Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

antokon’ olona anankiroa aseho. Samy efa nitondra ny fanalany izy ireo, dia ny Baiboly, ary teo amin’ ny fahazavan’ izany no nivoahan’ izy rehetra hitsena ny mpampakatra. «Ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza, ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany». Ity antokon’ olona faharoa ity dia efa nandray ny fahasoavan’ Andriamanitra, ny herin’ ny Fanahy Masina mamelombelona sy manazava, izay mahatonga ny Teniny ho fanilon’ ny tongotra sy fanazavana ny lalana. Tamin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra no nandinihany ny Soratra Masina mba hianarany ny fahamarinana, ary efa nikatsaka tamin-joto ny fahadiovan’ ny fo sy ny fiainana izy. Nanana fanandramana manokana ho an’ ny tenany izy, finoana an’ Andriamanitra sy ny teniny izay tsy nety ho resin’ ny fahadisoam-panantenana sy ny fihemoram-potoana. Ny sasany kosa «nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza». Fihetsehampo tampoka no nanosika azy. Nampirongatra ny tahony ny hafatra miezinezina, nefa niankina tamin’ ny finoan’ ny rahalahiny izy, ka afa-po tamin’ ny fahazavana mitsilopilopin’ ny fihetseham-po mendrika, nefa tsy nahafantatra tsara ny fahamarinana ao amin’ ny fo. Nivoaka hitsena ny Tompo izy ireo, feno fanantenana handray valisoa avy hatrany; nefa tsy voaomana hiandry ela sy ho diso fanantenana. Rehefa tonga ny fitsapana, dia resy ny finoany, ary nihena ny firehitry ny fahazavany. «Raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory». Ny mpampakatra naharitra ela dia asehon’ ny fahalasanan’ ny fotoana nantenaina iavian’ ny Tompo, ny fahadisoam-panantenana, sy ny toa fihemoran’ ny fotoana. Rehefa tonga ny fotoana hisian’ ny fisalasalana, vetivety dia nanomboka nihozongozona ny fitiavan’ ireo narivo salosana sy nafana fo tapany, ka nihalefy ny fiezahany; fa ireo izay nanana finoana niorina tamin’ ny fahalalan’ ny tenany manokana ny Baiboly kosa dia nampiorina ny tongony tambonin’ ny vatolampy, ka tsy azon’ ny onjan’ ny fahadisoampanantenana nopaohina. «Samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory» ; ny antoko iray natory noho ny tsy firaihana sy ny fialany tamin’ ny finoany, ny anankiray kosa niandry tamimpaharetana mandra-panome azy fahazavana bebe kokoa. Nefa tao amin’ ny alin’ ny fitsapana dia azo nolazaina fa toa nahaverezana ny hafanam-po sy ny fitiavam-bavak’ ireto farany. Tsy afaka niankina intsony tamin’ ny fon’ ny rahalahiny ireo nafana fo tapany sy narivo salosana. Samy tsy maintsy nijoro samirery izy na ho lavo samirery. Tokony ho tamin’ io fotoana io no nanomboka niseho ny fitompoan-teny fantatra. Nisy tamin’ ireo izay efa nisora-tena ho mpino nafana fo tamin’ ny hafatra no nandà ny tenin’ Andriamanitra ho hany mpitarika tsy mety diso, ary nihambo ho notarihin’ ny Fanahy izy ka namela ny tenany ho voafehin’ ny fihetseham-po, ny fahatsapana nandalo foana, sy ny eritreritry ny tenany ihany. Nisy sasany nampiseho hafanam-po jamba nombam-pahaterentsaina, ka nanameloka izay rehetra tsy nankasitraka ny fihetsiny. Tsy niray fo tamin’ ny hevitra amam-pihetsiny nitory fitompoan-teny fantatra ny maro tamin’ ny advantista; nefa na dia izany aza dia nahavoasoketa ny fahamarinany izany. Tamin’ io fomba io no nitadiavan’ i Satana lalana hanoherana sy handevonana ny asan’ Andriamanitra. Nanaitra tokoa ny vahoaka ny fihetsiketsehana advantista, an’ arivony ny 298

mpanota no voaova fo, ary nisy olona mahatoky nanolo-tena hiasa hitory ny fahamarinana na dia tamin’ ilay fotoana voalaza ho nampitaredretra ny mpampakatra aza. Very mpanaraka ny andnanan’ ny haizina; ary mba hahazoana manakiana ny asan’ Andriamanitra dia nataony izay hamitahana ny sasany tamin’ ireo izay nitana ny finoana ka nentiny ho any amin’ ny tafahoatra loatra Tamin’ izay dia efa vonombonona ireo mpiasany hanararaotra ny fahadisoana rehetra, ny fahalemena rehetra, ny fihetsika tsy mendrika rehetra, mba hanandratra izany avo dia avo ka nasehony teo anoloan’ ny vahoaka, ka hampibaribary izany amin’ ny fomba diso tafahoatra, mba hahatonga ny advantista sy ny finoany ho zavamaharikoriko. Noho izany, arakaraka ny mahamaro isa ireo izay azony hangonina ho mpihambo fa mino ny fiavian’ i Kristy fanindroany, nefa fenjain’ iny ihany ny fony, dia arakaraka izany no mahalehibe ny fahombiazana azony amin’ ny fampifantohana ny sain’ ny olona eo amin’ izy ireo. ho tena solontenan’ ny mpino manontolo. Satana dia «mpiampanga ny rahalahy» ary ny fanahiny no manainga ny olona hanaramaso ny fahadisoana sy ny fahalemen’ ny vahoakan’ i Jehovah, ary harangaranga ho hitan’ ny olon-drehetra nefa ny asa tsara ataony dia tsy misy mahita. Mifofotra mafy mandrakariva izy rehefa miasa Andriamanitra ho famonjena ny fanahy. Rehefa tonga ireo zanak’ Andriamanitra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana. Amin’ ny fifohazana rehetra dia vonona izy hampiditra ireo izay manana fo tsy nohamasinina sy saina tsy marin-toerana. Rehefa misy fahamarinana neken’ izy ireo ka mahazo toerana ho anisan’ ny mpino izy dia miasa amin’ ny alalan’ ireny i Satana mba hanatsofohany hevitra izay hamitaka ny tsy miambina. Tsy misy olona voaporofo fa tena kristiana, satria tafara-dalana amin’ ny zanak’ Andriamanitra izy, na dia ao amin’ ny trano fivavahana sy manodidina ny latabatry ny Tompo aza. Matetika i Satana no manatrika ny fotoana manetriketrika amin’ ny endrik’ ireo izay azony ampiasaina ho fitaovana ho azy. Iadiana amin’ ny andrianan’ ny ratsy avokoa ny dingana rehetra androsoan’ ny vahoakan’ Andriamanitra eo amin’ ny lalana ho any amin’ ny tanànan’ ny lanitra. Amin’ ny tantaran’ ny fiangonana manontolo dia tsy nisy fanavaozana natao ka tsy nisetra fisakanana lehibe. Toy izany tamin’ ny andron’ i Paoly. Na taiza na taiza nananganan’ ilay apostoly fiangonana, dia nisy olona izay niseho ho nandray ny finoana, nefa nampiditra «herezia» izay raha noraisina dia ho naharesy tosika any ivelany ny fitiavana ny fahamarinana. 1 Lotera koa dia niaritra tebiteby sy fahorian-tsaina lehibe noho ny fihetsik’ ireo olona mpitompo teny fantatra izay nihambo ho nitenenan’ Andriamanitra mivantana, ka nametraka ny eritreriny sy ny heviny teo ambonin’ ny fanambaran’ ny Soratra Masina. Maro ireo tsy nanana finoana sy fanandramana, nefa nihevi-tena ho ampy dia ampy, ary tia ny mihaino sy milaza zava-baovao, hany ka voafitaky ny fihamboan’ ny mpampianatra vaovao. ka dia nirotsaka hanampy ireo fiasana teo am-pelatanan’ i Satana handrodana izay nanaingan’ Andriamanitra an’ i Lotera hatsangana. Ary ry Wesley mirahalahy sy ireo hafa izay nitahy an’ izao tontolo izao noho ny toe-piainany feno fahamendrehana sy ny finoany, dia tojo isaky ny mandingana ny hafetsen’ i Satana izay nanesika olona mafana fo 299

mpanota no voaova fo, ary nisy olona mahatoky nanolo-tena hiasa hitory ny fahamarinana

na dia tamin’ ilay fotoana voalaza ho nampitaredretra ny mpampakatra aza. Very mpanaraka

ny andnanan’ ny haizina; ary mba hahazoana manakiana ny asan’ Andriamanitra dia

nataony izay hamitahana ny sasany tamin’ ireo izay nitana ny finoana ka nentiny ho any

amin’ ny tafahoatra loatra Tamin’ izay dia efa vonombonona ireo mpiasany hanararaotra ny

fahadisoana rehetra, ny fahalemena rehetra, ny fihetsika tsy mendrika rehetra, mba

hanandratra izany avo dia avo ka nasehony teo anoloan’ ny vahoaka, ka hampibaribary

izany amin’ ny fomba diso tafahoatra, mba hahatonga ny advantista sy ny finoany ho zavamaharikoriko.

Noho izany, arakaraka ny mahamaro isa ireo izay azony hangonina ho

mpihambo fa mino ny fiavian’ i Kristy fanindroany, nefa fenjain’ iny ihany ny fony, dia

arakaraka izany no mahalehibe ny fahombiazana azony amin’ ny fampifantohana ny sain’

ny olona eo amin’ izy ireo. ho tena solontenan’ ny mpino manontolo.

Satana dia «mpiampanga ny rahalahy» ary ny fanahiny no manainga ny olona hanaramaso

ny fahadisoana sy ny fahalemen’ ny vahoakan’ i Jehovah, ary harangaranga ho hitan’

ny olon-drehetra nefa ny asa tsara ataony dia tsy misy mahita. Mifofotra mafy mandrakariva

izy rehefa miasa Andriamanitra ho famonjena ny fanahy. Rehefa tonga ireo zanak’

Andriamanitra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana. Amin’ ny

fifohazana rehetra dia vonona izy hampiditra ireo izay manana fo tsy nohamasinina sy saina

tsy marin-toerana. Rehefa misy fahamarinana neken’ izy ireo ka mahazo toerana ho anisan’

ny mpino izy dia miasa amin’ ny alalan’ ireny i Satana mba hanatsofohany hevitra izay

hamitaka ny tsy miambina. Tsy misy olona voaporofo fa tena kristiana, satria tafara-dalana

amin’ ny zanak’ Andriamanitra izy, na dia ao amin’ ny trano fivavahana sy manodidina ny

latabatry ny Tompo aza. Matetika i Satana no manatrika ny fotoana manetriketrika amin’ ny

endrik’ ireo izay azony ampiasaina ho fitaovana ho azy.

Iadiana amin’ ny andrianan’ ny ratsy avokoa ny dingana rehetra androsoan’ ny

vahoakan’ Andriamanitra eo amin’ ny lalana ho any amin’ ny tanànan’ ny lanitra. Amin’ ny

tantaran’ ny fiangonana manontolo dia tsy nisy fanavaozana natao ka tsy nisetra fisakanana

lehibe. Toy izany tamin’ ny andron’ i Paoly. Na taiza na taiza nananganan’ ilay apostoly

fiangonana, dia nisy olona izay niseho ho nandray ny finoana, nefa nampiditra «herezia»

izay raha noraisina dia ho naharesy tosika any ivelany ny fitiavana ny fahamarinana. 1

Lotera koa dia niaritra tebiteby sy fahorian-tsaina lehibe noho ny fihetsik’ ireo olona

mpitompo teny fantatra izay nihambo ho nitenenan’ Andriamanitra mivantana, ka

nametraka ny eritreriny sy ny heviny teo ambonin’ ny fanambaran’ ny Soratra Masina. Maro

ireo tsy nanana finoana sy fanandramana, nefa nihevi-tena ho ampy dia ampy, ary tia ny

mihaino sy milaza zava-baovao, hany ka voafitaky ny fihamboan’ ny mpampianatra vaovao.

ka dia nirotsaka hanampy ireo fiasana teo am-pelatanan’ i Satana handrodana izay

nanaingan’ Andriamanitra an’ i Lotera hatsangana. Ary ry Wesley mirahalahy sy ireo hafa

izay nitahy an’ izao tontolo izao noho ny toe-piainany feno fahamendrehana sy ny finoany,

dia tojo isaky ny mandingana ny hafetsen’ i Satana izay nanesika olona mafana fo

299

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!