Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Ilay nolefoniny izy, ary hisy fisaonana lehibe eran’ ny tany, ... ary izay mibanjina ny Tompo dia nampahory ny fanahiny teo anatrehany». — Bliss, Advent Shield and Review, boky l, p. 271 (Janoary 1845). Tamin’ ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana hatramin’ ny andron’ ny apostoly, dia ilay tamin’ ny fararanon’ ny 1844 no tena afaka indrindra tamin’ ny tsy fahatanterahan’ ny olombelona sy ny fandrik’ i Satana. Eny, fa na ankehitriny aza, taona maro aty aoriana, izay rehetra nandray anjara tamin’ izany fihetsiketsehana izany ka nijoro tsy ho azo nohozongozonina teo amin’ ny sehatry ny fahama-rinana dia mbola mahatsapa ny hery masina niasa nangina avy tamin’ io asa feno fitahiana io ary vavolombelon’ ny maha-avy tamin’ Andriamanitra izany. Rehefa re ny antso nanao hoe : Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena Azy», «dia nitsangana ireo niandry Azy ka nanamboatra ny fanalany»; nianatra ny tenin’ Andriamanitra tamim-pahalianana fatratra izay tsy mbola nahitana izay toy izany izy. Nisy anjely nirahina avy tany an-danitra hamoha ireo izay tratry ny fahakiviana ka manomana azy handray ny hafatra. Tsy ny fahendrena na ny fahaizan’ olombelona no nijoroan’ ny asa, fa ny herin’ Andriamanitra. Tsy ireo nanan-talenta namirapiratra indrindra, fa ireo nanetry tena sy tia vavaka indrindra no voalohany nandre sy nankatò ny antso. Nilaozan’ ny mpamboly ny vokatra tany an-tsaha, navelan’ ireo mpiasa ny milina fiasany, ka tamin-dranomaso sy fifaliana no nandehanany nitondra ny hafatra fampitandremana. Ireo izay nitarika ny asa tamin’ ny voalohany no anisan’ ny farany nanaraka io fihetsiketsehana io. Ny ankabeazan’ ny fiangonana dia nanakatona ny varavarany mba ho mariky ny fandavany io hafatra io, ary olona maro tamin’ ireo izay nandray izany no niala tsy nifandray tamin’ ireo intsony. Noho ny fitondran’ Andriamanitra, dia niray tamin’ ny hafatry ny anjely faharoa io fitoriana io ka nanome hery ny asa. Ilay hafatra hoe : «Indry. tamy ny Mpampakatra!» dia tsy nankinina firy tamin’ ny fonjan-kevitra na dia nazava sy tsy azo lavina aza ny porofo tao amin’ ny Soratra Masina. Nisy hery nanosika nomba azy izay nampientana ny fanahy. Tsy nisy fisalasalana, tsy nisy fanontaniana nampiahanahana. Raha niakatra tamin’ ny fomba manetriketrika tao Jerosalema i Kristy, ny vahoaka izay tafangona avy tamin’ ny faritany rehetra hanatrika ny fety ka nirohotra nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva, rehefa tafara-dia tamin’ ireo marobe nanaraka an’ i Jesosy izy dia nentanin’ ny aingam-panahy tamin’ izany ora izany ka nampaneoeo ny antso hoe : «Isaorana anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!»6. Toy izany koa ireo mpino izay nifanizina tamin’ ny fivorian’ ny Advantista — ny sasany noho ny fitiavany hahita zava-baovao, ny sasany mba hanazimbazimba fotsiny — nahatsapa ilay hery nandresy lahatra avy tamin’ ilay hafatra hoe : «Indry, tamy ny Mpampakatra!» izy. Tamin’ izany fotoana izany dia nisy finoana izay nitondra valimbavaka finoana izay nijery ny famalian-tsoa. Tahaka ny ranonorana milatsaka amin’ ny tany mangentana ny Fanahin’ ny fahasoavana dia nirotsaka tamin’ ireo izay nikatsaka izany mafy. Izay nanantena fa vetivety dia hifanatri-tava amin’ ny Mpanavotra azy dia nahatsapa fifaliana 306

lehibe sy tsy hay ambara. Nampalefadefaka sy nampitony ny fo ny herin’ ny Fanahy Masina raha nitosaka be dia be tamin’ ireo mahatoky sy mino ny fitahiana avy aminy. Tamim-pitandremana fatratra sy tamim-pieritreretana lalina no nanatonan’ ireo izay nandray ny hafatra sy ny fotoana izay nantenainy fa hihaonany amin’ ny Tompo. Isa maraina dia tsapany fa ny voalohan’ adidiny dia ny mahazo antoka mazava ny faneken’ Andriamanitra azy. Niray akaiky dia akaiky ny fony, ary nazoto niara-nivavaka sy nifampivavaka izy. Matetika no nivory tany amin’ ny toerana mitokana izy mba hiray amin’ Andriamanitra. ka niakatra avy tany an-tsaha sy avy tamin’ ny kirihitr’ ala ny feon’ ny fitalahoana ho any an-danitra. Nilainy mihoatra noho ny hanin-kohanina isan’ andro ny fahazoany antoka ny fankasitrahan’ ny Mpamonjy; ary raha nisy rahona nanamaloka ny sainy, dia tsy nijanona izy raha tsy nisinda izany. Teo amin’ ny fahatsapany ny fanambaran’ ny fahasoavana mamela heloka, dia niriny mafy ny hahita Ilay tian’ ny fanahiny. Nefa nisy fahadisoam-panantenana hafa niandry azy ireo. Lasa ny fotoana nandrasana, nefa tsy tonga Ilay Mpamonjiny. Tamin-toky tsy nisy fisalasalana no nibanjinan’ izy ireo ny fiaviany. Ny tsapany izao dia izay tsapan’ i Maria fony izy tonga teo amin’ ny fasan’ ny Mpamonjy. ka nahita izany foana ary niteny tamin-dranomaso hoe : «Nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy»7. Nanahinahy sy natahotra nandritra ny fotoana kely izao tontolo izao tsy nino ary toa fefy nisakana azy izany. Rehefa lasa io fotoana io, dia tsy afaka avy hatrany akory izany; tamin’ ny voalohany dia tsy sahy nampiseho fandresena tamin’ ireo diso fanantenana izy; fa rehefa tsy nisy kosa famantarana ny fahatezeran’ Andriamanitra niseho, dia afaka ny tahony ka niverina tamin’ izay ny fanomezan-tsiny sy ny fanimbazimbana. Antokon’ olona betsaka izay nilaza fa nino ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela, no niala tamin’ ny finoany. Nisy koa ireo izay tena natoky marina tokoa no voaratra lalina indrindra teo amin’ ny hambom-pony hany ka toa naleony nandositra an’ izao tontolo izao. Tahaka an’ i Jona nitaraina tamin’ Andriamanitra izy ka naleony maty toy izay ho velona. Ireo izay nampiorina ny finoany tamin’ ny hevitry ny hafa fa tsy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra ankehitriny dia vonona hiova hevitra indray koa. Voasinton’ ireo mpaniratsira ho mpiandany aminy ny malemy sy ny kanosa, ka niray saina izy rehetra tamin’ ny fanambarana fa tsy misy tokony hatahorana na hantenaina intsony izao. Efa dila ny fotoana, tsy tonga ny Tompo, ka mety hijanona tsy miova an’ arivo taonany izao tontolo izao. Ireo mpino marina sy nadio fo dia nahafoy ny zavatra rehetra ho an’ i Kristy ary efa niaina tamin’ ny fanatrehany tahaka ny tsy mbola nataony mihitsy. Ninoany, fa efa nomeny an’ izao tontolo izao ny hafatra fampitandremana farany; ary, satria nanantena izy fa vetivety dia horaisina hiara-monina amin’ ny Tompony sy Andria-manitra ary ireo anjelin’ ny lanitra, dia efa tsy nifanerasera firy intsony tamin’ ireo izay tsy nandray ny hafatra izy. Efa nanao vavaka feno faniriana izy hoe : «Avia Jesosy Tompo ary avia faingana». Nefa tsy tonga Izy. Ary izao, izany hiantsoroka indray ny enta-mavesatry ny ahiahin’ ny fiainana sy 307

Ilay nolefoniny izy, ary hisy fisaonana lehibe eran’ ny tany, ... ary izay mibanjina ny Tompo

dia nampahory ny fanahiny teo anatrehany». — Bliss, Advent Shield and Review, boky l, p.

271 (Janoary 1845).

Tamin’ ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana hatramin’ ny andron’ ny apostoly, dia ilay

tamin’ ny fararanon’ ny 1844 no tena afaka indrindra tamin’ ny tsy fahatanterahan’ ny

olombelona sy ny fandrik’ i Satana. Eny, fa na ankehitriny aza, taona maro aty aoriana, izay

rehetra nandray anjara tamin’ izany fihetsiketsehana izany ka nijoro tsy ho azo

nohozongozonina teo amin’ ny sehatry ny fahama-rinana dia mbola mahatsapa ny hery

masina niasa nangina avy tamin’ io asa feno fitahiana io ary vavolombelon’ ny maha-avy

tamin’ Andriamanitra izany.

Rehefa re ny antso nanao hoe : Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena Azy», «dia

nitsangana ireo niandry Azy ka nanamboatra ny fanalany»; nianatra ny tenin’ Andriamanitra

tamim-pahalianana fatratra izay tsy mbola nahitana izay toy izany izy. Nisy anjely nirahina

avy tany an-danitra hamoha ireo izay tratry ny fahakiviana ka manomana azy handray ny

hafatra. Tsy ny fahendrena na ny fahaizan’ olombelona no nijoroan’ ny asa, fa ny herin’

Andriamanitra. Tsy ireo nanan-talenta namirapiratra indrindra, fa ireo nanetry tena sy tia

vavaka indrindra no voalohany nandre sy nankatò ny antso. Nilaozan’ ny mpamboly ny

vokatra tany an-tsaha, navelan’ ireo mpiasa ny milina fiasany, ka tamin-dranomaso sy

fifaliana no nandehanany nitondra ny hafatra fampitandremana. Ireo izay nitarika ny asa

tamin’ ny voalohany no anisan’ ny farany nanaraka io fihetsiketsehana io. Ny ankabeazan’

ny fiangonana dia nanakatona ny varavarany mba ho mariky ny fandavany io hafatra io, ary

olona maro tamin’ ireo izay nandray izany no niala tsy nifandray tamin’ ireo intsony. Noho

ny fitondran’ Andriamanitra, dia niray tamin’ ny hafatry ny anjely faharoa io fitoriana io ka

nanome hery ny asa.

Ilay hafatra hoe : «Indry. tamy ny Mpampakatra!» dia tsy nankinina firy tamin’ ny

fonjan-kevitra na dia nazava sy tsy azo lavina aza ny porofo tao amin’ ny Soratra Masina.

Nisy hery nanosika nomba azy izay nampientana ny fanahy. Tsy nisy fisalasalana, tsy nisy

fanontaniana nampiahanahana. Raha niakatra tamin’ ny fomba manetriketrika tao

Jerosalema i Kristy, ny vahoaka izay tafangona avy tamin’ ny faritany rehetra hanatrika ny

fety ka nirohotra nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva, rehefa tafara-dia tamin’ ireo

marobe nanaraka an’ i Jesosy izy dia nentanin’ ny aingam-panahy tamin’ izany ora izany ka

nampaneoeo ny antso hoe : «Isaorana anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!»6. Toy

izany koa ireo mpino izay nifanizina tamin’ ny fivorian’ ny Advantista — ny sasany noho

ny fitiavany hahita zava-baovao, ny sasany mba hanazimbazimba fotsiny — nahatsapa ilay

hery nandresy lahatra avy tamin’ ilay hafatra hoe : «Indry, tamy ny Mpampakatra!» izy.

Tamin’ izany fotoana izany dia nisy finoana izay nitondra valimbavaka finoana izay

nijery ny famalian-tsoa. Tahaka ny ranonorana milatsaka amin’ ny tany mangentana ny

Fanahin’ ny fahasoavana dia nirotsaka tamin’ ireo izay nikatsaka izany mafy. Izay

nanantena fa vetivety dia hifanatri-tava amin’ ny Mpanavotra azy dia nahatsapa fifaliana

306

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!