Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Nisy koa fonjan-kevitra nosintonina avy tamin’ ny tandindona ao amin’ ny Testamenta Taloha izay nanondro ny fararano ho fotoan’ andro tsy maintsy anaovana ilay fombampivavahana mampiseho ny «fanadiovana ny fitoerana masina». Nazava dia nazava izany rehefa nafantoka tamin’ ny fomba nahatanterahan’ ireo sary aman’ ohatra mikasika ny fiavian’ i Kristy voalohany ny fijery. Ny famonoana ny zanak’ ondrin’ ny Paska dia aloky ny nahafatesan’ i Kristy. Hoy Paoly : «Fa voavono Kristy, Paska ho antsika»3. Ny salohim-barin’ ny voaloham-bokatra izay nahevaheva teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny fotoanan’ ny Paska dia sary mampiseho ny fitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty. Hoy i Paoly, raha niteny ny amin’ ny fitsanganan’ ny Tompo sy ny an’ ny vahoakany rehetra izy : «Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fiaviany» 4. Tahaka ny fanevahevana ny salohy, izay voa masaka voalohany nangonina talohan’ ny fijinjana, dia tahaka izany koa Kristy Izay voalohambokatry ny amboara mandrakizay avy amin’ ireo navotana amin’ ny fitsanganan’ ny maty mbola ho avy izay hangonina ho any amin’ ny sompitr’ Andriamanitra. Tanteraka ireo sary aman’ ohatra ireo, tsy amin’ ny maha zavatra hiseho azy fotsiny, fa araka ny fotoana hisehoany koa. Tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folon’ ny volana voalohany jiosy, tamin’ ny andro sy ny volana indrindra izay famonoana ny zanak’ ondrin’ ny Paska nandritra ny fotoana ela, dia taonjato dimy ambin’ ny folo, tamin’ io indrindra Kristy, rehefa avy nihinana ny Paska niaraka tamin’ ny mpianany, no nanendry ilay fanasana izay ahatsiarovana ny fahafatesany amin’ ny maha-«Zanak’ ondrin’ Andriamanitra Azy, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao». Tamin’ io alina io ihany dia nosamborin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy Izy mba homboiny sy hovonoiny. Ary ho setrin’ ny salohim-bary nahevaheva dia nitsangana tamin’ ny maty ny Tompontsika tamin’ ny andro fahatelo, «ho santatr’ izay efa nodimandry», ohatry ny fitsanganan’ ny marina rehetra, izay hovana «ny tenan’ ny fanetren-tenany, hitovy amin’ ny tenan’ ny voninahitr’ i Kristy»5. Amin’ ny fomba toy izany koa no tsy maintsy hahatanteraka ireo sary aman’ ohatra mikasika ny fiavian’ i Kristy fanindroany amin’ ny fotoana voatondron’ ny fanompoampivavahana ara-tandindona. Teo amin’ ny fanompoam-pivavahana tamin’ ny andron’ i Mosesy dia tamin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito jiosy (Levitikosy 16 : 29-34) no nanaovana ny fanadiovana ny fitoerana masina, na ny Andro Fanavotana lehibe tamin’ izay; rehefa avy nanao fanavotana ho an’ ny Isiraely rehetra ny mpisoronabe, ka nanala ny fahotany avy tao amin’ ny fitoerana masina, dia nivoaka mba hitahy ny vahoaka. Toy izany koa no ninoana fa i Kristy, ilay Mpisoronabentsika, dia hiseho mba hanadio ny tany amin’ ny fanafoanana ny fahotana sy ny mpanota ary hitahy ny vahoaka niandry Azy amin’ ny fanomezana azy ny tsy fahafatesana. Ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito, ny Andro Fanavotana lehibe, ny fotoana fanadiovana ny fitoerana masina, izay nianjera tamin’ ny roambiniroapolo Oktobra tamin’ ny 1844, dia noheverina ho fotoana hiavian’ ny Tompo. Nifandrindra tamin’ ny porofo efa naseho izany fa hifarana amin’ ny fararanon’ ny 2300 andro ka toa tsy azo nolavina izany fehin-kevitra izany. 304

Ao amin’ ny fanoharana ao amin’ ny Matio 25 dia manaraka ny fotoana niandrasana sy naharendrehana ny niavian’ ny mpampakatra. Nifanaraka tamin’ ny fonjan-kevitra vao novelabelarina izany, na ny avy amin’ ny faminaniana na ny avy amin’ ny fombampivavahana nisy tandindona. Nahatonga faharesen-dahatra mafy orina ny amin’ ny fahamarinan’ ireo izany; koa dia mpino an’ arivony no nampanakoako ny «antso mamatonalina». Tahaka ny fisamontan’ ny onja no nielezan’ ilay fihetsiketsehana eran’ ny tany (Etazonia). Nitety ny tanàna sy ny vohitra ka tafapaka hatrany amin’ ny toerana lavitra indrindra izany, mandra-pifohan’ ny vahoakan’ Andriamanitra tanteraka teo ampiandrasana. Nisinda tahaka ny zavona vao maraina raha vao miposaka ny masoandro ny fitompoan-teny fantatra teo anatrehan’ io fitoriana io. Tsapan’ ny mpino fa niala ny fisalasalany sy ny tebitebiny, ary namelombelona ny fony ny fanantenana ny faherezana. Afaka tamin’ ireo mpamivikevitra ny asa tamin’ izany, fahita mandrakariva mantsy ny toy izany isaky ny misy zava-manaitaitra ny olona tsy voafehin’ ny asa mangina ataon’ ny teny sy ny Fanahin’ Andriamanitra. Nitovy tamin’ ireo fotoana fanetren-tena sy fiverenana tamin’ i Jehovah izay nanaraka ny hafatra fanairana nentin’ ny mpanompon’ Andriamanitra tamin’ Isiraely fahiny izany. Nanana ny endrika nampiavaka ny asan’ Andriamanitra tamin’ ny andro rehetra izany. Tsy nisy firy ny firavoravoampanahy narahim-pahataitairana fa fandinihana lalina ny fo, fiaikena ny fahotana ary fandaozana an’ izao tontolo izao. Fiomanana hihaona amin’ i Jehovah no nitambesatra tamin’ ireo fanahy velom-pitalahoana mafy. Faharetana tamin’ ny fivavahana sy fanoloran-tena tsy nisy fepetra ho an’ Andriamanitra no hita. Hoy i Miller raha milaza ny amin’ io asa io : «Tsy misy fanehoampifaliana be; izany hoe, raha ny tena izy, notehirizina ho amin’ ny fotoana aoriana izany, rehefa hiara-mifaly avokoa ny lanitra sy ny tany amin’ ny haravoana tsy hay lazaina sy ny voninahitra mitafotafo. Tsy misy horakoraka : izany koa dia atokana ho amin’ ny horakoraka any andanitra. . . Mangina ny mpihira : miandry ny hiara-miredona amin’ ny andian’ anjely izy, dia ireo antokom-pihira avy any an-danitra. . .Tsy nisy fihetseham-po nifandona fa samy niray fo sy saina avokoa ny rehetra».Bliss, p. 270, 271. Hoy ny fanambarana nataon’ ny anankiray koa izay nandray anjara tamin’ ny fihetsiketsehana : «Na taiza na taiza dia niteraka fandinihana lalina ny fo sy fanetrena ny fanahy teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra ambony izany. Nahatonga ny fitiavana hiala tamin’ ny zavatry ny tany izany, fanasitranana ny fifandirana sy ny firehetampo, fiaikena ny ratsy vita, ranomasobe teo anatrehan’ Andriamanitra sy fitalahoana taminy hamela heloka sy handray ny fo mibebaka sy torotoro Niteraka fietrena lalina sy filavoan’ ny fanahy izay tsy mbola fahita na oviana na oviana izany. Araka ny nandidian’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ i Joela, rehefa mby akaiky ny andro lehiben’ Andriamanitra, dia nahatonga fo notriatriarina izany fa tsy fitafiana, ary fiverenana tamin’ i Jehovah tamin’ ny fifadiankanina, sy fitomaniana ary fisaonana. Araka ny nampilazain’ Andriamanitra an’ i Zakaria, dia haidina amin’ ny zanany ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery 305

Ao amin’ ny fanoharana ao amin’ ny Matio 25 dia manaraka ny fotoana niandrasana sy

naharendrehana ny niavian’ ny mpampakatra. Nifanaraka tamin’ ny fonjan-kevitra vao

novelabelarina izany, na ny avy amin’ ny faminaniana na ny avy amin’ ny fombampivavahana

nisy tandindona. Nahatonga faharesen-dahatra mafy orina ny amin’ ny

fahamarinan’ ireo izany; koa dia mpino an’ arivony no nampanakoako ny «antso

mamatonalina».

Tahaka ny fisamontan’ ny onja no nielezan’ ilay fihetsiketsehana eran’ ny tany

(Etazonia). Nitety ny tanàna sy ny vohitra ka tafapaka hatrany amin’ ny toerana lavitra

indrindra izany, mandra-pifohan’ ny vahoakan’ Andriamanitra tanteraka teo ampiandrasana.

Nisinda tahaka ny zavona vao maraina raha vao miposaka ny masoandro ny

fitompoan-teny fantatra teo anatrehan’ io fitoriana io. Tsapan’ ny mpino fa niala ny

fisalasalany sy ny tebitebiny, ary namelombelona ny fony ny fanantenana ny faherezana.

Afaka tamin’ ireo mpamivikevitra ny asa tamin’ izany, fahita mandrakariva mantsy ny toy

izany isaky ny misy zava-manaitaitra ny olona tsy voafehin’ ny asa mangina ataon’ ny teny

sy ny Fanahin’ Andriamanitra. Nitovy tamin’ ireo fotoana fanetren-tena sy fiverenana

tamin’ i Jehovah izay nanaraka ny hafatra fanairana nentin’ ny mpanompon’ Andriamanitra

tamin’ Isiraely fahiny izany. Nanana ny endrika nampiavaka ny asan’ Andriamanitra tamin’

ny andro rehetra izany. Tsy nisy firy ny firavoravoampanahy narahim-pahataitairana fa

fandinihana lalina ny fo, fiaikena ny fahotana ary fandaozana an’ izao tontolo izao.

Fiomanana hihaona amin’ i Jehovah no nitambesatra tamin’ ireo fanahy velom-pitalahoana

mafy. Faharetana tamin’ ny fivavahana sy fanoloran-tena tsy nisy fepetra ho an’

Andriamanitra no hita.

Hoy i Miller raha milaza ny amin’ io asa io : «Tsy misy fanehoampifaliana be; izany

hoe, raha ny tena izy, notehirizina ho amin’ ny fotoana aoriana izany, rehefa hiara-mifaly

avokoa ny lanitra sy ny tany amin’ ny haravoana tsy hay lazaina sy ny voninahitra

mitafotafo. Tsy misy horakoraka : izany koa dia atokana ho amin’ ny horakoraka any andanitra.

. . Mangina ny mpihira : miandry ny hiara-miredona amin’ ny andian’ anjely izy,

dia ireo antokom-pihira avy any an-danitra. . .Tsy nisy fihetseham-po nifandona fa samy

niray fo sy saina avokoa ny rehetra».Bliss, p. 270, 271.

Hoy ny fanambarana nataon’ ny anankiray koa izay nandray anjara tamin’ ny

fihetsiketsehana : «Na taiza na taiza dia niteraka fandinihana lalina ny fo sy fanetrena ny

fanahy teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra ambony izany. Nahatonga ny fitiavana hiala

tamin’ ny zavatry ny tany izany, fanasitranana ny fifandirana sy ny firehetampo, fiaikena ny

ratsy vita, ranomasobe teo anatrehan’ Andriamanitra sy fitalahoana taminy hamela heloka sy

handray ny fo mibebaka sy torotoro Niteraka fietrena lalina sy filavoan’ ny fanahy izay tsy

mbola fahita na oviana na oviana izany. Araka ny nandidian’ Andriamanitra tamin’ ny

alalan’ i Joela, rehefa mby akaiky ny andro lehiben’ Andriamanitra, dia nahatonga fo

notriatriarina izany fa tsy fitafiana, ary fiverenana tamin’ i Jehovah tamin’ ny

fifadiankanina, sy fitomaniana ary fisaonana. Araka ny nampilazain’ Andriamanitra an’ i

Zakaria, dia haidina amin’ ny zanany ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery

305

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!