko Andriamanitra; niseho teo amin’ ny asa ny heriny, ary betsaka ny soa vita». «An’

arivony maro, araka ny fahitan’ ny olombelona azy, no voataona handinika ny Soratra

Masina noho ny fitoriana momba ny fotoan’ andro; ary tamin’ izany fomba izany dia vita

fihavanana tamin’ Andriamanitra izy ireny tamin’ ny alalan’ ny finoana sy ny famafazana

ny ran’ i Kristy» — Bliss, pejy 256, 277, 280. 281». «Tsy mangataka na oviana na oviana

ny hitsikian’ ny mpiavonavona aho, na hifararemotra rehefa tsy nankasitraka izao tontolo

izao. Tsy hividy ny sitraka avy aminy koa aho izao, na hanao mihoatra ny adidiko mba

hihaika ny fankahalany. Na oviana na oviana tsy hitady izay hamonjena ny aiko avy eo ampelatanany

aho, na hihemotra noho ny tahotra ny hahavery izany, manantena ny hanolotra

izany ho an’ Andriamanitra aho, raha izany no fantany fa mety». J. White, Life of Miller, p.

315.

Tsy nahafoy ny vahoakany Andriamanitra fa mbola nitoetra tao amin’ ireo izay tsy

nandà ankitsirano ny fahazavana efa noraisiny sy tsy nanohitra ny fihetsehana momba ny

fiavian’ i Kristy. Ao amin’ ny epistily ho an’ ny Hebreo dia misy teny fampaherezana sy

fampitandremana ho an’ ireo izay niandry, sy nozahan-toetra tamin’ io fotoan-tsarotra io.

«Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe, fa tokony hanana faharetana

ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’

Andria-manitra. Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy fa tsy hitaredretra. Ary ny

oloko marina dia ho velon’ ny finoana, fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.

Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho

amin’ ny famonjena ny fanahy»11.

«Mazava fa natao ho an’ ny fiangonana aty amin’ ny andro farany io fananarana io,

araka ny teny izay manondro ny fahantomoran’ ny fiavian’ ny Tompo». «Fa rehefa afaka

kelikely dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra». Ary voalaza mazava fa misy toa

fihemoran’ ny fotoan’ andro ary toa hitaredretra ny Tompo araka ny fahitana azy. Ny torohevitra

omena eto dia mifanitsy indrindra amin’ ny fanandramana nataon’ ireo Advantista

tamin’ izany fotoana izany. Ny vahoaka iantefan’ izany dia notandindomin-doza ho

rendripinoana. Efa nanao ny sitrapon’ Andriamanitra izy tamin’ ny fanarahany ny Fanahiny

sy ny teniny ; nefa tsy nazava taminy ny fikasany teo amin’ ny fanandramana nataony teo

aloha, ary tsy hitany mazava ny lalana nombany amin’ ny ho avy, ka ho azon’ ny fakampanahy

izy hisalasala raha tena nitarika azy tokoa Andriamanitra. Azo nampiharina tamin’

izany ny teny hoe : «Ary ny oloko marina dia ho velona amin’ ny finoana». Raha

namirapiratra teo amin’ ny lalany ny fahazavan’ ny «antso mamatonalina», ka hiteny fa efa

novahana ny tombo-kasen’ ireo faminaniana ary tanteraka haingana dia haingana ireo

310

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!